Avy eo amin’ny kristianisma mankeo amin’ny fivavahana amin’ny Andriamanitra tsy fantatra iray
NY ANDRIAMANITRA telo izay irain’ny fivavahana lazaina fa kristiana dia tsy misy ifandraisana mihitsy amin’ny Andriamanitry ny Jiosy. Ao amin’ny fanekem-pinoany, ny “Shema”, tokoa ireo dia mamerimberina isan’andro hoe: “Ny Mandrakizay no Andriamanitray, tokana ny Mandrakizay!” Tsy io koa ilay ivavahan’ny silamo eo amin’ny 600 tapitrisa, satria manambara toy izao ny Korana: “Lazao hoe: iray Andriamanitra.”
Hamarinin’ny Tantara fa niandoha tamin’ny jodaisma ny kristianisma. Ny tenan’i Jesosy Kristy koa aza dia jiosy. Notanterahiny ny Lalàna nomen’Andriamanitra ny Isiraelita. Izy no Mesia izay ny fahatongavany dia nambaran’ireo mpaminany hebreo (Matio 5:17; Jaona 1:45; Asa. 3:18). Ireo mpianany voalohany indrindra dia, na Isiraelita, na proselyta voafora (Matio 10:5, 6; Asa. 2:1-11). Hitantsika anefa fa tsy nino ny Trinite ny Jiosy ary mbola tsy mino izany foana izy.
Azo atao ve ny mieritreritra fa navelan’i Kristy sy ireo mpanoratra ny Soratra grika kristiana ny fiheverany ny amin’ny Andriamanitra tokana mba hanoloana azy amin’ny andriamanitra hafahafa iray manana endrika telo? Azo antoka fa tsy izany. Manao fanamarihana tsara dia tsara ny amin’izany tokoa ny Encyclopédie britannique (fanontana tamin’ny 1979). Izao izany: “Ny teny hoe Trinite dia tsy hita ao amin’ny Testamenta Vaovao. Tsy ambara mazava ao mihitsy ny fampianarana tondroiny. Azo antoka fa tsy nirin’i Jesosy sy ireo mpianany ny handa ny “Shema” ao amin’ny Testamenta Taloha manao hoe: ‘Mihainoa, ry Isiraely: Ny Mandrakizay no Andriamanitsika, iray ny Mandrakizay!’ (Deot. 6:4). (...) Niforona miandalana io fampianarana io, tao anatin’ny taonjato maromaro ary rehefa nisy fiadian-kevitra betsaka.”
Fialana tamin’ny finoana marina sy filozofia
Nanambara toy izao i Paoly apostoly kristiana: “Ho avy ny fotoana tsy hahazakana intsony ny fampianarana mafy orina; fa araka izay tiany amin’ny haitraitrany, dia handeha hitady mpampianatra maro be ny olona mba hampitonena ny hidihidiny handre vaovao. Tsy hety handre ny fahamarinana izy ireo fa hitodika any amin’ny fitantarana angano.” — II Timoty 4:3, 4, Fandikan-teny ofisialin’ny litorjia (katolika).
Ny Baiboly mihitsy no mampiharihary fa efa niasa sahady ny fialana tamin’ny finoana marina talohan’ny nahafatesan’ireo apostolin’i Kristy (II Tesaloniana 2:3, 7; I Jaona 2:18, 19; Joda 3, 4, 16, 19). Avy eo afovoan’ny kongregasiona kristiana, dia nisy mpiala tamin’ny finoana marina nitsangana ho mpampianatra sy nampiely lainga. Namela ny fahamarinana araka ny Soratra masina ireny ratsy ireny mba hitodihana any amin’ny “fitantarana angano”. Nofaohiny ny kristiana maro “ho remby tamin’ny alalan’ny filozofia sy ny famitahana tsy misy antony, araka ny lovantsofin’ny olona”. — Kolosiana 2:8, MN.
Ny amin’izay nitranga, dia izao no nosoratan’i J. Kelly, mpampianatra tany amin’ny oniversiten’i Oxford: “Tao anatin’ireo taonjato telo voalohany nisiany, ny Fiangonana kristiana dia voatery aloha niendaka tamin’ny fiandohany jiosy [noho izany dia nino Andriamanitra tokana] mba hifankazatra tamin’ny fahalalana helenistika (grika) indrindra teo amin’izao tontolo izao tany ivelany.” Ny amin’ireo mpampianatra voalohany izay hoheverina ho Rain’ny Eglizy, dia izao no teny nanampiny: “Ny ankamaroany dia nampiasa ny fiheverana araka ny filozofia tamin’ny androny (...). Nampangaina izy ireny ho nanova ho helenista ny kristianisma (nanome toetra grika ny endriny sy ny fombany), nefa raha ny marina dia niezaka fotsiny izy ireo nilazalaza ny amin’izany indray raha oharina amin’ireo sokajy nampiavaka ny taonjatony. Amin’ny heviny iray, dia izy ireo no teolojiana kristiana voalohandohany.” Ireny “teolojiana” ireny àry dia niezaka nampifandrindra ny kristianisma voalohany nifototra tamin’ny Baiboly sy ireo filozofia nalaza tamin’ny androny.
Ny niandohan’ny trinite araka ny filozofia
Ny amin’izany hevitra izany, ny “encyclopédie” Alpha dia nanao izao fanamarihana mahaliana izao: “Ny ankamaroan’ireo lovantsofina ara-pivavahana na fampianarana ara-pilozofia dia nanolotra fitambaran-javatra telo [na telo sosona], dia fitambaran-telo mifanitsy amin’ny hery tena lehibe na endrik’ilay Andriamanitra tampony.” Ny boky fakàn-teny frantsay hafa iray koa dia manintona indrindra ny saintsika ho amin’ilay filozofa grika atao hoe Platon (tany amin’ny 427-347 al. f. ir.), tamin’izao teny izao:
“Ny trinite platonika [platonisiana] izay rehefa dinihina dia tsy inona fa karazam-panamboarana, fandaharana vaovao, ny trinite tranainy kokoa an’ny vahoaka tany aloha, dia hitanay ho tena ny trinite ara-pilozofia, ara-tsaina, izany hoe ny trinite ilazana toetra izay niteraka ny maha-telo ny persona miavaka na persona araka an’Andriamanitr’ireo Fiangonana kristiana (...). Izany fiheverana ny amin’ny Trinite araka an’Andriamanitry ny filozofa grika izany (...) dia hita hatraiza hatraiza ao amin’ireo fivavahana taloha [mpanompo sampy].” — Dictionnaire universel nataon’i Maurice Lachâtre.
Mazava ho azy fa ireo pretra sy mpitondra fivavahana hafa ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana, amin’ny ankamaroany dia mandà ny hoe niandoha avy amin’ny filozofian’ny mpanompo sampy ny fampianarana ny amin’ny trinite. Ny Dictionnaire de théologie catholique nataon’i A. Vacant sy J.E. Mangenot, izay eken-teny eo anivon’ny Eglizy, dia nanokana ho an’ny fanoherana an’io foto-kevitra io, tsanganan-tsoratra 16 amin’ny sora-madinika izay anohanany fa ny Triniten’i Platon dia tsy misy ifandraisana amin’ny an’ny fivavahana lazaina fa kristiana. Voatery nanaiky anefa izy fa i “Masindahy” Augustin, lehilahy iray “nampihatra fitaomana lehibe teo amin’ny fandrosoan’ny fampianarana ny amin’ny Trinite tany Andrefana [any Roma]” koa aza dia nanaiky ny fisian’ny fifamatorana teo amin’ireo fampianarana roa ireo. Ambonin’izany koa, ny Encyclopédie britannique (1979, Macropædia) dia manamarika toy izao: “Tena nitranga be dia be tokoa izany fandraisana hevitra grika izany. Ireo filazalazana ny finoana kristiana natao tamin’ny alalan’ny fanekem-pinoana nataon’ny synoda eokimenikan’ny Fiangonana voalohany dia mampiseho fa nisy fampiasana sokajin-kevitra tsy araka ny Baiboly nindramina tamin’ny filozofia platonisiana vaovao mba hanambarana ny fampianarana ny amin’ny Trinite.”
Ny trinite — “Andriamanitra tsy fantatra” ve?
Raha niteny tamin’ny antokona filozofa tany Atena, any Grisia, ny apostoly Paoly, dia nilaza toy izao: “Fa raha nandeha aho ka nandinika izay zavatra ivavahanareo dia nahita alitara anankiray misy izao soratra izao: Ho an’izay Andriamanitra tsy fantatra.” (Asa. 17:23). Manao famoaboasan-kevitra mahaliana ny amin’io andininy io ny Bible de Pirot et Clamer. Asehony fa ireo filozofa grika “dia tsy tonga tamin’ny fahalalana Andriamanitra mpamorona iray. Ny tenan’i Platon aza dia tsy nihevitra azy afa-tsy ho mpandahatra zavatra efa nisy teo aloha”. Ny Andriamanitr’i Platon dia tsy inona mihitsy fa “hevitra” tampony sy tsy manana anarana nantsoin’ireo mpianany taty aoriana hoe “ny Anankiray” na “ny Tsara”. Io Andriamanitra saro-pantarina sy tsy takatry ny saina io, mifamatotra amin’ny tsangan-kevitra platonisiana ny amin’ny fitambaran-telon’Andriamanitra, no niezahan’ireo Rain’ny Fiangonana niala tamin’ny finoana marina naverina indray. Koa azo atao ny milaza fa mivavaka amin’ny “Andriamanitra tsy fantatra” koa ny fivavahana lazaina fa kristiana.
Koa satria na “ny teny hoe Trinite” na “ny fampianarana tondroiny” dia tsy hita mazava ao amin’ny “Testamenta Vaovao”, ireo teolojiana filozofa resahintsika dia voatery nikaroka tao amin’ny Soratra masina mba hanandramana manamarina ny hevitra ny amin’ny andriamanitra telo izay iray. Rehefa nikaroka mafy izy, tamin’ny farany dia nahita andinin-teny sasany manonona miaraka ny Ray sy ny Zanaka ary ny fanahy masina, na dia tsy toy izany foana aza ny filaharany (Matio 28:19; I Korintiana 12:4-6; II Korintiana 13:14 [13 ao amin’ny fandikan-teny katolika maro]). Namoaka didy izy ireo tamin’izany fa ireo andinin-teny ireo dia nirakitra “filazana telo izay iray”. Izao no ambaran’ny Theological Dictionary of the New Testament ny amin’izany: “Angamba ny fahatsiarovana ireo fitambaran-telon’andriamanitra nivavahan’izao tontolo izao nanana andriamanitra maro tamin’izany no nanampy tamin’ny fisehoan’ireny filazana zavatra telo mitambatra ireny.” Na ny marimarina kokoa, ho azontsika atao ny filazana hevi-teny nomena... Tamin’ny fanamarihana eo ambany pejy, io boky feno tahirin-kevitra aoka izany io dia manamarika koa fa ao amin’ny Evanjily ho an’ny Hebreo, boky tsy ara-tsindrimandry, ny hoe fanahy (teny milaza vavy amin’ny hebreo sy arameana) “dia heverina ho renin’i Jesosy”. Nofaranany toy izao ny teniny: “Araka izany dia hitantsika indray ny fitambaran-telom-pianakaviana niely aoka izany fahizay, dia ny ray sy ny reny ary ny zanaka.”
Miharihary fa izany dia nitovy loatra tamin’ireo andriamanitra telo izay irain’ny mpanompo sampy nivavahana tany Egypta sy Babylona ary Gaule. Ambonin’izany, raha noheverina ho renin’i Jesosy ny fanahy masina, ahoana ny amin’i Maria? Teo anoloan’izany zava-nanahirana izany, dia naleon’ireo Rain’ny Eglizy niala tamin’ny triniten’ny mpanompo sampy voaforon’ny “ray sy ny reny ary ny zanaka” mba hamerana ny safidiny ho amin’ny fitambaran-telo vaovao, voaforon’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina ihany. Nefa tsy hoe tsy nisy tsininy koa io filazana io, araka ny soritan’ny Encyclopédie britannique amin’izao teny izao: “Ahoana no hampifanarahana ny fahitana an’Andriamanitra amin’io endriny telo io amin’ny finoana azy ho iray, izay nampiavaka ny Jiosy sy ny kristiana tamin’ny mpanompo sampy? Io fanontaniana io dia nampikorontana lalina ny fitiavam-pivavahana teo amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana tamin’ny voalohany. Mbola izany koa no nanampy indrindra tamin’ny fitaran’ny teolojia eritreretina foana, ka niteraka ny metafizika [sampan’ny filozofia] tandrefana nandritra ny taonjato maro.” Hita àry fa ny “Andriamanitra tsy fantatra” an’ny fivavahana lazaina fa kristiana dia vokatry ny fiheverana ara-teolojia sy ny filozofia.
Ny ady hevitra an-tsoratra ny amin’ny trinite
Tao anatin’ireo taonjato voalohandohany amin’ny fanisan-taona iraisana, dia voamarina fa “maro karazana tamin’ny fomba mahagaga ny hevitra sy ny filazalazana” ny amin’ny Trinite. Na dia nino ny trinite koa aza ny tenany, ilay mpanoratra tantara atao hoe J. Kelly dia niaiky fa ireo Rain’ny Eglizy voalohany indrindra dia samy nino Andriamanitra tokana tamim-pahatapahan-kevitra. Izao no vakintsika nosoratany: “Kely dia kely ny porofo omen’ireo Ray apostolika ary mampalahelo fa tsy manamarina firy (...). Fa raha ny amin’ny fampianarana momba ny Trinite, amin’ny hevitry ny teny hentitra, dia miharihary fa tsy misy soritra hita na dia kely monja aza ny amin’izany.” — Early Christian Doctrines.
Marina fa ny “Ray” sasany tamin’ny taonjato faha-2, toa an’i Ignace avy any Antiokia sy Irénée avy any Lyon, dia namoaka hevitra mety hahitana, fara fahabetsany, finoana Andriamanitra iray misy persona roa: ny Ray sy ny Zanaka. Miaiky toy izao anefa ny profesora Kelly: “Izay ambaran’ireo mpanao lahatsoratra fanamarinana ny amin’ny Fanahy Masina dia tsy mifanaraka kokoa ihany (...). Toa misalasala be [izy ireo] ny amin’ny toerana sy ny anjara asa mazava raisin’ny Fanahy (...). Tsy isalasalana fa misafotofoto aoka izany ny hevitr’ireo mpanao lahatsoratra fanamarinana. Ny kely indrindra mety ho azo lazaina dia hoe mbola tsy nalaminy tamin’ny fomba mifandrindra ny modelin’ny telo mitambatra amin’ny finoana ekleziastika.”
Ireo izay nihevitra fa iray monja ny Andriamanitra, dia ny Ray, ka Jesosy no Zanany, dia nanjary nitondra ny anarana hoe “unitaires”. Izao anefa no vakintsika: “Tsy nitsahatra ny niady ny ‘trinitaires’ sy ny ‘unitaires’. Teo am-piandohan’ny taonjato faha-3 dia mbola nahery lavitra ny antokony faharoa.” (Encyclopédie britannique, fanontana faha-11). Rehefa nandeha anefa ny fotoana, ireo Rain’ny Eglizy dia niha-nanaiky ho voataonan’ny platonisma vaovao, fisehoan’ny filozofian’i Platon indray, hany ka nahazo vahana ireo mpanohana ny trinite. Tamin’ny taonjato faha-3, ny fampianarana platonisiana vaovao, niaraka tamin’ny tsangan-keviny sarotra ny amin’ny fototra na ny maha-izy ny manana aina, dia toa nahatonga azy ireo ho afaka hampifanaraka ny tsy azo nampifanarahina tamin’ny fiheverana ho andriamanitra telo sosona, ny Andriamanitra tokana. Ny fanjohin-keviny ara-pilozofia dia nitarika azy ireo ho amin’ny fanatsoahan-kevitra fa ny persona telo dia nety ho tsy nahaforona afa-tsy anankiray monja sady hitana ny maha-izy azy avy.
Ny fiadian-kevitra arianina
Ho tonga eo amin’ny fara heriny ny ady ny amin’ny trinite eo am-panombohan’ny taonjato faha-4 amin’ny fanisan-taona iraisana. Tamin’izany fotoana izany, ny olo-nalaza nifanatrika dia teolojiana sady filozofa telo avy tany Aleksandria, any Egypta: tetsy andaniny Arius, ary tetsy ankilany Alexandre sy Athanase. Nolavin’i Arius ny hoe mitovy ny fototra na ny maha-izy ny Ray sy ny Zanaka. Taminy, dia tena Zanaka Kristy. Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia nanam-piandohana izy. Nihevitra ny Fanahy Masina ho persona i Arius, nefa araka ny heviny dia tsy nitovy fototra tamin’ny Ray na tamin’ny Zanaka izy io. Ambany noho ireo anankiroa ireo kosa izy io. Niresaka tokoa ny amin’ny “Triade” na ny “Trinite” izy, nefa noheveriny fa voaforon’ny persona telo tsy mitovy izany ka ny Ray ihany no tsy nisy namorona.
Nanizingizina koa Alexandre sy Athanase fa ireo persona telo amin’ny Andriamanitra dia mitovy fototra ka noho izany dia tsy misy Andriamanitra telo, fa iray ihany. Nampangain’i Athanase ho mampiditra indray ny finoana andriamanitra maro aza Arius tamin’ny fampisarahana azy ireo.
Tamin’izany fotoana izany i Constantin, emperoran’i Roma, dia tena nanantena ny hampiasa ny kristianisma nivily lalana mba ‘hanamafisana’ ny empirany izay nila hisaratsaraka. Hitany ho nifanohitra tamin’ny tombontsoany io fiadian-kevitra ara-teolojia io. Niresaka izany ho toy ny “fifandirana mampiseho hadalana ny amin’ny tsy fitoviana kely foana tsinontsinona izy”. Koa satria tsy nahomby tamin’ny fampihavanana ireo antokony roa ny taratasy manokana nalefany tany Aleksandria tamin’ny 324, dia niantso konsily maneran-tanin’ny Eglizy izy mba handamina ilay raharaha tamin’ny lafiny iray na ny hafa. Tamin’izany konsily eokimenika voalohany izany izay hatao tany Nicée, any Azia Minora, tamin’ny 325, ireo eveka tafavory dia niseho ankarihary ho nanohana an’i Alexandre sy Athanase tamin’ny fanarahana ny fanekem-pinoana manaiky ny trinite tany Nicée. Amin’izao andro izao, ny Eglizy katolika, ny Eglizy ortodoksa sy ny ankamaroan’ireo Fiangonana protestanta dia manaraka an’io fanekem-pinoana io, ka toa hoe nasiany fanamboarana kely izany tamin’ny 381. Tamin’izany ny fivavahana lazaina fa kristiana no niala tamin’ny kristianisma mba hanaraka fivavahana amin’ny fototra mifono zava-miafina sy tsy azo saintsainina iray, amin’ny “Andriamanitra tsy fantatra” iray misy persona telo.
Ireo vokany atỳ aoriana ela
Tsy namarana ny fiadian-kevitra ny amin’ny trinite akory ny konsily tany Nicée, tsy izany velively. Taty aoriany, ny arianisma (izay efa tsy kristianisma marina intsony) dia niseho imbetsaka indray teo amin’ny Tantara. Ireo foko germanika izay nameno ny Empira romana nihena hery dia nanaraka ny “kristianisma” araka an’i Arius, ary nampiely izany tany amin’ny tapany lehibe amin’i Eoropa sy Afrika Avaratra, izay nanohizany nandroso hatreo amin’ny taonjato faha-6, ary taty aoriana kokoa aza tany amin’ny faritra sasany.
Ny fampianarana ny amin’ny Trinite dia mbola nampisaratsaraka foana nandritra ny taonjato maro. Tamin’ny konsily eokimenika isan-karazany, ireo teolojiana dia nanao filozofia be dia be mba hilazalazana ny toe-tena sy ny anjara asa hentitra noraisin’ny Zanaka, na mba hamantarana koa raha toa ny Fanahy Masina ka sady avy amin’ny Ray no avy amin’ny Zanaka, na avy amin’ny Ray irery. Izany fiadian-kevitra rehetra izany dia vao mainka tsy nanao afa-tsy ny nampisafotofoto kokoa ihany ny hevitry ny ankamaroan’olona ny amin’ny Mpamorona.
Raha ny marina, ny fampianarana ny amin’ny Trinite dia namafy fikorontanana aoka izany tao an-tsain’ny mpino, hany ka nihozongozona mafy ny finoan’ny maro raha tsy rava tanteraka aza. Raha ny aminao, angamba manontany tena ianao ny amin’izay tena lazain’ny Soratra masina momba ny Ray sy ny Zanaka ary ny fanahy masina? Raha izany no izy, dia fantaro fa hodinihina amin’ny antsipiriany io foto-kevitra io ao amin’ireo nomerao roa hanaraka amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana.
[Teny notsongaina, pejy 24]
Kely dia kely ny porofo omen’ireo Ray apostolika ary mampalahelo fa tsy manamarina firy (...). Fa raha ny amin’ny fampianarana momba ny Trinite, amin’ny hevitry ny teny hentitra, dia miharihary fa tsy misy soritra hita na dia kely monja aza ny amin’izany.” — J. Kelly, profesora ao amin’ny oniversiten’i Oxford.
[Efajoro, pejy 21]
“Ny Baiboly kristiana, anisan’izany ny Testamenta Vaovao, dia tsy mirakitra fanambarana telo izay iray na fiheverana ny amin’ny andriamanitra telo izay iray.” — Encyclopédie britannique
[Efajoro, pejy 23]
“Angamba ny fahatsiarovana ireo fitambaran-telon’andriamanitra nivavahan’izao tontolo izao nanana andriamanitra maro tamin’izany no nanampy tamin’ny fisehoan’ireny filazana zavatra telo mitambatra ireny.” — Dictionnaire théologique du Nouveau Testament.
[Sary, pejy 22]
Andriamanitra “gaulois” manan-doha telo — Fitehirizana ny rakitry ny ela any Reims, Frantsa.