Fanontanian’ny mpamaky
■ Mpaminany ve i Samoela? Toy izany no noheveriko, kanefa ny famakiana ny Hebreo 11:32 tao amin’ny Baiboliko dia toa milaza fa tsy izany angamba no izy.
Marina tokoa fa sady mpaminany i Samoela no Mpitsara. Ny fomba nanoratana ny Hebreo 11:32 ao amin’ny fandikan-teny sasany dia mety hamafy fisafotofotoana ao an-tsaintsika, kanefa azo atao ny mandika io andinin-teny io amin’ny fanaovana izay hampazava tsara io fanontaniana io.
Raha mbola vao zazalahy kely i Samoela dia nampiasa azy i Jehovah mba hampita ny fitsarany. Tamin’izany ny Isiraely rehetra dia nahafantatra azy ho mpaminany (I Samoela 3:1-21). I Saoly mpanjaka dia nanatona azy mba haka torohevitra izay tsy azony raha tsy tamin’ny alalan’ny mpaminany irery ihany (I Samoela 9:6, 9; 28:11, 15). Indray andro dia ‘naminany ny lehilahy zokiolona tamin’ny mpaminany ary teo koa i Samoela nitarika azy’. (I Samoela 19:20.) Ankoatra ny asany amin’ny maha-mpaminany, i Samoela koa dia nanao ny asan’ny mpitsara teo amin’ny vahoaka.—I Samoela 7:15-17; 12:6, 7.
Kanefa na izany aza, ny sasany dia mety haneho fisalasalana ny amin’ny maha-mpaminany azy satria ao amin’ny fandikan-teny maro, ny lisitr’ireo olona nanam-pinoana dia lazaina toy izao ao amin’ny Hebreo 11:23: “Fa tsy ho ampy ny fotoana raha tantaraiko eto koa ny momba an’i Gideona, Baraka, Jefta, Davida, ary koa Samoela sy ny mpaminany.” (Jerosalema). Mety hotsoahina avy amin’izany fa tokony hosarahina amin’ny mpaminany i Samoela toy ny hanasiana fanavahana eo amin’i Davida sy ireo mpitsara: Gideona, Baraka, Samsona ary Jefta.
Kanefa misy fandikan-teny vitsivitsy manatsofoka ny teny hoe “hafa” ao amin’ny Hebreo 11:32. Araka izany, dia izao no vakina ao amin’ny Testamenta Vaovao natontan’i Farel: “(...) Jefta, Davida, Samoela sy ny mpaminany hafa.” Ao amin’ny andinin-teny maromaro amin’ny Soratra grika kristiana, io teny hoe “hafa” io ihany dia nanampy toy izany koa mba hahatonga ilay teny hazava kokoa. Ohatra, ao amin’ny Lioka 21:29, araka ny Baiboly Segond, dia niteny i Jesosy hoe: “Jereo ny aviavy sy ny hazo rehetra”. Tsy izany no fomba tsara indrindra mba hilazana ny hevitry ny tenin’i Jesosy satria ny aviavy dia hazo ihany koa. Mety ho azo atao toy izao ireo tenin’i Kristy ireo: “Jereo ny aviavy sy ny hazo hafa rehetra.”—Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao; Baiboly amin’ny fiteny frantsay mahazatra; F. Amiot; jereo koa Lioka 13:4, MN.
Izany no antony nandikan’ny Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao ny Hebreo 11:32 amin’ny fomba mazava izay mifanaraka amin’izay lazain’ny Soratra hebreo hoe: “Tsy ho ampy ny fotoana raha manohy milaza an-dry Gideona, Baraka, Samsona, Jefta, Davida, ary koa Samoela sy ny mpaminany hafa aho.”