Hajao hatrany ny fanambadiana
“Aoka hanan-kaja amin’ny olona rehetra ny fanambadiana”. — Hebreo 13:4.
1. Fanontaniana inona no napetraky ny mpanao gazety iray, ary ahoana no navalin ny lehilahy manambady iray?
“INDRAY andro ny mpanao gazety iray be mpahalala dia nametraka izao fanontaniana izao: “Raha tokony hamerina indray ny fiainanao ianao, moa ve hanambady indray ny vadinao ianao?” Tamin’ny olona 50 000 nadinina, dia antsasany mahery no namely hoe: “Eny.” Inona no navalinao? Ny vehivavy iray nanambady hatramin’ny 33 taona dia nametraka io fanontaniana io ihany tamin’ny vadiny kristiana indray andro. “Tsy hisalasala ny hanambady anao aho, hoy ny navaliny azy tamim-pitsikitsikiana be. Rehefa mieritreritra ireo taona lasa aho, dia tsapako fa nisy fotoan-tsarotra—nanana ny zava-nanahirana antsika koa isika. Nefa ny fanambadiantsika dia tena mendrika ny fiezahantsika rehetra. Manan-javatra sarobidy tokoa isika.”
2. Ary ahoana no tokony handraisana ny hoe ‘manan-kaja’ ao amin’ny Hebreo 13:4?
2 Koa satria Andriamanitra no Mpamorona azy, ny fanambadiana dia mety hitondra fahafahampo sy fifaliana lalina. Tokantrano maro anefa — ary tokantrano kristiana sasany koa aza — no iharam-panerena mahatsiravina. Noho izany antony izany no anaovan’ny apostoly Paoly izao fananarana izao: “Aoka hanan-kaja [“hekena ho misy vidiny lehibe, sarobidy (...), lafo vidy indrindra”*] amin’ny olona rehetra ny fanambadiana.” (Hebreo 13:4). Koa satria miteraka ‘fahoriana ao amin’ny nofo’ ny fanambadiana, dia tokony hisetra ny zava-tsarotra isika amin’ny fanajana azy hatrany (I Korintiana 7:28).) Nefa mba hahatongavana amin’izany dia tokony ho tsapa voalohany indrindra ny anankiray amin’ireo loza lehibe indrindra.
Ny tsy fisian’ny fifampiresahana akaiky
3, 4. a) Inona moa no anankiray amin’ny zava-manahirana lehibe indrindra ao amin’ny fanambadiana? b) Milaza inona amin’ny mpivady moa ny maha-”nofo iray ihany” azy?
3 Ny olon-droa kristiana nivady efa ho hatramin’ny 20 taona dia rava fanambadiana tampoka izy ireo noho ny fanitsakitsaham-bady. Ahoana no hetezan’izany? Rehefa nieritreritra izay nitranga tao anatin’ireo taona ireo aho, hoy ny nambaran’ilay vehivavy, dia tsapako fa nifanakalo hevitra ny amin’ny raharaha ara-pianakaviana maro izahay ary ny amin’ny fanompoanay an’Andriamanitra koa aza, fa raha ny amin’ny fifandraisana akaiky, dia tsy nisy.” Izany tsy fisian’ny fifankazarana teo amin’ny faritry ny fihetseham-po izany dia nampahalemy tsikelikely ny fanambadian’izy ireo ka nitarika ilay lehilahy hanitsakitsa-bady. Tamin’ny famotopotorana natao ny amin’izany, ny fahatapahan’izay rehetra mety ho fifampiresahana manorina dia heverina ho anankiray amin’ireo antony lehibe indrindra miteraka fisaraham-panambadiana na “fanambadiana tsy misy fitiavana”.
4 Izao anefa no nolazain’i Jehovah: “Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ny vadiny; ary dia ho nofo iray ihany ireo.” (Genesisy 2:24). Amin’ny fifandraisan’olombelona rehetra àry, dia ny an’ny fanambadiana no tokony ho ny akaiky indrindra. Izany dia mampiray toetra roa tsy mitovy-adidy sarotra tokoa! Mba hetezan’ny firaisana toy izany, dia tokony hifampiresaka amim-pahatsorana ny mpivady ka hifaneho ny fihetseham-pony avy..
5. a) Inona no misakana ny fifampiresahana amim-pifankazarana? b) Ahoana no azon’izay mifanerasera amin’ny mpivady ampisehoana fa manaja ny fanambadiana izy ireo?
5 Inona àry no misakana ny fifandraisana akaiky toy izany? Any amin’ny tany sasany, dia fanao indraindray ny mifampihafahafa. Misy tsy tia ny milaza hevitra na saro-kenatra loatra ka tsy manao izany. Misy hafa koa voagadran’izao tontolo izao ankehitriny fatra-pitia ny zavatra ara-nofo sy mifantoka amin’ny fialam-boly, hany ka amin’ny farany izy ireny dia mihevitra bebe kokoa ny zavatra atolony fa tsy ny fanambadiany. Ny maha-eo ny olona maro loatra na ny fifikirana tafahoatra amin’ny ray aman-dreny dia mety hanimba ny fifankazaran’ny mpivady. Mazava ho azy fa tokony hohajaina ny fifankazarana ilain’ny mpivady ka tsy hanao izay tian-katao aminy na hitady hoheverina tahaka ny mpivady. — Ohabolana 25:17.
6. a) Ahoana no mety hahatonga ny vady iray ho “vohitra mafy” ary ny “fifandirana” ho “hidin’ny” lapa voaro mafy? b) Inona avy no fanontaniana atolotra ao amin’ny faritra voafefy etsy ambony, hanampy anao hahita raha mifampiresaka amin’ny vadinao ianao?
6 Ny antony mahatonga matetika indrindra izany tsy fisian’ny fifampiresahana amim-pifankazarana izany angamba anefa dia izay atoron’ny Ohabolana 18:19 anoratana toy izao: “Ny mampionona ny rahalahy voaisy ratsy dia sarotra noho ny manafaka vohitra mafy, ary ny fifandirana aminy dia tahaka ny hidin’ny lapan’ny mpanjaka.” Aoka horaisintsika ny ohatra ny amin’ny vehivavy iray izay mamboraka ny ao am-pony amin’ny vadiny. Ahoanao no ho fihetsik’ilay vehivavy raha manamavo na manebaka ny fihetseham-pony ralehilahy ka angamba aza mampiasa izany hanoherana azy amin’ny fotoana hafa? Azo inoana fa hanjary tsy hiteny firy intsony izy ka hiafina toy ny ao ambadiky ny rindrina iray mba hanalavirana izay rehetra mety ho ratra amin’ny lafiny ara-pihetseham-po indray. Hanjary ho toy ny “vohitra mafy” izy. Izany dia mety hiteraka ady velomin’ny fiavonavonana satria tsy mety ho resy ny tsirairay avy. Izany tsy fifanarahana tsy amin’ny antony izany dia mety hanapaka ny fifampiresahana amim-pifankazarana sy hisakana izay rehetra mety ho fihavanana, toy ny hoe voasaraky ny fefy vy amin’ny lapa voaro mafy ny mpivady. Fa inona no azo atao mba hanatsarana ny fifampiresahana?
Velomy ny fifampiresahana amim-pifankazarana
7. Araka ny Filipianina 2:4, inona no ilaina mba hitanana fifampiresahana amim-pifankazarana?
7 Tokony ‘hihevitra manokana’ izay ahin’ny vadinao ianao (Filipiana 2:4). Amin’izany, dia ilaina ny maka fotoana hiaraha-miresaka ny amin’ny raharaha manokana. Araka izany, rehefa mody avy miasa ny lehilahy, ny mpivady kristiana iray dia maka fotoana hiaraha-misotro dite sy miresaka. Alohan’ny hanaovan-javatra amin’ny takariva, io lehilahy kristiana io sy ny vadiny dia mandany fahefatr’adiny fara fahakeliny mba hifanakalozan-kevitra sy hiresahana ny amin’izay nataon’izy ireo. Ataon’izy ireo isan’andro izany hatramin’ny 27 taona!
8. Nahoana no zava-dehibe tokoa ny fihainoana amim-pitandremana ny vadin’ny tena?
8 Tsy ampy anefa ny miara-miresaka. Rehefa nanontaniana azy izay nankamaminy indrindra teo amin’ny vadiny, dia namaly toy izao ny vehivavy kristiana iray: “Mihaino ahy izy. Izy no namako tsara indrindra.” Raha mihaino amim-pitandremana ny vadinao fa tsy varimbariana rehefa mihaino azy, dia somary toy ny milaza aminy hoe: “Lehibe tokoa amiko ianao. Maniry hahafantatra ny hevitrao sy ny fihetseham-ponao aho, hiombom-pifaliana — sy alahelo, aminao.” Ny fahaiza-mihaino tsara dia fahaizana ambolena ao am-po. Raha raisina indray ny tenin’i Petera, dia ilaina ny ‘hipetrahana eo amin’ny toeran’ny hafa [ara-bakiteny dia hoe “miara-mijaly amin’ny hafa”]’, maneho “fiaraha-miory’ sy manetry tena’. (I Petera 3:8.) Mifamboraha àry ao am-ponareo; miaraha miresaka na dia ny amin’ny zavatra madinika aza. Ambarao ny fihetseham-ponareo.
9, 10. Ahoana no azon’ny vady anahafana ny fomba narahin’Isaka, ny vadin’i Manoa sy Elkana teo anoloan’ny vadiny?
9 Hevero fotsiny ny fifankazarana nisy teo amin’Isaka sy Rebeka. Indray andro, rehefa nanahy mafy Rebeka dia nahay nanokatra ny fony tamin’ny vadiny ka nitaraina taminy; hoy izy taminy: “Tsy te-ho velona aho”. Moa ve Isaka namaly izany tamin’ny fanaovana izay hahamenatra azy satria nanana fihetseham-po toy izany izy? Tsia, nihaino azy tamim-pangorahana izy ary nanao izay azo natao mba hampisava ny tahony (Genesisy 27:46 ka hatramin’ny 28:5). Nahamarika ny fitebiteben’ny lahy ny vadin’i Manoa ka nahay nanao teny fampiononana azy. — Mpitsara 13:22, 23.
10 Nanohina ny fon’i Elkana kosa ny fihetseham-pon’ny vadiny. Noho ny fanamarihany fa ketraka izy, dia niezaka izy ‘hanovo’ tao am-pony tamin’ny fametrahana taminy tamim-pahalemem-panahy fanontaniana vitsivitsy mba hahafantarana ny faniriany; hoy izy taminy: “Ry Hana, nahoana no mitomany hianao? Ary nahoana no tsy mety mihinan-kanina hianao? ary nahoana no malahelo fo hianao?” (I Samoela 1:8). Ary ianao? Misy zavatra ataonao avy hatrany ve mba hahalalana ny fihetseham-pon’ny vadinao? Ataonao ve izay hahatsapany fa manana fahalalahana izy hampahafantatra izany nefa tsy hahatsiaro tena ho diso? Indraindray, ny ilain’ny vadinao kokoa dia sofina mihaino amim-pangorahana fa tsy torohevitra. — Ohabolana 20:5; 21:13.
Miresaha ny amin’ny zava-manahirana sarotra
11-13. a) Amin’ny fotoana toy inona moa no sarotra indrindra ny fifampiresahana amim-pifankazarana? b) Nahoana moa Saraha no nanahy aoka izany? d) Tokony ho nanao ahoana ny fihetsiny, nefa inona no nataony?
11 Ahoana izao raha toa ny vadinao ka manao na namela ny hisian’ny zavatra mampalahelo anao na manimba ny fanambadianareo? Ahoana no azo ifampiresahana ao anatin’ny fotoana toy izany? Mampiharihary zavatra ny amin’izany ny fisehoan-javatra kely teo amin’ny fiainan’i Abrahama sy Saraha.
12 Tamin’ny andro nanotazany an’Isaka zanany, dia voamarik’i Saraha fa Isimaela, zanakalahin’i Abrahama tamin’i Hagara dia “nihomehy” an’Isaka*. Isimaela izay zatovo tamin’izay dia azo antoka tokoa fa naneso ny rahalahiny iray ray taminy dimy taona izay haka ny toerany ka ho tonga mpandova an’i Abrahama noho ny sitrapon’Andriamanitra. Tsy nahafaly an’i Saraha ny resaka fandrahonana nataon’Isimaela. Inona no hitranga raha maty tampoka Abrahama? Moa ve Hagara tsy ho afaka hampino ny mpianakavy hafa fa ny zanany lahy fa tsy Isaka no mpandova ny fampanantenana? — Genesisy 17:19; 21:8, 9..
13 Nety ho natahotra ny tsy hahazo sitraka tamin’i Abrahama i Saraha ka nampidina ny fihetseham-pony, satria tsy niafina taminy fa tian’i Abrahama tokoa Isimaela. Angamba izy tsy ho nihevitra ho zava-dehibe toy izany ny raharaha hafa ka hody tsy hahita izany noho ny fitiavana ny vadiny. Izy io tokoa dia fantatra ho vehivavy “nanaiky an’i Abrahama ka nanao azy hoe ‘tompoko’”. (I Petera 3:6). Ratsy anefa ny tarehin-javatra. Mazava ho azy fa nety ho nampihatra “fitondrana tamim-panginana” tamin’i Abrahama izy ka nanantena fa izy ihany no hahatakatra izay tsy nety. Tsy izany anefa, niresaka i Saraha. Hoy izy taminy: “Roahy io andevovavy io sy ny zanany; fa ny zanak’io andevovavy io tsy hiray lova amin’ny zanako, dia amin’Isaka.” — Genesisy 21:10.
14. Nanao ahoana ny fihetsik’i Abrahama, ary nahoana?
14 Ny hataka nataon’i Saraha dia tsy nahafaly aoka izany an’i Abrahama izay namela ny firaiketam-pony tamin’Isimaela, vetivety fara faharatsiny, hanamaizina ny fisainany. Nefa moa ve izy namaly ny vadiny hoe: “Ahoana no ahasahianao miteny amiko toy izany! Fa iza moa no loham-pianakaviana?” Tsia. Raha ny marina, dia hoy Andriamanitra taminy: “Aoka tsy ho ratsy eo imasonao ny amin’ny zaza sy ny andevovavinao; fa izay rehetra lazain’i Saraha aminao, dia ekeo ny teniny”. Nanao izany Abrahama, ny ampitson’iny ihany. Izany dia nanamora ny fihavanana sy nanampy tamin’ny fanatanterahana ny fikasan’Andriamanitra, na dia nalahelo mafy noho izany aza Abrahama. — Genesisy 21:11-14.
15, 16. a) Karazan-java-manahirana inona no mety hampidi-doza ny fanambadiana iray? b) Ahoana no azon’ireo mpivady anahafana an’i Abrahama sy Saraha, ary hiteraka inona izany? Manomeza ohatra.
15 Amin’izao androntsika izao, dia zava-manahirana maro no mety hahatandindomin-doza ny fanambadianao. Ohatra, mety hitranga aminao ny fieritreretana fa mihevitra olon-kafa iray tsy araka ny mety ny vadinao. Nisy famotopotorana sy ohatra maro dia maro tena nisy, mampiseho fa raha mihevitra be loatra ny namana manokana iray ny lehilahy iray na ny vadiny, indrindra fa raha vavy io, nefa lahy ny tenany, na mifamadika amin’izany, dia tandindomin-doza ny fanambadian’izy ireo. Mety ho tia fatratra ny asa iray, ny fanalana andro na fialam-boly iray koa ny vadinao ka misy voka-dratsiny eo amin’ny tokantranonareo izany. Nanjary tsy niraharaha ny fihetseham-ponao ve ny vadinao? Raha izany no izy, moa ve ianao manahaka an’i Saraha sy miara-midinika aminy ny amin’io karazan-draharaha sarotra io mba hanalavirana voka-dratsiny hafa? Raha manahirana anao izao fanontaniana napetraky ny vadinao, moa ve ianao hanao tahaka an’i Abrahama amin’ny fitadiavana tokoa ny fitarihan’Andriamanitra? Raha izany no izy, moa ve ianao tsy hanamora ny fifampiresahana amim-pahatsorana amin’ny vadinao? — Ohabolana 27:5.
16 Marina tokoa fa “ny fitiavana manarona fahotana maro”. (I Petera 4:8.) Aza heverina ho zava-dehibe àry ny tsy fifanarahana kely na ny kilema kely tena fahita amin’ny olombelona. Ny sasany anefa dia natahotra ny hiresaka ny amin’ny zava-manahirana lehibe. Na, raha niresaka ny amin’izany izy ireo, dia tsy nihevitra izany ho zava-dehibe ny vadiny. Mampalahelo fa matetika no mitarika ho amin’ny loza ny fihetsika toy izany. Araka izany, ny vehivavy kristiana iray dia nalahelo mafy noho ny fihetsiky ny vadiny izay tsy niahy firy ny amin’ny fihetseham-pony rehefa niray izy ireo. Tsapan’ilay vehivavy ho “nampiasa” azy mba hanomezana fahafahampo ny filan’ny tenany ny vadiny. Nikasa ny handao azy àry izy. Nefa tsy niresaka ny amin’io raharaha io tamin’ny vadiny akory izy noho ny fahatahorany sao tsy mahatakatra ny fiheviny io. Rehefa notoroan’ny kristiana matotra iray hevitra izy, tamin’ny farany dia sahy nampahafantatra azy ny fihetseham-pony nafeniny. Tsy tsapany akory fa hoe nampalahelo an-dravehivavy ny fihetsiny. Niova izy ry amin’izao andro izao dia tsy manakorontana ny fahasambaran’izy ireo intsony io zava-manahirana io. Hajao hatrany àry ny fanambadianareo amin’ny fitanana ny fifampiresahana amim-pifankazarana.
Ny lalàn’ny hatsaram-po eo amin’ny lela
17. “Lalàna” inona no tokony ho eo am-bavan’ny vady iray? Manomeza ohatra.
17 Manome lalana hanao teny tsy voahevitra anefa ve ny ilàna fifampiresahana? “Misy mandefalefa teny tsy tsaroana ka tonga toy ny fanindron’ny sabatra; fa ny lelan’ny marina dia fanasitranana kosa.” (Ohabolana 12:18). Marina tokoa fa na dia manana ny marina aza ianao ary tsara fikasa tsy misy toy izany, ny fanamarihana tsy voahevitra iray dia tena toy ny “fanindron’ny sabatra”. Tena marina tokoa àry ny ilazana ny vehivavy mahay ho manana “ny lalàn’ny hatsaram-po (...) eo amin’ny lelany . (Ohabolana 31:26, MN.) Koa satria misy teny mampiseho fahamoram-panahy foana eo amin’ny molony, dia resahina ho toy ny lalàna izany. Rehefa tsy mahomby amin’ny raharaha sasany ny lehilahy iray, dia velom-pankasitrahana aoka izany izy mahita izany lalàna izany eo amin’ny lelan’ny vadiny! Indray andro, rehefa ketraka aoka izany ny lehilahy kristiana iray noho ny fahavoazana tamin’ny raharaha, dia niteny taminy tamim-pangorahana toy izao ny vadiny: “Efa mba nanandrana ahay ianao; hety kokoa izany amin’ny manaraka.” Endrey ny fampaherezana nentin’izany ho azy!
18. Ahoana no niezahan’ny vehivavy iray hitandrina bebe kokoa ihany an’io “lalàna” io?
18 Ilaina indrindra ny teny mampiseho fahamoram-panahy rehefa misy tsy fifanarahana. Ny teny manesoneso ataon’ny vehivavy tia ady iray dia mety hampandositra ny lehilahy iray ka hitarika azy ho tia kokoa ny honina an’efitra (Ohabolana 19:13; 21:19). Noho ny fifandirana matetika teo anivon’ny tokantranony, ny vehivavy kristiana iray dia nanapa-kevitra ny hitandrina bebe kokoa an’io lalàna io. Ahoana izany? “Rehefa misy zavatra mitana ny saiko, hoy ny fanazavany, dia tsy misafoaka toy ny nataoko teo aloha intsony aho. Ataoko izay hiandrasana ny fotoana tsara indrindra, rehefa irery izahay. Feheziko koa aza fiovan’ny endriko ary tsy manambany intsony ny vadiko eo anoloan’ny ankizy aho. Tsy azo lavina fa niova ny zavatra.” Miharihary fa ny lehilahy iray sy ny vadiny dia samy tokony hieritreritra ny maha-zava-dehibe ny tenin’izy ireo oharina amin’ny hambom-pon’ny anankiray. — Ohabolana 25:11; Galatiana 5:15.
19, 20. a) Inona no dikan’ny hoe mahira-tsaina? b) Ahoana no mety hanampian’ny fahiratan-tsaina ny lehilahy iray ho tony raha tezitra izy, ary inona no vokany? d) Fanontaniana inona avy no mampiharihary zavatra raha ny amin’izany?
19 Inona no tena ilaina rehefa mirehitra ny fihetseham-po? Ny fahiratan-tsaina. “Ny fon’ny hendry mahahendry ny vavany sady manampy fahendrena eo amin’ny molony.” (Ohabolana 16:23). Ny hoe manana fahiratan-tsaina dia ny mamantatra lalina kokoa noho izay miseho ivelany. Ao amin’ny Nehemia 8:8, io teny hebreo io ihany dia adika amin’ny hoe “heviny”. Fa ahoana no amaranan’ny fahiratan-tsaina ny fifandirana? Indray andro raha nody tao an-tranony ny lehilahy iray dia nahita ny vadiny sosotra, teo am-panipatsipazana ny fitaovana volafotsy eran’ny efitrano. “Tsy miraharaha ahy ianao, hoy ny fikiakiakany nitomany. Rehefa mody ato an-trano ianao, dia mba handany ny fotoananao any an-jaridaina. Mila fanampiana aho.” Ny tena nahavery hevitra an-dravehivavy, dia fahatsiarovana fatiantoka eo amin’ny lafiny ara-batana sy ara-piraiketam-po. Vao avy niteraka izy ary manana anaka. Nahatsiaro ho toy ny mpigadra izy tao an-tokantranony. Niseho ho nahira-tsaina ny vadiny. Nodiany tsy hita ny fipoahan’ny fahatezeran’ny vadiny tsy fomba kristiana loatra, ka tsapany ny fahatsiarovany fatiantoka teo ambanin’izany. Inona no valinteniny? “Malahelo aho, ry malala. Tokony ho teto aho mba hanampy anao.” Tsy ela ilay vehivavy dia nitony, ary niaiky toy izao izy taty aoriana: “Nanjary nitombo aoka izany ny fanajako ny vadiko.”
20 Marina tokoa àry izao teny voasoratra ao amin’ny Ohabolana 19:11 izao: “Ny fahendren’ny [fahiratan-tsain’ny, MN] olona manindry ny fahatezerany, ary voninahitra ho azy ny tsy mamaly fahadisoana.” Mahira-tsaina toy izany ve ianao? Moa ve ianao mitady hamantatra izay fonosin’ny teny? Moa ve ianao afaka manadino fahadisoana mahakasika anao manokana? Raha maneho fahiratan-tsaina ianao, dia hahay hampiaiky kokoa isaky ny hangata-javatra amin’ny vadinao. Ny lehilahy na ny vehivavy hendry sy mahira-tsaina iray dia tena fanomezana avy amin’i Jehovah ary manampy be dia be amin’ny fanajana ny fanambadiana. — Ohabolana 19:14..
Hevero ny tsy fitoviana sy ny tsy fahatanterahana
21. Ahoana no azo iarovana ny vidin’ny fanambadiana amin’ny fahaizana manaiky ny tsy fitoviana?
21 Na dia ao aza ny fiezahany rehetra, ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray dia tsy afaka ny hifanaraka amin’ny zavatra rehetra. Misy ny tsy fitoviana. Ny kristiana iray, mpiandraikitra mpitety faritany, manambady hatramin’ny 25 taona, dia nanambara toy izao: “Izao no lazain’ny mpivady sasany: ‘Tsy mitovy dia tsy mitovy izahay.’ Ary dia mijanona eo amin’izany tsy fitoviana izany izy ireo ka tsy ela dia tsy afaka miara-miaina intsony. Miharihary tokoa fa tsy mitovy fitiavan-javatra izahay mivady, nefa manan-javatra be dia be iombonana koa izahay. Noho izahay mampifantoka ny sainay amin’ireo hevitra iombonana ireo, dia mihasarobidy kely kokoa isan’andro ny fanambadianay.” Moa ve ianao vonona sahala amin’io kristiana io hihevitra ny tsy fitoviana ao an-tokantranonao ka hizatra amin’izany?
22. a) Inona no mety hanampy vady hahita fahafahampo ao anatin’ny fanambadiany? b) Inona no hanosika antsika amin-kery lehibe indrindra hanohy hanaja ny fanambadiana?
22 Tsy misy mpivady tanteraka. Azo atao anefa ny mahita fianinana amin’ny fianarana manaiky ireo tsy fitoviana sy mizaka ny fahalemena madiniky ny vadin’ny tena (Kolosiana 3:13). Raha ny marina, dia ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra, rehefa irintsika ho Sakaizantsika foana izy, no hanosika antsika amin-kery kokoa ihany hanohy hanaja ny fanambadiana. Ny kristiana izay, ho fanajana an’i Jehovah, dia niezaka nanao izay hahombiazan’ny fanambadiany, dia tena mendri-piderana tokoa.
23. Ahoana no azontsika iarovana ny vidin’ny fanambadiantsika?
23 Misaratsaraka daholo izay rehetra mety ho fanambadiana raha atao tsirambina. Azo atao anefa ny mampamirapiratra azy indray amin’ny fanaovana fiezahana amim-pahatsorana 1) mba hitanana fifampiresahana amim-pifankazarana amin’ny vadiny tena, 2) mba hitanana ny lalàn’ny hatsaram-po eo amin’ny lela, ary 3) amin’ny fiheverana ny tsy fitoviana sy ny tsy fahatanterahana. Raha anampinao an’izany ny fitahian’Andriamanitra, dia ho sarobidy hatrany ny fanambadianao, tsy eo imasonao ihany fa eo imason’ny Mpamorona azy koa.
[Fanamarihana ambany pejy]
A Greek-English Lexicon of the New Testament, nataon’i J. H. Thayer. Jereo koa ny Diksionera grika frantsay nataon’i A. Bailly. Io teny io ihany koa no ampiasaina mba hiresahana ny amin’ny “ra soan’i” Kristy. — I Petera 1:19.
Ahariharin’ny Baiboly fa tsy kilalaon-jaza fotsiny akory izany fa ’fanenjehana’ — Galatiana 4:29, 30.
Tadidinao ve?
◻ Nahoana no ilaina ny fifampiresahana amim-pifankazarana?
◻ Ahoana no hampahamora ny fifampiresahana amim-pifankazarana raha manaraka ny ohatra nomen’i Abrahama sy Saraha?
◻ Ahoana no ampisehoan’ny vady iray fa manana “lalàn’ny hatsaram-po” eo amin’ny lela izy?
◻ Ahoana no anampian’ny fahiratan-tsaina antsika hanaja ny fanambadiana?
[Efajoro, pejy 13]
Manao ahoana ny fifampiresahanareo?
1) Fotoana toy inona no laninareo iaraha-miresaka fotsiny?
2) Ampahany manao ahoana amin’ny resakareo no amin’ny lafiny ara-pianakaviana fotsiny (raharahan-tokantrano, zanaka, fananana ara-nofo, ets.), fa tsy fahafahana hampahafantatra ny hevitrareo sy ny fihetseham-ponareo?
3) Moa ve misy raharaha sasany na fihetseham-po sasany anananao ka tsy sahinao resahina malalaka amin’ny vadinao?
4) Oviana no nanolotra fanomezana farany ny vadinao mba hanehoana aminy ny firaiketam-ponao fotsiny?
5) Matetika ve ianareo no mifampitantana na manana fihetsika hafa mampiseho firaiketam-po ivelan’ny firaisana miafina?
[Sary, pejy 15]
Tiana amim-piraiketam-po ny vehivavy iray izay manana “ny lalàn’ny hatsaram-po” eo amin’ny lelany, indrindra fa ao anatin’ny fotoan-tsarotra.