“Faritany manokana”
TANORA kristiana maro no mihevitra ny sekoly ho ‘faritaniny manokana’. Manararaotra ny fahafahana rehetra izy mba hanaovana fanambarana amin’ny mpampianatra azy sy ny mpiara-mianatra aminy. Mariho ireo vokatra tsara dia tsara azon’i Suzanne, zazavavy Kanadiana iray 13 taona:
“Tamin’ny volana desambra, ny anankiray tamin’ireo mpampianatra anay dia nangataka ahy mba hanao lahatsoratra ny amin’ny Noely. Nomeko ny lohateny hoe ‘Famotopotorana ny amin’ny niandohan’ny Noely’ ny foto-dresako. Ireo “encyclopédies” tao amin’ny fianarana sy lahatsoratra maromaro tamin’ny Réveillez-vous! no nanampy ahy hanoratra zavatra nahaliana.” Ahoana ny hevitr’ilay mpampianatra?
“Tamin’ny faran’ny kopiako, dia nasiany izao fankasitrahana izao: “Tsara dia tsara, ry Suzanne. Deraiko ny filazanao ny marina ary hajaiko ny zavatra inoanao mafy. Ny fahamaotinanao sy ny fahiratan-tsainao dia hahatonga anao foana hahazo ny fiheveran’ny hafa. Manantena aho fa tsy harianao mihitsy ireo toetra mahate-hidera anananao ankehitriny. Ho famaranana, dia mahafinaritra ny mamaky na mihaino olona amin’izao taonanao izao efa manana herim-po sahady amin’ny heviny.’
“Taorian’ny namakiana ny zavatra nataoko, dia nasehony ny mpiara-miasa taminy tao amin’ny efitranon’ireo mpampianatra izany, hany ka nahazo fanambarana ny rehetra. Izany dia nanome ahy ny fitokisana sy ny fahavononana ilaina mba hiresahana ny fahamarinana manodidina ahy.
“Mazava ho azy fa ireo mpiara-mianatra amiko dia mahalala ahy ho Vavolombelon’i Jehovah. Rehefa fantatr’izy ireo àry hoe foto-kevitra inona no nofidiko hovelabelarina, dia naniry hamaky ny lahatsoratro koa izy ireo. Hita ho feno firehetam-po aoka izany izy ireo, hany ka nampanantena azy ireo aho fa hitondra ho an’ny rehetra nomerao iray amin’ny Réveillez-vous! izay niresaka ny amin’ny fetin’ny Noely. Izany dia ilay tamin’ny 22 desambra 1979, izay nisy lahatsoratra ny amin’ny ‘disco’ koa. [Jereo ny fanontana amin’ny teny frantsay tamin’ny 22 martsa sy tamin’ny 22 desambra 1980.]
“Rehefa nanome ny gazety azy ireo aho, dia nisy mpianatra hafa koa nahita izany ka nanontany ahy raha azon’izy ireo natao koa ny hahazo anankiray tamin’izany. Koa satria nahafinaritra azy ireo aoka izany ilay lahatsoratra ny amin’ny ‘disco’, dia tapa-kevitra aho ny hanolotra azy ireo ambonin’izany ny fanontana tamin’ny 22 martsa 1979 [22 jolay 1979 amin’ny teny frantsay], izay nanokana pejy maromaro ho amin’io foto-kevitra io. Tamin’ny farany, dia nahazara gazety 26 aho.
“Taty aoriana, rehefa nandefa ho anay, sarimihetsika momba ny ‘puberté’ ny mpanampy ny mpitsabo tao amin’ny sekoly, dia nentiko ilay boky hoe Votre Jeunesse — Comment en tirer le meilleur parti ho an’ny zazavavy vitsivitsy tao amin’ny kilasiko. Nohazavaiko tamin’izy ireo fa io boky io dia nanampy ahy be dia be hahafantatra ireo fiovana sy zava-manahirana mifamatotra amin’io vanim-potoana eo amin’ny fiainana io.
“Tamin’izany koa, rehefa nisy mpianatra hafa — na zazalahy koa aza — nahita azy ireo namaky ilay boky sy nifanakalo hevitra ny amin’izany, dia nangataka anankiray tamin’izany tamiko izy ireo. Tamin’ny fitambarany, dia nametraka boky 17 aho (...).
“Indray mandeha koa, ny namana iray dia namboraka tamiko fa nankany amin’ny sekoly alahady izy ary nianatra ny Tenin’Andriamanitra, nefa tsy nahazo ny heviny. Nolazaiko taminy fa nanana Baiboly mora vakina aho ary ho faly hitondra anankiray amin’izany ho azy. Ambonin’ny Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao, dia natolotro azy Ny Bokiko misy Fitantarana avy ao amin’ny Baiboly ka nasehoko azy hoe amin’ny fomba ahoana io boky io no hanampy azy hahazo fahalalana tsara ny Soratra masina. Faly aoka izany izy.”
Ahoana no iheveran’i Suzanne ny fitoriana any an-tsekoly? “Tena faly aho manao fanambarana amin’ireo mpiara-mianatra amiko, hoy izy; amiko, dia tombontsoa ny fahafahana mikarakara an’io faritany manokana io.”
Mankany an-tsekoly ve ianao? Raha izany no izy, nahoana no tsy miasa araka izay farany azo atao ny ‘faritaninao manokana’?