“Manam-potoana kely ve ianao?”
Matetika ny fanontaniana toy izany dia mampiato asa atao iray. Na dia vonona ny hanokana tapany amin’ny fotoana sarobidinao aza ianao mba hihainoana na hanampiana olona iray, tena tsara ve ny fanomezanao? Manolotra ny tenanao miaraka amin’ny fotoananao ve ianao?
Izay lazain’ny zazalahy kely naditra iray ny amin’ny mpampianatra iray nahazo ny fankasitrahany dia manazava tsara io toe-javatra io. “Misy ankizilahy am-polony maro miandry mba hiresaka aminy”, hoy ilay zazalahy kely, “nefa rehefa miaraka aminy ao ianao dia mihevitra fa ianao irery ihany eran’izao tontolo izao no olona ahiny”.
Eo no mitoetra ny fanalahidin’ny fomba hanohinana ny olona—ny fahavononana hanolotra ny tenanao manontolo. Naneho izany fahavononana izany ny apostoly Paoly teo amin’ny fiezahany hanampy ny hafa raha nilaza izy hoe: “Tamin’ny Jiosy, dia tonga toy ny Jiosy aho, mba hahazoako ny Jiosy; tamin’izay ambanin’ny lalàna, dia tonga toy izay ambanin’ny lalàna aho (...); tamin’ny malemy dia tonga malemy aho (...); efa tonga zavatra rehetra aho amin’ny olona rehetra, mba hamonjeko ny sasany na iza na iza”.—I Korintiana 9:20-22.
Rehefa maka fotoana mba hanampiana olona iray ianao, mieritreritra ny amin’ny hatsarana toy ny amin’ny habetsahana ve ianao?