Tano ny Fanantenana atolotra anao
1, 2. Nahoana moa no zava-dehibe ny hanontaniantsika tena raha mitana mafy ny fanantenana isika?
NANORATRA ny apostoly Paoly “fa efa tonga mpiombona amin’i Kristy isika, raha mihazona mafy ny fiandohan’ny fahatokiantsika hatramin’ny farany”. (Hebreo 3:14.) Noresahiny koa ny amin’ny ilàna “hihazonana Fanantenana napetraka eo anoloantsika”. — Hebreo 6:18.
2 Angamba ianao Vavolombelon’i Jehovah tsy ela izay, nefa matoky ny zavatra inoanao sy be zotom-po. Na mety ho vavolombelona kristiana hatramin’ny am-polo taona maro ianao ary mahatsapa fa tafiditra mafy ao amin’ny lalan’ny fahamarinana. Na inona na inona toerantsika, dia azo inoana fa isika rehetra dia mahafantatra kristiana izay nitsahatra tsy nandeha tao amin’ny lalan’ny fahamarinana, toy ny nitranga tamin’ny taonjato voalohany (Filipiana 3:18; Asa. 20:30). Ny sasany dia mety hamoy tsikelikely ny finoana, hanomboka hihevitra ny zavatra ara-nofo na ho resin’ny fakam-panahy ka hanota.
3-5. Ahoana no mety hanampian’ny taratasy ho an’ny Hebreo antsika raha ny amin’ny fanantenantsika?
3 Ahoana no azontsika isorohana ny hitrangan’izany amintsika? Izao: aoka hoheverintsika ireo torohevitra omen’ny taratasy ho an’ny Hebreo antsika. Ho tsapantsika fa tena mety tanteraka izany ho an’ny androntsika, araka ny asehon’ny fiaretana amim-pahatokian’ny Vavolombelona maro amin’izao andro izay nahazo tanjaka avy amin’izany torohevitra izany.
4 Ny taratasy ho an’ny Hebreo dia natao ho an’ny kristiana “mpiombona ny fiantsoana avy any an-danitra”. Nohosorana tamin’ny fanahin’Andriamanitra izy ireo ary nanantena mafy ny ho any an-danitra, hanaraka an’i Kristy izay namoha ny lalana ho azy ireo. Araka ny azonao alaina sary an-tsaina, ‘io fanantenana io dia toy ny vatofantsiky ny aina sady mafy no tsy mihetsika’. Paoly anefa dia nanintona ny saina ho amin’ny ilàna “hihazona ny fanantenana napetraka eo anoloantsika”. (Hebreo 3:1; 6:18-20.) Raha tena nilaina izany ho azy ireo, dia vao mainka toy izany amin’izao andro izao ho an’ny sisa amin’ny kristiana voahosotra sy ho an’ny “olona betsaka” rahalahin’izy ireo izay manantena ny ho tafita velona amin’ny “fahoriana lehibe” efa antomotra! — Apokalypsy 7:9, 15.
5 Ao amin’io taratasy ho an’ny Hebreo io, Jehovah dia mampitandrina antsika amin’ny loza hoe “hindaosina hiala”, ‘mihemotra’, manjary ‘ketraka’, “mihemotra ho amin’ny fahaverezana” na ‘handa izay miteny’ ny amin’i Jesosy (Hebreo 2:1; 6:6, 12; 10:39; 12:25). Hita ao àry ny torohevitra tsara dia tsara izay hanampy antsika “haneho izany fahazotoana izany mba hahazo ny fahatokiana be ny amin’ny fanantenana hatramin’ny farany” ka hitoetra eo amin’ireo izay “mino ho amin’ny famonjena ny fanahy”. — Hebreo 6:11; 10:39.
‘Aoka isika tsy hihemotra ho amin’ny fandringanana’
6. Inona moa no tsy maintsy natrehin’ireo kristiana hebreo, ary inona no tokony hataontsika?
6 Tsy isalasalana fa kristiana hebreo be dia be no niharan’ny fanenjehana. ‘Niaritra ny ady mafy tamin’ny fahoriana’ izy ireo, ohatra, rehefa nisetra loza tao amin’ny teatira romana na nanao vy very ny ainy mba hitondrana fanampiana ho an’ireo rahalahiny tany an-tranomaizina (Hebreo 10:32-34). Na dia izany aza, dia tsy maintsy nanao fiezahana izy ireo mba tsy ho “naman’izay mihemotra ho amin’ny fahaverezana [fandringanana, MN], fa naman’izay mino ho amin’ny famonjena ny fanahy”. — Hebreo 10:39.
7. a) Amin’ny ahoana moa ny hevitra ny amin’ny tsy maintsy hiaretana fanenjehana no mety hisy vokany eo amin’ny kristiana iray? b) Tokony hanontany tena hoe ahoana isika?
7 Ny kristiana iray àry dia mety hatahotra ny fanoherana ka amin’izany dia ‘hihemotra’ na hanaraka ambokony raha ny amin’ny finoan’ny tenany. Ary isika? Angamba isika hatramin’izao mbola tsy niaritra afa-tsy fanoherana voafetra, dia ny an’ireo mpiara-mianatra amintsika na mpiara-miasa amintsika, ohatra. Ny sasany tamintsika dia nety ho nokapohin’ny vady na ny havana tsy mpino. Any amin’ny tany maro anefa, dia maningana ihany ny fisian’ny Vavolombelona iray enjehina amin-kalozana noho ny finoany. Noho izany antony izany, ireo kristiana any amin’ireny tany ireny dia tsy voaomana kokoa hizaka fanenjehana mafy ka mety ho mora ‘hihemotra’ kokoa rehefa mitranga izany. Aoka àry isika hametraka izao fanontaniana izao amin’ny tenantsika: ‘Moa ve rehefa avy nanana fiainana nilamina hatramin’izay aho dia mety ho voan’ny fakam-panahy hihemotra raha rahonana mafy, ohatra, raha mety hamoy ny tokantranoko, ny asako, izay rehetra mety ho fifandraisana amin’ny fianakaviako, na hatao an-tranomaizina sy hokapohina koa?’
8. Hevitra inona no mety hanampy antsika hiaritra fanenjehana moa no omen’ny taratasy ho an’ny Hebreo antsika?
8 Rehefa avy niresaka ny amin’ny fanehoam-pinoana ao anatin’ny fahoriana i Paoly dia mamporisika antsika hihevitra ny fomba niaretan’ny tenan’i Jesosy fitsapana (Hebreo 12:2, 3). Avy eo, dia mampahatsiahy antsika izy fa rehefa misy fanenjehana mafy mitranga, izany dia tokony hoheverina ho toy ny karazam-pifehezana mahasoa. Mazava ho azy fa tsy Andriamanitra akory no mahatonga fanenjehana; leferiny fotsiny izany. Na dia izany aza, ny fanenjehana dia mety hampiofana antsika na hanampy antsika hampitombo ireo toetra kristiana ilaina; toy ny fiaretana, ny faharetana, ny fahatokiana sy ny fitokisana amin’i Jehovah. — Hebreo 12:4-11; Jakoba 1:2-4.
9. a) Ahoana no ahafantarantsika fa misy olona tsy tanteraka afaka miaritra fanenjehana? b) Inona no nitranga tamin’ny vehivavy kristiana nonina tany amin’ny tany kaominista iray tao anatin’ireo taona 60?
9 Noho ny tahotra sao isika mieritreritra fa ny lehilahy tanteraka toa an’i Jesosy ihany no afaka miaritra ny fanenjehana, Paoly, tao amin’ny taratasiny ho an’ny Hebreo, dia manintona ny saintsika ho amin’ny lehilahy sy vehivavy tsy tanteraka sahala amintsika izay niaritra izany noho ny finoany (Hebreo 11:35-40; 12:1). Ny “vavolombelona maro be” izay niaritra fitsapana noho ny finoany dia nitatra amin’izao androntsika izao. Tamin’ny aogositra 1982, ny gazety soisa iray dia namoaka lahatsoratra izay azo namakiana ny tenin’ny vehivavy iray tafaraka tamin’ny vehivavy Vavolombelon’i Jehovah tany amin’ny toby fiasana any amin’ny tany kaominista iray, tokony ho roapolo taona eo ho eo izay. Toy izao ny hevitra tena lehibe tao amin’ny fanazavana nomeny:
Ireo fiangonana lehibe indrindra ihany no manana fahafahana voafetra satria izy ireo mitory izay avelan’ny fanjakana atao. Tsy toy izany no hita amin’ireo fivavahana kely kokoa izay ny mpanaraka azy dia mivory any an-tokantrano. Ny enjehina indrindra dia ny Vavolombelon’i Jehovah. Vavolombelona maro nahitana Ny Tilikambo Fiambenana tao an-tranony no nosazina folo taona an-tranomaizina. Takatra àry ny nahatonga an’ireo manam-pahefana tao amin’ny toby ho sosotra rehefa nahazo zavatra voasoratra betsaka karazan’izany tamin’ny fomba samihafa ireo Vavolombelona. Ny vehivavy mpigadra tsirairay avy dia nosavaina sy nampiboridanina tanteraka, ary nodinihina tamin’ny zaitrany rehetra ireo fitafiany. Toy izany koa, ireo vehivavy mpigadra niasa teny an-tsaha dia nambenan’ny mpiambina nitam-piadiana sy nosavaina rehefa niverina tao an-toby. Nipoitra indray anefa ireo zavatra voasoratra, toy ny hoe nisy anjely nisidina teo ambonin’ny toby tamin’ny alina ka nandatsaka izany tao. Vehivavy tanora ny ankamaroan’ireo Vavolombelona. Tamin’ny voalohany izy ireo dia nosazina dimy ka hatramin’ny fito taona an-tranomaizina, tamin’ny fanindroany dia folo taona an-tranomaizina fara fahakeliny. Ny Vavolombelona no mpigadra natao ratsy fitondra indrindra. Rehefa nisy nihoatra ny telo tamin’izy ireo tafahaona, avy hatrany dia nodidiana hisaraka izy ireo.
10. Noho ny fanampian’ny taratasy ho an’ny Hebreo, afaka ny ho vonona ny hanao inona isika raha misy fanenjehana?
10 Raha ny amin’ny oha-pinoana tamin’ny lasa nasehon’ny mpanompon’Andriamanitra nenjehina, ny taratasy ho an’ny Hebreo dia milaza fa “izao tontolo izao tsy miendrika ho nitoerany akory”, nefa ‘hataon’i Jehovah tanteraka ireo ao amin’ny paradisa an-tany. Inoan no mety hotadiavina mihoatra noho izany? Aoka àry isika handatsaka am-po ireny oha-pinoana tamin’ny lasa na amin’izao andro izao ireny. Tsy ‘hihemotra ho amin’ny fandringanana’ isika fa aoka ho vonona ny hanana ‘finoana ho amin’ny famonjena ny fanahy”. — Hebreo 11:38, 40; 10:39.
Aoka isika tsy “hindaosina hiala”
11. Ahoana moa no mety hahatonga olona iray kristiana hatramin’ny elaela “hindaosina hiala”?
11 Araka ny asehon’io taratasy io, dia misy loza hafa iray, dia ny “hindaosina hiala”. (Hebreo 2:1.) Aoka hojerentsika ny fomba mety hitrangan’izany. Ny olona iray — mety ho na iza na iza amintsika — dia tonga kristiana ka maneho hafanam-po mahafinaritra. Manomboka mandray anjara amin’ny fo rehetra amin’ny asa fitoriana izy raha mbola voafetra ny fahalalany araka ny Baiboly (Asa. 3:1-9; 8:39; 13:48, 49). Rehefa afaka taona vitsivitsy, dia tokony ho tonga amin’ny fahamasahana ny hafanam-pony mba hiova ho zotom-po miredareda sy fandavan-tena lalina. Izany ve no hita? Moa ve izy mihevitra ny fanompoana kristiana ho fomba iray hanehoana ny fitiavany an’Andriamanitra sy hanampiana olon-kafa toy ny nanampiana azy. Sa kosa izany tonga fahazarana fotsiny, asa an-terivozona? Raha toa izany kristiana izany, na lehilahy na vehivavy, ka manana zanaka, moa ve izy mamporisika azy ireny tsy tapaka sy amin-kafanam-po ho tonga mpitory manontolo andro? Sa kosa izy tsy miresaka ny amin’io fanompoana io raha tsy indraindray tadiavina sy tsy misy fiaikena lavitra noho ny rehefa miresaka amin’izy ireny ny amin’ny hanaovana fianarana ambony, ny hahazoana asa tsara karama na hahazo fonenana tsara tarehy? — Apokalypsy 2:4.
12. a) Inona moa no torohevitra omen’ny taratasy ho an’ny Hebreo antsika mba tsy hahatonga antsika “hindaosina hiala”? b) Raha ny amin’ny fihainoana ny teny, inona avy no fanontaniana azontsika apetraka amin’ny tenantsika?
12 Mba hanalavirana ny “hindaosina hiala”, ankoatra ny zavatra hafa, dia ilaina ny ‘mitandrina mafimafy kokoa izay efa rentsika’. (Hebreo 2:1.) Izany no tsy nataon’ny kristiana hebreo sasany. Rehefa avy nianatra “ny abidim-pianarana ny amin’i Kristy” izy ireny dia tsy ‘nandroso haingana ho amin’ny fahamasahana’. Raha “tokony ho efa mpampianatra” izy ireny, dia mbola teo amin’ny zavatra madinika (Hebreo 5:12 ka hatramin’ny 6:2). Ary isika? Moa ve isika mianina amin’ny “fanarahan-driandrano”, sa kosa isika mandroso satria miahy amim-pitandremana ny amin’ny hianarana manokana ny Baiboly? Moa ve isika miezaka hamaky tapany amin’ny Baiboly isan’andro? Moa ve isika mianatra ireo boky kristiana amim-pahalianana feno fahatsorana ary moa ve isika miresaka amin’ny hafa ny zava-baovao ianarantsika? Moa ve isika manampy an’ireo zanatsika handroso sy tsy hijanona amin’ny ‘rononon’ny Teny’? Hainy ve ny manazava amin’ny fampiasana ny Baiboly, ny fahamarinana momba ny fanahy, ny fananganana ny maty, ny trinite na andriamanitra telo izay iray, ny paradisa an-tany, ets? Manao izany ve izy ireo eny am-pitoriana, sa mbola eo amin’ny fari-pahaizana tsy miova ihany? — I Petera 3:15.
13. Ohatra inona no omen’ireo anabavintsika nigadra raha ny amin’ny fianarana ny Teny, ary amporisihina hanao inona isika?
13 Ny amin’ireo vehivavy Vavolombelon’i Jehovah nogadraina, dia nanampy teny toy izao ilay lahatsoratra efa voatonona eo aloha:
Nandritra ny fotoana nalalaka kely nananany, dia niezaka nianatra tsianjery andinin-teny ao amin’ny Baiboly izy ireo. Nianatra teny hafa koa izy ireo, indrindra fa ny teny anglisy, frantsay sy alemana. Indraindray ireo boky voarainy dia tamin’ireo fiteny ireo ka izay nianatra azy dia afaka nandika izany ho an’ireo rahavaviny.
Vitsy taminay no voaheloka hanao asa an-terivozona nandritra ny ora maro sady tsy nahazo afa-tsy sakafo kely dia kely. Moa àry ve isika mailaka tahaka ireny kristiana ireny amin’ny fampiasana ny fotoana malalaka ananantsika mba ‘hitandremana mafimafy kokoa izay efa rentsika’?
Aoka isika tsy ‘ho lavo’
14. Inona no mety hitranga na dia amin’ny kristiana efa hatramin’ny ela be aza?
14 Rehefa avy namporisika antsika tsy hitsahatra handroso ny taratasy ho an’ny Hebreo dia nampitandrina antsika fa “izay efa nohazavaina indray mandeha” dia mety ho ‘lavo’, angamba aza tonga amin’ny tsy fibebahana intsony (Hebreo 6:4-8). Marina tokoa fa misy kristiana manompo an’Andriamanitra hatramin’ny ela be, ary kristiana voahosotra mihitsy aza, izay “efa nandray ny Fanahy Masina”, mety ho latsaka amin’ny sasany amin’ireo fakam-panahy atolotry ny fandehan-javatra ankehitriny.
15. Ahoana no nahalatsaka ny sasany noho ny filan’ny nofo na noho ny fanaovana raharaham-barotra?
15 Ny sasany lavo noho ny filan’ny nofo na ny faniriana hahazo fananana be (I Jaona 2:16). Miharihary fa rehefa misy tanora miditra hanana firaisan’ny lahy sy ny vavy alohan’ny fanambadiany, dia noho izy ireny atosiky ny filan’ny nofo. Aoka anefa hojerentsika ny lafiny hafa iray amin’ilay raharaha. Nisy kristiana manambady leon’ny vadiny ary nifankahalala tamin’olon-kafa hitany ho nahasodoka kokoa, nanao resaka nahaliana kokoa na nahomby kokoa teo amin’izao tontolo izao. Nampalahelo fa izany dia niafara tamin’ny fisaraham-panambadiana, sy ny fanambadiana fanindroany maloto. Ny hafa ‘lavo’ noho ny fitiavana fatratra ny zavatra ara-nofo. Izy ireny dia nanaiky ho voatarika hanao raharaha tsy marina tsotra izao na nandika ireo lalàna mombany patanty na ny hetra (Matio 22:21). Na nanokatra fikambanana misy sampany maro izy ireny na niditra tamin’ny volavolan-kevitra isan-karazany izay manolotra tombontsoa haingana nefa koa mety hahavoan’ny fakam-panahy azy ho fatra-pitia harena ka hitondra fahavoazana ho an’ireo rahalahiny (jereo Asa. 20:33; II Tesaloniana 3:10, 11). Ankoatra ny hoe matetika tokoa dia misosoka ny tombontsoan’ilay Fanjakana ny fiantohan-draharaha karazan’ireny, indraindray koa izany dia miteraka fifandraisana mihenjana, fifandirana, raha tsy fitaka mihitsy aza. Miharihary fa marina tanteraka ny Baiboly rehefa milaza hoe: “Ary izay ta-hanan-karena dia latsaka amin’ny fakam-panahy sy ny fandrika”. — I Timoty 6:9.
16. Ohatra tsara inona moa no nomen’ireo anabavintsika nigadra raha ny amin’ny fanoherana ireo fakam-panahy?
16 Raha manana fanetren-tena miaiky isika fa tsy matanjaka aoka izany ka hoe tsy mety ho lavo, dia ho vonona ny tsy ho resin’ireo fisehoana voalohandohan’ny fakam-panahy na ny fahotana (Romana 12:3; I Korintiana 10:12). Ireo anabavy nigadra tao amin’ny toby fiasana dia manome antsika ohatra tsara dia tsara amin’io lafiny io:
Ny sasany taminy dia nentina nitokantokana nankao amin’ny tann-dehibe iray nisy magazay, sarimihetsika sy karazam-pialam-boly hafa. Ohatra, ny pôlisy mafina roa dia nitondra anabavy iray ho any amin’ny magazay nisy sakafo be dia be. Hoy izy ireo taminy: Fidio izay tianao.’ Namaly izy fa tsy nila na inona na inona. Fanehoana halozana ny fampisehoana talantalana feno mofo vaovao sy mofomamy tamin’ny vehivavy trotraka iray izay nila tsy hanan-kohanina hatramin’ny taona maromaro. Nampiasaina ny fakana fanahy toy izany tao amin’ny magazay lehibe iray sy tany amin’ny trano fampisehoana sarimihetsika. Notanany nandritra ny herinandro maromaro tao an-tanàn-dehibe io anabavy io ka nampanantenainy fahafahana raha niala tamin’ny finoany, nefa very maina foana ny fiezahan’izy ireo. Anabavy iray monja no resy. Rehefa afaka volana vitsivitsy taty aoriana, dia niverina tao an-toby izy. Nihanatavy izy ary nanao fitafiana hafahafa. Nanao lahateny naharitra ora roa tamin’ireo rahavaviny taloha izay tsy niarahaba azy akory aza izy. Tsy isalasalana fa nihevitra ny pôlisy miafina hoe fomba mampiseho hakingana tokoa izany ka tena hitandahatra ara-bakiteny tokoa mba handa ny finoany ireo anabavy. Tsy izany anefa no hita.
17. Ahoana no tokony hiheverana ireo fakam-panahy setraintsika?
17 Ahoana no fiheveranao izany? Ho nahay nahatohitra izany fakam-panahy izany ve ianao? Nefa inona no holazaina ny amin’ireo fakam-panahy tsy maintsy atrehinao dieny izao? Izao no nosoratan’i Paoly: “Tandremo, ry rahalahy, fandrao hisy aminareo hanana fo ratsy tsy mino ka hiala amin’Andriamanitra velona; fa mifananara isan-andro, raha mbola atao hoe ‘Anio’; fandrao nisy aminareo ho tonga mafy fo noho ny famitahan’ny ota.” (Hebreo 3:12, 13). Mba tsy hahalavo sy tsy hialana, dia tokony hampifantoka ny saintsika amin’ny “anio” isika.
Aoka isika haneho finoana “anio”
18. Nahoana moa ny Isiraelita no tsy niditra tao amin’ny fitsaharan’Andriamanitra?
18 Ny nakan’i Paoly ny famoaboasany ny amin’ny hoe “anio” dia tao amin’ny Salamo 95:7-11 (Hebreo 3:7-11). Io andinin-teny ao amin’ny Soratra Masina io dia mampahatsiahy fa ny Isiraelita dia nanamafy ny fony tamin’ny andron’i Mosesy. Rehefa avy nandre ny fitantaran’i Josoa sy Kaleba momba ny tany nampanantenaina ny Isiraelita dia naneho tsy fahampiam-pinoana (Nomery 13:17 ka hatramin’ny 14:38). Raha nety ho nanana fiadanana izy ireo ka hanandrana fitahiana maro mandritra ny fitsaharan’Andriamanitra ho avy, ny Isiraelita izay nanamafy ny fony sy tsy ampy finoana dia tsy nety niditra tao amin’ilay tany sy niaina tao. Koa nasain’Andriamanitra nirenireny nandritra ny 40 taona tany an’efitra izy ireny. — Hebreo 3:17-19.
19. Rahoviana ary amin’ny fomba ahoana no azontsika idirana ao amin’ny fitsaharan’i Jehovah?
19 Mbola tsy tapitra ny Sabata lehibe na andro fitsaharan’Andriamanitra (Genesisy 1:31 ka hatramin’ny 2:3). Nanoratra i Paoly fa ‘mbola misy teny fikasana ny hidirana any amin’ny fitsaharany’. (Hebreo 4:1, 9.) Isika izay kristiana àry dia afaka miditra na mitoetra ao amin’io “fitsarahana” io. Amin’ny fomba ahoana? Amin’ny fanehoana finoana, tsy an’ilay Josoa fahizay fa an’ilay Josoa Lehibe, dia Jesosy, Mpitarika antsika. Tokony hialantsika koa ireo asa mampiavaka an’ireo tsy ampy finoana, ohatra, ireo tsy tena mino marina fa tena ho avy tokoa ny fandaharan-javatra vaovao iray. Ny fiainany dia mifantoka tanteraka amin’ny fialam-boly sy ny fahafinaretana. Angamba izy ireo maniry ho tonga “olo-malaza”, amin’ny fahazoana laharana na anaram-boninahitra sasany. Na mety ho ny filozofiany koa dia ny “ho mamy hoditra” amin’ny olona rehetra.
20, 21. a) Asa inona avy no tokony havelantsika? b) Toy ny nataon’ireo anabavintsika nigadra, asa tsara inona no tokony handraisantsika anjara?
20 Raha tena manam-pinoana an’i Jesosy sy ny ho avy atolotra ny olon’Andriamanitra tokoa isika, dia aoka hampiseho izany amin’ny ataontsika. Izao no nosoratan’i Paoly: “Fa izay niditra tao amin’ny fitsaharan’Andriamanitra no nitsahatra koa tamin’ny asany.” (Hebreo 4:10, MN). Ny tokony hataontsika àry dia tsy ireo asa izay mampiavaka ny tsy mpino na izay itadiavan’ny sasany hanamarin-tena, fa asa ahitana taratry ny finoantsika.
21 Ny asa iray lehibe indrindra ho an’ny kristiana dia ny firesahana ny amin’i Jehovah sy ny Zanany. Ny amin’i Jesosy, dia nanao izao fananarana izao i Paoly: “Aoka isika hifikitra hatrany amin’ny fiaikentsika ny amin’i Jesosy.” (Hebreo 4:14). Mazava ho azy fa azontsika atao sy tokony hataontsika ny miantsoroka an’io andraikitra io ao amin’ireo fivoriana kristiana amin’ny fanaovana fanambarana ampahibemaso ny finoantsika (Hebreo 10:23-25, MN). Nefa ny ‘fanaovana fanambarana ampahibemaso’ ny finoantsika dia mitaky koa ny hiresahantsika ny amin’ny finoantsika sy ny fanantenantsika amin’ny olona tsy ao anatin’ny kongregasiona. Raha ny marina, isika dia tokony hahatsiaro ho voatosika hanao “fanati-piderana (...), dia vokatry ny molotra izay manaiky ny anarany [fanambarana ampahibemaso ho an’ny anarany (ny an’Andriamanitra), MN]”. (Hebreo 13:15; I Korintiana 9:16.) Ny mpanoratra an’ilay lahatsoratra efa voatonona eo ambony dia mitantara amintsika toy izao ny resaka nifanaovany tamin’ny anabavy iray:
Nilaza aho fa ampidirin’ny manam-pahefana an-tranomaizina ianareo rehetra, tsy noho ny zavatra inoanareo, fa noho ianareo mitory amin’ny hafa. Raha tianareo ny mijanona ao an-tranonareo sy mivavaka mangingina ao, dia tsy hisy hahalala izany. Izao no navaliny: ‘Marina izany, nefa manana adidy izahay hiresaka amin’ny mpiara-belona aminay mba hahazoana anadahy sy rahavavy vaovao. Tsy afaka ny ho tia tena izahay ka hiomana irery ny hiaina eto an-tany mandritra ny fanjakana arivo taona. Tokony ho fantatry ny olona rehetra ny hoe hanao ahoana ny fiainana amin’izany!’
22. Araka ny taratasy ho an’ny Hebreo, inona no fiaikentsika?
22 Azonao marihina izao hevitra fototra izao ao amin’ny taratasy ho an’ny Hebreo: “Koa aoka isika hazoto hiditra amin’izany fitsaharana izany [ny an’Andriamanitra], fandrao hisy olona latsaka amin’ny tsi-finoana tahaka izany koa.” (Hebreo 4:11). Afaka manana fahafahampo lalina isika ao anatin’izany fitsaharana izany dieny izao ka mamelona fanantenana azo antoka ny mbola ho ao anatin’izany ihany rehefa ho mpivavaka amin’Andriamanitra daholo ireo izay hiaina eto an-tany. Ny fanirian’i Jehovah dia tsy azo lavina fa ny hitahy sy hiaro ireo izay, amin’ny finoana sy ny fankatoavana, dia miditra ao amin’ny fitsaharany dieny izao. Izy dia “Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy”. (Hebreo 11:6.) Raha mbola misy fisalasalana kely, dia ny amin’ny fihetsiky ny tenantsika izany. Azo atao anefa ny manilika izany satria, amin’ny finoana sy ny fiaretana ary noho ny fanampian’Andriamanitra, dia azo atao ny “hihazona ny fanantenana napetraka eo anoloantsika”. — Hebreo 6:18.
Nandray soa avy amin’izany ve ianao?
□ Fianarana inona na torohevitra manokana inona no notsoahinao avy amin’ny taratasy ho an’ny Hebreo?
□ Ahoana no azonao andraisan-tsoa amin’ny ohatra nomen’ireo anabavintsika nigadra?
□ Fananarana inoan no omena anao ao amin’ny Hebreo 2:1 mba tsy hindaosina hiala ianao?
□ Ahoana no azonao idirana ao amin’ny fitsaharan’Andriamanitra?
[Sary, pejy 25]
Nandre ny fitantaran’i Josoa sy Kaleba ny Isiraelita, nefa tsy ampy finoana izy ireo. Tsy afaka niditra tao amin’ny fitsaharan’Andriamanitra tany amin’ny Tany nampanantenaina àry izy ireo.