FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w85 15/2 p. 3-4
  • Ny fiainana mandrakizay — nofinofy tsara ve?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny fiainana mandrakizay — nofinofy tsara ve?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fanafody mahela velona
  • Te ho Ela Velona ny Olona
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2019
  • Ny fahavelomana mandrakizay, tsy nofinofy fotsiny
    Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-Tany
  • Tsy ho Velona Intsony ve ny Maty?
    Mifohaza!—2007
  • Afaka Hiaina Mandrakizay Ianao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2006
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
w85 15/2 p. 3-4

Ny fiainana mandrakizay — nofinofy tsara ve?

TANY amin’ny toeram-piompiana sy fambolena tsara tarehy iray any Afrika atsimo no niseho ny tantara. Nandeha hitsindroka teny amin’ny havoana kely ny andian’akanga iray. Tsitapitapitr’izay, dia nisy tahotra tampoka. Nitranga ny voromahery mainty roa ka nidina teo amin’ireo vorona izay nandositra mba hitady fialofana tao anatin’ny tabataba tsy hay lazalazaina. Nahazo anankiray ny iray tamin’ireo vorona mpiremby ka avy hatrany dia nihinana izany. Dingana vitsivitsy avy eo, dia efa tony sahady ny akanga maromaro ka nanomboka nitady sakafo indray. Tsy nampiraika azy ny niafaran’ny iray karazana taminy.

Mitady avy hatrany izay hiarovana ny ainy ny biby rehetra, nefa amin’ny ankapobeny ny fahafatesan’ny namana iray dia toa tsy misy vokany eo aminy loatra. Mila tsy hahataitra akory ny sisa amin’ny andiany ny fahafatesan’ny antilopy iray azon’ny liona na biby npihinan-dremby hafa. Fisehoan-javatra tsy dia manao ahoana izany amin’ny ady isan’andro mba hitohizan’ny fahavelomana.

Hafa lavitra noho izany no fijerin’ny olombelona ny zavatra amin’ny ankapobeny. Amin’izy ireny, ny fahafatesan’ny namana iray dia loza mampikorontan-tsaina — raha tsy anisan’ireo olona vitsy nanjary mafy fo eo anoloan’ny fahafatesana izy. Amin’ny ara-dalàna, ny fahafatesan’ny olo-malala iray dia anankiray amin’ireo fisedrana mahaketraka indrindra mety hiaretan’ny olona iray. Mety hitarika azy hanafoana tena aza izany.

Miaina ao anatin’ny fotoana misamboaravoara isika izao, izay itomboan’ny famonoan-tena sy iainan’ny olona an-tapitrisany maro ao anatin’ny fahantrana. Ny ankamaroan’ny mpiara-belona amintsika anefa dia manao izay farany azo atao mba hisakanana ny antsoin’ny Baiboly ho ‘fahavalontsika’ lehibe, dia ny fahafatesana. — I Korintiana 15:26.

Fanafody mahela velona

Nandritra ny taonjato maro ireo “alchimistes” dia nanandrana ny zavatra rehetra mba hahitana ny fanafody mahela velona. Io zavatra miafina io dia noheverina fa manome fahafahana ho velona mandrakizay. Hatramin’ny ela be no nitadiavana hamorona io zavatra mahagaga io izay niteraka nofinofy maro. Mazava ho azy anefa fa tsy nahomby ny “alchimie”.

Tao anatin’izao taona faramparany izao anefa, noho ny fitsaboana, ny fitandremam-pahasalamana tsaratsara kokoa sy ny anton-javatra hafa koa, dia nisy fanalavana be dia be ny androm-piainana. Araka ny tatitra iray, dia nanjary avo roa heny mahery “ny halavan’ny androm-piainan’ny olombelona amin’ny ankapobeny, ka ny 30 taona tamin’ny 1900 dia tonga eo amin’ny enimpolo taona mahery amin’izao andro izao”. Mety hisy hieritreritra àry fa amin’ny farany ireo manam-pahaizana dia hahita ny na ireo tsiambaratelon’ny fiainana lava kokoa — na tsy hanam-pahataperana mihitsy aza. Izany ve no hevitrao?

Na inona na inona fanantenan’ny olona ny amin’izany, dia mbola manan-kery ihany ny fahamarinana iray nisy efa hatramin’ny an’arivony taona maromaro:

“Fito-polo taona no andron’ny taonanay ary raha tàhiny mateza aza, dia valo-polo taona, nefa fahasasarana sy zava-poana ny voninahiny, fa mihelina faingana izany, ka lasa manidina izahay.” — Salamo 90:10.

Araka ny tsy isalasalana fa voadinikao, dia olom-bitsy monja no mahatratra 80 taona.

Maro anefa ny olona be taona tsy nanaiky fotsiny amin’izao ho faty haingana fa tia dia tia ny fiainana kosa. Indraindray aza dia amin’ny fahanterana no ahitany ny fahavelomana ho mahafinaritra kokoa. Nahangona fahalalana lehibe sy fanandraman-javatra maro be izy ary manao izao karazana asa rehetra izao. Avy eo, tsitapitapitr’izay, dia maty ihany izy amin’ny farany. Amin’ny olona salama saina sy tena rehetra, dia tsy faniry na ara-dalàna ny fahafatesana. Nanambara toy izao tokoa ny olona zato taona iray: “Tsy maniry ho faty aho raha mbola ho tia ny fiainana koa.”

Raha miresaka ny amin’ny biby ny Baiboly dia milaza fa araka ny toe-tenany, izy ireny dia “teraka ho fisambotra sy ho famono”. Ny amin’ny olombelona kosa anefa, dia omeny izao filazana izao: “Andriamanitra (...) dia nanao tao am-pony ny hevitra ny amin’ny mandrakizay.” (II Petera 2:12; Mpitoriteny 3:10, 11, Sg). Raha lazaina amin’ny teny hafa, ny biby dia tsy natao hiaina tsy misy farany, fa toy izany kosa ny olombelona. Tsy noforonina mba ho faty ny mpivady voalohany, fa mba hanana ny fiainana mandrakizay — raha mankatò hatrany ny Mpamorona azy izy. — Jereo Genesisy 2:15-17.

Afa-tsy izany koa, dia nanome porofo ny amin’io lafiny io ny atidohantsika. Afaka manangona fitambaram-pahalalana mahagaga izy io; kely dia kely monja amin’ny zavatra azo ampiasaina aminy anefa no ampiasaintsika amin’ny andro ahavelomantsika.

Moa ve izany zava-misy rehetra izany tsy manaporofo fa ny fihodinkodinan-javatra izay mitarika ny olombelona ho amin’ny fahafatesana dia tsy izay nomanin’Andriamanitra tamin’ny voalohany ary tsy nofinofy fotsiny akory ny fiainana mandrakizay? Hevitra mampahery re izany! Tena misy tokoa ve ny fanafody mahalava andro iainana? Afaka manantena ny hiaina mandrakizay ve ianao?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara