Rehefa nampianatra ianao, dia mitenena amin’ny fo
1, 2. a) Inona moa no ilaina mba hanorenana ao amin’ny lehilahy iray na ny vehivavy iray, fankasitrahana lalina an’i Jehovah sy fitiavana mafy ireo fotopoto-pitsipiny? b) Nahoana moa no tsy ampy ny fahalalana ara-tsaina?
RAHA mety ho voaorina vetivety ny trano bongo iray, dia tsy azo atao kosa ny manorina lapa ao anatin’ny indray andro. Toy izany koa rehefa hoe hanao mpianatra. Tsy raharaha mora akory ny manorina ao amin’ny lehilahy iray na ny vehivavy iray, fankasitrahana lalina an’i Jehovah sy fitiavana mafy ny fotopoto-pitsipiny. Mila hakingana sy fotoana be dia be ny famitana “lapa” toy izany.
2 Izay maniry hahatratra izany zava-kendrena izany dia tsy hianina amin’ny fizarana fahalalana. Izao no vakintsika ao amin’ny Ohabolana 3:1: “Anaka, aza manadino ny lalàko; fa aoka ny fonao hitandrina ny didiko”. Marina fa ilaina ny mampianatra an’ireo mpianatsika ny voarakitra ao amin’ny Soratra masina. Nefa mbola zava-dehibe kokoa ihany ny hanasoritana ny fahamarinana araka ny Baiboly ao am-pony. Eny, ny fo no tokony hokendrentsika mba hanorenana toetra tsy mety may ao amin’ireo izay ampianarintsika, amin’ny fanampiana azy ireny hampifamatotra fifandraisana tsy azo ravana amin’i Jehovah.
3. a) Ahoana no hanampian’ny “fahaiza-mampianatra” antsika hanohina ny fon’ireo mpihaino antsika? b) Iza no tokony hoeritreretinao amin’ny fiheverana ireo fanipazan-kevitra azo ampiharina vitsivitsy hanaraka?
3 Araka ny fiaiken’ny rehetra, dia mora kokoa ny milaza izany noho ny manatanteraka azy. Mba hanohinana ny fon’ny hafa tokoa, dia tsy ampy ny manana fitaovana fanorenana tsara. Ilaina koa ny manana “fahaiza-mampianatra”. (II Timoty 4:2.) Izay mampiasa an’io “fahaizana” io dia tsy hianina amin’ny fampitana ny fahamarinana amin’ny mpianany. Hotarihiny koa izy hamakafaka sy hieritreritra izay ianarany. Aoka hotsoahintsika avy amin’izany fa ny fahakingan-tsaintsika na ny fomba ampiasaintsika dia mety hametra ny fandrosoana ara-panahin’ny olona iray. Amin’io lafiny io, dia ny fitahian’Andriamanitra no zava-dehibe (I Korintiana 3:5, 6). Misy anefa fanipazan-kevitra vitsivitsy izay ny fampiharana azy dia azo antoka fa hanohina ny fon’ny mpiara-belona aminao. Raha mbola mijery izany isika, dia tadidio ao an-tsaina ireo izay ampiofaninao, izany hoe ny zanakao na ny olona miara-mianatra ny Baiboly aminao.
Manomeza ohatra tsara
4. a) Inona no nanampy be dia be an’i Jesosy hanohina an’ireo mpiara-belona taminy? b) Nahoana moa no zava-dehibe ny hanomezana ohatra tsara rehefa mampianatra isika?
4 Raha ny amin’ny firesahana amin’ny fo, aiza no mety hahitantsika ohatra faka tahaka tsara kokoa noho ny an’i Jesosy Kristy. Nefa raha ny marina, nahoana moa Jesosy no nahomby tsara tokoa tamin’ny fanohinana ny mpihaino azy? Voalohany indrindra dia satria nampihariny izay notoriny, ka tamin’izany izy dia nanome ohatra tanteraka ho an’ireo mpianany (Jaona 13:15; I Petera 2:21). Izao àry no voalohany amin’ireo fanipazan-kevitray: manomeza ohatra tsara. Rehefa dinihina tokoa, moa ve tsy ara-dalàna ny hampisehoantsika ireo toetra kristiana mafy orina irintsika haorina eo amin’ny mpiara-belona amintsika? Nanao izao fanamarihana izao i Jesosy: “Ny mpianatra rehetra nampianarina tamin’ny fomba feno dia ho tahaka ny mpampianatra azy.” — Lioka 6:40, Bible en français courant.
5. Araka ny Soratra masina, ahoana no hanampian’ny ohatra omentsika antsika hanohina ireo fo?
5 Ny Baiboly dia manantitrantitra imbetsaka ny amin’ny ilàna hanome ohatra tsara mba hanohinana ny fon’ny hafa. Araka ny Deoteronomia 6:4-6, ny fitiavana an’i Jehovah dia tokony ho ‘ao am-pon’ny’ ray aman-dreny mba hahafahan’ireo mampianatra izany ny zanany, mandrakitra izany ao am-pony (Ohabolana 20:7). Mifanohitra amin’izany, dia notenenin’i Jesosy mafy ireo Fariseo mpihatsaravelatsihy tamin’ny androny satria ‘niteny ihany izy ireo, nefa tsy nanao’. Nahagaga ve tamin’izany raha nanjary “adala” ny fon’ireo mpiara-belona taminy? — Matio 23:3; 13:13-15.
6. Nahoana moa no ilaina ny hiainana mifanaraka amin’izay ampianarin’ny tena (Romana 2:21-23)?
6 Zava-dehibe àry ny hifanarahan’ny ataonao amin’ny fampianaranao. Ohatra, raha tianao ny hampitombo ao amin’ny zanakao na ao amin’ny olona miara-mianatra ny Baiboly aminao, ny fitiavana an’i Jehovah sy ny faniriana hahazo sitraka aminy, moa ve tsy mety ny hahitany amin’ny vavaka ataonao, amin’ny teninao sy amin’ny asanao, porofo fa hetsehin’ny fientanam-po toy izany koa ianao? Raha irinao ny hahatonga azy ireny hanana fifikirana tsy azo ravana amin’ny fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly, moa ve tsy ilaina aloha ny hahatsapany, amin’ny fandinihana ny fomba firesakao sy fanaovanao zavatra, fa tsy manandrana mihitsy mody tsy mahalala ireny fotopoto-pitsipika ireny ny tenanao? Ireo izay ampianarintsika, ary indrindra fa ireo zanatsika, dia mandinika tsara matetika kokoa ny ataontsika noho ny tenenintsika. Raha voamariny fa miaina mifanaraka amin’ny fampianarantsika isika, dia ho moramora kokoa amintsika ny hanohina ny fon’izy ireo.
Mametraha fanontaniana
7, 8. a) Inona moa no tena ilaina ny hanaovana azy mba hanohinana ireo mpihaino antsika? b) Amin’ny ahoana moa ireo fanontaniana no hanampy antsika hanohina ny fon’ny hafa?
7 Ny fanipazan-kevitra faharoa omenay dia mahakasika fanao iray nanampy be dia be teo amin’ny fahitam-bokatra tamin’ny fampianaran’i Kristy. Izany dia ny fampiasana fanontaniana. Tena havanana tokoa Jesosy teo amin’ny fahaiza-mitarika ny mpihaino azy hieritreritra sy hamakafaka tamin’io fomba io (Matio 17:24-27). Raha ny amin’izay mahakasika anao, ny fampiasana fanontaniana dia hanampy be dia be anao hanohina ny fon’ireo izay ampianarinao. Nahoana?
8 Voalohany indrindra, amin’ny fametrahana fanontaniana dia hanjary ho fantatrao raha tena azon’ny mpianatrao tokoa ny lesona. Raha ny marina, raha tsy azo sy ekena ny fanazavana ampitainao aminy, ahoana no mety hahatonga izany hamaka ao am-pony (Lioka 8:15)? Afa-tsy izany koa, mba hanohinana fon’olona, dia ilaina ny hahafantarana izay ao. Mety ho tafahitsoka lalina ao ny fitompoan-teny fantatra na ny fampianaran-diso. Koa satria isika tsy mahay mamaky ao am-po, dia ilaina ny hametrahantsika fanontaniana izay hitarika ireo olona iresahantsika hilaza amin’ny fomba fiteniny mihitsy izay tsapany. Aoka haka ohatra vitsivitsy isika.
9, 10. Asehoy amin’ny alalan’ny ohatra ny hasarobidin’ny fanontaniana hahalalana hevitr’olona.
9 Ao amin’ilay boky hoe Vous pouvez vivre éternellement sur une terre qui deviendra un paradis, dia mianatra ny toko faha-10 mitondra ny lohateny hoe “Mahery ireo fanahy ratsy”, ianareo. Tonga eo amin’ny fehintsoratra faha-18 (pejy faha-97) ianareo, ka vakinao ny fanontaniana voasoratra: Ohatra inona nomen’ireo kristiana voalohany tany Efesosy no tsara raha arahina raha tiana ny hiala amin’ny spiritisma?” Hanome valiny marina anao angamba ny mpianatrao amin’ny fiorenana amin’ilay boky, nefa ahoana no tena heviny? Mety ho nanaraka spiritisma nandritra ny taona maro ny tenany ka mino mafy izany. Raha izany no izy, mino mafy ve izy izao fa tokony hanafa-tena amin’izany? Mba hahafantarana izany, dia hilainao angamba ny hanontaniana azy hoe: ‘Ahoana ny hevitrao? Ahoana no azon’ny tenanao manokana anarahana izany ohatra izany?’ Ny valiny homeny an’ireo fanontaniana fanampiny ireo dia tsy isalasalana fa hampiharihary hoe tamin’ny ahoana ny fampianarana no nanohina ny fony.
10 Aoka isika hijery tarehin-javatra hafa iray koa. Dinihinao miaraka amin’ny zanakao lahy na ny zanakao vavy ny toko faha-26 amin’io boky io ihany, mitondra ny lohateny hoe “Ny ady ho an’izay marina”. Ao amin’ny pejy faha-220, dia toy izao ny fanontaniana faharoa mifandray amin’ny fehintsoratra faha-8: “Inona no fiheverana nolazain’ny zazalahy iray tokony hananantsika?” Angamba amin’ny voalohany ny zanakao hamaly araka ny fehintsoratra, ka tsy hilaza aminao ny tena ao an-tsainy lalina. Amin’ny fanombantombanana toy izany, dia azo inoana fa hilainao ny hitsapa azy lalindalina kokoa amin’ny filazana aminy amim-pahalemem-panahy hoe: ‘Ary ianao, ahoana ny hevitrao? Hitanao ho mety ve izany fiheverana izany?’ Afaka manao izay hakany sary an-tsaina koa ianao amin’ny fanampiana hoe: ‘Aoka hatao hoe eo am-pifohana ireo namanao any an-tsekoly ka manolotra sigara anao. Misy maro be hafa mijery anao, ary fantatrao fa haneso anao izy ireo raha mandà ianao. Inona no hataonao raha izany no izy?’ Raha hainao ny mampiasa azy amim-pahiratan-tsaina, ny fanontaniana toy izany dia hanampy anao hamantatra izay ao am-pon’ny zanakao lahy na ny zanakao vavy.
11. a) Nahoana moa no ilaina ny ho malina rehefa mametraka fanontaniana? b) Nahoana moa ny ray aman-dreny no tokony hifehy tena indrindra rehefa tsapany fa nanaraka fiheveran-diso ireo zanany (Kolosiana 3:21)?
11 Ilaina anefa ny ho malina na dia ao aza izany rehetra izany. Ho gaga tokoa ianao indraindray na ho diso fanantenana mihitsy aza noho ny valiny homen’ilay mpianatrao. Inona no hatao amin’izany? Raha sarotra ilay foto-dresaka, dia ho hita fa ho tsaratsara kokoa angamba ny tsy hanantitranterana, fa hilazana hoe: ‘Avelao ho any aloha io fa horaisintsika indray ny fianarantsika. Hiverenantsika io indray andro any.’ (Jaona 16:12). Rehefa mampianatra an’ireo zanakao ianao, dia tokony hiseho ho malina indrindra. Miezaha hifehy ny fihetseham-ponao. Rehefa ahariharin’ny zanakao lahy na ny zanakao vavy fa nanaraka fiheveran-diso izy, dia mitandrema mba tsy hanapaka ny fifampiresahana mihitsy. Raha tsy sahy milaza izay tsapany intsony izy, dia tsy ho fantatrao intsony izay ao am-pony. Ahoana amin’izany no hahafahanao hanampy azy?
Asehoy ny hoe nahoana no fahendrena ny hanarahana ireo lalàn’Andriamanitra
12, 13. a) Nahoana moa no azo atao ny manohina ny fon’ny olona iray amin’ny fampahafantarana azy fa ny fanarahana ireo lalàn’Andriamanitra no lalam-pahendrena? b) Ahoana no azo anampiana ireo izay miara-mianatra ny Baiboly amintsika hahatakatra fa fahendrena ny hankatoavana an’i Jehovah?
12 Ny fanipazan-kevitra fahatelo omenay dia izao: Ampahafantaro an’ilay olona iresahanao hoe nahoana no fahendrena ny hanarahana ireo lalàn’i Jehovah (Deoteronomia 4:5, 6; 10:12, 13). Tena mety hahatohina ny fony tokoa izany. Marina tokoa fa raha mino mafy izy fa hahasoa azy ny hitandremana ireo lalàn’Andriamanitra, izany dia tsy isalasalana fa hanosika azy ho tia azy sy haniry hahazo sitraka aminy. — Salamo 112:1.
13 Ahoana no hampisehoana amin’ireo izay ampianarintsika hoe nahoana no fahendrena ny hanarahana ireo lalàn’Andriamanitra? Ho azontsika atao ny hanazava izany amin’ny fampitahana ireny lalàna ireny amin’ny hazo fisaka misy filazana hoe “Tsy azo idirana”. Raha marina fa avy hatrany dia misakana ny soratra toy izany, dia mora kokoa ny manaiky izany raha voalaza ny anton’ny fandrarana. Ohatra, raha mamaky izy hoe “Tsy azo idirana — herim-baratra mahery be”, amin’izay ny mora mirona handika dia hanaiky mora kokoa, satria ho tsapany ny loza.
14. a) Ahoana no hampisehoanao amin’ny olona iray ny hoe nahoana ny fihetsika toy izao no mampiseho fahendrena ary mampiseho hadalana ny toy izao? b) Inona avy no andinin-teny ao amin’ny Baiboly manazava ny maha-zava-dehibe ny hanazavana hoe nahoana ny lalana iray no tsara na ratsy?
14 Toy izany koa amin’ireo lalàn’Andriamanitra. Aza mianina amin’ny fanazavana amin’ny mpianatrao izay tokony hatao na tsy tokony hatao araka ny Soratra masina. Ampio izy hahatakatra hoe nahoana no fahendrena ny fihetsika toy izao ary hadalana ny hafa toy izao. Miaraha mieritreritra aminy ireo soa horaisiny amin’ny fanarahana ireo lalàn’Andriamanitra. Ataovy tsapany ireo ho vokatry ny tsy firaharahana ny fepetra takin’Andriamanitra. Mampiasa izany fomba izany koa aza ny Baiboly indraindray. Mba hampiaikena anao ny amin’izany, dia manasa anao izahay mba hamaky ny Ohabolana 22:24, 25; 23:4, 5; 24:15, 16, 19, 20. Homarihinao fa ao amin’ny tsirairay avy amin’ireo andininy ireo ny Baiboly dia manazava hoe nahoana ny lalana heverina no tsara na ratsy.
15. Ampiasao ireo fanontaniana sy ireo andinin-teny ao amin’ny Baiboly noraisina mba hanaporofoana fa fahendrena ny hanarahana izay lazain’Andriamanitra ny amin’ny tsy fanaovana ny marina sy ny fijangajangana.
15 Ho ohatra, dia jereo ny fomba anasoritan’ireto fanontaniana sy andinin-teny ao amin’ny Baiboly ireto fa fahendrena ny hanarahana ireo lalàn’Andriamanitra amin’izao lafiny manaraka izao:
Ny lainga sy ny halatra: Nahoana ny tsy fanaovana ny marina no manimba an’izay manaraka izany (Ohabolana 15:27; 20:10; Apokalypsy 21:8)? Nahoana no mitondra tombontsoa ny fanaovana ny marina eo amin’ny fifandraisan’olombelona (Ohabolana 3:3, 4; 12:19; Hebreo 13:18)?
Ny fijangajangana: Amin’ny ahoana ny fahalotoam-pitondrantena no mety hitondra fahavoazana ho antsika (Ohabolana 5:9; 7:21-23; I Korintiana 6:18)? Inona no mety ho vokany manimba eo amin’ny hafa (I Tesaloniana 4:6; I Korintiana 5:6; Hebreo 12:15, 16)? Amin’ny ahoana ny fampiharana ireo fotopoto-pitsipika ara-pitondrantena ao amin’ny Baiboly no hahasoa anao (Ohabolana 5:18, 19; Hebreo 13:4)?
Rehefa avy namakafaka toy izany ny lalàna iray ao amin’ny Baiboly ianao, dia angamba ho tianao ny hanontany toy izao ny mpianatrao: ‘Voamarikao ve fa tena mihevitra antsika tokoa Jehovah? Heverinao ve fa manaisotra amintsika zavatra tsara na inona na inona ny lalàny?’
16. Inona no mety ho vokatr’izany karazam-pamakafakana izany eo amin’ny mpianatrao?
16 Mandritra ny fianarana, dia afaka manao famakafakana sahala amin’izany ianao ny amin’ny lalàn’Andriamanitra momba ny fimamoana, ny fandoavan-ketra, ny fampiasana paraky na sigara, ny ra sy ny sisa. Amin’ny fanaovana toy izany no hanampianao ny zanakao na ny olona miara-mianatra ny Soratra masina aminao hahatsapa fa ny lalàn’Andriamanitra rehetra dia natao hahasoa antsika. Tsy te-hilaza akory izahay fa ilaina foana ny hanomezana antony toy izany ho an’ny mpianatra ny Baiboly iray mba hankatoavany an’Andriamanitra. Nefa, ny ohatra vitsivitsy sahala amin’ireo dia tsy isalasalana fa hanampy amin’ny fanohinana ny fony, amin’ny fampitomboana ao aminy ny faniriana ny hahazo sitraka amin’ny Mpamorona. Noho izany, rehefa ho tonga ny ‘afon’ny fitsapana’, dia ho mora aminy kokoa ny hanaiky an-tsitrapo ny Tenin’Andriamanitra. — I Korintiana 3:13.
Ampio izy ireo hahafantatra an’Andriamanitra
17. Fanipazan-kevitra hafa inona no tsy isalasalana fa hanampy anao hanohina ny fon’ireo izay ampianarinao?
17 Fanipazan-kevitra fahefatra sady farany: Ampio ny mpianatrao hahafantatra an’Andriamanitra (Jaona 17:3). Aza mianina amin’ny fanaporofoana aminy fa misy Jehovah ary manana anarana. Amporisiho izy hiditra ao amin’ny fifankazarana aminy. Tsy maintsy hanohina ny fony izany, satria ny hoe mahafantatra an’i Jehovah, dia ny fitiavana azy.
18. Mandritra ny fianarana, amin’ny fomba ahoana no azonao anintonana ny saina ho amin’ireo toetran’i Jehovah?
18 Ahoana no azo anampiana ny mpianatra Baiboly iray ho tonga amin’izany fahalalana an’i Jehovah amim-pifankazarana izany? Tadidio fa tsy ho hay ny ho tia olona raha tsy mahafantatra ireo toetrany sy ny fomba fiasany. Noho izany, mandritra ny fianarana, dia aoka ianao ho vonona foana ny hanintona ny saina ho amin’ireo toetra tsaran’i Jehovah tsy manam-paharoa. Amin’ny fitsipika ankapobeny, dia azo atao foana ny hanao izany na inona na inona foto-kevitra velabelarina. Ohatra, rehefa miresaka ny amin’ny avotra ianao, dia afaka miato amin’ny fotoana mety mba hanontaniana hoe: ‘Ahoana no anasongadinan’ny avotra ny fitiavan’i Jehovah antsika?’ Raha dinihinao ny antony namelan’Andriamanitra ny ratsy hisy, dia azonao atao ny mametraka izao fanontaniana manaraka izao: ‘Amin’ny ahoana ny faharatsian’ny olombelona no mampisongadina ny faharipon’i Jehovah?’ na koa: ‘Ahoana no nanehoan’i Jehovah fahendrena mahatalanjona tamin’ny fihetsiny teo anoloan’ny fikomiana natao tany Edena?’ Ny hevitra toy izany dia hanampy ny mpianatrao hifikitra lalina amin’i Jehovah. Hanjary hihevitra azy ho toy ny olona ho hitany fa manana toetra mahafinaritra izy.
19, 20. a) Inona koa moa no ilaina hatao mba hahalalana an’i Jehovah amim-pifankazarana? b) Ahoana moa no anasoritan’ny zava-nitranga voatantara ao amin’ny fehintsoratra ny maha-zava-dehibe ny hanomezana ohatra tsara raha ny amin’ny vavaka?
19 Afa-tsy izany koa, dia tsy azo atao ny tena hahafantatra olona iray raha tsy mifampiresaka aminy amin’ny fomba iray na hafa. Toy izany koa, tsy ho afaka hiditra ao amin’ny fifankazarana amin’i Jehovah ireo izay miara-mianatra ny Baiboly aminao raha tsy miresaka aminy. Noho izany, dia zava-dehibe tokoa ny hampianarana azy ireo hivavaka. Resaho amin’izy ireo ny foto-kevitra maro karazana izay zony ny hahatsiarovana izany ao amin’ny hataka ataony (I Jaona 5:14). Ampio izy ireny hahafantatra an’i Jehovah ho ilay mihaino sy mamaly vavaka (Salamo 65:2). Farany, dia amporisiho izy ireny hilaza ny fihetseham-pony miafina indrindra, ‘handoatra ny fony eo anatrehan’i Jehovah’. — Salamo 62:8.
20 Amin’izany koa dia tena ilaina ny hanomezana ohatra. Moa ve ny vavaka ataonao mampiseho ny fifikiranao mafy amin’Andriamanitra? Raha eny, dia hisy vokany mahasoa indrindra izany eo amin’ireo ampianarinao, anisan’izany ny zanakao. Porofon’izany izao zavatra tena nitranga izao:
Taona vitsivitsy lasa izay, ireto ray sy reny kristiana dia nampianatra ny zanany lahy telo taona hanao vavaka. Indray hariva, rehefa avy nivavaka tamin’i Jehovah mba hitahy an’i Dada sy Neny ilay zazalahy kely dia nangataka azy mba hitahy an’i “Wally”. Fa iza moa “Wally”? Tsy fantatr’ireo ray aman-dreny mihitsy. Ary indro fa nanomboka tamin’io andro io dia nivavaka tsy tapaka ho an’i “Wally” ilay zanany lahy! Rehefa nifanontany imbetsaka izy ireo, tamin’ny farany dia takany ny hoe iza izany. Raha ny marina, ilay badolahy keliny dia nivavaka ho an’ireo rahalahy tany Malawi (izay nenjehina tamin’izany fotoana izany), saingy ratsy ny fanonony an’io anarana io ka nataony hoe “Wally”. Ny nahatonga izany anefa dia ny nandrenesany ny rainy sy ny reniny nivavaka ny amin’izany ka nanahaka ny ohatra tsara dia tsara nomen’izy ireo izy. Alao sary an-tsaina ny fifaliana tsy maintsy ho tsapan’ny ray aman-dreniny!
Izany dia manipika ny maha-zava-dehibe ny hanomezana ohatra tsara rehefa tiana ny hampianatra olona hivavaka.
Valisoa
21. a) Araka ny I Korintiana 3:14, 15, afaka manantena inona moa ny mpanorina kristiana tsara rehetra? b) Moa ve ny fiainana mandrakizay ao anatin’ny fandaharan-javatra vaovao nampanantenain’Andriamanitra no “valim-pitia”? Hamarino ny valinteninao.
21 Araka izany, mba hanorenana ao amin’ny mpiara-belona amintsika, toetra tsy mety levona amin’ny fanampiana azy ireny hampifamatotra fifandraisana tsara amin’i Jehovah, dia tena ilaina ny hanohinantsika ny fony. Marina fa tsy mora akory izany, nefa mendrika ny hanaovana fiezahana ny vokany. Izany no nasehon’i Paoly tamin’izao teny izao: “Raha maharitra ny asan’ny olona, izay narafiny teo amboniny, dia handray valim-pitia izy; Raha ho levon’ny afo ny asan’ny olona [satria ho nanorina tamin’ny fomba tsy dia manao ahoana izy ka tsy nampiasa fitaovana tsy mety may], dia ho fatiantoka izy [satria hafoiny ao amin’ny ‘afo’ izay rehetra naoriny]; fa ny tenany kosa dia hovonjena, nefa toy ny avy ao amin’ny afo ihany izy.” Inona moa no “valim-pitia”? Miharihary fa tsy nieritreritra ny fiainana mandrakizay ao anatin’ny fandaharan-javatra vaovao nampanantenain’Andriamanitra i Paoly. Araka ny vao avy novakintsika tokoa, ilay tsy nahay nanorina dia hovonjena ihany raha afaka mamakivaky ny “afo”, ary anefa dia ho veriny ny “valim-pitia”. — I Korintiana 3:14, 15.
22, 23. a) Inona no valisoa noraisin’ny apostoly Paoly raha ny amin’ireo rahalahiny kristiana tany Tesalonika? b) “Valim-pitia” inona no irinao ho azo? Ahoana no mety hahazoanao antoka ny amin’izany?
22 Inona àry izany? Ny tenan’i Paoly mihitsy no manazava izany hevitra izany. Izao no nosoratany ho an’ireo kristiana nenjehina tany Tesalonika: “Fa inona moa no fanantenanay, na fifalianay, na satroboninahitra reharehanay? Moa tsy hianareo eo anatrehan’i Jesosy Tompontsika amin’ny fihaviany va? Fa hianareo no voninahitray sy fifalianay [“reharehanay sy fifalianay”, Bible en français courant].” (I Tesaloniana 2:19, 20). Nanampy an’ireny Tesaloniana ireny hahafantatra ny fahamarinana ilay apostoly. Ary na dia niharan’ny fanenjehana raha vao teo am-boalohany aza izy ireo, dia nijoro tsara. Hitan’i Paoly indrindra anefa ny valisoany tamin’ny fifaliana nahita azy ireo nahatohitra ny fanoherana. Ny tsy fivadihan’izy ireo dia nampiseho fa tsara fanorina izy.
23 Toy izany ve ny amintsika. Tsy irinao mafy ve ny hanampy ireo izay ampianarinao hahazo ireo toetra mafy orina izay hahatonga azy ireo hiorina mafy hatrany na dia ao aza ny fakam-panahy sy ny fanerena mety ho tsy maintsy setrainy? Toy inona tokoa moa ny valisoa kanto mahita ireo zanakao sy ireo nampianarinao ny Soratra masina, mahazaka ny afon’ny fisedrana! Izany dia ho porofo fa nanorina azy ireny tsara ianao. Enga anie ianao hanana antoka ny amin’izany valisoa izany amin’ny fanorenana eo amin’ny fototra tsara, sady mivavaka amin’i Jehovah mba hitahy ny fiezahanao.
Tadidinao ve?
Raha tianao ny hanohina ireo fo...
◻ Nahoana moa no zava-dehibe ny hanomezana ohatra tsara?
◻ Karazam-panontaniana inona moa no hilaina hapetraka? Inona no antony?
◻ Amin’ny ahoana moa ireo mpihaino anao no mila ny mahatakatra fa fahendrena ny hanarahana ireo lalàn’Andriamanitra?
◻ Nahoana moa no tena ilaina ny hampianarana azy ireo hivavaka?
[Sary, pejy 16]
Moa ve ny vavaka ataonao mampiseho fa manana fifikirana tsy azo ravana amin’Andriamanitra ianao? Raha izany no izy, dia tsy isalasalana fa hahatohina ny fon’ny zanakao izany.