FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w83 1/9 p. 30-31
  • Fanontanian’ny mpamaky

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanontanian’ny mpamaky
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Mitovitovy Aminy
  • Aoka isika hifankahalala amin’ireo Kristiana voalohany
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Anisan’ny Kristianisma Marina ve ny Fahaizana Miteny Amin’ny Fiteny Tsy Fantatra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
  • Avy Amin’Andriamanitra ve ny Fitenenana Amin’ny Teny Tsy Fantatra?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
  • Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny Fitenenana Amin’ny Teny Tsy Fantatra?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
w83 1/9 p. 30-31

Fanontanian’ny mpamaky

■ Koa satria i Jesosy nilaza fa ny kristiana dia tsy tokony ho “naman’izao tontolo izao”, ahoana no tokony ho fihetsitsika raha ny amin’ny raharaha momba ny antokon’olona misy antsika na ny raharaha ara-tsosialy, toy ny fitandroana ny toerana manodidina antsika?

Ny kristiana dia tsy tokony hanadino ny raharaha ny amin’ny antokon’olona misy azy izay mahakasika ny olona amin’ny ankapobeny, toy ny fandotoana na ny fitandroana ny toerana manodidina azy. Kanefa ny hoe hatraiza no tokony hahavoafaoka azy amin’ireo zavatra ireo dia tokony hampifanarahana amin’ny Baiboly sy ny andraikiny voalohany indrindra, dia ny ho an’Andriamanitra.

Jehovah dia miahy ny amin’ny fomba mety ny amin’ny filaminana sy ny fahasalaman’ny vahoaka, araka ny mety ho hitantsika ao amin’ireo lalàny ho an’ny Isiraely fahizay. Ohatra, namporisika azy ireo izy mba hihazona ireo biby fiompy mahatandindomin-doza, mba hanaronana ny lavaka misokatra ary hanamboatra arofanina eo amin’ny tafontrano mba tsy hisian’ny olona mianjera tampoka sy loza ho an’ny olona eo ambany. (Eksodosy 21:28-34; Deoteronomia 22:8.) Ny fiahiany ny amin’ny fahasalaman’ny vahoaka dia hita mazava amin’ireo lalàna momba ny fanokanan-toerana sy ny fanariana ny fivalanana, izay mety handoto ny rano sotroina ka hampiparitaka aretina (Levitikosy 13:1-59; Deoteronomia 23:9-14). Raha ny amin’ny fandotoana sy ny fitandroana ny toerana manodidina antsika kosa, ny Tenin’Andriamanitra dia manome antoka antsika fa ‘hanimba izay manimba ny tany’ izy.​—Apokalypsy 11:18.

Tokony homarihina anefa fa Andriamanitra dia tsy naniraka ny mpanompony​—na Isiraelita na kristiana​—mba hampiova finoana ny olona ny amin’ireo raharaha ireo. Ireo Jiosy dia tsy nilazana mba hanao fampielezan-kevitra teo amin’ny manodidina momba ny fanatsarana ny toerana fivoahana, na ny fanatsarana ny fahasalamana, na ny adidy momba ny fanorenana. Tsy misy porofo ihany koa fa izy ireo (na ny kristiana taty aoriana) dia nanao izany raha nonina tany an-tany hafa. Fanampin’izany, dia nilaza Andriamanitra fa IZY MIHITSY no hiasa hanohitra ireo izay manimba ny tany; tsy nilaza izy fa izany no tokony ho zavatra voalohany hahin’ireo ‘mpaminany mpanompony, sy ny olona masina ary izay matahotra ny anarany, na kely, na lehibe’.​—Apokalypsy 11:18.

Mazava ho azy fa ny kristiana ankehitriny dia mahatakatra fa misy zavatra izay mety hanatsara ny fiainany sy ny an’ireo olona manodidina azy amin’izao fotoana izao. Tsy hoe tsy miraharaha izay ilain’ny olona izy akory; mifanohitra amin’izany fa mankasitraka kosa izy ary mamboly “hatsaram-po”. (Ampitahao amin’ny Asa. 28:2, 7-9; Marka 7:24-30.) Izany dia mety hisy fiantraikany eo amin’ny lalana arahiny raha misy raharaha sasany mipoitra mahakasika ny fanatsarana ny antokon’olona misy azy. Ohatra, ny olona eo amin’ny toerana iray dia mety hanontaniana mba hilaza ny heviny ny amin’ny ilàna ny hisian’ny jiro na fanoroana betsaka kokoa eny an-dalana, trano fianarana vaovao na famorian-drano sy fanarian-drano maloto tsara kokoa. Amin’ny ankapobeny dia tsy misy maha-ratsy ny hilazan’ny kristiana iray ny heviny momba ny fanatsarana toy izany. Mety hihevitra aza izy fa afaka manao sonia fangatahana iray, na fiangaviana iray mba hanaovana izany.

Kanefa tsy tokony hohadinoin’ny kristiana fa ny raharaha lehibe mahakasika ny antokon’olona manodidina azy mazàna dia tonga raharaha ara-politika. Ireo antokon’olona dia manomboka mampiasa fomba ara-politika mba hanatanterahana ireo fiovana izay heveriny amim-pahatsorana fa tsara indrindra. Na misy mpanao politika iray [na mpilatsaka hofidina iray] manohana ny antokon’olona eo an-toerana toy izao na izao. Avy eo ny olona dia mizara ho roa manaraka fiheverena ara-politika na manara-dia ireo “mpanapaka izao tontolo izao, izay olona mihalevona”. (I Korintiana 2:6, 8; Apokalypsy 19:17, 18.) Raha nitranga tamin’ny mpikambana iray tao amin’ny kongregasiona kristiana izany, dia mety ho tonga eo amin’ny toerana izay tsy hifanarahany intsony amin’ny fanazavan’i Jesosy toy izao izy: “Raha naman’izao tontolo izao hianareo dia ho tia ny azy izao tontolo izao; fa satria tsy naman’izao tontolo izao hianareo, fa izaho efa nifidy anareo tamin’izao tontolo izao, dia halan’izao tontolo izao hianareo.” Izao indrindra no nolazain’i Kristy momba ireo mpianany mahatoky: “Tsy naman’izao tontolo izao izy, tahaka ahy tsy naman’izao tontolo izao.”​—Jaona 15:19; 17:16.

Misy raharaha sasany izay mety mbola tsy ara-politika eo amin’ny toerana iainantsika, na ny olona miasa ho amin’izany dia tsy mampiasa fiasana ara-politika. Ny ady atao amin’ny fandotoana, ny fiarovana ny toerana misy rano sy harena araka ny natiora na ny fiarovana ny toerana mbola tsy misy mipetraka dia mety ho anisan’izany raharaha izany. Mety hahita ny tena fa tsara ny fanaovana izany asa izany ary hihevitra fa ho tahaka izany koa Andriamanitra. Tsy tokony hohadinoinao anefa fa nanome baiko ny kristiana mba hihevitra voalohany indrindra ny amin’izao i Jehovah: ny fampielezana ny vaovao tsaran’ny Fanjakana, izay hitondra fitahiana mandrakizay ho an’ny olona an-tapitrisany maro maneran-tany (Matio 24:14; 28:19, 20). Ny fanaovana izany asa izany dia hiaro antsika tsy ho voaray ao anatin’ny fiezahana hanao tolona toy ny efa nahasarika ny fihetseham-pon’ny olona maro be.

Ny zava-misy dia ny tsy ahafahan’ireny fiezahan’olombelona ireny manome vokatra betsaka sy tsara toy ny fanampiana ny olona hamboly toe-panahy araka an’Andriamanitra, izay “mahasoa amin’ny zavatra rehetra ka manana ny teny fikasana ny amin’ny fiainana ankehitriny sy ny ho avy koa”. (I Timoty 4:8.) Eny, na dia eo amin’ny lafin’ny fanomezana zavatra ilaina aza, dia hanao ny zavatra tsara indrindra isika amin’ny fanampiana ny olona ho tonga tena kristiana marina. Izany dia hanampy azy ireo hanary fanao mahazatra izay hanimba ny fahasalamany. Afaka manampy azy ireo isika mba hampihatra fitsipika ara-Baiboly mba hananany toetra tsara betsaka kokoa eo anivon’ny antokon’olona misy azy. Kanefa, ho fitahiana lehibe kokoa noho izany, ny fiezahantsika dia hahatonga azy ireo ho afaka ‘hihazona ny tena fiainana’. (I Timoty 6:19.) Ny vokatsoa horaisiny dia ho azo antoka lavitra noho izay mety hotanterahin’ny fiezahana ara-tsosialy na ataon’ny antokon’olona iray. Ary raha ny amin’ny kristiana, ny fitandremantsika mba tsy hanao zavatra hafa noho ny asa izay nasain’Andriamanitra hataontsika dia hampiseho ny fankatoavantsika an’i Jehovah. ‘Izay ahazoan’ny fianakaviana rehetra anarana’, fahasalamana sy fanantenana ho an’ny ho avy.​—Efesiana 3:15.

■ Inona no tian’i Paoly holazaina amin’ireto teny ao amin’ny 1 Korintiana 14:36 ireto: “Avy aminareo ve no nihavian’ny tenin’Andriamanitra, sa ao aminareo ihany no nahatongavany?”

Ny hevitra fototra dia ny amin’ny fiezahan’ny apostoly Paoly hanampy ny Korintiana mba hahita fa tsy tokony hanorina fomba vaovao eo amin’ny fanaovan-javatra ao amin’ny kongregasiona izy ireo. Tena mety izany torohevitra izany rehefa heverina amin’izay nosoratan’i Paoly teo aloha.

Teo amin’ny andro voalohan’ny kristianisma, Andriamanitra dia nanome fanomezana mahagagan’ny fanahy, toy ny faminaniana sy ny fitenenana amin’ny fiteny tsy fantatra (I Korintiana 12:4-11). Ny sasany tao Korinto dia nanana izany fanomezana izany, nefa nampiasa azy tamin’ny fomba izay niteraka fikorontanana. Ohatra, niteny tamin’ny fiteny tsy fantatra izy ireo nefa tsy nisy teo olona izay nanana ny fanomezana mahagagan’ny fandikan-teny. Nampifandrindra hevitra toy izao i Paoly: “Hataon’izay tsy mahay ahoana no hanao ‘Amena’ [...], satria tsy mahalala izay lazainao izy”? Ireo tsy mpino tonga teo dia nety nieritreritra mihitsy aza fa adala ireo izay niteny tamin’ny fiteny tsy fantatra.​—I Korintiana 14:13-16, 22, 23.

Nisy fisafotofotoana koa nateraky ny fitenenana niaraka. Namporisika toy izao i Paoly: “Raha misy miteny amin’ny fiteny tsy fantatra, dia avelao ho roa na telo, fa aza atao mihoatra noho izany, ka ampifanarakarahina. Toy izany koa, ireo izay hetsehin’ny fanahy mba haminany, dia tokony ho nanao izany tamin’ny fomba voafetra ary “tsirairay”. Izany dia nifanaraka amin’ny maha-Andriamanitry ny filaminana an’Andriamanitra, fa tsy an’ny fikorontanana.​—I Korintiana 14:27-33.

Toa nisy zava-nanahirana koa noho ireo vehivavy niteny tao amin’ireo fivoriana. Tsy maintsy ho nihoatra noho ny famaliana fanontaniana na fitantarana zavatra hitany fotsiny no nataon’izy ireo. Tao nisy vehivavy sasany nanandrana nanao zavatra toy ny mampianatra ary niady hevitra tamin’ireo rahalahy tao amin’ireo fivoriana. Izany dia tsy nifanaraka tamin’ny fotopoto-pitsipika ny amin’ny fahefana.​—I Korintiana 14:34, 35.

Koa izao no nosoratan’i Paoly: “Avy aminareo va no nihavian’ny tenin’Andriamanitra, sa ao aminareo ihany no nahatongavany”. (I Korintiana 14:36.) Eny, namporisika ny Korintiana izy mba hitadidy fa tsy ny kongregasionan’izy ireo no kongregasiona voalohany ary tsy tamin’izy ireo ihany no nanambarana ny “tenin’Andriamanitra”. Tsy mety àry izany ny nandaminan’izy ireo raharaha tamin’ny fomba hafa tanteraka noho ny an’ny kongregasiona hafa rehetra. Tsy nanana zo ny hampiditra fiovana izay tsy fantatry ny kongregasiona kristiana sy nifanohitra tamin’ireo fotopoto-pitsipika ny amin’ny filaminana sy ny fampiharana ny fahafena izy ireo.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara