FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w83 15/11 p. 3-4
  • Avy amin’Andriamanitra ve ny horohorontany?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Avy amin’Andriamanitra ve ny horohorontany?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny horohorontany tamin’ny andron’ny Baiboly
  • Inona no Efa Nolazain’ny Baiboly Mialoha Momba ny Horohoron-tany Lehibe?
    Foto-kevitra Hafa
  • Ny Horohorontany​—Fanambarana ny farany ve?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Ny horohorontany: fahoriana miampy fahoriana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
  • Faminaniana 1. Horohoron-tany
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
w83 15/11 p. 3-4

Avy amin’Andriamanitra ve ny horohorontany?

“Mihamiletsy eo ambany tongotrao ny tany maina. Mandingana intelo na inefatra mankany aloha ianao nefa voaronjina tampoka (...). Mianjera ianao ary sahirana hitsangana satria voahilangilana etsy sy eroa. Misavilivily faran’izay mafy ny hazo. Mikapoka ny tany hatraiza hatraiza ny tendrony; mitresaka roa ny sasany. Manandrana mandositra ho eny amin’ny arabe ianao, kanefa indro izy fa miolanolana eo anoloanao toy ny bibilava. Amin’ny manodidina anao rehetra, eny amin’ny tany, dia misy triatriatra mivava sy mikombona tampoka. Raiki-tahotra mafy ianao. Tsy misy intsony faritra azo antoka. Miteny anakampo ianao hoe: ‘tonga ny faran’izao tontolo izao!’”​—Sarah Burn Plunkett, tafita velona tamin’ny horohorontany namely an’i Alaska tamin’ny 1964.

EFA nahita ny tany nihorohoro ve ianao? Na dia mbola tsy nihatra tamin’ny tenanao na oviana na oviana aza io fanandraman-javatra io, ny horohorontany dia misy vokany eo amin’ny fiainanao. Fa nahoana àry? Noho ny antony anankiroa fara faharatsiny. Voalohany indrindra dia satria, eo amin’izay onenanao, ny fisiany dia manambara fa ny tany misy anao dia eo am-pihetsiketsehana tsy misy farany. Manaraka izany, ny mbola zava-dehibe kokoa ihany, dia satria ny horohorontany izay manozongozona ny planetantsika amin’izao andro izao dia anisan’ireo famantarana ny “faran’ny fandehan-javatra” maneran-tany ankehitriny. Ny amin’izany, dia nanambara toy izao ny faminaniana fanta-daza iray: “Ary hisy horohorontany lehibe.” (Lioka 21:9-11; Matio 24:3-8). Nilaza tokoa ny Baiboly fa ny horohorontany dia ho anisan’ny “famantarana” natao hamantarana ny fotoana izay hamaranan’ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra ny ratsy sy hanaovany ny tany ho tonga paradisam-piadanana (Salamo 37:10, 11; Matio 6:10). Izany angamba no hahatonga ny mpamaky sasany hanontany tena raha toa ka Andriamanitra no tompon’andraikitra amin’ny horohorontany.

Ny horohorontany tamin’ny andron’ny Baiboly

Moa àry ve ny horohorontany rehetra avy tamin’Andriamanitra avokoa? Aoka isika hamaly avy hatrany hoe tsia. Izy io tokoa dia fisehoan’ny toetry ny tany araka ny natiora tsy misy hafa amin’ny rivotra na ny ranonorana. Afa-tsy izany, dia misy fihovitrovitana mamakivaky mandrakariva ny tanintsika hatramin’ny taloha ela be. Amin’ny ara-keviny, ny tany dia mihovitrovitra indray mandeha isaky ny telopolo segondra.

Tamin’ny toe-javatra sasany karazan’izany anefa i Jehovah dia nandefa horohorontany. Fa nahoana àry? Ny horohorontany avy tamin’Andriamanitra dia nanana zava-kendrena voafaritra tsara, ary voara-maso foana izy ireny. Tsy niteraka fandravana an-jambany na oviana na oviana izy ireny. Aoka isika hitanisa ny sasantsasany aminy:

Efa ho taonjato efatra amby telopolo lasa izay, rehefa nanao fanekena tamin’ny vahoaka Isiraelita Andriamanitra, dia tafavory teo am-pototry ny tendrombohitra Sinay izy ireo raha “nihorohoro mafy ny tendrombohitra”. Tamin’io toe-javatra niseho ho Jehovah dia nampiasa horohorontany iray mba hampisehoana ny heriny tsy manam-paharoa sy mba hanasoritana ny maha-zava-dehibe izany fanekena izany. Ilay horohoro nampihetsiketsika ny tendrombohitra tamin’izay dia nanampy ihany koa handentika ilay zava-niseho tao amin’ny fitadidian’ireo Isiraelita. Koa satria Jehovah nampifamatotra io fanekena faran’izay lehibe io tamin’ny zava-nitranga nampihetsi-po izay ny tenan’izy ireo mihitsy no vavolombelona, izy ireo dia tsy handeha hanadino vetivety ny andraikitra noraisiny tamin’io fotoana io.​—Eksodosy 19:7-9.

Taty aoriana kelin’izay dia nisy horohorontany hafa iray nitranga ihany koa. Tao anatin’ny fianakavian’i Datana, Abirama sy Kora dia nisy mpikomy nanohitra ny mpitari-dalana voatendrin’i Jehovah. Rehefa nanda ireo fampitandremana maro nomena azy izy ireo, dia nanampy horohorontany iray indray i Jehovah saingy tamin’izay kosa dia mba hanadiovana ny vahoakany tamin’ny mpiodina. “Dia nivava ny tany izay teo ambaniny; eny, nisokatra ny tany ka nitelina azy sy ny ankohonany mbamin’ny olona rehetra izay an’i Kora ary ny fananany rehetra.”​—Nomery 16:31, 32.

Na izany aza anefa, Andriamanitra akory tsy mpanao ny horohorontany amin’izao taonjato faharoapolo izao. Raha izany no izy, nahoana ny Baiboly no manao azy ho anisan’ny famantarana manondro ny fahantomoran’ny “farany”? Raha ny marina, mao ve isika miaina tokoa amin’ny “fifaranan’ny fandehan-javatra”?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara