Fanontanian’ny mpamaky
◼ Raha meloka ho nanao fahadisoana lehibe ny zanaky ny loholona iray, tokony hotsoahina avy hatrany avy amin’izany ve fa tsy mahafeno intsony ireo fepetra takina mba hijanonana eo amin’ny raharahany ny rainy?
Tsy hoe tsy mendrika “avy hatrany” akory ny rahalahy iray satria manan-java-manahirana lehibe ny zanany lahy na ny zanany vavy mbola tsy ampy taona. Tokony hoheverina ny anton-javatra rehetra tafiditra mba hahafantarana raha mbola mahafeno ny fepetra takina amin’ny loholona foana izy.
Fantatsika ao amin’ny Titosy 1:6 fa ny loholona dia tokony ‘tsy hanan-tsiny [tsy hanana antony hiampangana azy, MN]’ sy hanana “zanaka mino izay tsy mba ampangaina ho mpanaram-po amin’ny ratsy na ho maditra”. (Jereo I Timoty 3:4.) Mifikitra amin’io toetra mampiavaka io ny Vavolombelon’i Jehovah.
Noho izany antony izany, “Ny Tilikambo Fiambenana” tamin’ny 1 martsa 1984 dia nanipika fa ny loholona iray dia tokony haneho fifandanjana tsara amin’ny fanomezana ny zavatra ara-pihetseham-po sy ara-panahy ilain’ny ankohonany, ny vadiny sy ireo zanany raha misy. Izay rehetra mety ho fanaovana tsirambina amin’io lafiny io tokoa dia azo inoana fa hitondra fahavoazana ho azy ireo. Rehefa tsy omena ny fanampiana ara-panahy sy ny fifehezana ilainy ny zanaka, dia mety hitsahatra tsy handroso ara-panahy izy ka ho tonga hatramin’ny fanaovana fahadisoana lehibe. Raha mitranga izany, ilay ray nanao tsirambina dia tsy hahafeno intsony ireo fepetra takina mba hanompoana ny kongregasiona amin’ny maha-loholona, mifanaraka amin’izao fanambarana voasoratra ao amin’ny I Timoty 3:5 izao: “Fa raha misy olona tsy mahay mitondra ny ankohonany, hataony ahoana no fitandrina ny fiangonan’Andriamanitra?”
Nodinihina tamin’ny antsipiriany kokoa io foto-kevitra io tao amin’ny “Ny Tilikambo Fiambenana” tamin’ny 1 septambra 1978, pejy faha-31 sy 32. Io lahatsoratra resahina io dia nampiseho hoe nahoana no ilaina ny handanjalanjana ny anton-javatra tafiditra rehetra. Aoka horaisintsika ny ohatra ny amin’ity loholona izay niara-nianatra tsy tapaka ny Baiboly tamin’ireo zanany dimy, niara-niala voly tamin’izy ireo, nitondra azy ho any amin’ireo fivorian’ny kongregasiona sy nanao izay rehetra azony natao mba hiantsorohana ny andraikiny amin’ny maha-ray kristiana. Nanaraka ny lalana tsara ny efatra tamin’izy ireo, nefa niteraka zava-manahirana tsy tapaka ho azy ny anankiray tamin’ireo zanany lahy ary tamin’ny farany dia latsaka tao amin’ny fahotana. Tsy hoe tsy maintsy ho tsy mendrika anefa ilay ray raha mbola mahazo ny fanajan’ny kongregasiona koa.
Indraindray ireo anisan’ny kongregasiona dia mahafantatra fa ny rahalahy iray dia manao izay rehetra mety hotakina amin’ny antonony amin’ny ray kristiana iray, na iray ny zanany na maromaro. Raha sendra ka ratsy fandeha ilay zanany lahy na vavy, dia angamba izy ireo tsy hihevitra fa tompon’andraikitra izy. Tsy isalasalana fa hotsaroan’izy ireo fa raha niala tamin’ny lalana marina i Jodasy sy ilay anjely tonga Satana, dia tsy fahadisoan’i Jesosy na an’i Jehovah akory izany. Tena ilaina anefa ny mbola hananan’ny rahalahy manompo iray fanajan’ireo mpikambana ao amin’ny kongregasionany foana, mba hahafahan’izy rehetra ireo manaiky ny toroheviny miorina amin’ny Baiboly daholo ka hanahaka ny finoany rehefa avy nandinika ny vokatry ny fitondrantenany amin’ny ankapobeny. — Hebreo 13:7.
[Loharanon-kevitra]
Fanontaniana voalohany ihany