Mety hanan-kery eo aminao ve ny fandehan’ny mozika amin’ny andro ankehitriny?
INONA izao no holazaina ny amin’ny mozika amin’ny andro ankehitriny, “rock, punk, funky, rhythm and blues, country” sy ny fandehany hafa isan-karazany sy maro samihafa izay mihamaro amin’izao andro izao. Izany mozika izany, miaraka amin’ny tonony na tsia ve mety hisy heriny eo amin’ny fomba fisainanao na hanimba ny fahasalamanao ara-panahy?
Nanome izao fanazavana manaraka izao i Bill Mullane, mpanao mozika “rock” taloha any New Jersey, any Etazonia: “Rehefa nihira beso tao amin’ny antokona “rock” iray aho, dia ara-batana ranofotsiny ny vokatry ny mozika. Mahazo anao tsy hay toherina ny fipaika, araka ny demonia sy misy filana ady. Izaho izay mpanao mozika dia voatanan’ny mozika vetivety aho. Avy eo, rehefa nahita ny fihetsiky ny vahoaka mba azon’ny fahataitairana voalohany koa aho, dia nahatsiaro faniriana ny hangeja azy mafy kokoa ihany. Izany no mampiavaka an’io karaza-mozika io. Mihazona anao amin’ny tsinay izany. Mazava ho azy fa tamin’izany fotoana izany aho dia matetika no niasan’ny zavatra mahadomelina. Mpihaino maro rahateo koa moa no toy izany. Izany no nampiakatra ny hafanam-po. Fantatrareo fa avela amin’izay ny mety ho fifehezan-tena rehetra. Amin’izany ny tena dia tonga amin’ny firehetana sy ny fanadinoana izay rehetra nanakantsakana ny tena.
“Araka ny hevitro, dia noho izany antony izany no mahatonga ny tanora ho tia fatratra karaza-mozika fandre amin’izao andro izao. Mampitovy ny tenany aminy sy ny lazainy izy ireny. Rehefa mieritreritra izany indray aho, dia mahatsapa fa ny fahamaimaizany dia ahitana taratry ny fihetseham-pony eo anoloan’izao tontolo izao sy ny fiainana amin’ny andro ankehitriny. Rehefa dinihina tokoa, ny fandrahonan’ny ady noklehera dia mitambesatra eo amin’ny taranak’olombelona. Iza no mahalala izay fotoana sisa tavela hahavelomana. Izany no antony anarahany izao fiheverana manaraka izao: ‘Miaina raha mbola afaka manao izany koa ianao.’ ‘Manararaota ny fiainana araka izay farany azonao atao.’”
Izany fanamarihana ny amin’ny dingana famantarana izany dia mahatonga antsika ho afaka hahakasika ny lalina indrindra amin’ny zava-manahirana (jereo I Korintiana 15:32). Moa ve ho tian’ny kristiana marina iray ny hampitovy ny tenany amin’ny ankamaroan’ny fandehan’ny mozika amin’ny andro ankehitriny. Toy izao ny fitantarana hita vao haingana tao amin’ny Toronto Star, gazety iray any Kanada: “Tafaharo ao amin’ny kaonseritry ny “Tubes [antokona ‘rock’ any San Francisco] ny amin’ny lahy sy ny vavy sy ny habibiana.” Nanampy teny toy izao ilay gazety: “Izay asehon’ny ‘Tubes’ ho toy ny tononkira fanakianna ara-tsosialy, amin’ny olon-kafa na iza na iza, dia mety ho hita fa fitiavana habibiana sy fampijaliana olona na fampijalian-tena, fironana amin’ny fanomezana fahafaham-po ny filana eo amin’ny lahy sy ny vavy miharo fahasiahana, tsy fahalalana fomba sy fiharatsiana tsotra izao.” Inona no mety hiombonan’ny kristianisma amin’izany rehetra izany?
Ny New York Post dia namoaka vao haingana lahatsoratra iray nitondra ny lohateny hoe “Ny fiainana satanikan’ny Rolling Stones”. Teo amin’ny pejy iray manontolo no namintinan’io lahatsoratra io ireo raharaha momba ny zavatra mahadomelina nahatafiditra an’io antokon’olona io. Ary anefa ny mozikan’ny Rolling Stones dia mampiseho tsy misy fihambahambana ny fiheverany ny amin’ny zavatra mahadomelina, ny momba ny lahy sy ny vavy ary Satana. Azonao atao àry ve ny hiray laharana amin’izy ireny sady hilaza fa mpianatr’i Kristy?—II Tantara 6:14, 15.
Ny mozika sy ny spiritisma
Mampalahelo fa ny mozika amin’ny andro ankehitriny dia mbola mifono loza hafa koa tokony hiarovan’ny kristiana tena noho ny fieritreretana. Ny apostoly Paoly tokoa dia nananatra ny krsitiana tamin’izao teny izao: “Tafio avokoa ny fiadian’Andriamanitra rehetra, mba hahazoanareo hifahatra amin’ny fanangolen’ny [fitaky ny, “The Kingdom Interlinear Translation of the Greek Scriptures”] devoly. Fa isika tsy mitolona amin’ny nofo aman-dra, fa amin’ny fanapahana sy amin’ny fanjakana sy amin’ny mpanjakan’izao fahamaizinana izao, dia amin’ny fanahy ratsy eny amin’ny rivotra.” (Efesiana 6:11, 12). Tsy tokony hohamaivanintsika na oviana na oviana io fampitandremana io. Manjaka toy ny tompo ireo demonia, ary eo imasony ny mozika dia zava-tsoa kanto natao hamitahana ny olona, indrindra fa ny tanora feno fampanantenana.
Miharihary indrindra anefa fa antokon’olona maro no mihevitra akaiky dia akaiky ny spiritisma sy ny fanaovana sikidy. Misy hafa koa manandrana manangana fivavahana sy filozofia tatsinanana amin’ny fampiasana ankolaka ny mozikany. Aoka homarihintsika izao ohatra manaraka izao:
Robert Palmer, mpanao fanakianana amin’ny “jazz”, raha nanoratra tao amin’ny New York Times teo ambanin’ny lohateny hoe “Mitsofoka ao amin’ny ‘album de jazz’ ny fanaovana ody ratsy”, dia nanao izao famoaboasan-kevitra izao ny amin’ny orikesitra ‘jazz’ mainty atao hoe The Art Ensemble of Chicago” “Ny filamatry ny Art Ensemble de Chicago dia hoe ‘Ny mozika mainty lehibe: taloha sy ho avy’. (...) Mihoatra ny iray anefa ny maha-mainty an’io mozika io. Ao (...) ireo famosaviana ‘vaudou’ mainty atao amin’ny alina be indrindra. Izany dia tsy tena fahamaintisana feno hasomparana akory, nefa tsy ny karazana disika halefa amin’ny fandihizana koa, na dia ny feno hadalana indrindra aza (...). Izany dia fanafihana misy fampisehoana matoatoa ao anatin’ny haizim-pito.” Ianao izay mpianatr’i Kristy, hamela toerana ho an’izany karazana mozika izany ao amin’ny tahirin-disikao ve ianao?
Rehefa heverina amin’izay nambaran’i Paoly fahiny tamin’ireo kristiana tany Efesosy ny amin’ny hery ara-panahy ratsy, hety amin’ny kristiana iray amin’izao taonjato faha-20 izao ve ny hanana ao amin’ny tahiriny manokana, disika izay manandratra ny fanompoana demonia sy ny spiritisma? Raha fantany fa ny antokon’olona sasany dia mianatra spiritisma na manaraka izany tsotra izao, afaka milaza amin’ny fomba azo antoka ve izy fa izany hery izany dia tsy hitsofoka mihitsy ao amin’ny tonony sy ny paikan’ilay mozika, na eo amin’ny fonon’ny disika mihitsy aza.
Araka izany, dia misy antokon’olona mitendry feon-kira izay ny lohateniny dia hoe “Mr Crowley”. Iza marina tokoa anefa io Atoa Crowley io? Mpanaraka fivavahana amin’i Satana, izay nampandroso ny fanaovana ody ratsy amin’izao taonjato faha-20 izao. Amin’ny toe-javatra maro, ny fanopaza-maso fotsiny amin’ny fonon’ny “album” dia tokony ho ampy hampanapa-kevitra ny Vavolombelon’i Jehovah iray na hividy disika iray izy na tsia, ary izany dia rehefa hitany eo ny sary mampahatsiahy fanaovana ody ratsy sy fanompoana demonia, mariky ny mpanompo sampy na ny asan’ny maizina.
Gordon Grant, mpanao mozika iray izay nivelona tamin’ny “jazz”, avy eo dia tamin’ny “rock” taloha, tany amin’ny trano filalaovana amin’ny alina any Los Angeles, dia nanambara toy izoa: “Ny antokon’olona fantatro rehetra dia saika nanao spiritisma kely na be daholo. Rehefa nisy fifankahalana tamin’olona, ny anankiray tamin’ireo fanontaniana fametraka voalohandohany dia hoe: ‘Inona no famantaranao?’ Noheveriny ho zava-dehibe ny fanandroana sy ny famantaran’ny zodiaka nahaterahanao.” Fa ianao kosa, irinao ve ny hanaraka fanandroana na fanao araka ny demonia hafa?—Deoteronomia 18:10-13.
Ny mozika sy ny fahalotoam-pitondrantena
Ny apostoly Paoly dia nanome torohevitra nahery hafa koa ho an’ireo kristiana tany Efesosy, dia torohevitra mbola ampiharina mafy toy izany ihany amin’izao andro izao eo amin’ny lafin’ny mozika. Toy izao ny fananarana nataony: “Fa ny fijangajangana sy ny fahalotoana rehetra, na ny fieremana [faniriana mihoa-pampana, MN] (anisan’izany ny faniriana mihoa-pampana eo amin’ny lahy sy ny vavy), dia aza avela hotononina eo aminareo akory, fa tsy mahamendrika ny olona masina izany, na fahavetavetana (...) na voso-dratsy.”—Efesiana 5:3-5.
Ry ray aman-dreny sy tanora, moa ve ianareo efa nieritreritra ny tonon’ny disika kasainareo hovidina na mety ho efa ao an-tokantranonareo? Angamba hitanareo fa mahasodoka izany mozika izany na tianareo ny paikany. Amin’ny voalohany, dia tsy heverinareo ny tonony, ka tsy ela dia mahatsapa tena ho mikalokalo tsy nahy ny feony ianareo. Re mihitsy aza indraindray izany karazam-peon-kira izany eny amin’ny toerana voatokana hikorisana. Hety amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ve ny handeha hilalao hikorisa miaraka amin’ny feon’ny mozika toy izany? ‘Hanontany tena angamba anefa ianao hoe, inona no hampidi-doza amin’izany?’
Ao amin’ireo mozikany, ireo antokon’olona malaza dia mitady izay hampisehoana ny fijangajangana sy ny fampiasana zavatra mahadomelina ho toy ny fomba fiaina azo ekena. Eny, ny fomba fiainany manokana dia hita ao amin’ny mozikany. Izao, ohatra, no teny sasany notsimponina tao amin’ny “album” vao haingana: “Tiako ny hahita hoe manao ahoana ianao eo am-pandriana.” ary: “Manaitaitra ny filan’ny nofo razazavavy, ‘sexy’ izy.” Ny mpihira malaza iray dia manome ny heviny antsika ho fiantombohan-dresaka eo amin’ny fonon’ny “album”-ny. Izao no lazainy: “Tsy hitako mihitsy izay maha-ratsy ny firaisan’ny lahy sy ny vavy eo amin’ny olon-droa mifanaiky (...). Tsy mino ny filozofia fatra-pitandrina ny fitondrantena loatra aho.” Inona àry no fiombonan-kevitra mety hisy eo amin’ny kristiana marina sy ny fihetsika ampahatsiahivina amin’ny teny sy ny filozofia toy izany. Moa ve ireo mpianatr’i Kristy tokony hanaraka fiheverana ‘lavitra an’Andriamanitra’ toy izany?—Efesiana 4:18; jereo Genesisy 39:7-12.
Ny mozika sy ny efa zokinjokiny
Avy hatrany angamba ny olona efa zokinjokiny dia hieritreritra fa izany fanamarihana rehetra izany dia tsy mihatra afa-tsy amin’ny tanora sy ny mozikany. Ahoana anefa ny amin’ny hirahira nalaza tany amin’ny roapolo na telopolo taona izao, dia hirahira mbola henoin’ny olo-manina amim-pahafinaretana ihany? Raha raisina ny ohatra ny amin’ny hira amerikana nahita fahombiazana, “Big Spender” (Ilay mpandany be) dia nampiseho vehivavy janga iray nanandrana naka olona. “Fever” (Ny fahataitairana) dia filazalazana zara raha somary saronana, ny amin’ny filana mihoa-pampana eo amin’ny lahy sy ny vavy. “Never on Sunday” (Tsy ny alahady na oviana na oviana) koa dia hirahiram-behivavy janga. Tamin’izany fotoana izany, firifiry akory ny olona tia ny nihaino ireny feon-kira ireny, nefa tsy nihevitra ny dikan’ny tonony?
Ho azontsika halavaina tsy misy farany ny lisitry ny ohatra izay mampiharihary fa mamitaka ny tetik’i Satana natao hamelomana ao amintsika, amin’ny alalan’ny mozika, hevitra sy filozofia ho nolavintsika amin’ny fotoana ara-dalàna. Inona no tokony hotsoahintsika avy amin’izany. Na tanora isika na antitra, dia tokony hodinihintsika tsara ny karazana mozika mahazatra antsika ny mihaino azy. Tsy tsapantsika tokoa akory fa mety hanaraka ny “fanaranam-po amin’ny ratsy” eo amin’izao tontolo izao ankehitriny isika.—I Petera 4:4.
Tokony hampieritreritra ny kristiana rehetra izany, na loholona ao amin’ny kongregasiona izy, na ray aman-dreny, na tanora na ankizy. Tsy ho ampy antsika ny toerana raha tiantsika ny hampiseho eto ny fanambarana mampahory rehetra anananay ny amin’ny vokatra mampietrin’ny fomba filazana hevitra sasany amin’ny mozika kilasika na amin’ny andro ankehitriny. Na dia izany aza, ny kristiana mitady hanao tsara tsirairay avy dia mety raha mamakafaka izay tiany amin’ny mozika ka mandinika ny tahirin-disika ananany manokana, raha manana izany izy, avy eo dia manao zavatra mifanaraka amin’ireo fanatsoaha-keviny miorina amin’ny Soratra masina.
Ny fihetsiky ny kristiana
Rehefa nitory tany Efesosy i Paoly, dia nahavokatra indrindra ny fanompoany. Olona maro nanaraka ny asan’ny maizina tokoa no nanaiky ny kristianisma sy nanao fandaharana mba hiaro ny fahasalamany ara-panahy tao anatin’ireo andro nanaraka. Manazava toy izao ny fitantarana araka ny Baiboly: “Ary maro ny mpanao ody no nanangona ny bokiny [momba ny spiritisma] ka nandoro azy teo imason’ny olona rehetra; ary nony voatontaly ny tokom-bidiny, dia hita fa volafotsy dimy alina izany. Fatratra toy izany no fandrosoan’ny tenin’Andriamanitra sy ny heriny.”—Asa. 19:18-20.
Moa ve mbola hitombo ihany ny Tenin’i Jehovah ao aminao ka hiseho ho mahery raha ny aminao? Raha miharihary fa ilaina izany, moa ve ianao hanana ny fandaharana tokony hatao mba hiheverana anao ho mendrika ho anisan’ireo ‘olona masin’i Jehovah’ (Efesiana 5:3)? Vao haingana izay, taorian’ny namelabelarana tamim-pahatsorana an’io zava-manahirana io teo anoloan’ny antokon’olona maro manompo an’i Jehovah manontolo andro, dia fanariam-pako maromaro feno disika no voangona. Nofoanana ireo noho izy nirakitra fironana ho amin’ny fitondrantena maloto, araka ny demonia fotsiny, na satria nidera fomba fiaina mikororosy mampiavaka an’izao tontolo izao ankehitriny. Ny zava-dehibe, dia tsy ny vidiny, fa ny fahavoazana mety hoentiny eo amin’ny fiainana ara-panahin’ireo tompony.
Hisy angamba hieritreritra fa tokony ho hentitra kokoa izahay raha ny amin’ny antoko-mpihira sasany na ny fandehan’ny mozika toy izao na izao. Nanambara toy izao anefa ny apostoly Paoly: “Fa ho an’izay efa lehibe [matotra, MN] ny ventin-kanina, dia ho an’izay manana ny saina efa zatra nampiasaina tsara ka mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy.” (Hebreo 5:14). Marina tokoa fa raha mampiasa ny fitsaran’ny fieritreretany voataizan’ny Baiboly ny kristiana matotra dia tsy ho sahirana mihitsy hanavaka ny karaza-mozika tsara. Tsy mila “talmoda” fandrarana ny Vavolombelon’i Jehovah mba hitondrana ny tenany, na mila “Indeksa” ny amin’ireo mozika andrarana. Aoka ny tsirairay avy hampiasa ny fahaizany manavaka mba hahazoana sitraka amin’ny Rainy any an-danitra amin’ny zavatra rehetra, ary indrindra fa amin’ny mozika fidiny hohenoina!—Efesiana 5:18-20; Filipiana 1:9-11.
[Sary, pejy 9]
Midera ny spiritisma, ny fampiasana zavatra mahadomelina na ny fahalotoam-pitondrantena ve ireo disikao?