FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w85 1/1 p. 31
  • Fanontanian’ny mpamaky

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanontanian’ny mpamaky
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • Mitovitovy Aminy
  • Mosesy
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Tamin’ny Ahoana i Jesosy Kristy no Mpaminany Tahaka An’i Mosesy?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
  • Fantaro ny Lalan’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
  • Miezaha Handefitra dia ho Faly i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2019
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
w85 1/1 p. 31

Fanontanian’ny mpamaky

◼ Rehefa lasa Vavolombelon’i Jehovah ny olona iray, moa ve izy heverina toy izany foana?

Tsy voatery ho izany. Ny Vavolombelon’i Jehovah dia tsy manao toy ireo fivavahana izay mitana mandrakizay amin’ireo lisitra ananany ireo izay mpikambana ao amin’ny indray andro. Misy olom-bitsy mifidy ny hiala ao amin’ny kongregasiona na voaroaka tsy ho ao noho ny fanaovan-dratsy izay tsy ibebahany.

Tamin’ny tarehin-javatra iray dia mpianatra maro no nihodina tamin’i Jesosy mba tsy ‘hiara-handeha aminy intsony’ (Jaona 6:66). Ankoatr’izany, ny Baiboly dia manazava fa raha misy kristiana iray manao fahotana lehibe nefa tsy mibebaka, ny kongregasiona dia tokony ‘hanaisotra aminy ilay ratsy’ ary ‘tsy hiharoharo aminy’. — I Korintiana 5:9-13.

Noho izany, raha amin’izao androntsika izao ka misy kristiana iray latsaka amin’ny fahotana, dia hivory miaraka aminy ny komitin’ny loholona izay mahafeno ireo fepetra ara-panahy takiana mba hijery raha mibebaka izy ary raha azo atao ny manitsy azy (Galatiana 6:1). Amin’ny tarehin-javatra mifanohitra amin’izany ireo loholona dia hanaraka ny toromariky ny Soratra masina amin’ny fandroahana ilay mpanota hiala ao amin’ny kongregasiona mba hahatonga azy ‘tsy hisy masirasira’. — I Korintiana 5:7.

Araka izay azo inoana ao amin’ny Jaona 6:66, dia mety hisy koa Vavolombelona manapa-kevitra ny hiala amin’ny lalan’ny fahamarinana. Angamba izy hampahafantatra ny toerany raha vao nanomboka nikarakara fahadisoana iray nataony ny komity. Raha mampandre ny komity an-tsoratra izy na milaza eo anatrehan’ny Vavolombelona fa maniry hiala amin’ny kongregasiona ary tsy ho fantatra ho Vavolombelon’i Jehovah intsony, dia tsy ilaina ny hanohizan’ireo loholona ireo famotopotoran’izy ireo. Ho tian’izy ireo anefa ny hanambara fohy ny fialany an-tsitrapo amin’ny kongregasiona mba hahafantaran’ny rehetra fa io olona resahina io dia ‘niala avy tamintsika’. (I Jaona 2:19). Amin’izany dia hampihatra aminy ity didin’Andriamanitra ara-tsindrimandry ity izy ireo: “Aza mampiantrano azy na miarahaba azy akory; fa izay miarahaba azy dia miombona amin’ny ratsy ataony.” — II Jaona 10, 11.

Araka izany, tsy misy na iza na iza voatery hijanona ao amin’ny kongregasiona. Kanefa ny ankamaroan’ny Vavolombelon’i Jehovah dia manahaka ireo apostoly izay nijanona an-tsitrapo teo anilan’i Jesosy mba handray ny fanampiany ara-panahy sy hahazo ny fitiavana mafanan’ny kongregasionan’Andriamanitra. — Lioka 22:28.

◼ Raha tena nanetry tena sy tsotra tokoa i Mosesy, nahoana àry izy no afaka nanoratra ao amin’ny Nomery 12:3 hoe: “Mosesy dia lehilahy nalemy fanahy mihoatra noho ny olona rehetra”.

Na dia tsy mora taminy aza ny nanao izany dia afaka nanoratra io filazalazana marina io teo ambany fitarihan’ny tsindrimandrin’Andriamanitra i Mosesy.

Ny anankiray amin’ireo porofo fa avy amin’ny tsindrimandrin’Andriamanitra ny Baiboly dia ny fahatsoran’ireo mpanoratra azy. Toy ireo lehilahy hafa nampiasain’Andriamanitra mba hanoratra ny tapany amin’ny Soratra masina, Mosesy dia nanoratra tamin’ny fahamarinana tsy fahitafiry.

Araka izany dia nilaza ireo kilema sy fahotan’ny vahoakany izy, anisan’izany ny an’ny rahalahiny sy ny anabaviny (Eksodosy 16:2, 3; 17:2, 3; 32:1-6; Levitikosy 10:1, 2). Ary tsy nanafa-tena tamin’izany izy. Notantarainy tamim-pahatsorana ny fahadisoany manokana, ary na dia ny fahadisoana izay nanafaizan’Andriamanitra azy aza (Nomery 20:9-12; Deoteronomia 1:37). Noho izany, Mosesy dia afaka nitantara araka ny tena izy zavatra iray tian’i Jehovah nomarihina dia ny hoe lehilahy nanetry tena indrindra izy. Ankoatr’izany ny teny manodidina io andalan-teny io dia mampiseho tsara io toetra io. Marina tokoa fa tsy tezitra tamin’i Myriama sy Arona i Mosesy rehefa nanohitra ny fahefany ireo, fa navelany hanitsy ny zavatra Jehovah.

Ary ambonin’izany, Mosesy dia tandindon’ny Mesia (Deoteronomia 18:15-19). Araka izany, amin’ny fampisongadinana ny fanetren-tenan’i Mosesy, Jehovah dia nanome ho antsika ny antoka fa io toetra faniry io dia ho ao amin’ny Mesia. Araka izany, rehefa mamaky ny Filazantsara isika, moa ve tsy mahatsiaro tena ho voasinton’ny fanetren-tenan’i Jesosy, ary moa ve isika tsy mahita ao antony lehibe hitokisantsika aminy? — II Korintiana 10:1; Hebreo 4:15, 16.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara