FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w83 1/12 p. 31
  • Fanontanian’ny mpamaky

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanontanian’ny mpamaky
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Mitovitovy Aminy
  • Jakoba
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Nihavana Indray i Jakoba sy Esao
    Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
  • Avy eo Amin’ny Safodrano Mankeo Amin’ny Fanafahana avy Tany Ejipta
    Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly
  • Nanana Fianakaviambe Iray i Jakoba
    Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
w83 1/12 p. 31

Fanontanian’ny mpamaky

■ Nahoana moa, araka ny Asan’ny apostoly 7:14,no nilaza i Stefana fa niisa ho 75 ny fianakavian’i Jakoba fony nankany Egypta, nefa ny Genesisy 46:26 dia milaza olona 66 ary ao amin’ny Genesisy 46:27 dia misy firesahana ny amin’ny olona 70?

Fanazavana maromaro no azo aroso: ny filazana ohatra fa ny Asan’ny apostoly 7:14 dia mifototra amin’ny fandikan-teny grikan’ny Septante na hoe nisain’i Stefana ny vadin’ny sivy tamin’ny zanakalahin’i Jakoba.

Aoka hojerentsika aloha izay nambaran’i Stefana araka ny Asan’ny apostoly 7:14: “Ary Josefa naniraka ka nampaka an’i Jakoba rainy mbamin’ny mpianakaviny rehetra, dia olona dimy ambiny fito-polo izy.” Amin’ny fitadidiana ao an-tsaina ny tenin’i Stefana, dia aoka hojerentsika izay lazain’ny Genesisy momba ny dian’ny fianakavian’i Jakoba nankany Egypta.

Manomboka toy izao io fitantarana io, araka ny Genesisy 46:8: “Ary izao no anaran’ny zanak’Israely izay tonga tany Egypta, dia Jakoba sy ny zananilahy”. Hita manaraka izany ny lisitry ny taranak’i Jakoba, anisan’izany ny sasany amin’ireo zafiafiny. Mifarana toy izao io lisitra io: “Ny isan’izay rehetra nankany Egypta niaraka tamin’i Jakoba, dia izay naloaky ny kibony, afa-tsy ny vadin’ny zanakalahin’i Jakoba, dia enina amby enimpolo. Ary ny zanakalahin’i Josefa, izay naterany tany Egypta, dia roa lahy: ny isan’ny terak’i Jakoba rehetra, izay tonga tany Egypta, dia fito-polo.” — Genesisy 40:26, 27.

Mety ho azo amin’ny fomba isan-karazany ny 70 isan’ny taranak’i Jakoba. Ny mpanoratra Baiboly sasany dia nampiditra an’i Era sy Onana, zanakalahin’i Joda, mbamin’i Hezrona sy Hamola zafikeliny (Genesisy 46:12). Nisy hafa tsy nanisa an’i Era sy Onana noho izy ireo efa maty tamin’ny fotoana niaingana ho any Egypta (Genesisy 38:6-10). Nisy mpianatra ny Baiboly nampiditra an’i Dina izay toa tsy nanambady mihitsy, na angamba Eliaba, zafikelin-dRobena, voatonona ao amin’ny Nomery 26:8. Azo anampy an’ireo taranak’i Jakoba 66 ny tenan’i Jakoba mihitsy mbamin’i Josefa sy ireo zanany roa lahy (ny telo farany tsy nandeha nankany Egypta). Azo amin’izany ny tontaliny olona 70.

Stefana mpianatra dia azo antoka fa tsy hoe tsy nahalala fa ny soratra hebreo dia nitantara fa mpianakavin’i Jakoba 66 no nankany Egypta. Nahoana àry ny Asan’ny apostoly 7:14 no mampiseho amintsika an’i Stefana miresaka ny amin’ny olona 75?

Araka ny filazan’ny mpivaofy tenin’ny Baiboly sasany, Stefana dia toa nanorina ny teniny tamin’ny soratra ao amin’ny Genesisy 46:27, araka ny ahitana azy ao amin’ny fandikan-teny grikan’ny Septante. Manome isa betsaka kokoa io satria ao amin’ny andininy faha-20 dia manampy anarana dimy izy (zanakalahin’i Manase sy Efraima telo sy zafikely roa) izay tsy voatonona ao amin’ny soratra hebreo. Na koa, raha tao an-tsain’i Stefana ny isa 66 omena ao amin’ny soratra hebreo, Lioka, rehefa nanoratra ny bokin’ny Asan’ny apostoly tamin’ny teny grika, dia nety ho nampiditra ny isa voalaza tao amin’ny Septante, satria tamin’izany io fandikan-teny grika io dia fampiasa.

Na ahoana na ahoana, na niresaka ny amin’ny olona 75 i Stefana na avy amin’ny fandikan-teny grikan’ny Genesisy 46:27 io isa io, dia azo atao ny mampifandrindra an’io isa io amin’ny tarehi-marika 66 hita ao amin’ny soratra hebreo. Amin’ny fomba ahoana? Amin’ny fanampiana ireo vadin’ny zanakalahin’i Jakoba, dia zavatra tsy ataon’ny Genesisy 46:26, araka ny andinin-teny mihitsy.

Fa nahoana no vehivavy sivy monja no nisaina? Ny vadin’i Josefa, anankiray amin’ireo zanakalahin’i Jakoba, roa ambin’ny folo, dia tsy tafiditra ao amin’io isa io, satria egyptiana ka tsy hoe nampanalain’i Josefa ho any Egypta (Asan’ny apostoly 7:13-15). Etsy andaniny koa, tamin’ny fotoana nanaovana an’io dia io, dia maty ny vadin’i Joda (Genesisy 38:12). Koa tsy nety hisy afa-tsy vehivavy 10 fara fahabetsany. Nefa angamba maty koa ny vadin’i Simeona isiraelita, satria ny Saoly, zanaka faralahin’i Simeona dia aseho ho “zanakalahin’ny vehivavy Kananita”. (Genesisy 46:10.) Raha tsy izany, dia mety ho marina ihany ny isa sivy raha toa Benjamina, faralahin’i Jakoba, ka mbola tsy nanambady fony nankany Egypta ny ankohonan-drainy. Raha izany no izy, ireo zanakalahin’i Benjamina voatonona ao amin’ny Genesisy 46:21 dia teraka taorian’ny dia nankany Egypta, nefa tafiditra ao amin’io lisitra io noho ny anjara horaisiny ao amin’ilay foko sy ilay firenena (jereo Hebreo 7:9, 10). Araka izany àry, raha ampiana ny vadin’ireo zanakalahin’i Jakoba ny olona 66 voatonona ao amin’ny Genesisy 46:26, araka ny soratra hebreo, dia tonga amin’ny tontaliny olona 75 isika, tarehi-marika omena ao amin’ny Septante sy ao amin’ny Asan’ny apostoly 7:14.

Mazava fa na dia misy fanazavana mety maromaro aza atao amin’ny Asan’ny apostoly 7:14 mbamin’ireo isa omena ao amin’ny Genesisy toko faha-46, dia tsy afaka ny hitompo teny fantatra isika raha ny amin’ny antsipiriany rehetra ny amin’io raharaha io. Manana antony amboniny tokony hiandrasana ny fotoana hananganan’Andriamanitra an’ireo mpanompony taloha àry isika, satria amin’izay isika dia ho afaka hahafantatra mivantana avy amin’ny vavan’izy ireo, antsipiriany ny amin’ny fitantarana maro voalaza ao amin’ny Soratra masina. — Jaona 5:28, 29.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara