Ny Zava-pisotro Mahamamo — Miray hevitra amin’ny Baiboly ve ianao?
IO dia kristiana iray vita batisa. Rehefa nanontanian’ireo loholona ao amin’ny kongregasiona misy azy izay niahiahy ny aminy izy, dia niaiky fa tena nisotro labiera sy whisky vera vitsivitsy tokoa. “Kanefa, hoy ny fandavany, tsy mamo aho tamin’izay!”
Raha arak any filazan’io lehilahy tanora io, rehefa tsy mamo ny tena dia tsy misy dikany akory ny fatran’ny alkaola sotroina. Mitovy hevitra aminy ve ianao? Mampalahelo fa misy mpanompon’Andriamanitra sasantsasany manaraka izany fomba fihevitra izany. Kanefa moa ve izany mifanaraka amin’ny Soratra masina? Raha ny marina, inona no lazain’ny Baiboly ny amin’izany?
Ny zava-pisotro misy alikaola dia anisan’ireo fanomezana maro be raisintsika avy amin’i Jehovah Mpamorona antsika. Araka izany, ny Baiboly dia mampiseho fa Andriamanitra dia nanome “ny divay izay mampifaly ny olona”, ary izany divay izany dia “mahafaly an’Andriamanitra sy ny olona” ary mahatonga ny fo ho “faly”. (Salamo 104:15; Mpitsara 9:13; Estera 1:10.) Fa raha ny amin’ny “voaloboka” izay miantoka ny tahirin-divay tsara ho an’ny tompony, ny Soratra masina dia manao azy ho mariky ny fanambinana. — Mika 4:4; Zakaria 3:10.
Na izany aza, ny fanomezana iray dia mety hampiasaina amin’ny fomba tsara na ratsy. Ny Baiboly anefa dia mirakitra ihany koa fampitandremana maro momba ny fanaranam-po amin’ny fisotro misy alkaola.
Ny fahazarana misotro zava-mahamamo be loatra
Andeha isika hitodika any amin’ilay hevitra malaza noraisina manao hoe ‘rehefa tsy mamo ny tena dia tsy misy dikany akory ny fatran’ny alkaola sotroina’. Marina fa ny Baiboly dia manameloka ankitsirano ny fahamamoana. Ohatra, lazainy amintsika fa ny mpimamo “tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra”. (I Korintiana 6:9, 10.) Kanefa ny fahamamoana ihany ve no rarany? Ahoana ny amin’ny olona iray izay hisotro be dia be nefa tsy ho mamo mihitsy?
Ao amin’ny I Timoty 3:2, 3, dia vakintsika fa ny mpiandraikitra iray dia tsy vitan’ny hoe hanalavitra ny ‘adin’ny mpimamo’ fotsiny fa “hahonon-tena” koa. Io fotopoto-pitsipika io dia mihatra tokoa eo amin’ny lafim-piainana rehetra. Na izany aza, dia tsara homarihina fa ny teny grika nadika ao amin’io andinin-teny hoe “hahonon-tena” (nêphalios) io dia midika ara-bakiteny hoe “mahalala onony, mahonom-po; mifady marina sy tsotra izao ny hisotro divay, na fara faharatsiny tsy misotro tafahoatra”. (Izahay no manipika) — Thayer’s Greek-English Lexicon of the New Testament.
Ery lavidavitra kokoa, rehefa mitanisa ireo fepetra takina amin’ny mpikarakara momba ny asa na diakona i Paoly, dia manazava fa izy ireo dia tsy tokony ho “tia divay be [“tsy tokony hisotro divay be loatra izy ireo”, Bible en français courant; “tsy manana fironana mihitsy amin’ny zava-pisotro mahamamo, Parole vivante]”. — I Timoty 3:8.
Amin’izany, ny kristiana izay maniry ho voatendry hanompo, na amin’ny maha-mpiandraikitra na amin’ny maha-mpikarakara momba ny asa, na hanohy hanao ireo raharaha ireo, dia tsy maintsy miseho ho ohatra amin’ny fahalalany onony. Taona maromaro lasa izay, tamin’ny fampakaram-bady iray nankalazaina tao amin’ny tany iray any Amerika latina, ireo olona nasaina dia nisotro nandritra ny alina. Izany fampakaram-bady izany dia niteraka fanesorana ny loholona rehetra sy ny mpikarakara momba ny asa tamin’ny andraikiny.
Kanefa, moa ve ny fahalalana onony takina amin’ny mpiandraikitra sy ny mpikarakara momba ny asa ihany? Tsy izany velively. Ao amin’ny Titosy 2:2 tokoa, ny lehilahy be taona dia anarina koa hiseho “hahonon-tena”. Fa raha ny amin’ireo vehivavy ao amin’ny kongregasiona, ny Baiboly dia manoro hevitra azy ireo koa mba “ho maotina, tsy mpanendrikendrika, mahonon-tena”. (I Timoty 3:11.) Ary farany, ny vehivavy be taona dia asaina “hitondra tena toy izay mendrika ny olona masina, tsy ho mpanendrikendrika, tsy ho andevozin’ny divay be”. — Titosy 2:3.
Miharihary amin’izany àry fa ny kristiana dia tokony hanary, tsy ny fahamamoana voafetra amin’ny fisotroana zavatra misy alikaola tafahoatra ihany, fa ny fampiasana tsy amim-pahalalana onony ny zava-pisotro misy alikaola koa.
Manomboka hatraiza ny fisotroana tafahoatra?
Tsy azo atao ny hanao fitsipika hentitra sy amin’ny ankapobeny, satria ny toe-pahasalamana, ny lanja sy ny anton-javatra hafa izay miovaova arakaraka ny olona dia misy heriny eo amin’ny fiasan’ny alikaola amin’ny vatana. Na dia izany aza anefa, dia misy zavatra voafaritra maromaro izay hahatsara anao tokoa ny hanisy fiheverana azy mba hahafantarana hoe hatraiza no mijanona ny fahalalana onony ary aiza no manomboka ny fisotroana tafahoatra.
Izao no voalohany: Mitandrema mba tsy hitady fialan-tsiny ianao. Matetika dia fanao ny manatsoaka hevitra fa ny torohevitra tsy mahafinaritra iray dia natokana ho an’ny hafa fa tsy ho antsika. Kanefa raha mihevitra toy izany avokoa ny olona rehetra, dia tsy hihatra na oviana na oviana amin’olona na iza na iza ny torohevitra!
Fanampin’izay, dia tokony hoferanao ny fatran’ny alikaola mety ho zakan’ny tenanao tsy hitera-pahavoazana. Amin’ny ara-keviny, ny olon-dehibe iray (milanja ho 70 kilaograma) dia afaka hahazaka alikaola tokony ho 13 mililitatra isan’ora (izany hoe zava-mahamamo manana marika 45o tokony ho 3 santilitatra, na divay tokony ho 10 santilitatra). Raha tafahoatra io fatra io, dia mitombo ny herin’ny alikaola ao amin’ny ra. Amin’ny ankapobeny, dia zava-pisotro antonontononya roa sotroina ao anatin’ny minitra vitsivitsy dia ampy hahatraran’ny olon-dehibe salasalany iray fatran’ny alikaola any amin’ny 0,50 grama, dia hery mitarika fiovan’ny toe-batana eo am-pamiliana fiarakodia ho an’ny ankamaroan’olona.
Ny fomba fijerin’ireo rahalahintsika kristiana dia mahaforona ny lafin-javatra fahatelo tokony hoheverintsika. Ao amin’ny Romana 14:21, dia toy izao no vakintsika: “Fa tsara ny tsy mihinana hena, na misotro divay, na manao izay hahatafintohina ny rahalahinao.” Araka izany, mba hahafantarana raha misotro amim-pahalalana onony ianao na tsia, dia apetraho amin’ny tenanao izao fanontaniana izao: Moa ve aho zatra misotro betsaka kokoa noho ny hafa? Moa ve manana fanahiana ny mpianakaviko, ny rahalahiko sy ny anabaviko kristiana ny amin’ny habetsahan’ny zavatra misy alikaola sotroiko? Moa ve aho manana laza ho “mpisotro divay” ka hahatonga hihevitra fa misotro be loatra aho? Mety hiteny angamba anefa ianao hoe: “Mahazaka alikaola faran’izay betsaka noho ny an’ny hafa ny toe-batako. Kanefa na amin’ny toe-javatra toy izany aza, moa ve ianao tsy tokony hiahy izay fomba fijerin’ny rahalahinao, toy ny amporisihan’i Paoly hataontsika? Tsarovy koa ireto tenin’i Jesosy ireto, voarakitra ao amin’ny Lioka 17:1: “Tsy maintsy ho avy ny fahatafintohinana; nefa lozan’izay olona mahatonga izany!”
Aoka homarihintsika tsara anefa fa tsy misy mihitsy mahazo manery ny fieritreretany mba harahin’ireo rahalahiny. Tokony hitandrina tokoa isika mba tsy hanakiana tsy amin’ny antony ny hafa noho ny habetsahan’ny alikaola sotroiny. Fanampin’izany, ny apostoly Paoly dia nanambara toy izao: “Tsy manana zo hitsara ny rahalahinao ianao na hanao tsinontsinona azy. Aoka hotsaroanao tsara fa ny tsirairay avy amintsika dia samy hotsaraina eo anoloan’ny fitsaran’Andriamanitra.” — Romana 14:10, Le Livre, fanontana Farel.
Ny anton-javatra hafa koa izay ho tiantsika saintsainina dia mifototra amin’ireo antony manosika antsika hisotro. Moa ve isika misotro fotsiny mba hialana sasatra, hialana hetaheta na hanatsarana ny tsiron’ny sakafo iray? Sa kosa manao izany isika mba hanadinoana ny fanahiantsika, ny tebitebintsika, ny fahadisoam-panantenantsika, mba hanomezana herim-po antsika na mba handosirana ny zava-misy? Ho an’ireo rehetra izay misotro noho ny antony mitovy amin’izany, ny dokotera Stanley Gitlow, mpandinika sady mpitsabo toe-tsaina, dia nanao izao fanamarihana izao: “Isika dia miaina ao anatin’ny fitambaran’olona izay, rehefa misy zava-manahirana mitranga, dia misotro kely; raha vao mahatsiaro tena ho tsy metimety kely dia mangataka vovo-javatra mahaverivery saina. Ary tsy misy mihitsy olona sahy miteny hoe: ‘Ekeo ireo fihaikana ary mianara mba hahay hiatrika izany’.” Noho izany, inona no mety hanampy ny kristiana hiaritra ireo fanahiana eo amin’ny fiainana? Moa ve izany “vovo-javatra mahaverivery saina” na inona na inona sa kosa ny fifandraisana tanany amin’Andriamanitra? — Salamo 4:8.
Ny tsy fisotroana ve?
Azo atao izy io amin’ny toe-javatra sasany. Amin’izany, dia zava-dehibe ny hifadian’ilay mpisotro tanteraka ny alikaola mba tsy hahatonga ny fironany ho amin’ny fibobohana tafahoatra hahazo azy indray. Izany dia mampahatsiahy antsika ireto tenin’i Jesosy manaraka ireto, voasoratra ao amin’ny Marka 9:43: “Ary raha ny tànanao no manafintohina anao, tapaho izy; fa tsara ho anao ny hiditra kilemaina any amin’ny fiainana [“tsaratsara kokoa ny miditra any amin’ny fiainana amin’ny tanana iray monja”, Parole vivante], noho ny manana tànana roa, nefa hariana any amin’ny helo [izany hoe any amin’ny fandringanana].” Araka izany, raha toa ny zava-pisotro mahamamo ka miteraka zava-manahirana ho anao, nahoana raha tsy misotro intsony? Rehefa dinihina dia “tsaratsara kokoa ny miditra any amin’ny fiainana”, tsy izany ve? Ny loholona iray ao amin’ny kongregasiona kristiana izay tompon’andraikitra ihany koa amin’ny fandaharana iray natao hamerenana indray olona mpimamo dia nanao izao fanamarihana izao: “Tsy dia zavatra lafo vidy loatra ny tsy fisotroana tanteraka ho an’ny olona iray izay maniry hahazo ny fiainana ao anatin’ny fandaharan-javatra vaovao nampanantenain’Andriamanitra.”
Kanefa tsy nosoritana ho an’ny mpisotro zavatra misy alikaola ihany akory ny fisotroana. Amin’ny zava-miseho sasany, isika rehetra dia tokony hanana fitiavana ny tsy hisotro zava-mahamamo. Tao amin’ny Isiraely fahizay, ireo mpisorona sy ny Levita dia tsy nahazo nisotro zava-pisotro misy alikaola na inona na inona mihitsy rehefa manao fanompoam-pivavahana ao amin’ny tabernakely na ao amin’ny tempoly fa mahavoaheloka ho faty izany (Levitikosy 10:8, 9; Ezekiela 44:21). Ireo mpanjaka indray dia nanarina mba tsy hisotro divay na zava-pisotro mahamamo rehefa nanatanteraka ny asany. Nahoana? “Fandrao, raha misotro izy, dia manadino ny lalàna ka mamily ny fitsarana ny zanaky ny fahoriana.” — Ohabolana 31:4, 5.
Ary amin’izao androntsika izao, moa ve ianao mahatsiaro tsy fananana ahiahy raha fantatrao fa vao avy nisotro talohan’ny hiaingana indrindra ny mpamily fiaramanidina vao avy noraisinao? Azo antoka fa tsia! Raha izany no izy, dia aina maro no tandindomin-doza. Toy izany koa, ny kristiana iray dia hieritreritra tsara izay hosotroiny alohan’ny hipetrahany eo anoloan’ny familiana fiarakodiany. Ankoatr’izany, vao mainka tsy araka ny tena izy mihitsy ny hisotroan’ny kristiana iray zavatra misy alikaola alohan’ny handehanany hitory, hanatrika fivoriana na hanome torohevitra ara-baiboly ho an’ny olona iray, na koa rehefa mandray anjara amin’ny fanompoana masina toy izany. Fa nahoana àry? Satria izany zavatra rehetra izany dia mifamatotra amin’ny fiainana mandrakizay.
Rehefa avy nandinika tsara izany rehetra izany ianaoa, moa ve ianao hiray hevitra amin’ny Baiboly raha ny amin’ny zava-pisotro mahamamo? Tsy misy afa-tsy safidy iray monja: na hanaiky hianao, na handa izany. Amin’io lafin-javatra io, dia ny fiainanao mihitsy no voakasika; ary tsy ny anao ihany anefa, fa ny an’ny olona izay mety ho tafintohina noho ny fitondrantena tsy voahevitra amin’io lafiny io koa. Fa indrindra indrindra, isika dia maniry ny fiainantsika hankasitrahan’i Jehovah Andriamanitsika. Marina tokoa fa fanomezana avy amin’ny Mpamorona ny zava-pisotro misy alikaola. Ny zava-dehibe dia ny ampiasana azy amim-pahalalana onony. Kanefa, raha toa ka tsapanao fa tsaratsara kokoa ho anao ny tsy misotro mihitsy, dia aza misalasala fa ataovy izany. Tsarovy foana fa: “Tsaratsara kokoa ny miditra amin’ny fiainana”.
Fa ahoana anefa no azon’ireo loholona ao amin’ny kongregasiona anampiana ireo rahalahiny kristiana nanaiky ho voafandriky ny zava-mahamamo? Ary inona no azo atao ho an’izay tonga mpitia zavatra misy alikaola? Ireo fanontaniana ireo sy ny hafa koa dia hodinihina ao amin’ny nomeraontsika manaraka.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ny tianay hambara amin’ny hoe ‘zava-pisotro antonontonony’ dia toaka mitondra marika 45o tokony ho 45 mililitatra, divay 12 santilitatra na labiera 33 santilitatra.
[Sary, pejy 27]
Mitovy ny fatran’ny alikaola ao amin’ireo zava-pisotro telo ireo.