Velona ny Tenin’Andriamanitra
Andriamanitra Iza no hotompoinao?
MBOLA mety amin’izao andro izao toy ny tamin’ny 3 000 taona teo ho eo izay io fanontaniana io. Tamin’izany fotoana izany, Elia, mpaminanin’i Jehovah, dia nanontany ny Isiraelita hoe: “Mandra-pahoviana no hiroa saina hianareo?” Tsy afaka nifidy ny Andriamanitra hotompoiny tokoa izy ireo. Noho izany antony izany no nilazan’ilay mpaminany tamin’izy ireo hoe: “Raha Jehovah no Andriamanitra, manaraha Azy; fa raha Bala kosa, dia manaraha azy.”
Amin’ny fomba ahoana no hanampiana azy ireo hanapa-kevitra? Nanipy hevitra ny amin’ny fisedrana amin’ny afo Elia. ‘Aoka ireo mpaminanin’i Bala 450 haka ho azy ireo, vantotr’ombilahy iray, hoy ny fanazavany, aoka horasainy izany ka hapetrany eo ambony kitay ho fanatitra, nefa tsy tokony hasiany afo ao. Ary izaho dia hanao toy izany koa amin’ny vantotr’ombilahy hafa. Aoka izy ireo rehefa avy eo hiantso ny anaran’i Bala, ary izaho kosa hiantso ny anaran’i Jehovah. Ary ny Andriamanitra izay hamaly amin’ny afo, dia izy no Andriamanitra marina.’ Nanaiky ny tsirairay fa ho raikitra ny fitsapana.
Ireo mpaminanin’i Bala no voalohany nanomana vantotr’ombilahy teo amin’ny alitara. Avy eo, hatramin’ny maraina ka mandra-pitataovovonan’ny andro dia niantsoantso toy izao izy ireo: “Ry Bala ô, henoy izahay!” Nefa tsy nisy namaly. Tamin’ny mitataovovonana, dia nanomboka nanesoeso azy ireo Elia: ‘Miantsoa araka izay fara herinareo, hoy izy, satria nety ho lasa nivoaka izy. Na angamba matory izy ka tokony hofohazina.’ Tamin’izay ireo mpaminanin’i Bala dia nanomboka niantso mafy indray sy nitetika ny tenany tamin’ny sabatra sy ny lefona mandra-pivoa-dra teo aminy. Na dia tao aza izany rehetra izany, dia mbola moana ihany i Bala.
Tamin’izay dia nanamboatra ny alitaran’i Jehovah izay rava i Elia. Norasarasainy ny vantotr’ombilahiny ka napetrany teo ambony kitay. Taorian’izany dia nandrarahany rano be intelo teo amin’ny fanatitra, teo amin’ny kitay sy teo amin’ny vaton’ny alitara. Notondrahany rano koa ny hady kely nataony nanodidina azy.
Farany, tamin’ny alina, dia nanonona izao vavaka izao i Elia: “Mihainoa ahy, mihainoa ahy, Jehovah ô, mba hahafantaran’ireto olona ireto fa Hianao Jehovah no Andriamanitra.” Tamin’ireo teny ireo, dia latsaka ny afon’i Jehovah. Nolevoniny ny fanatitra, ny kitay, ny vato sy ny vovoka, ary nogohiny ny rano tamin’ny hady. Rehefa nahita izany ny olona dia niankohoka ka nihiaka hoe: “Jehovah, Izy no Andriamanitra; Jehovah, Izy no Andriamanitra.” — I Mpanjaka 18:21-40.
Nofidinao ve ny Andriamanitra tianao hotompoina? Tsy afaka miroa saina ianao. Iray ihany ny lalana tsara fa tsy maromaro. Amin’izao andro izao koa, Satana Devoly, andriamanitr’izao fandehan-javatra izao, dia mahazo fanompoam-pivavahana, nefa tsy tena amin’ny alalan’ny andriamanitry ny fambolena eo an-toerana tahaka an’i Bala intsony. Mivavaka aminy kosa ny olona amin’ny fanomezana ny toerana voalohany ho an’ny zavatra ara-nofo, amin’ny fikarakarana ny tombontsoan’ny tenany fa tsy manao ny sitrapon’ny Mpamorona azy, Jehovah Andriamanitra. Tokony hanao fanapahan-kevitra àry ianao. Nasehon’i Jesosy ny hoe inona no fisafidianana tsara rehefa nanonona ny Soratra masina tamin’izao teny izao izy: “Jehovah Andriamanitrao no hiankohofanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao.” — Matio 4:10.