Ny tsy fankatoavana ray aman-dreny mariky ny andro farany ve?
“MISY taranaka izay manozona ny rainy sady tsy misaotra ny reniny.” (Ohabolana 30:11). Miantefa tsara indrindra amin’ny taranaka velona nanomboka tamin’ny 1914 ireo teny ireo. Kanefa moa ve ny tanora amin’izao taonjato misy antsika izao miavaka tokoa amin’ny hafa amin’io lafiny io? Raha eny, nahoana?
Izao tontolo izao iray mihetsiketsika
Fahiny ny fianakaviana dia akanim-pitiavana fitadiavana vonjy. Voafaritra tsara ny adidy sy andraikitra niantsorohan’ny mpikambana samihafa tao amin’ny fianakaviana. Nisahana izay nilain’ny ankohonany ireo lehilahy. Raha ny amin’ny vehivavy kosa, izy ireo dia nijanona matetika tao an-tokantrano mba hikarakara ny ankizy sy ny andraikitra momba ny fikarakarana tokantrano. Niara-nampianatra zava-tsarobidy sy fitsipi-pitondrantena tsara ny zanany ireo ray aman-dreny. Mazàna ny ankizy no variana be loatra tamin’ny raharahan-tokantrano ka tsy afaka nanao fahadalana lehibe.
Ny zava-nitranga nifandimbidimby nanomboka tamin’ny fiandohan’ny Ady Lehibe Voalohany tamin’ny 1914 dia nanova ho tsinontsinona io tarehin-javatra nahafinaritra indrindra io. Toy ny efa nanambaran’i Jesosy azy, ny taonjato misy antsika dia voamariky ny ady fandatsahan-drà, ny tsy fankatoavan-dalàna ary ny mosary (Matio 24:4-14). Inona no vokatra naterak’izany? Nahita faisana noho izany ny fari-piainan’ny olona. Noho ny habetsahan’ny fifindran-toerana dia matetika ny mpikambana ao amin’ny fianakaviana iray no voasariky ny elanelan-tany lavitra dia lavitra. Etsy andaniny koa, rehefa afaka tamin’ny asa mandreraka rehetra ao an-tokantrano noho ny fandrosoana ara-teknolojika ny vehivavy maro dia manakalo ny toerany amin’ny maha-tompon’ny tokantrano amin’ny asa any ivelany. Ny mpampianatra, ny profesora sy ny akanin-jaza no misolo ny ray aman-dreny. Fa raha ny amin’ny ankizy indray dia tratran’ny fahasorisorenana izy ireo hatramin’ny niandraiketan’ny fitaovana momba ny herimbaratra ny raharahan-tokantrano.
Izany fivoarana vaovao izany dia nahatonga ny fatoram-pianakaviana ho voasedra mafy. Nitombo tsy nisy toy izany ny isan’ny fisaraham-panambadiana ary nanaraka ny an’ny ray na reny tsy maintsy mitaiza ireo zanany tsy misy fanampian’ny vady. Ny vehivavy iray tao anatin’izany toe-javatra izany dia nanao izao fanazavana izao, izay mampiseho ny maha-sarotra io raharaha io: “Rehefa mody avy any am-piasana aho dia efa nivoaka ny sekoly hatramin’ny ora telo ireo zanako. Sarotra tanteraka tamiko ny hahafantatra izay ataon’izy ireo. Miaiky aho fa miara-matory amin’ny zazalahy miara-mianatra aminy ny zanako vavy enina ambin’ny folo taona ary mitarikarika isan’andro any amin’ny ‘trano maloto’ eo an-tanàna ny zanako lahy telo ambin’ny folo taona aorian’ny fianarana.”
Ireo tra-pahavoazana noho ilay taranaky ny “izaho”
Toa tsy nisy mihitsy taranaka nitovy tamin’ny antsika voafitaky ny “zon’ny” tena manokana. Raha inoana izay nolazain’ny mpandinika toe-tsaina malaza iray momba izany dia noho io antony io no “namelan’ny ray amand-reny tsikelikely ireo zanany hamaly azy ireo, hanisy vidiny ny fihetseham-pony sy ny heviny, ary tsy hankato amin’ny toe-javatra sasany aza.” Na ahoana na ahoana, niharihary ho mahasoa ve izany fihetsika izany?
Ny mpanoratra tantaraka Robert Coles, nahazo ny loka Pultizer dia nanambara toy izao: “Ray aman-dreny maro no matahotra mitaiza irery ny zanany amin’ny fianteherana amin’ny fiaikeny sy ny zavatra inoany ara-pitondrantena. Raiki-tahotra izy ireo ny amin’ireny manam-pahaizana manokana rehetra ireny izay mamoaka boky momba ny fitaizana ny ankizy mba hampianarana azy ireny ny asany.” Noho izy ireo tratran’ireo fomba fampianarana milefitra loatra (laxistes) dia ray aman-dreny maro no nanjary nanaiky lembenana amin’ny haitraitran-janany rehetra, mandra-pahatsapan’ny tenan’izy ireo aty aoriana, ho fahavoazan’izy ireo, ny fahamarinan’ity tenim-pahendren’ny Baiboly ity: “Ny mpanompo izay nampihantaina hatry ny fony mbola kely dia hihambo ho zanaka any am-parany.” — Ohabolana 29:21.
Ny voka-dratsin’ny televiziona
Ny Fikambanana amerikana momba ny fahasalamana ara-tsaina dia namoaka vao haingana ny vokatra azo tamin’ny fandinihana iray natao tamin’ny antsipiriany momba ny foto-kevitra hoe “Ny televiziona sy ny fitondrantena”. Ho famintinana io tatitra io, ankoatra ny amenoany herisetra sy faharatsiam-pitondrantena ny sain’ny olona, ny televiziona dia mampihatra fitaomana mampanahy eo amin’ny fiainam-pianakaviana. Araka izany, “ao amin’ny tokantrano maro be tsy misy toy izany”, dia ny ankizy no manapa-kevitra ny amin’ny fifidianana ny fandaharana. Amin’izany iretsy farany dia “miseho matetika ho toy ny mpandidy manapaka izay jeren’ny fianakaviana; ankehitriny dia izy ireny no manao fanapahan-kevitra”.
Raha inoana ilay boky mitondra ny anarana hoe Ny taranak’i Narcisse (angl.), ny televiziona dia mbola mitondra vokatra mamitaka hafa koa: ny fandaharana ho an’ny ankizy dia mitarika “ny ankizy hahita izao tontolo izao aseho azy ho toy ny fahamarinan’ny fomba fijery ahitam-tombontsoa manokana. Izao rehetra izao dia tsy mety ho inona amin’izy ireny afa-tsy ny fitaran’ny maha-izy azy ireny manokana”. Eny, ny zaza iray andevozin’ny televiziona dia mety hanana fiheverana hafa dia hafa tanteraka ny amin’ny fiainana.
Ireo dia zavatra samy nandrava ny fijoroana ara-dalànan’ny fiainam-pianakaviana. Nefa moa ve ny tanora tena mikomy tokoa manohitra ny fahefan’ny ray aman-dreniny?
Ny tsy fankatoavana — miharihary na miafina
Ny fitomboan’ny “tsy fankatoavan-dalàna”eo amin’ny tanora dia mahaforona ny iray amin’ireo porofo miharihary indrindra fa tena misy tokoa ankizy sasany mikomy manohitra ny fahefan’ny ray aman-dreniny (Matio 24:12). Araka izany dia nolazaina fa “ny ampahefatry ny fandikana lalàna lehibe rehetra natao tao amin’ny tanànan’i Londres dia vitan’ny ankizy mbola mianatra”. Any Etazonia, “ny isan’ny zatovo voasambotra noho ny heloka natao tamin-kerisetra dia nitombo 293 isanjato teo anelanelan’ny 1960 sy 1975; amin’ny ankapobeny,ny ara-kevin’ny fisamborana ankizy mpanao meloka tsy mbola ampy taona dia mitombo 10 isanjato isan-taona, izany hoe avy roa heny amin’ny ara-keviny voasoratra eo amin’ny olon-dehibe”. Ireo filazalazana momba ny tanora sinoa koa dia nahitana “vonoan’olona, fitaka, halatra, fisavihana, fivarotana fanafody mahankona ary ‘rackets’ (ravin-kazo mahadomelina).”
Ny ray aman-dreny indraindray no iharam-pahavoazana voalohany indrindra noho izany herisetra manafintohina izany. Ny famotopotorana iray nataon’ny sosiology Richard Gelles tany Etazonia dia mampiharihary fa “zatovo maherin’ny roa tapitrisa sy sasany no efa namely ny ray aman-dreniny. Olona miisa eo amin’ny 900 000 manana zanaka mbola zatovo (...) no voapetaky ny totohondry tamin’izany, voan’ny daka, voakaikitra, voakapoka tamin’ny zavatra mafonja, novelezina tamin-kabibiana, norahonana tamin’ny antsy na fiadiana mipoaka, voaratra na novonoina tamin’ny fiadiana toy izany”. Ireo fihetsika feno fikomiana ireo dia mampahatsiahy amin’ny fomba manaitra ny faminanian’ny Baiboly milaza fa amin’ny andro farany, ny olona dia “tsy manam-pitiavana”. (II Timoty 3:3.) Ampy hampihorohoro ny fehin’io famotopotorana natao io. Dia izao izany: “Araka ny fanombantombanana rehetra natao, ny tarehi-marika sy ny fahitana momba ny fanaovana herisetra vitan’ny zatovo tamin’ny ray aman-dreniny dia tafahoatra ny zava-misy”. (Izahay no manipika). — The Urban & Social Change Review, boky faha-XV, nomerao 1, 1982.
Tanora maro be ihany koa no mandà ny fanirian’ny ray aman-dreniny eo amin’ny lafiny momba ny lahy sy ny vavy. Araka ny fandinihana natao tamin’ny tanora Amerikana 160 000, dia 31 isanjaton’ny zatovo eo amin’ny 13 ka hatramin’ny 15 taona no toa nanaiky fa efa nanana firaisan’ny lahy sy ny vavy. Tamin’ny fitsinjarana ny taona teo anelanelan’ny 16 sy 18 taona, dia 58 isanjaton’ny tanora nalaina am-bava no tao anatin’io tarehin-javatra io. Any Japon, ny filazalazana isan-javatra dia manondro fa “ny isan’ny zazavavy latsaka ny roapolo taona nanana firaisan’ny lahy sy ny vavy dia nitombo ankarihary tao anatin’ny folo taona farany”.
Tanora maro be no misotro zava-mahamamo na mifoka fanafody mahankona amim-piafenana. Araka ny filazalazana isan-javatra dia tanora tokony ho 43 isan-jato any ho any no niaiky fa efa nifoka marijuana. Nanatsoaka hevitra avy amin’izany ireo mpanao famotopotorana fa ny fampiasana io fanafody mahankona io “dia fanalana andro mahazatra eo amin’ny tanora maro”. Ny antsasaky ny tanora nanaram-po tamin’io fanao io dia nilaza fa nandainga tamin’ny ray aman-dreniny rehefa nanontany azy ny momba io raharaha io ireo.
Ny sasany, izay mahatsiaro ny tenany ho matiantoka noho ireo ray aman-dreniny mitaky ny hahombiazany amin’ny fianarany nefa tsy manampy azy be loatra, dia mikomy saingy tsy manapoaka na inona na inona: Mijanona tsy mianatra any an-tsekoly ankitsirano sy tsotra fotsiny izao izy ireny. Ny hafa indray tsy mankato* amin’ny fandavana, noho ny fisalasalana, tsy hanaraka ny fitsipika ara-pitondrantena na ara-pivavahan’ny ray aman-dreniny. Telo amby dimampolo isanjaton’ny tanora nadinkadinina monja no nilaza fa nikasa ny hanaraka ny finoana ara-pivavahan’ny rainy na ny reniny izy. Fa ny hafa kosa nanapa-kevitra fa tsy hanao izany, na fara faharatsiny nisalasala ny amin’izany. Fahadisoam-panantenana toy inona moa izany ho an’ireo ray aman-dreniny! Tsy misy afa-tsy 17 isan-jaton’ny tanora ihany no nilaza fa vonona hihaino ny torohevitry ny rainy na ny reniny amin’ny raharaha momba ny lahy sy ny vavy. Mbola vitsy ihany koa ireo handeha hanontany ny hevitr’izy ireny momba ny zava-manahirana amin’ny fanafody mahankona. Izany fanoherana mitohitohy izany dia nanova ny tokantrano maro ho tena saham-piadiana tokoa..
Izay azonao atao
Azo atao àry ny milaza tsy misy tahotra ny ho diso hevitra fa isika dia ao anatin’ny taranaka iray tsy misy tahaka azy, izay velona ao anatin’ny toe-javatra miavaka manokana. Ny rivotry ny tsy fankatoavana mitsoka eran’izao tontolo izao manontolo, miaraka amin’ny famantarana maro hafa, dia mitarika antsika amim-pahamafisana hanatsoaka hevitra fa miaina tokoa amin’ny andro farany isika.
Na dia ao aza anefa izany rehetra izany, ny Vavolombelon’i Jehovah dia afaka nahatsapa fa ny fianarana ny Baiboly, fa tsy ny fomba fampianarana mifanohitra mihamaro isa hatrany amin’izao fotoana misy antsika izao, no manampy azy ireny hiatrika ireo zava-manahirana an’izao tontolo izao ankehitriny. Eo imason’izy ireo, izao didy manaraka izao voasoratra ao amin’ny Efesiana 6:1-4 dia sady marina no azo ampiharina. Hoy ny nambarany: “Anaka, maneke, ny ray sy reninareo ao amin’ny Tompo, fa marina izany (...). Ary hianareo ray, aza mampahatezitra ny zanakareo, fa tezao amin’ny famaizana sy ny fananaran’ny Tompo [Jehovah] izy”. Izany no antony hananan’ny Vavolombelona fifaliana hanampy anao hanomboka fianarana tsy tapaka ny Soratra Masina.
Na dia tsy manan-janaka aza ianao, ny fandinihana ny Baiboly dia tena hahasoa anao. Ny fianarana ny Tenin’Andriamanitra tokoa dia hanampy anao hahafantatra an’Andriamanitra sy ny fikasany. Izany no lalam-pahendrena, araka ny aseho mihariharin’ity tenin’ny Baiboly ity: “Tadiavo ny fahamarinana, tadiavo ny fandeferana, angamba ho voafina hianareo amin’ny andro fahatezeran’i Jehovah.” — Zefania 2:3.
[Fanamarihana ambany pejy]
Ny teny grika nadika hoe “tsy fankatoavana” dia mahafaoka ihany koa ny hevitra hoe “tsy fatokiana, tsy finoana”, ary manondro ara-bakiteny ny toerana misy ny olona iray ‘tsy mety resy lahatra’.
[Teny notsongaina, pejy 7]
“Olona miisa eo amin’ny 900 000 manana zanaka mbola zatovo no voan’ny totohondry, ny daka, voakaikitra, voakapoka tamin-kabibiana, norahonana tamin’ny antsy na fiadiana mipoaka, ary voavono na voaratra tamin’ny fiadiana toy izany mihitsy aza.”
[Sary, pejy 6]
Ireo ray aman-dreny nanaiky ho voataonan’ireo fomba fampianarana milefitra loatra (laxistes) dia matetika no nahatonga ny zanany ho tena mpanjakazaka tokoa.