Aza ‘miverina indray amin’ny zavatra malemy sady tsy misy na inona na inona’
“Ankehitriny, rehefa mahafantatra an’Andriamanitra hianareo (...), nahoana hianareo no dia miverina indray ho amin’ny abidim-pianarana malemy sady tsy misy na inona na inona”—GALATIANA 4:9.
1, 2. a) Inona no vokatry ny varatra teo amin’ny jamba anankiray izay? b) Fiarovana lehibe kokoa inona no nandraisan’ny tenanao soa? (Asan’ny apostoly 26:18)
TAMIN’NY Jona 1980, ireo gazety dia nampiseho zavatra nahagaga niainan’i Edwin Robinson, 62 taona, izay sivy volana teo aloha dia lasa jamba vokatry ny lozam-piarakodia. Nitantara ireo gazety fa nandritra ny oram-baratra nahery dia teo ambanin’ny hazo iray izay nilatsahan’ny varatra i Robinson. Noho ny fahatairana dia torana i Robinson. Rehefa nahatsiaro saina izy dia nahita indray. Azo alaina sary an-tsaina mora foana izay tsapany rehefa avy jamba nandritra ny fotoana ela aoka izany. Tsy naniry mihitsy hiverina ao amin’ny haizim-pito izy.
2 Raha tena Vavolombelon’i Jehovah ianao dia afaka nandray soa tamin’ny fiovana mahatalanjona. Marina tokoa fa ny apostoly Petera dia nanoratra fa ireo kristiana “olom-boafidin’Andriamanitra” dia “nantsoina hiala tamin’ny maizina ho amin’ny fahazavany mahagaga” (I Petera 1:1; 2:9). Mba hahatongavana ho vavolombelon’i Jehovah, dia angamba ianao tsy maintsy nanary ny fahalotoana sy ny fanao ratsy mifandray amin’ny maizina (Romana 13:12, 13; Joba 24:14-16). Nahoana? Satria ianao naniry hiaina ao anatin’ny fahazavana omen’ny fahamarinana sy handray soa amin’ny fankasitrahan’Andriamanitra.
3. Rehefa lasa vavolombelon’i Jehovah ianao, tamin’ny ahoana ny fiainanao no niova? (Efesiana 2:12)
3 Talohan’ny hahatongavana ho kristiana marina, nisy heviny ve ny fiainanao (I Petera 4:15, 16)? Raha nisy nanontany anao tamin’izany hoe inona no zava-kendrenao, moa ve ianao tsy ho namely azy hoe: ny hitady vola, hanorina fianakaviana, hikatsaka fialam-boly na hitsinjo ny fahanterana. Tsy isalasalana fa tsy ratsy izany rehetra izany, nefa ho hafa ve ny fiainanao, izay teraka, mihalehibe, mihinana, matory, miray ary farany dia maty (Mpitoriteny 3:18-20; Jakoba 4:14; Joda 10)? Mifanohitra amin’izany, ankehitriny rehefa lasa kristiana marina ianao, dia misy heviny ny fiainanao; ny zava-kendrenao rehetra dia mifantoka amin’ilay mpamorona izay tompoinao. — Mpitoriteny 12:13.
4. Inona no nentin’ny fahalalana ny Baiboly ho anao? (Salamo 36:9; Ohabolana 6:23)?
4 Ny fifanoherana amin’ny toeranao ankehitriny ao amin’ny fahazavana, sy izay ianao fahiny tao amin’ny haizina dia mazava indrindra raha ny amin’ny fahalalanao sy ny fahatakaranao zavatra. Taloha dia tsy fantatrao ny anton’ny faharatsiana, ny toe-piainana miharatsy hatrany; tsy fantatrao ny amin’ny toetr’ireo maty na izay tehirizin’ny ho avy ho anao. Nefa ankehitriny, noho ny Baiboly dia fantatrao izany rehetra izany. Endrey izany fahamarinan’ireto tenin’ny apostoly Paoly ireto: “[Jehovah] nampahazava ny fonay ho amin’ny fahazavan’ny fahalalan’ny [voninahiny]”. — II Korintiana 4:6.
Tsy mijanona ao amin’ny fahazavana ny rehetra
5. Inona no mampiseho fa tsy mijanona ao amin’ny fahazavana ny rehetra?
5 Ireo izay tena mpivavaka amin’i Jehovah dia tsy nijanona daholo tao amin’ny fahazavana. Araka izany, ny zavaboary ara-panahy anankiray nahery tokoa dia niala tamin’izany ary nanjary Satana. Adama sy Eva dia nandao ny fahamarinana ihany koa. Raha nanao toy izany ny zavaboary tanteraka dia tsy mahagaga raha misy olombelona tsy lavorary toa antsika, nandao ny fahazavana. Ireo Isiraelita dia nafahana tamin’ny fanandevozana tany Egypta, nefa talohan’ny hahatongavana tao amin’ny Tany nampanantenaina dia nitaraina izy ireo hoe: “Tsaroanay ny hazandrano izay nohaninay maimaimpoana tany Egypta mbamin’ny voatango sy tongolo samy hafa karazana.” (Nomery 11:5). Nandray soa tamin’ny fahazavana sy ny fahafahana izy ireo, nefa nalahelo ny haizina sy ny tongolon’ny Egyptiana!
6. Nahoana isika no tokony ho velon’ahiahy ny amin’ireo mandao ny fahazavana?
6 Ireo kristiana koa dia mety hiala amin’ny fahazavana. Nampiomana antsika ny apostoly Paoly fa hisy olona hitsangana ao amin’ny kongregasiona ary hitarika ireo mpianatra hanaraka azy (Asan’ny apostoly 20:29, 30). Izany dia nitranga tokoa, na dia fony fahavelony aza (Filipiana 3:18; II Timoty 2:16-18). Raha ny tena izy, moa ve ianao tsy mahafantatra kristiana izay nandao ny fahazavana na tamin’ny fomba iray na hafa? Mety hitranga aminao ve izany?
7. Torohevitra inona no nomen’i Paoly an’ireo kristiana galatiana momba io foto-kevitra io?
7 Vitsy ny kristiana izay hifidy ankitsirano ny handao ny fahazavana ho amin’ny haizina. Inona àry no mety hanosika ny rahalahy na anabavy iray (na iza na iza amintsika) hiverina amin’ny haizina? Ireto tenin’i Paoly manaraka ireto, voarakitra ao amin’ny Galatiana 4:9 dia hanazava amintsika ny amin’izany: “Fa ankehitriny, rehefa mahalala an’Andriamanitra hianareo — nefa tsy izany, fa Izy no mahalala anareo — nahoana hianareo no dia miverina indray ho amin’ny abidim-pianarana malemy sady tsy misy na inona na inona, nefa tianareo hotompoina indray?”
8. Nahoana io torohevitra io no ilaina, ary inona no nifandraisany tamin’ny Lalàna?
8 Niharihary fa ny kristiana jiosy sasany dia namporisika fiverenana amin’ny lalàn’i Mosesy, na fara faharatsiny tamin’ny ampahany sasany tamin’izany. Nanoratra tamin’izy ireo anefa i Paoly fa ireo mpivavaka marina dia nafahana tamin’ny Lalàna (Galatiana 5:1-6). Koa satria tsy afaka namokatra ny fahamarinana izany, tamin’ny heviny iray dia nalemy izany ary tokony ho nosoloina tamin’ny zavatra tsaratsara kokoa”. (Hebreo 7:18, 19.) Azo atao àry ny nilaza ny amin’ireo niverina tamin’ny Lalàna mba hitandrina izany fa ‘niverina tamin’ny zavatra malemy’ izy ireo ary ‘tia ny hanompo izany indray’.
9, 10. Tamin’ny heviny ahoana ny fampitandremana mikasika ny ‘abidim-pianarana tsy misy na inona na inona’ no afaka nikendry a) ireo filozofia grika? b) ny lalàn’i Mosesy?
9 Tsara koa ny nampitandremana ireo kristiana mba tsy hiverina amin’ireo ‘abidim-pianarana malemy sady tsy misy na inona na inona’. Ny teny grika nadika eto tamin’ny “abidim-pianarana” dia manondro ara-bakiteny fitohizan’ny literan’ny alfabeta [mahaforona vakiteny na teny iray]; mety manondro ny abidin’ny zavatra iray àry izany. Ireo fampianaran’ny mpanompo sampy izay nahery tamin’izany dia tena ‘abidim-pianarana malemy sady tsy misy na inona na inona’. Ahoana izany? Ny Grika dia nirehareha tamin’ny filozofiany, nefa nifototra tamin’ny hevitra, fiheverana ary anganon’ny olombelona izany. Nefa ny kristiana izay niverina tamin’ny lalàn’i Mosesy dia niverina koa tamin’ny ‘abidim-pianarana tsy misy na inona na inona’.
10 Marina fa ny Lalàna dia avy amin’Andriamanitra, nefa dia nikarakara tamin’ny ampahany lehibe zavatra tena mifandray tanteraka amin’ny maha-olombelona izany, toy ny tabernakely sy ny “fitsipika araka ny nofo” ary nifamatotra tamin’ny tabernakely. Mifanohitra amin’izany, ny fanompoam-pivavahana kristiana dia nifantoka tamin’ny zavatra ara-panahy izay nambaran’ireny “tandindon’ny” zavatra ara-nofo ireny (Hebreo 9:6-10, 23). Nahoana àry ireny kristiana ireny no niverina tamin’ny abidim-pianarana, fiantombohan-javatra? Raha nianatra matematika ianao ka nifankazatra tsara tamin’ny alizebra sy ny fanisana manontolo (calcul intégral), hiverina hanisa amin’ny rantsan-tananao ve ianao? — Jereo II Petera 2:20-22.
Ireo zavatra malemy sy tsy misy na inona na inona ankehitriny
11. Amin’ny loza inona no azo ampiharana ankehitriny ny Galatiana 4:9?
11 Tokony ho vitsy amintsika no hatahotra ny hiverina amin’ny ‘abidim-pianarana malemy sady tsy misy na inona na inona’ toy ny filozofia grika na ny Lalàna. Nefa raha voarakitra tao amin’ny Baiboly io torohevitra io, dia ho antsika amin’izao andro izao koa. Ao indrindra ny mety hiverenana amin’izay antsoin’ny I Jaona 2:16 hoe “ny filan’ny nofo sy ny filan’ny maso ary ny rehaka momba izao fiainana izao”.
12. Asehoy amin’ny ohatra ny fomba mety hahatonga ny kristiana sasany ho latsaka amin’ny faniriana resahin’ny I Jaona 2:16.
12 Rehefa resahina ny amin’ny “rehaka momba izao fiainana izao”, ny sasany dia mihevitra ny amin’ny fampiderana akanjo mitondra ny mariky ny mpanjaitra lehibe na firavaka be loatra, na ny amin’ny olona iray ohatra, izay manao peratra efatra na dimy miaraka (I Petera 3:3). Kanefa ny hoe “rehaka momba izao fiainana izao” dia azo raisina ho zavatra hafa koa. Araka izany, ny kristiana iray dia mety hitsiriritra ny fomba fiainan’ny olona tsy manana fanantenana izay tsy mihevitra afa-tsy ny vola. Any amin’ny tany sasany ny olona dia mikely aina mba hananana sy hampisehoana tsara zavatra izay tena renty any amin’izy ireo, ohatra vata fahita lavitra miloko na fiarakodia madinika. Any an-kafa dia maniry hividy ‘magnétoscope’ (televiziona fandefasana horonan-tsarimihetsika) na fiarakodia lehibe mirenty mba hireharehana amin’izany na hanairana ny sain’ny manodidina azy. Ny kristiana izay ‘nandao ny zavatra rehetra sy nanaraka’ an’i Kristy ve dia hiahy ny amin’ny fampiderana zavatra toy izany? Aoka isika hametraka izao fanontaniana izao amin’ny tenantsika: Moa ve ireo fananana ara-nofo maka ny fotoanako bebe kokoa ary mibahana bebe kokoa ao an-tsaiko tsy toy ny tamin’ny fotoana izay ‘nandrenesako ny teny, nandraisako izany tamim-pifaliana’ sy nampiharako izany tamin’ny fiainako? — Matio 19:16-27; 13:20-22.
13. a) Amin’ny ahoana ny torohevitr’i Paoly no mihatra amin’ny raharaha momba ny trano fonenana? b) Tokony hiahy ny amin’inona ny kristiana raha mikasa hipetraka amin’ny trano malalaka kokoa (vakio Lioka 12:16-21)?
13 Ny kristiana iray dia mety hiverina amin’ny abidim-pianarana malemy sy tsy misy na inona na inona raha ny amin’ny trano itoerana. Any amin’ny tany sasany ny trano mitokana dia tena lafo tokoa. Kanefa dia mividy izany ny olona noho ny marika malaza omen’izany, na dia miantsoroka enta-mavesatra tsy zakany aza. Na koa ny sasany amin’ireo mpiara-belona tia ny zavatra ara-nofo izay tsy manana fianakaviana maro hampialofina dia mandao ireo trano kelin’izy ireo mba hividy hafa lehibe kokoa ary atỳ aoriana dia miova indray ary toy izany hatrany mba hananana trano malalaka kokoa (Jereo Lioka 17:28). Raha mikasa ny hividy trano àry ny kristiana anankiray na hanana anankiray vaovao, lehibe kokoa, dia tokony handinika ny antony manosika azy izy ary hisaintsaina ny mety ho vokatr’izany eo amin’ny ara-panahiny, mba tsy hahatonga azy ho voataonan’ny antony manosika ratsy ka ‘hiverina amin’ny abidim-pianarana’. Ilaintsika tokoa ny miady amin’izay fakam-panahy rehetra mety hampitsiriritra antsika ny harena mba ho fikendrena ny hanao izany ho ‘rehaka momba izao fiainana izao’ mba hanairana ny sain’ny hafa (I Jaona 2:16). Amin’ny tsy fitsarana ny hafa amin’ireo raharaha ireo, dia aoka isika hanohy manokana hanome ny toerana voalohany eo amin’ny fiainantsika ho an’ny fanompoana an’Andriamanitra. Endrey izany fahasambarantsika mahita kristiana matotra maro, rehefa mamela izany ny toe-javatra, mampihena ny fotoana atokan’izy ireo ho an’ny asa ivelan’ny fivavahana mba hahatongavana ho mpitory manontolo andro, izay marina tokoa fa tsy zavatra malemy na tsy misy na inona na inona! — Matio 6:31-34; 7:1-3; 9:36-38.
14. Amin’ny ahoana ny kristiana no mety ‘hiverina’ any aoriana noho ny faniriana ho fanta-daza?
14 Toerana ambony iray eo amin’izao fandehan-javatra ankehitriny izao, izany koa dia zavatra hafa anankiray izay mety ‘hiverenan’ny’ kristiana iray. Marina fa tsara ny haniriana ny hananan’ny hafa fiheverana tsara momba antsika. Ankoatr’izany ireo kristiana voatendry ho loholona dia tokony ho “tsara laza koa amin’izay eny ivelany”. (I Timoty 3:7.) Kanefa, ny Tenin’Andriamanitra dia manoro hevitra antsika mba tsy ‘hihevitra mihoatra noho izay tokony hoheverina’. (Romana 12:3.) Koa satria izao tontolo izao mamporisika antsika amim-pikirizana ho tonga ambony, ny sasany dia mety ho sahirana hanohy hamboly ny fanetren-tena kristiana sy hanana laza tsara eo imason’Andriamanitra.
15. Rahoviana izany no mety ho zava-manahirana ho an’ny tanora na ny ray aman-dreny?
15 Izany matetika no niseho amin’ny zatovo, satria ireo mpampianatra sy mpianatra hafa dia mamporisika azy ireo ho fanta-daza amin’ny fanatanjahan-tena, amin’ny fivoriana any am-pianarana na any amin’ny klioba. Angamba koa aza izy ireny taomina handeha ho any amin’ny oniversite mba hanao asa manan-daza. Nisy koa ray aman-dreny nanampy an’ireny fanerena ireny satria izy ireo naniry laza avy amin’ny fahombiazan’ireo zanany. Tsy mbola nandre mihitsy ray aman-dreny nilaza ve ianao hoe: ‘Tsy tiako hijanona ho mpiasa fotsiny mandritra ny androm-piainany ny zanako lahy.’ — Jereo Marka 6:3.
16. Nahoana izany no mety ho loza ho an’ny lehilahy kristiana? Manomeza ohatra.
16 Lehilahy maro no nalaim-panahy hitady toerana ambony amin’ny asany. Amin’ny fandinihana ny antony lalina manosika azy, ny lehilahy iray dia hahatsapa angamba fa raha maniry ho tonga lehiben’ny mpiasa izy, dia satria alohan’ny zavatra rehetra noho ny laza miaraka amin’io asa io. Moa ve mety hisy kristiana, manana ny ilaina ara-nofo ary afaka mampihena ny fotoana atokany amin’ny asany (na misotro ronono) mba hahatongavana ho mpitory maharitra, nalaim-panahy hanohy hiasa noho ny antony tokana, dia satria manana toerana ambony sy fahefana eo amin’ny fitambaran’olona izay mampiasa azy izy ireo? Manome ohatra tsara dia tsara i Paoly tamin’io lafiny io. Nanana toerana tsara sy fahefana tao amin’ny fandehan-javatra jiosy izy; nanana ny ampy ara-nofo koa izy. Nefa noheveriny ho toy ny fatiantoka izany rehetra izany “mba hahazoany an’i Kristy ary mba ho hita ao aminy izy”. Tamin’ny fahatakarana fa tamin’izany fomba izany no nahafahany nahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra mandrakizay, dia tsy niverina mihitsy tamin’ny abidim-pianarana malemy i Paoly. — Filipiana 3:4-11..
17. Loza inona no asehon’ny fialam-boly raha ny amin’ny ‘fiverenana’ any aoriana?
17 Vitsy no handa fa ny ankamaroan’ny fialam-boly atolotra amin’izao androntsika izao dia “malemy sy tsy misy na inona na inona”. Tena ilaina àry ny hifantenana azy ireny. Na dia tsy mandika ankitsirano ireo fotopoto-pitsipik’Andriamanitra aza izy ireny dia ilaina ihany ny ho malina satria maka amintsika fotoana sy vola izy ireny. Kilalao maro, elektronika sy hafa no mandany be dia be amn’izany. Isam-batan’olona na ao amin’ny fianakaviana, dia mipetraka ary tombony ny fotoana sy vola atokanao marina amin’ny fialam-boly amin’ny ara-keviny isan-kerinandro na isam-bolana. Tsy maintsy ampidirina amin’izany ny fotoana lany eo anoloan’ny televiziona. Izy io dia miteraka zava-manahirana mihalehibe hatrany satria ireo mpanao fandaharana dia manolotra bebe kokoa ihany fitohitohizana na tantara mitohy, ‘documentaires’, fandaharana ara-tantara na ara-panatanjahan-tena mba hitazonana bebe kokoa ihany ny mpijery. Mazava àry fa ny kristiana dia tokony hiezaka hifehy ny fampiasana ny fotoanan’izy ireo sy ny volany izay tsy ananany afa-tsy amin’ny habetsahany voafetra, mba tsy ho voatarika indray ho amin’ny zavatra malemy sy tsy misy na inona na inona. — Efesiana 2:2, 3..
18. Lalana maha-te-hidera inona no narahin’ny ankamaroan’ny kristiana?
18 Tsy te-hilaza akory isika fa hoe ny ankamaroan’ny mpanompon’Andriamanitra dia miverina amin’ireny zavatra ireny. Tsia, Vavolombelon’i Jehovah an’arivony, ana hetsiny maro, eny an-tapitrisany be zotom-po no mifikitra mafy amin’ny fanompoam-pivavahana marina, ary maro amin’izy ireo no hatramin’ny taona maro. Fantatrao angamba ny maro amin’ireny kristiana ireny izay azo ampiharana ireto tenin’i Paoly ireto: “Misaotra an’Andriamanitra mandrakariva izahay ny aminareo rehetra ka manonona anareo amin’ny fivavahanay (...). Ary hianareo efa nanahaka anay sy ny Tompo, satria nandray ny teny tamin’ny fahoriana mbamin’ny hafaliana avy amin’ny Fanahy Masina, ka dia tonga fianarana ho an’ny mino rehetra.” (I Tesaloniana 1:2, 6, 7). Tokony hanao toy izany daholo isika ary ho tapa-kevitra ny tsy ‘hiverina amin’ny abidim-pianarana malemy sady tsy misy na inona na inona’. Tsy manana antony mihitsy hiverenana amin’izany isika ankoatr’izany.
Ireo harena ara-panahy
19, 20. Zavatra mahery sy sarobidy inona no nomen’ny kristianisma marina anao?
19 Ny tena kristianisma dia manome antsika zavatra mahery sy sarobidy. Anisan’ireo fitahiana maro azontsika, ny fahalalana ny Soratra Masina dia zava-dehibe tokoa. Na dia ireo olona mahay eo amin’izao tontolo izao aza dia mana-marina fa ny Baiboly dia boky tsara dia tsara. Nefa isika dia mahafantatra fa mihoatra noho izany izy io; izany dia ny “tenin’Andriamanitra, izay miasa ao anatinareo izay mino”. (I Tesaloniana 2:13.) Fantatsika tokoa fa manana fahefana hanovana fiainana izy io, handentika ao an-tsaina fanantenana marina sy hampiseho izay tehirizin’ny ho avy ho antsika. Rehefa mamaky azy isika dia mahazo hafatra avy amin’ny Mpamorona ary afaka mianatra izay nolazain’ny Zanany sy nataony. — Jaona 21:24, 25.
20 Noho ny fanampian’ireo mpanompon’Andriamanitra, dia nianatra tao amin’ny Baiboly zavatra maro momba an’i Jehovah ianao, hany ka azonao atao koa ny milaza hoe: “Endrey ny halalin’ny haren’Andriamanitra sy ny fahendreny ary ny fahalalany! ny fitsarany tsy hita lany, ary ny làlany tsy azo fantarina!” (Romana 11:33). Ankoatry ny fahalalana, dia nahazo “ny mariky ny teny tsy misy kilema” ianao. (II Timoty 1:13.) Olona maro no mamaky ny Baiboly hatramin’ny taona maro, nefa tsy nahafantatra foana ny heviny. Ianao kosa dia mahatakatra ny votoatin’ny fampianarany. Afaka miresaka ny amin’izany amim-pahalalana sy fahatokiana izay tsy ananan’ny teolojiana akory ianao. — Asan’ny apostoly 4:13.
21, 22. Zava-tsarobidy hafa inona no azonao satria lasa vavolombelon’i Jehovah ianao?
21 Mandray soa ambonin’izany amin’ny fifaneraserana faran’izay tsara misy ianao. Eny, mazava ho azy fa ny rahalahinao sy anabavinao dia tsy tanteraka ary mety hampahasosotra anao indraindray. Nefa amin’ny fitambarany dia fitahiana marina tokoa izany hoe anisan’ny vahoaka izay ny mpikambana dia tia an’Andriamanitra, miezaka manaraka ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly ary mikely aina “hanao soa amin’ny olona rehetra, indrindra fa amin’ny mpianakavin’ny finoana”, izany hoe aminao (Galatiana 6:10). Vao haingana, ny mpitsabo manokana ny ankizy abt any amin’ny hopitaly Mt Sinaï, any New York, dia nilaza tamin’ny minisitra Vavolombelon’i Jehovah iray izay nodinihin’ny tenany; nilaza taminy izy hoe: ‘Izay ataonareo ankehitriny, dia tohizo atao. Mahaforona karazan’olona tsara dia tsara ianareo. Ireo rehetra taminay izay nanana fifandraisana tamin’izy ireo dia nahamarika fa tena hafa izy ireo, tony sy mahafinaritra. Noho izany dia iangavianay ianareo: izay ataonareo ankehitriny dia tohizo atao.’ Izany no fifaneraserana andraisantsika soa.
22 Ny fanantenanao mifototra amin’ny Baiboly, na ny tsy fahafatesana any an-danitra izany na ny fiainana mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany dia anankiray amin’ireo zava-tsarobidy sy mahery izay mahasambatra anao ny manana azy. Olona manan-tsaina iza no haniry hamoy izany? Ary farany, aza atao tsirambina ny asa nampiandraiketin’i Jehovah antsika ary nanomanany antsika tamin-kery (II Korintiana 10:4; Filipiana 4:13). Io asa izay fanaovana mpianatra io dia mitaky fiezahana, marina izany, nefa koa mitondra fahafaham-po sy fifaliana lalina izy io satria ahafahantsika manampy olona hafa handeha ho amin’ny fiainana. Afaka mameno ny sainao sy ny fonao io asa io.
23 Mazava tsara àry fa ny kristianisma marina dia mitondra ho antsika zavatra mahery sy sarobidy. Aoka isika hisaintsaina izany. Aoka izany hankamamintsika ary aoka isika ho vonona tsy ‘hiverina mihitsy amin’ny abidim-pianarana malemy sady tsy misy na inona na inona ka tsy hanompo izany indray’.
Tadidinao ve izany?
□ Nahoana ireo Galatiana no mety ‘hiverina tamin’ny abidim-pianarana malemy sady tsy misy na inona na inona’?
□ Amin’ny ahoana isika no hety ‘hiverina’ any aoriana noho...
ny fananana ara-nofo?
ny trano iray?
ny laza?
ny fialam-boly?
□ Tamin’ny ahoana ny kristianisma no nanome anao zavatra mahery sy sarobidy?
23. Raha heverina izay vakintsika ao amin’ny Galatiana 4:9, inona no tokony hahatapa-kevitra antsika hatao?
[Sary, pejy 18]
Satria niahy ny amin’ny tsy ‘fampiderana ny fananany’ izy ireo, dia mpivady maro no afaka nanitatra ny asa kristiana ataony.
[Sary, pejy 20]
Fotoana sy vola toy inona no atokanao amin’ny fialam-boly?