Mahatsiaro ny tenanao ho akaiky an’Andriamanitra ve ianao?
INDRAY andro, Raphaël, telo taona, dia nanomboka ny vavaka nataony tamin’izao fiteny tsotra dia tsotra izao: “Manao ahoana ianao, ry Jehovah?” Tsy isalasalana fa tsy hamporisika mihitsy olon-dehibe iray hiteny toy izany isika, ary anefa toa tsy ho voasakana tsy hitsiky isika eo anoloan’ny fahatsoran’io zazalahy kely io. Na ahoana na ahoana, dia hita fa mahatsapa ho akaikin’Andriamanitra i Raphaël. Taminy, izy io dia mihoatra lavitra noho ny hery anankiray sarom-pantarina fotsiny. Olona tena velona izy io. Moa ve tena misy koa io Fisiana tampony io aminao? Mahatsapa fa akaiky azy ve ianao amin’izany?
Manaitra toy izany koa ny mety hitrangan’izao, olona maro be milaza fa mino an’Andriamanitra no tsy mbola nanandrana na oviana na oviana hahafantatra azy tsaratsara kokoa na hanatona azy. Indraindray dia ny fiavonavonana no misakana azy ireny. Ampahafantarin’i Davida mpanjaka antsika anefa fa “ny masonao” [ny an’ny Mpamorona] “manandrina ny mpiavonavona”. (II Samoela 22:28.) Ny hafa indray kosa dia diso tsotra loatra mba hiheverana fa mety ho azony atao ny hitana fifandraisana amin’Andriamanitra. Izay ilain’ny olona miavonavona dia ny hamboly fahaiza-mandray zavatra sahala amin’ny ankizy. Toy izao tokoa no nolazain’i Jesosy mikasika izany: “Lazaiko aminareo marina tokoa: Raha tsy miova hianareo ka ho tonga tahaka ny zazakely, dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra mihitsy hianareo.” (Matio 18:2-4). Fa raha ny amin’ireo manota noho ny fahatsorana be loatra kosa, dia angamba ho tsara aminy raha mampiasa bebe kokoa ny fahatsoram-po ananan’ny zaza izy, izay mamela an’i Raphaël hanatona an’Andriamanitra tsy amim-pihambahambana.
Raha ilaina alohan’ny zavatra rehetra ny hanarahana toe-tsaina tsara, dia ilaina koa anefa ny hanaovana bebe kokoa izay mahakaiky ny tena tokoa an’Andriamanitra. Voalohany indrindra, dia zava-dehibe ny hihaikena lalina ny amin’ny fisiany. Rehefa mandinika ny zava-mahagaga noforoniny ianao, moa ve ianao mahatsapa fa voatosika hieritreritra azy, hidera azy ary hisaotra azy sahala amin’ny nataon’i Davida mpanao Salamo fahiny tamin’ireto teny ireto: Raha jereko ny lanitrao, izay asan’ny rantsan-tànanao, sy ny volana aman-kintana, izay noforoninao, inona moa ny olona, no ahatsiarovanao azy? Ary ny zanak’olombelona, no amangianao azy? (Salamo 8:3, 4). Raha manokana fotoana hisaintsainana amim-pankasitrahana ny asan’Andriamanitra ianao, dia hanamafy tokoa ny fitiavana mampiray anao aminy.
“Manatona an’Andriamanitra”
Rehefa ampifanatonina amin’ny antony tsara ny andriam-bỳ anankiroa, dia mifanintona izy. Arakaraka ny ifanakekezany no mampahery ny fifanintonana. Mety hitranga koa ny tarehin-javatra mitovy amin’izany eo amin’ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra. Porofon’izany izao famporisihana nataon’i Jakoba mpianatra izao: “Manatona an’Andriamanitra, dia hanatona anareo izy.” — Jakoba 4:8.
Ny anankiray amin’ireo fomba hanatonana an’Andriamanitra dia ny fianarana hahafantatra azy (Jaona 17:3). Amin’ny fianarana ny Teniny, ny Baiboly irery ihany anefa no ahitana ny anarany hoe Jehovah, ahafantarana ireo fikasana novolavolainy ho an’ny planetantsika ary hanavahana ireo toetrany, anisan’izany ny fitiavana, ny fahendrena, ny fahamarinana ary ny hery (Salamo 83:18). Angamba ianao hiteny hoe: ‘Fantatro tsara fa Tsitoha Andriamanitra, marina tanteraka, feno fahendrena sy fitiavana.’ Kanefa, moa ve ianao amin’izany manana fahalalana marina sy ampy an’Andriamanitra? Tsy voatery ho izany.
Amin’ny maha-izany azy, ireo fanantitranterana rehetra mikasika an’Andriamanitra sy ny toetrany ireo dia tena mety toa tsy hisy heviny aminao loatra, indrindra fa raha tsy mahay mampihatra azy amin’ny fanandraman-javatry ny tenanao manokana ianao. Ahoana tokoa moa no ahafahan’ny olona iray teraka marenina hahafantatra ny fahasamihafan’ny kiakiaka sy ny fimonomononana? Ahoana no ahaizany manavaka ny “fisiatsiakam-boronkely” amin’ny “feon-domohina” kanefa izy tsy mahay mampitaha azy ireo akory? Toy izany koa, ho an’ny sasany ny fanambarana hoe “Andriamanitra dia fitiavana” dia toa tsy inona fa fanantitranterana ara-poto-kevitra fotsiny (I Jaona 4:8). Raha tiana ny hahafantatra izay rehetra voafaokan’ny fitiavan’Andriamanitra, na amin’ny fahiratan-tsainy na amin’ny fangoraham-pony, dia ilaina ny mahalala ny fomba nisehoan’io fitiavana io teo amin’ny taranak’olombelona (Jaona 3:16). Ambonin’izany, dia ilaina koa ny iasan’ny fitiavan’Andriamanitra manokana. “Andramo ka izaho fa tsara Jehovah!” hoy ny fihiakan’ny mpanao Salamo (Salamo 34:8). Izay mamaly io fanasana io dia tsy ho diso ny hahatsapa fa voasintona ho amin’Andriamanitra.
Indray andro, i Larry kely dia nijery an-drainy ary nanontany azy hoe: “Fantatro fa tokony ho tia an’i Jehovah mihoatra noho ny zavatra rehetra eo amin’izao tontolo izao aho. Kanefa ahoana no fomba hitiavako azy mihoatra noho ianao? Ianao dia hitako, ary tiako, fa Jehovah kosa tsy mba hitako.” Ho valiny, ilay ray dia nanomboka tamin’ny fampitonena ilay zanany lahy tamin’ny fanazavana taminy fa amin’ny voalohany dia ara-dalàna tanteraka ny hiheverana toy izany. Avy eo izy dia nanome toky azy fa rehefa hahalala izay lazain’ny Baiboly momba ireo toetra sy asa mahatalanjon’i Jehovah izy ka hahatsapa manokana ny vokatry ny ahiahiny, dia hifikitra kokoa aminy mihoatra noho ny amin’olon-kafa rehetra (Matio 22:37, 38). Na iza na iza maka fotoana hitadiavana hahafantatra an’i Jehovah dia afaka manao fanandraman-javatra toy izany koa.
Izay hevitry ny hoe “mahafantatra” an’Andriamanitra
Mampiasa matetika ny matoanteny hoe “mahafantatra” amin’ny heviny tsy feno isika. Araka izany, rehefa milaza fa mahafantatra olona anankiray isika, ny tiantsika ho lazaina indraindray dia hoe efa nanana fifandraisana kely dia kely taminy isika na koa fantatsika fa tsy misy na inona na inona mihoatra an’izay. ‘Raha tsy diso aho, dia fantatro ianao’, hoy ny fitenintsika amin’ny olona toy izao na toy izao mihaona amintsika, satria fotsiny tsaroantsika fa nahita azy tany ho any isika na nifankahita taminy fotoana fohy dia fohy.
Kanefa, ny apostoly Jaona dia manampy antsika hahatakatra tsara fa ny hoe “mahafantatra” an’Andriamanitra, dia tsy ny manao izay hahafantarana azy amin’ny miseho ivelany fotsiny. Indro, songatsongarina, ny sasantsasany amin’ireo hevitra asehony ao anatin’ny taratasiny voalohany ara-tsindrimandrin’Andriamanitra: Ny hoe mahafantatra an’Andriamanitra, dia tia azy. Raha mahafantatra an’Andriamanitra ny tena ka tia azy, dia hitandrina ny didiny. Hitsahatra tsy handeha amin’ny maizina ary hanao ny marina. Hanaraka ny toromariky ny Teniny sy ny fanahiny masina, ary hifikitra mafy amin’ny fampianarana marina. Fanampin’izany, raha mahafantatra an’Andriamanitra isika, dia hahatsiaro tena ho afaka hanatona azy amin’ny alalan’ny vavaka, hiaky fa mihaino antsika izy ary ho setrin’izany dia homeny antsika izay rehetra ilaintsika mba hanatanterahana ny sitrapony. — I Jaona 1:5-7; 2:3, 4, 13, 14; 3:19-24; 4:6-8, 13; 5:3, 14, 15.
Miharihary amin’izany àry, fa ny fahalalana an’Andriamanitra dia tsy fahalalana raikitra azo raisina am-bokony fotsiny. Ilaina ny hanaovana fiezahana be dia be mba hahafantarana an’i Jehovah sy hitanana fifandraisana akaiky aminy. Tsy ampy ny manaraka tsy sazoka fombafombam-pivavahana sasantsasany fotsiny. Izany koa akory tsy fahatsapana anaty tampoka sahala amin’izay lazaina fa nananan’ny mpino maro mihambo ho “nateraka indray”. Nanonona izao fangatahana izao ny mpanao Salamo iray: “Ampahafantaro ny làlanao aho, Jehovah ô; ampianaro ny sitrakao aho. Tariho amin’ny fahamarinanao aho, ka ampianaro; fa Hianao no Andriamanitry ny famonjena ahy; Hianao no andrasako mandritra ny andro.” (Salamo 25:4, 5). Fomba fiaina ny hoe “mahafantatra” an’Andriamanitra.
Ilay mpanoratra Salamo namporisika antsika ‘hanandrana’ ny hatsaram-pon’i Jehovah dia mbola nanoratra hoe: “Halaviro ny ratsy, ka manaova soa; Mitadiava fihavanana, ka araho izany.” (Salamo 34:8, 14). Amin’ny toe-javatra sasany, dia ilaina ny mandray fepetra hentitra mba ‘hanalavirana ny ratsy’.
Raiso ho ohatra izay niseho tamin’i Mari, anisan’ny fihetsiketsehana “hippie” tao anatin’ireo taona enimpolo. Andevon’ny zavatra mahankona tanteraka izy, ka izany dia nitarika azy ho amin’ny halatra, ny faharatsiam-pitondrantena, ny fanalana zaza ary ny fijangajangana koa aza. Kanefa niditra hifandray tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy, ary nanomboka nahatakatra fa tokony hanao fiovana teo amin’ny fiainany mba hanatonana an’Andriamanitra. “Tamin’izany fotoana izany, hoy ny fanazavany, dia nifoka fonosan-tsigara telo isan’andro aho, kanefa nanafa-tena tamin’io fanao io aho sy tamin’ny endriky ny fampiasana fanafody mahankona hafa rehetra koa. Fanampin’izany, dia nanao fanapahan-kevitra hentitra aho hanarahana ny didin’i Jehovah mifandray amin’ny fijangajangana. Nariako avokoa ny bokiko rehetra momba ny sikidy, ny fanandroana ary ny spiritisma, ary niala tamin’ny sary mivongana, ny jiro masina ary sary fanompoan-tsampy nananako aho.” Taty aoriana izy dia nanolo-tena ho an’Andriamanitra. Amin’izao fotoana izao koa dia mbola manohy manompo azy ihany izy.
Ary ianao, hanao ny fiezahana ilaina mba hahafantarana an’Andriamanitra ve ianao? Na dia tsy mikorontana sahala amin’ny an’i Mari aza ny fomba fiainanao, dia mety hanana fanovana hatao aminy ihany ianao. Na ahoana na ahoana, dia afaka matoky ianao fa tsy handiso fanantenana anao na oviana na oviana Andriamanitra raha toa ka, sahala amin’ny zazakely, ianao dia hitady azy amim-pahatsorana sy amim-panetren-tena, velomin’ny faniriana mafy hahafantatra sy hanao ny sitrapony.
[Sary, pejy 4]
Ny faniriana hahafantatra an’Andriamanitra dia nitarika olona maro hanao fiovana lehibe teo amin’ny fiainany.