Hajao ny fanambadiana kristiana
Ny Fomba fihevitr’i jehovah ny fanambadiana dia aseho mazava ao amin’ny andalan-teny be dia be ao amin’ny Baiboly. Aoka hotononintsika ny hoe: “Koa izay nakamban’Andriamanitra dia aoka tsy hampisarahin’olona”, ary: “Halako ny fisaoram-bady, hoy Jehovah.” (Marka 10:9; Malakia 2:16). Mifanohitra amin’izany kosa, Satana Devoly, ilay fahavalon’Andriamanitra ratsy indrindra, dia manohitra izay rehetra madio sy marina. Amin’izao “andro farany izao” izay ’androsoan’ny ratsy fanahy miharatsy kokoa’, dia manandrana mampihem-bidy ireo fandaharana voaorin’i jehovah tamim-pitiavana rehetra izy, ary indrindra fa ny fanambadiana (II Timoty 3:1-5, 13: Apokalypsy 12:9, 12). Amin’izao andro mirimorimo izao, ny Vavolombelon’i Jehovah àry dia tokony ho tapa-kevitra tsy misy tahaka izany mihitsy hiaro ny fanambadiana sy hitandro ny fahadiovany.—Genesisy 2:24; Ohabolana 27:11; Hebreo 13:4.
Ireo zava-manahirana ara-panambadiana
Miharihary tsara fa raha mbola tsy ho tanteraka ny olombelona, dia tsy hoe ho afaka amin’ny zava-manahirana ny fiainan’ny mpivady (I Korintiana 7:28-34). Kanefa rehefa samy mpino ny mpivady, ny fatorana mampiray azy ireo dia mety ho mafy indrindra satria miorina amin’ny fototra tsara dia tsara. Marina tokoa fa ny fianakaviana toy izany dia mihevitra à‵ry araka izany dia azo ampitahaina amin’ny “mahazaka telo olana tsy mora tapahina”. (Mpitoriteny 4:12.) Raha mipoitra ny tsy fifanarahana na zava-manahirana hafa, ny mpivady dia afaka mitondra izany eo amin’i Jehovah ao amin’ny vavaka ary manankina izany aminy, amin’ny fahazoana antoka fa hanampy azy ireo izy. Ho hitan’izy ireo matetika ny fanafodin’ny zava-manahirana amin’ny fiaraha-midinika amim-pahatoniana ireny fahasahiranana ireny amin’izy samy izy, amin’ny alalan’ny fahazavan’ny andalan-teny ao amin’ny Baiboly toy ny I Korintiana 13:4-8, Efesiana 5:21-33 ary Kolosiana 3:12-14, 18, 19. Araka izany, ireo izay nanaraka ny torohevitry ny Baiboly manasa ny kristiana ’hanambady ao amin’ny Tompo ihany’ dia hahita ao amin’ny Soratra Masina, fototra tsara dia tsar mba handaminany ireo fifandirany.— I Korintiana 7:39
Raha tsy tonga amin’ny fahitana fanafody mahafapo irery izy ireo my mpivady dia angamba hangataka torohevitra amin’ny loholona iray ao amin’ny kongregasiona mba hahafantarana ny fomba fihevitr’i Jehovah momba ilay raharaha manahirana azy ireo. Rehefa vita izany dia tokony ho afaka tsy hoe hitandro ny fanambadiana fotsiny izy ireo, fa hamboly koa firaisan-tsaina sy fitiavana, izay, araka ny fikasan’Andriamanitra tany am-boalohany, dia tokony hanjaka eo amin’ny mpivady.—Genesisy 2:24; Ohabolana 31:10-12, 28, 30; Matio 19:4-6.
Miaraka amin’ny vady tsy mpino
Mety ho hafa dia hafa ny tarehin-javatra ho an’ny olona iray lasa mpino, nefa ny vady tsy dia nandray tsara ny hafatry ny Fanjakana. Kanefa na dia amin’io toe-javatra io aza, dia mety hijanona ho sambatra ilay tokantrano raha tahiny ka mifaneho fitiavana ny mpivady. Ankoatr’izany, araka ny nambaran’ny apostoly Petera, ny ’fahadiovan’ny fitondrantena amin’ny fahatahorana’izay mampiavaka ny vehivavy kristiana amin’ny farany dia mety handresy ilay lehilahy tsy mpino. Mifamadika amin’izany, ny lehilahy vao mpino tsy ho ela dia ho afaka hamapanaiky ny vadiny ho amin’ny fahamarinana arakaraka ny fandehan’ny fotoana (I Petera 3:1-7). Rehefa mipetraka ny zava-manahirana lehibe kokoa, ilay vady mpino dia tokony hiezaka handamina izany amin’ny fanehoana faharetana, fahaiza-mandanjalanja ary fiaretana sy amin’ny fampisehoana amin’ny toe-javatra miseho rehetra “ny vokatry ny fanahy.”— Galatiana 5:22,23.
Ny kristiana sasany dia niaritra ompa, fitondrana ratsy, fandrahonana ary kapoka eo anivon’ny tokantranony. Nefa moa ve tokony hampanapa-kevitra azy ireny handao ny vadiny tsy mpino izany? Manome izao torohevitra izao ny apostoly Paoly: “Aoka tsy hiala amin’ny lahy ny vavy (nefa raha nisy efa niala, dia aoka hitoetra tsy manam-bady na aoka hody amin’ny lahy); ary ny lahy aoka tsy hiala amin’ny vavy.” Arak’izay nasain’i Paoly nomarihina, dia tsara ny hitadiavana hamonjena ny fanambadiana ho tombontsoa ara-panahin’ny ankizy raha misy izany. Eo amin’ny lafin’ny fampiharana, io fihetsika io dia mety ho voaporofo koa fa hahasoa amin’ny lafiny ara-nofo ilay mpino toy ny zanany koa. Kanefa raha toa manjary tsy zaka ny fitondrana ratsy na tena misy loza mety hahafaty, dia ho azon’ilay kristiana heverina fa mety ny ’miala’. Kanefa, ny fikasany dia tokony ho ny ’hody’ amin’ny vadiny any aoriana. (I Korintiana 7:10-16). Io ’fialana’ io dia tsy mahaforona ho azy fotsiny antony araka ny Baiboly ahazoana misaraka ka mamela ilay kristiana hanambady indray. Na izany aza, ny fisarahan-toerana na ny fisarahana ara-dàlana dia mety hampiseho fiarovana sasantsany amin’ny fitondrana ratsy amin’ny tarehin-javatra toy izany.
Ny fisaram-panambadiana araka ny Baiboly
Moa ve misy tarehin-javatra izay ahazoan’ny kristiana mandeha lavidavitra kokoa ary angatahany fisarahana izay hanome zo azy hanambady indray? Aoka hotadidiantsika alohan’ny zavatra rehetra fa nanambara i Jesosy hoe: “Izay nampiraisin’Andriamanitra dia aoka tsy hampisarahin’olona!” Kanefa nampiseho antony ara-dàlana ahazoana misaraka izy nony avy eo tamin’ny filazana hoe: “Na zovy na zovy no misaotra ny vadiny, afa-tsy noho ny fijangajangana ihany, ka mampakatra ny hafa, dia mijangajanga.”— Matio 19:6, 9; jereo koa 5:32.
Tokony hotsoahina avy amin’izany ve fa raha leo ny vadiny ny kristiana anankiray, na ’raiki-pitia’ amin’ny olon-kafa iray, dia azony atao an-kalalahana tanteraka ny manararaotra ny fijangajangana mba hiovana vady? Mampalahelo fa misy mpivady izay milaza tena ho mpino mampiasa amim-pahalalana tanteraka ny fijangajangana (amin’ny ankapobeny amin’ny endriky ny fanitsakitsaham-bady) ho toy ny fanarian-dia mba hanapahana ireo fatoram-panambadiana araka ny Baiboly. Adala loatra àry ve izy ireo ka mino fa Jehovah dia tsy mahafantatra “ny eritreritra sy fisainan’ny fo?” (Hebreo 4:12,13.) Toa mihevitra izy ireny fa azony atao ny minia manao faharatsiana ara-pitondrantena ao amin’ny lahy sy ny vavy, ho voaroaka ary avy eo, herintaona eo ho eo aty aoriana, dia “hibebaka” miaraka amin’ny vadiny vaovao mba horaisina indray ao amin’ny kongregasiona.
Amin’ny tarehin-javatra toy izany anefa, dia tokony ho lasa ela ny fotoana alohan’ny hahafahan’ireo loholona mihevitra fotsiny fangatahana fiverenana avy amin’izy ireo. Ireo loholona mitady hanao tsara dia tsy haniry ho maimaika. Ilay mpanota dia tokony hanome porofo tena mazava manamarina fa mitondra voa mifanentana amin’ny fibebahana izy. Na dia voaray indray aza izy amin’ny farany, dia tokony ho lasa ela ny fotoana vao ho afaka hanolotra azy araka ny mety ireo loholona mba hanankinana aminy tombontsoa manokana ao amin’ny kongregasiona, raha toa ka ho tonga izany; na ho inona na ho inona, dia tsy ho alohan’ny fahafatesana ny fanambadian’ilay vady tsy diso indray izany (I Timoty 3:2, 12). Ho takatsika tsaratsara kokoa ny fisehoan’ny halehiben’io karazana fanitsakitsaham-bady voahevitra mialoha io eo imason’i Jehovah raha tadidiantsika fa teo ambanin’ny Lalàna izay nomeny ny Isiraely, Lalà‵na izay fisehoan’ny fahamarinany, ireo mpijangajanga dia tokony hotoraham-bato ho faty (Deoteronomia 22:22). Ary hatramin’ny ankehitriny, na inona na inona fanapahan-kevitra raisin’ireo kongregasiona, di Andriamanitra no mitoetra ho Mpitsara tampony. Nefa Andriamanitra hanameloka ny mpijangajanga sy ny mpaka vadin’olona’.—Hebereo 13:4a
Ahoana no hiarovana ny fanambadiana
Ho fiarovana ireo mpanompon’i Jehovah sy noho ny fanantenana fa ireo mahita zava-manahirana ara-pitondrantena dia hanaiky hotarihin’ny kongregasiona kristiana mba hanomezana haja ny fanamabadiana, tahaka izay namoronan’i Jehovah azy, dia handinika mazava endriky ny fijangajangana sasany isika. Amin’izany isika dia hanaraka ny ohatry ny Soratra Masina izay tsotra sy mivantana na dia miresaka io karazana raharaha sarotra sy miafina io aza izy.— Jereo Levitikosy 20:10-23; Deoteronomia 31:12; Matio 5:27, 28; Romana 1:26,27: Joda 7.
Ho solon’ny fitadiavana fialan-tsiny mba hahazoana misara-panambadiana, ny mpivady dia tokony hiezaka amin’ny fomba rehetra hiaro ny firaisan’ny fanambadiany. Raha toa ny anankiray amin’izy ireo manao fahalotoana ara-pitondrantena ary mibebaka, ilay vadiny tsy diso dia ho afaka hanapa-kevitra ny hamela azy ho fitsimbinana io fandaharan’Andriamanitra io, dia ny fanambadiana. Amin’izay izy, dia haneho famindrampo, amin’ny fanahafana amin’izany ny anankiray amin’ireo toetran’i Jehovah kanto.— Eksodosy 34:6; Jereo Nehemia 9:17.
Ary raha tsy mibebaka ilay vady, voaroaka na voamarina fa manaram-po tsy amin-kenatra amin’ny fitondran-tena ratsy? Na koa raha tandindomin-doza ny fahasalamana na ny ara-panahin’ilay vady tsy diso? Sady tsy hoe tsy hihevitra ireo fananarana ao amin’ny Baiboly manasa antsika hiaro ny fanamabadiana araka izay azo atao rehetra isika no tsy maintsy miaiky fa ireo tenin’i Jesosy voalaza teo alohoa voambara ao amin’ny Matio 19:9 dia manondro ny fisian’ny antony araka ny Baiboly ahazoana misara-panambadiana, dia: ny fijangajagana.
Inona moa ny “fijangajangana?”
Inona àry no heverintsika hoe “fijangajangana”? Ao amin’ny andalan-teny ao amin’ny Baiboly vao avy notononintsika teo, io teny io dia mandika ny teny grika hoe pornéia. Tao amin’ny fanontany tamin’ny 1 jolay 1973, pejy faha-410-412, Ny Tilikambo Fiambenana dia nanazava fa ny teny hoe pornéia dia “avy amin’ny fototeny midika hoe ’mivarotra’”. Mazava ho azy àry fa mifamatotra amin’ny fivarotan-tena izany, toy ny nanaovana azy tamin’ireo tempoly mpanompo sampy maro tamin’ny taonjato voalohany, ary mbola mandraka ankehitriny any amin’ireo ’trano famelana hanao izany’.
Marina fa ny teny hoe pornéia sy ny teny avy aminy dia matetika ampiasaina amin’ny heviny voafetra mba hilazana firaisan’ny lahy sy ny vavy amin’ny olona tsy mpivady. Hita io fampiasana io ao amin’ny I Korintiana 9:9, izay anononana ireo “mpijangajanga”. Azo atao ve ny mihevitra ara-dàlana fa tsy nikendry afa-tsy ireo olona tsy manambady izay nanaram-po tamin’ny faharatsiana izy? Tsy hety ho izany no izy satria ny toko faha-6 avy eo dia manome lisitra manontolo0 amin’ny antsipiriany ireo fanao mahakasika ny lahy sy ny vavy tsy ara-dalàna izay tokony hohelohina, anisan’izany ny fanitsakitsaham-bady sy ny fandrian’ny lehilahy amin’ny lehilahy. Tahaka izany koa, rehefa hita ao amin’ireo andalan-teny toy ny Joda 7 sy Apoklaypsy 21:8 ny teny hoe pornéia sy ny teny avy aminy, izay mampiseho fa Andriamanitra dia manameloka ireo “mpijangajanga” tsy mety mibebaka ho amin’ny fandevonanna mandrakizay, dia sarotra ny mety hamerana izany amin’ireo mpitovo izay hanana firaisan’ny lahy sy ny vavy amin’izy samy izy. Ary farany, ao amin’ny lalàn’ny kolejy foibe izay mandidy ireo kristiana, araka ny Asan’ny apostoly 15:29, mba ’hifady ny fijangajangana’, io teny io dia tsy isalasalana fa tokony horaisina amin’ny heviny mitatra indrindrab.
Araka izany, ny teny hoe “fijangajangana”, rehefa raisina amin’ny heviny malalaka, toy izany koa ny ao amin’ny Matio 5:32 sy 19:9, dia manondro miharihary fanao mahakasika ny lahy sy ny vavy maro samihafa ivelan’ny fanambadiana ary tsy ara-dalàna. Ny teny hoe pornéia àry dia mahatafiditra fampiasana ratsy indrindra araka ny natiora na tsia, ireo faritra maha-lahy sy maha-vavy fara faharatsiny; ankoatr’izany, milaza fisian’ny namana izy io—lehilahy, vehivavy na biby irayc. Araka izany, na dia tsy fahendrena ary mampidi-doza amin’ny lafiny ara-panahy aza ny “masturbation” na fanafosafoana ny faritra maha-lahy na maha-vavy samirery, dia tsy endriky ny pornéia. Mifanohitra amin’izany, ny teny hoe pornéia dia mahatafiditra ireo fanao mahakasika ny firasain’ny lahy sy ny vavy isan-karazany izay vidina na amidy any amin’ny mpivaro-tena lahy na vavy àry mba hividy ny fanaony mahakasika ny lahy sy ny vavy, na inona izany na inona, dia meloka amin’ny fanaovana pornéia.— Jereo I Korintiana 6:18.
Ireo kristiana manambady
Fa ahoana ny amin’ny firaisan’ny lahy sy ny vavy eo amin’ny mpivady, ao amin’ny faritry ny fanambadiana? Tsy andraikitry ny loholona ny misalovana amin’ny fiainana manokan’ireo mpivady kristiana. Mifanohitra amin’izany kosa, ny Baiboly dia tsy isalasalana fa manana zo hiteny. Ireo izay maniry ’handeha araka ny fanahy’ dia tsy hanao tsirambina ireo fanazavana omen’ny Soratra Masina azy ireo momba ny fomba fihevitr’Andriamanitra. Hitandrina izy ireo mba hamboly fankahalana izay rehetra maloto eo imason’i Jehovah, ary indrindra fa ny fanao izay miharihary fa fanovana ho ratsy ny firaisan’ny lahy sy ny vavy. Ny mpivady dia tokony hanao zavatra mba hitazonana fieritreretana tsara, mba hahafahana manokan-tena amin’ny fambolena ny “vokatry ny fanahy” tsy misy fanembantsembanana.— Galatiana 5:16, 22. 23; Efesiana 5:3-5.
Ary raha toa ny vady iray maniry na mitaky amin’ny vadiny hanaiky fanao miharihary fa novana ho ratsy? Ireo zavatra voalaza etsy ambony dia mampiseho fa ny teny hoe pornéia dia manondro fitondrantena mahakasika ny lahy sy ny vavy tsy ara-dalàna ary ivelan’ny fanambadiana. Araka izany, na dia manery ny hanaovan’ny firaisan’ny lahy sy ny vavy novana ho ratsy aza ny anankiray amin’ireo mpivady, toy ny sodomia na firaisana amin’ny vava, ao amin’ny faritry ny fanambadiana, izany dia tsy hahaforona antony araka ny Baiboly hahazoana misaraka izay mety hanome zo ny iray amin’izy roa mpivady hanambady indrayd. Na dia malahelo mafy noho izany tarehin-javatra izany aza ny vady iray mpino, dia fantany fa ny fiezahana ataony mba hanaraka ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly dia hahazoany ny fitahian’i Jehovah. Amin’ny toe-javatra toy izany, dia ho tsara raha miara-midinika amim-pahatsorana ilay zava-manahirana ny mpivady, amin’ny fitadidiana fa ny firaisan’ny lahy sy ny vavy dia tokony hijanona ho manan-kaja sy madio, fa tokony ho fanehoam-pitiavana izany. Izany dia manilika avy hatrany ireo fanao mampalahelo ny anakiray na manao izay hahadiso azy.— Efesiana 5:28-30; I Petera 3:1,7.
Araka ny efa nolazainay, ny loholona akory tsy “pôlisy”; tsy anjaran’izy ireny ny manao andrimaso ny raharaham-panambadian’ireo mpivady ao amin’ny kongregasiona. Kanefa, raha manjary tsy takona afenina fa ny mpikambana iray ao amin’ny kongregasiona dia manao na mamporisika an-karihary ny firaisan’ny mpivady mifanohitra amin’ny natiora, io olona io dia tsy isalasalana fa ho azo tsinina ary avy amin’izany dia tsy ho afaka hiantsoroka andraikitra manokana mihitsy, toy ny raharahan’ny loholona, mpikarakara momba ny asa na mpitory maharitra. Amin’ny fanaovana na famporisihina fanao toy izany, ny olona tahaka izany dia tokony ho mendrika ny fandroahana. Fa nahoana?
Ao amin’ny Galatiana 5:19-21, dia misy firesahana faharatsiana maro izay na dia tsy tafiditra ao amin’ireo hevitry ny teny hoe pornéia aza dia mety hitarika izay manao izany hahita fandavana ny fidirana ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Anisan’ireo ny “fahalotoana” (amin’ny teny grika, akatharsia, teny izay manondro ny tsy fahadiovana, ny faharatsiam-panahy ary ny fanaranam-po amin’ny filan’ny nofo ary koa ny “fijejojejoana” (amin’ny teny grika, asélgéia, teny izay mampatsiahy ny filibana, ny fitondrantena baranahiny ary ny tsy fahalalana henatra). Toy ny pornéia, ireny fahadisoana ireny, rehefa mihalehibe, dia mety hahaforona ho an’ny kongregasiona kristiana koa, antony mahatonga fandroahana. Mifanohitra amin’izany kosa dia tsy azo raisina izy ireny mba hangatahana fisarahana araka ny fepetra takin’ny Baiboly. Na iza na iza midera amin-kasahiana fanao momba ny lahy sy ny vavy mahadikidiky toy izany dia ho meloka noho ny fitondrantena ratsy. Marina fa izay manaraka fihetsika toy izany dia angamba ho tonga hatramin’ny fanaovana pornéia. Amin’izay tarehin-javatra izay, dia hisy antony hahazoana fisarahana araka ny Soratra Masinae. Amin’ny fahalalan-javatra tanteraka, ny kristiana mahatoky rehetra dia tokony hanao am-po ny hanohitra sy hanalavitra ireo “asan’ny nofo”, na inona izany na inona.— Galatiana 5:24, 25.
Na manambady izy ireo na tsia, ireo mpanompon’i Jehovah rehetra dia tokony handositra ny fahalotoam-pitondrantena eo amin’ny lahy sy ny vavy amin’ny endriny rehetra. Tsy maintsy tohanan’izy ireo amim-pahatokiana ny fitambaran’ireo fandaharan’i Jehovah, ary indrindra ny fanambadiana (Salamo 18:21-25). Ireo kristiana manambady izay tsy nahaforona afa-tsy “nofo iray ihany”, dia hiezaka hanome voninahitra an’i Jehovah amin’ny fambolena eo anivon’ny fanambadiany ny fitiavana sy ny tena fifanajana (Genesisy 2:23,24; Efesiana 5:33; Kolosiana 3:18,19). Amin’izany fomba izany ary amin’ny fomba maro hafa, dia haneho izy ireo fa “tsy anisan’izao tontolo izao” izay notarihin’i Satana ho any amin’ny honahona maloton’ny fanaranam-po sy ny faharatsiam-pitondrantena izay efa madiva ’handalo miaraka amin’ny filany’. Aoka àry hotadidiantsika fa “izay anao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay”, ary aoka isika hikely aina daholo hanao ny “sitrapon’Andriamanitra” mifandray amin’ny fanambadiana, ny anankiray amin’ireo fandaharany sarobidy.— Jaona 17:16; I Jaona 2:17.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 may 1980, pejy faha-31, 32 sy tamin’ny 1 aprily 1982, pejy faha-31.
b Marihina fa ny Dictionnaire alphabétique et analogique de la langue française nataon’i Paul Robert dia manome voalohany indrindra ho an’ilay teny frantsay “fijangajangana” ity heviny voafetra ity: “otan’ny nofo tsotra voaforon’ny firaisana ara-nofo amin’ny olon-droa izay tsy manambady na voafatotry ny voady.” Avy eo izy dia milaza ity fampiasana hafa ity: “Amin’ny heviny [malalaka]: Varotra ara-nofo amin’ny ankapobeny. Jereo, Fampivadiana, firaisana, fampikambanana.” Araka izany àry ny tenintsika hoe “fijangajangana” dia mahadika tsara ny teny grika hoe pornéia.
c Ny lehilahy na vehivay nosavihina an-keriny dia tsy meloka noho ny pornéia.
Ny New International Dictionary of New Testament Thelology dia mamaritra ny teny hoe pornéia toy izao manaraka izao: “tsy fahalalana henatra, fivarotan-tena, fijangajangana”. Milaza koa izy hoe: “Io fitambaran-teny io [anisan’izany ny pornéia] dia mety hanondro fihetsika isan-karazany momba ny lahy sy ny vavy ivelan’ny fanambadiana, amin’izy mahaforona fiviliana raha ampitahaina amin’ny tokony ho izy ara-tsosialy sy ara-pivavahana voaorina (ohatra: ny fandrian’ny lehilahy amin’ny lehilahy, ny fanaranam-po ratsy, ny ’pédérastie’ na firaisan’ny lehilahy amin’ny ankizikely ary indrindra ny fiavarotan-tena).” Araka izany, ny pornéia dia mahatafiditra ny fanitsakitsahama-bady (amin’ny teny grika moïkhéia), nefa afaka manondro koa fanao maro be ivelan’ny fanambadiana, anisan’izany ny sodomia, ny firaisana amin’ny vava ary ny fandriana amin’ny biby.
Fa raha ny Dictionnaire grec-français nataon’i A. Bailly, dia nanome ity fanazavana ity: “Fivarotan-tena (...). Amin’ny heviny malalaka, izay fanaovan-javatra mahamenatra rehetra (ny fanitsakisaham-bady, etsetra).
d Homarihina eto ny fanazavana sy fanitsiana raha ampitahaina amin’ireo lahatsoratra niseho tao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 aprily 1975, pejy faha-256 sy 1 septambra 1978, pejy faha-29-31. Raha nisy sasantsasany nanao zavatra nifototra tamin’ny fahalalana azony hatramin’izay, dia tsy azo atao ny manome tsiny azy ireo. Ankoatr’izany, izany dia tsy tokony hitondra fahavoazana momba ny firaisan’ny lahy sy ny vavy nataon’ny vadiny tao amin’ny faritry ny fanambadiana ho toy ny endriky ny pornéia, ka nisaraka ary efa nanambady indray hatramin’izay.
e Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 aprily 1974, pejy faha-250-252.
Sary, pejy 28]
Aoka isika hanao izay hanajana ny fanambadiantsika amin’ny fiarovana azy amin’ny fahalotoam-pitondrantena manjaka eo amin’izao tontolo izao.