FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w83 1/10 p. 3-4
  • Miaina amin’ny andro farany ve isika?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Miaina amin’ny andro farany ve isika?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny Ady Lehibe Voalohany sy ny fiandohan’ny fahoriana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Ny Fiheveran’Andriamanitra ny Ady Amin’izao Andro Izao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2015
  • Ny ady izay hamarana ny ady rehetra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
  • Tontolo Iray Tsy Hisy Ady, Tsy ho Ela
    Mifohaza!—1996
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
w83 1/10 p. 3-4

Miaina amin’ny andro farany ve isika?

Manomboka amin’ity nomerao ity, Ny Tilikambo Fiambenana dia mamoaka fitohitohizan-dahatsoratra valo momba ny foto-kevitry ny andro farany.

IZA no tsy mbola nijaly mihitsy noho ny ady? Iza no tsy nahatsapa ny vokatr’ireo fifandonana roa naneran-tany izay nandradratra ny taonjato misy antsika, na dia hoe fotsiny aza nandritra ny fotoan’ny herisetra, ny fandriana an-driran’antsy ary ny tahotra izay nandetehan’izy ireo ny taranak’olombelona iray manontolo? Ankoatr’izany, iza no afa-mandositra ny fanerena ara-toe-karena izay naterak’io fifanoherana nitanam-piadiana io? Eny, iza no tsy itambesaran’ny enta-mavesatra ara-bola asehon’ireo fanafihana ara-tafika sy ireo fiomanana ho amin’ny ady? Ambonin’izany, iza ankehitriny no afaka milaza fa voaro amin’ny ady ataomika izay ny alony dia mandindona antsika bebe kokoa hatrany isan’andro?

Na fanafihana izany na fiarovan-tena, ara-drariny na tsy ara-drariny, ny ady dia loza foana ho an’ny sivilizasiona. Ny vidiny amin’ny ain’olona afoy, raha io lafiny io fotsiny no heverina, dia tena mahagaga indrindra. Raha inoana ireo fanisana nataon’ny Akademia norveziana momba ny siansa tamin’ny 1969, izao tontolo izao dia tsy nahita afa-tsy 292 taom-piadanana hatramin’ny taona 3 600 talohan’ny fanisan-taona iraisana, kanefa nandritra io fe-potoana io ihany dia ady 14 531 no nipoaka.

Fa raha ny amin’ny taonjato misy antsika, indrindra hatramin’ny Ady Lehibe Voalohany izay niseho tamin’ny 1914, dia nolazalazaina ho “fotoan’ny herisetra” izy io. Izao no vakina momba azy io araka ny diam-penin’i James Reston (The New York Times tamin’ny 30 may 1982): “Io no taonjato nandatsahan-dra be indrindra teo amin’ny tantaran’ny olombelona manontolo. Nahita ady iraisam-pirenena 59 izy io izay nahafatesan’olona mihoatra ny 29 tapitrisa tany an’ady, ary koa ady an-trano 64 izay nandripaka olona teo amin’ny 6 tapitrisa teo, raha tsy isaina ireo sivily ana hetsiny maro maty tao amin’ny fandringanana. Izany no dikan’ny hoe ady.”

Izay mety ho vokatry ny ady lehibe fahatelo anankiray dia hahatsiravina loatra hany ireo mpitondra sy mpahay siansa ka nanome azy matetika alohan’ny fotoana ny anarana hoe “Hara-Magedona”. (Apokalyspy 16;14, 16.) Marina aloha fa amin’izy ireo, io teny io dia tsy milaza mihoatra ny sorona napoakan’ny olombelona; nefa ny Baiboly kosa dia manakambana azy amin’ny “adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha”. Eny, izany dia ny ady hataon’ny tenan’Andriamanitra mba hanalana amin’ny tany ny faharatsiana rehetra sy hanorenana fandaharan-javatra vaovao sy marina, ho tombontsoan’ireo olona tia fiadanana.

Io fanantenana fandaharan-javatra vaovao sy marina io dia avy amin’Andriamanitra, ary manohana ireo olona manam-pinoana hatramin’ny fahiny ela be (Hebreo toko faha-11). Fahagola tokoa, ireo marina dia niandry tamim-pahadodonana ny fotoana izay hahatsiarovan’Andriamanitra azy ireo sy hananganany azy ireo ho amin’ny fiainana mandrakizay (Joba 14:13, 14; Salamo 37:29). Nametraka ny fitokisany tamin’ny herin’Andriamanitra izay hanangana azy ireo amin’ny maty tokoa izy ireo, eo amin’ny planeta voadio rehefa ‘hampitsahatra ady hatramin’ny faran’ny tany Izy’. — Salamo 46:9.

Kanefa, tsy nahafantatra izy ireo hoe rahoviana ireo fiovana ireo no hitranga. Tamin’izany fotoana izany, ny fe-potoana izay tsy maintsy handraisan’Andriamanitra anjara dia nantsoina fotsiny hoe “faran’ny andro” na “any am-parany”. (Daniela 11:40; Isaia 2:2.) Tsy misy mahagaga àry raha nanatona azy manokana ny mpianatr’i Jesosy mba hanontany azy hoe: “Rahoviana no ho avy izany zavatra izany, ary inona no famantarana ny fiavianao [fanatrehanao, MN] sy ny faran’izao tontolo izao [fifaranan’ny fandehan-javatra, MN]” — Matio 24:3.

Nefa izao no fanamarihana voalohany nataon’i Jesosy momba ireo fisehoan-javatra tsy maintsy ho fiandohan’ny farany: “Handre ady sy filazana ady hianareo.” (Matio 24:6). Raha ny taonjato misy antsika no “nandatsahan-dra be indrindra teo amin’ny tantaran’ny olombelona manontolo”, moa ve tsy satria tanteraka indrindra ny famantarana nolazain’i Jesosy? Miaina tokoa ny andro farany ve isika?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara