Fantatrao ve ny Andriamanitra ivavahanao?
“MATY ANDRIAMANITRA.” Io fehezanteny teraka taonjato iray izay, nosoratan’ilay filozofa alemana atao hoe Friedrich Nietzsche io dia novelomin’ny teolojiana sasany indray tao anatin’ireo taona enimpolo. Tamin’izany fotoana izany, dia olona be dia be anisan’ny nahita fianarana indrindra tokoa no nieritreritra fa ny fikambanana iray tsy ara-pivavahana tanteraka dia ho afaka handamina ireo zava-manahirana ny taranak’olombelona sy hiantoka ny fahasambarana ho azy.
Tsy ela anefa dia namoy ny nofinofiny ireny mpanaraka foto-pisainana vaovao ireny. Niharihary tokoa izany, hany ka raha vao tamin’ireo taona fitopolo dia natrehina ny fihemorana amin’ny tsy fiankinana amin’ny fivavahana. Nisy sosiology nahatsikaritra fa mba hahasambatra, ny olombelona dia tokony hanome refiny ara-panahy amin’ny fiainany. Na dia eo amin’ny ara-tsiansa aza, dia nanjary mora kokoa hatramin’izao ny nanaiky fa ilaina ny hinoana Mpamorona iray. Tamin’izany, tao amin’ny bokiny mitondra ny lohateny hoe Misy ve Andriamanitra? Eny (1979) Christian Chabanis dia afaka nitantara ny dinika nifanaovany tamin’ny olo-malaza frantsay sivy teo amin’ny siansa sy ny sosiolojia izay niaiky fa nanana karazam-pinoana an’Andriamanitra.
Mazava ho azy fa olona an-tapitrisany maro no tsy nanaraka mihitsy ny filozofia lazaina fa momba “ny fahafatesan’Andriamanitra”. Nitahiry ny zavatra ninoany izy ireny. Nefa moa ve izany tsy maintsy milaza fa fantany mazava ilay Fisiana tampony?
Tamin’ny 1967, ny synodan’ireo eveka tany Frantsa dia nanangana lisitr’ireo fanontaniana ‘nanahirana’ ny katolika. Ny voalohany dia ny amin’ny “fahalalantsika an’Andriamanitra”, ary ny faharoa, ny amin’ny “tenan’i Kristy”. Tao amin’ny bokiny hoe Andriamanitra amin’ny olona amin’izao andro izao, dia notononin’i Jacques Duquesne izao fiaiken’ny katolika iray 58 taona izao: “Misy fotoana anontaniako tena raha tena Andriamanitra tokoa Kristy (...). Manandrana mampiaiky tena ny amin’izany aho. Zava-manahirana lehibe ho ahy izany.” Io mpanoratra io ihany koa no nandray ny tenin’ny pretra roa izay nilaza fa amin’ny mpino maro, “ireo hevitra inoana momba ny fivavahana dia filazana mitokana, saro-pantarina, jadona; zara raha misy heviny ny tsirairay avy aminy; tsy mifanazava izy ireo; sarotra lazaina amin’ny mpiara-belona àry izy ireo. Fara faharatsiny, raha nieritreritra ny hanampy Persona fahefatra amin’ny Trinite ny teolojia, amin’ny ahoana izany no hanakorontan-tsaina ny fitambaran’ny kristiana tsara indrindra”?
Raha ny marina, raha misy fampianarana mamafy fisafotofotoana indrindra eo amin’ny katolika toy ny eo anivon’ny Fiangonana any Atsinanana sy ny ankamaroan’ny finoana protestanta, dia tena ny amin’ny Trinite. Nanambara toy izao ny diksionera katolika iray (A Catholic Dictionary) ny amin’izany: “Takatsika ny hoe ahoana no mety hampiavaka ny olona telo sady manana ny olombelona iombonana. Mbola zavatra hafa dia hafa anefa ny maha-iray ny Persona telo ao amin’Andriamanitra. Rehefa miresaka azy ireo ho toy ny Andriamanitra tokana isika, dia tsy vitan’ny hoe milaza fa Andriamanitra ny tsirairay avy aminy; tiantsika koa ny milaza fa mahaforona Andriamanitra iray ihany izy ireo. Amin’izany no misy ny zava-miafina, zava-miafina tsy azon’ny zavaboary rehetra saintsainina.” Tsy mahagaga mihitsy amin’izany raha hitan’ny katolika fa ny “fahalalana an’Andriamanitra” no zava-manahirana azy ireo lehibe indrindra!
Andriamanitra tsy fantatra iray
Ao amin’ireo Fiangonan’ny fivavahana lazaina fa kristiana, dia olona efa ho iray lavitrisa (na arivo tapitrisa) no asaina mba hivavaka amin’ny Andriamanitra iray tsy hainy fantarina akory. Koa izy ireny dia ao anatin’ny tarehin-javatra azo ampitahaina amin’ny an’ny Samaritana fahizay nilazan’i Jesosy izao teny izao tamin’ny alalan’ny olona iray: “Ianareo Samaritana tsy mahalala izay ivavahanareo.” (Jaona 4:22, Bible en français courant). Nahoana no nilaza toy izany izy?
Tamin’ny taonjato faha-8 alohan’ny fanisan-taona iraisana ny Asyriana dia nanafika ny fanjakana avaratra an’ny Isiraely, dia ny an’ny foko folo nanana an’i Samaria ho renivohitra. Noho io zava-niseho io, dia Isiraelita maro no nentina ho babo tany Asyria sy tany amin’ny faritany azo hafa koa. Taty aoriana, ny mpanjakan’i Asyria dia namindra vahoaka resy maromaro, indrindra fa avy tany Babylonia, mba hiorim-ponenana tao amin’io faritra any Palestina fantatra amin’ny anarana hoe Samaria io. Izany dia tokony hiteraka mponina mifangaro, avy tamin’ny Isiraelita sy ny mpanompo sampy. Ny amin’ny mpanaraka ny fivavahana mifangaro teraka tamin’izany, dia manazava toy izao ny Soratra masina: “Jehovah dia natahorany ihany, kanefa mbola nanompo ny andriamaniny avy koa izy araka ny fanaon’ny firenena izay efa nangalana azy avy.” — II Mpanjaka 17:26-33; Jereo I Mpanjaka 12:28-31.
Marina tokoa fa natahotra an’i Jehovah ny Samaritana. Nekeny mihitsy aza ny tapany tamin’ny Teniny (ny “Pentateuque”, izany hoe ireo boky dimy voalohany ao amin’ny Baiboly). Nafangarony tamin’ny fivavahan-diso narahina tany Babylona anefa ny fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah. Ny amin’izy ireo no nahatonga an’i Jesosy hilaza hoe: “Hianareo mivavaka amin’izay tsy fantatrareo.” Tena nandre firesahana ny amin’i Jehovah tokoa izy ireo, nefa tsy nekeny daholo ny Teniny manontolo. Afa-tsy izany koa, dia tsy nivavaka ‘tamin’ny fanahy sy ny fahamarinana’ izy ireo. — Jaona 4:22, 23.
Moa ve ireo izay anisan’ireo Fiangonana ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana tsy ao anatin’ny tarehin-javatra sahala amin’izany? Nandre firesahana ny amin’Andriamanitra izy ireny, nefa maro be aminy no manaiky fa tsy tena mahalala azy marina. Fa raha ny aminao, dia tsy afaka ny tsy hiraika hatrany ianao eo anoloan’izany zava-manahirana izany, satria nanambara mazava toy izao i Jesosy: “Amin’ny fahafantarana anao, dia ianao, hany Andriamanitra marina, sy Jesosy Kristy, ilay nirahinao teto an-tany, no ananana fiainana mandrakizay!” — Jaona 17:3, Le livre, fanontana Farel.
Inona anefa no fampianarana nisakana indrindra ireo mpankany amin’ireo Fiangonan’ny fivavahana lazaina fa kristiana tsy hahafantatra an’i Jehovah, ilay “hany Andriamanitra marina”? Izany dia tsy azo lavina fa ilay “zava-miafina” tsy mety ho takatra ny amin’ny fampianarana ny Trinite. Rehefa vakina anefa ny Baiboly dia tsy tsapa loatra hoe ireo kristiana voalohany dia nivavaka tamin’ny Andriamanitra tsy azo fantarina iray. Izao tokoa no nosoratan’ny apostoly Jaona: “Ny Zanak’Andriamanitra (...) nanome antsika ny fahazavan-tsaina mba hahatongavantsika amin’ny fahalalana an’ilay marina [Jehovah]. Ary tafaray amin’ilay marina isika, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Zanany.” — I Jaona 5:20, MN.
Fa tamin’ny fomba ahoana no nahatonga an’ireo Fiangonana ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana hivavaka amin’ny Andriamanitra tsy azo saintsainina iray? Hidirantsika io fanontaniana io ao amin’ny lahatsoratra manaraka.
[Sary, pejy 19]
Io alitara hita tany Pergamosy, any Azia Minora, io, dia natao ho an’ireo andriamanitra tsy fantatra.