Ny fiainana mandrakizay — Ahoana no hanjary hetezan’izany?
AVY aiza moa ny fiainana? Milaza ireo tsy mino ny fisian’Andriamanitra fa izany dia vokatry ny fiarahan’ny toe-javatra miseho tsara. Izao no ambaran’ny boky ara-tsiansa iray: “Azo inoana fa tonga teo amin’ny fiainana tamin’ny fomba tsotra dia tsotra ny tenan-javatra velona rehefa nitambatra tao anatin’izao tontolo izao mineraly tsy manana aina ny foto-javatra “chimiques” sasany mba hahaforona môlekiolina be kojakojany. Nisy fotoana nahazoan’ny antokony tamin’ireny môlekiolina ireny fahafahana hahazo sakafo sy hitombo.”
Hitanao ho mampiaiky ve izany? Ny teny hoe “azo inoana” dia mampiseho fa fanombantombanana izany. Faran’izay be kojakojany ny sela (cellule) kely indrindra. Raha avelantsika ny fiheverana fotsiny sy ny fanombantombanana misy fototra kely ihany koa aza, dia hibaribary amintsika ny hoe tsy nipoitra ho azy teo mihitsy ny “fahafahana hahazo sakafo sy hitombo.” Ny fisian-javatra maro loha mahagaga nety voadinitsika rehetra eo amin’ny zava-manana aina kosa dia manaporofo ny fisian’ny Saina ambony iray afaka maka sary an-tsaina sy mahavita zavatra mahatalanjona tsy mety ho vitantsika na ho azontsika saintsainina. Manam-pahaizana maro no manaiky fa ny aina iray dia avy amin’ny aina iray foana. Noho izany, dia tokony hisy Loharanon’aina eo am-piandohany, araka ny asehon’ny Baiboly amin’izao teny izao: “Endrey ny hatsaran’ny famindramponao, Andriamanitra ô! (...) Fa ao aminao no misy loharanon’aina.” — Salamo 36:7, 9.
Raha tsy hain’ny siansa ny manazava amin’ny fomba mahafapo ny hoe ahoana no nisehoan’ny aina amin’ny endriny rehetra, dia ampiany ihany isika hahatsapa amin’ny lafiny sasany ny fisian-javatra maro loha sy ny hasoa mahatalanjon’ny zavatra nataon’Andriamanitra — ny fahamaroan-karazana toa tsy manam-petra eo amin’ny bibikely, ny biby sy ny zavamaniry; ny karazan-doko mahavariana tsy tambo isaina iravahan’ny voninkazo sy ny hazo kely; ny hanitra sy tsiro tsy hita fetra mampifaly ireo vavahadin-tsaintsika; ny fidadasika sy fahalehibeazan’izao rehetra izao; ny toetra mahavariana mampiavaka ireo tenan-javatra bitika dia bitika. Nanampy antsika koa anefa izany hahafantatra fa mbola misy zavatra be dia be hafa tsy maintsy fantarina sy ankamamina. Ny taonjato iray iainana dia zara raha mahatonga ho afaka hanomboka hahafantatra sy ho tia ireo zavatra mahagaga sy manaitra ny saina nataon’ny Tsitoha.
Rehefa avy nandinika tamim-pitandremana an’io raharaha io ny olona be dia be dia tonga amin’izao fanatsoahan-kevitra manaraka izao: Ny fahamaroan-karazana sy ny hasoan’izay rehetra manodidina antsika dia azo antoka fa tsy avy amin’ny hery mangatsiaka sy tsy manana ny maha-izy azy iray, fa avy amin’ny Mpamorona iray manana fahendrena lehibe. Ireo karazam-piainana maro mameno ny tany dia mampiharihary ny fisian’ny Ray sady Mpamorona tia iray. Zavatra be dia be no miharihary fa natao mba hahasambatra antsika. Araka ny voalazan’ny Apokalypsy 15:3, dia “lehibe sy mahatalanjona ny asanao, Tompo [Jehovah, MN] ô, Andriamanitra Tsitoha”. Na dia azo atao ara-drariny aza ny hatahotra ny tsy hankatò azy sy hikomy aminy, ny Soratra masina dia milazalaza azy ho “Andriamanitra finaritra” izay faly manao zavatra mba hiadanan’ny zavaboariny. — I Timoty 1:11; Asa. 20:35.
Ny fikasan’Andriamanitra tamin’ny voalohany ny amin’ny olombelona
Omen’ny Baiboly ny fitantarana fohy nefa mahafapo ny amin’ny niandohan’ny olombelona. Ny toko voalohany dia mitantara ny famoronana ny tany, avy eo dia ny zavamaniry, ny biby any an-dranomasina, ny vorona ary farany dia ny biby an-tanety (Genesisy 1:1-25). Tsara ny manamarika fa manamarina izany filaharam-pisehoana izany ny fandinihana ny toetry ny tany sy ireo tahirin-javatra hita tany. Farany, dia namorona ny olona tamin’ny vovo-tany [na foto-javatra avy amin’ny tany] Andriamanitra, ka izany koa dia mifanaraka amin’ny siansa (Genesisy 2:7). Ambonin’izany, dia natao “tahaka ny endrik’Andriamanitra” ny olombelona. Zavatra tena marina ara-tsiansa ve izany? Miharihary tokoa fa ny olombelona dia nomena eritreritra sy saina izay mametraka azy ho ambony lavitra noho ny biby. Tsy sahala amin’ny biby izy fa nomena fahaiza-manavaka ny tsara sy ny ratsy sy fahafahana hankamamy ny zava-tsarobidy ara-panahy. Na dia ireo foko tsy mandroso aza dia manana fahatsapana ho tia fivavahana; fa inona no fivavahan’ny alika, na ny rajako? — Genesisy 1:27.
Ny fitantarana araka ny Baiboly dia manome hatramin’ny ela be tokoa, filazana mendrika inoana ny amin’ny tany sy ireo karazam-piainana mameno azy. Aoka àry hojerentsika tsy misy fitompoan-teny fantatra izay ambarany ny amin’ireo pejy voalohandohany amin’ny tantaran’olombelona.
Nanamboatra fonenana kanto ho an’ny olombelona i Jehovah — “saha tao Edena”, voavoly ‘hazo maha-te-hizaha sady tsara ho fihinana’. (Genesisy 2:8, 9.) Ny zavamaniry — hazo fandravahana, hazo fihinam-boa sy voninkazo — dia ho loharanom-pifaliana lehibe foana. Nanankinana asa mahavariana ny olombelona — fambolena sy fanamboarana ny fonenany paradisa — ary koa andraikitra iray — ‘Hampanompo ny zavaboary velona rehetra’. (Genesisy 1:28; 2:15.) Eritrereto kely ange! Tokony hokarakarainy ny saha kanto iray sy biby mahavariana maro be, ka tsy hatahotra ny hihantitra sy ho faty izy.
Hahazo fanomezana sarobidy fanampiny anefa Adama. Voamariny fa nety niaraka tsiroaroa ny zavaboary rehetra ka noho izany dia afaka nanana taranaka. Amin’izany, taiza ny vadiny? Nifoha avy amin’ny torimaso lalina izy indray andro ka nahita namana teo anilany. Toy inona moa ny fifaliana tsy maintsy ho tsapany! Nihetsi-po aoka izany izy ka nanonona izay azo inoana fa tononkalo voalohany, manao hoe:
“Ankehitriny dia taolana avy amin’ny taolako sy nofo avy amin’ny nofoko ity; ity dia hatao hoe ‘vehivavy’, satria lehilahy no nanalana azy.” — Genesisy 2:23.
Ny filazana ara-tantara notehirizina ao amin’ny Baiboly dia mampahafantatra antsika fa “Andriamanitra nitso-drano azy hoe: Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany, ka mampanompoa azy.” (Genesisy 1:28). Tombontsoa be voninahitra toy inona moa izany hoe hiteraka taranak’olombelona tanteraka izay hiaina mandrakizay ao anatin’ny Paradisa an-tany! Toy izany no fikasana tamin’ny voalohany noforonin’Andriamanitra ho an’ny olombelona.
Nahoana no maty isika?
Tsy sariolona milina anefa Adama sy Eva; tsy voatery hanatanteraka ny sitrapon’ny Rainy izy ireo. Afaka nanao fanapahan-kevitra sy volavolan-kevitra izy ireo. Koa nampiharan’Andriamanitra fitsapana tsotra dia tsotra ny fahatokiany: ‘Ny hazo rehetra eo amin’ny saha dia azonareo ihinanana ihany, hoy izy taminy, fa ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy dia aza ihinanana; fa amin’ny andro izay ihinananareo azy dia ho faty tokoa hianareo.’ — Genesisy 2:16, 17.
Tetsy andaniny koa dia nisy famoronana teti-dratsy. Noho ny fahafantarana fa hameno ny tany ny olombelona amin’ny farany, ny anjely nahery iray, ny zavaboary ara-panahy iray, dia namelona faniriana ny handray fanompoam-pivavahana sy fankatoavana avy amin’izy ireo. Tamin’ny alalan’ny biby iray no nanononany ny lainga voalohany hoe: “Tsy ho faty tsy akory hianareo.” Tamin’izany io anjely nikomy io dia nanao ny tenany ho “Satana” (mpanohitra) sy “Devoly” (mpanendrikendrika). — Genesisy 3:1-5; Jaona 8:44; Apokalypsy 12:9.
Resy Adama sy Eva tamin’io fitsapana ny tsy fivadihany tamin’Andriamanitra izay tsotra anefa io. Namadika ny Mpamorona azy izy ireo; tsy leferin’Andriamanitra anefa ny mpamadika. Voaroaka tsy ho ao Edena àry izy ireo ary tamin’ny farany dia niharan’ny sazy nomanina: ny fahafatesana. Ireo zanany, teraka taorian’ny fanamelohana, dia tsy afaka nandova, na fahasalamana tonga lafatra na fiainana mandrakizay. — Romana 5:12.
Taona maro no lasa vao maty Adama tamin’ny farany — teo amin’ny faha-930 taonany — nefa tsy azo nofoanana ny didim-pitsaran’Andriamanitra. Nandritra ny 2000 taona teo ho eo, dia voamarika fa lava foana ny andro niainan’ny olona. Seta zanak’i Adama dia nahatratra 912 taona, Enosy 905, Kenana 910, Metosela (ny be taona indrindra araka ny fitantaran’ny Baiboly) 969 taona. 950 taona ny andro niainan’i Noa. Avy eo, nanomboka teo dia nihena haingana ny halavan’ny andro niainan’ny olombelona. — Genesisy 5:5, 8, 11, 14, 27; 9:29; 11:10-25.
Izany zava-nisy mahaliana izany dia manaporofo fa afaka mihavao ny tenan’olombelona. Na dia tsy manana velively ny fahatanterahana hitan’i Adama aza isika, dia mihavao ireo “cellules” amin’ny tenantsika. Izao no ambaran’ny Encyclopédie britannique ny amin’izany: “Ny toa tsy fetezan’ny foto-javatra lehibe indrindra amin’ny “cellules” ao amin’ny tena [tenan’olombelona] ho faty dia, na voaporofo tanteraka, na voamarina amin’ny fomba ampy mba hananana antony tsara tokony hanekena azy.” Raha nisy olona afaka niaina efa ho arivo taona nefa nitambesatra teo amin’izy ireo ny fahotana sy ny fahafatesana, dia eritrereto ny mety ho fiainan’izy ireo raha nafahana tamin’io zava-manasarotra ny atao mahatsiravina io izy.
Ny fanafahana amin’ny fahotana sy ny fahafatesana
Tokony hotsaroana tsara anefa fa raha tsy mahatanteraka velively foana ireo volavolan-keviny, anisan’izany ireo volavolan-kevitra ara-tsiansa, ny olombelona, dia tsy mba toy izany ny amin’Andriamanitra izay nanizingizina toy izao: “Ny teniko izay aloaky ny vavako (...) tsy hiverina amiko foana (...) raha tsy efa mahatanteraka izay sitrako ary ambinina amin’izay ampandehanako azy.” (Isaia 55:11). Mety ho afaka amin’ny fahotana sy ny fahafatesana isika. Amin’ny fomba ahoana anefa?
Managadra antsika ny fahotana sy ny fahafatesana. Kanefa, Jesosy izay “Adama” faharoa amin’ny heviny hoe olombelona tanteraka izy teto an-tany, dia niharan’ny fahafatesana ho sorona mba hanavotana izay verin’i Adama — ka tamin’izany izy dia nanaiky ny lalàn’Andriamanitra taloha izay nitaky “aina solon’ny aina”. “Fa tahaka ny nanaovana ny maro ho mpanota noho ny tsi-fanarahan’ny olona iray [Adama], no hanaovana ny maro ho marina kosa noho ny fanarahan’ny Anankiray [Jesosy].” (I Korintiana 15:54; Eksodosy 21:23; Romana 5:19). Ny fitiavan’i Jehovah ny olombelona no nahatonga izany hety. — Jaona 3:16.
Fampianarana fototra ao amin’ny “Testamenta Vaovao” ny fiainana mandrakizay. Ny antokon’olom-bitsy 144 000 “voantso sy voafidy ary mahatoky” dia handray tombontsoa hiara-hanjaka amin’i Kristy eo amin’ny seza fiandrianany any an-danitra (Apokalypsy 17:14; 3:21). Na dia izany aza, dia manome toky antsika ny Baiboly fa hisy olona mankatò be dia be hiaina mandrakizay eto an-tany ao amin’ny Paradisa voaorina indray. — Apokalypsy 7:9-17.
Rahoviana ary amin’ny fomba ahoana?
Nahoana no tsy hovakinao ny Matio toko faha-24 sy ny Lioka toko faha-21? Ireo andinin-teny ao amin’ny Soratra masina ireo dia nanambara ady maneran-tany, mosary, horohorontany any amin’ny tany samy hafa, mpaminany sandoka, fitomboan’ny faharatsiana, areti-mandringana, tahotra mafy ny ho avy mbamin’ny zavatra hafa koa. Ary dia nanampy teny toy izao i Jesosy: “Raha vao hitanareo fa tonga izany zavatra izany, dia aoka ho fantatrareo fa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra.” Eny, manatona manao dingan-dava ny fotoana nandrasana hatramin’ny ela be tokoa izay hanomezan’ireo fitondram-panjakan’olombelona toerana ho an’ny Fanjakan’Andriamanitra. — Lioka 21:31.
Azo antoka tsy misy hafa amin’ny hampidiran’ny vao mazava ratsy rahampitso andro vaovao, ny fandringanana tampoka ireo fahavalon’Andriamanitra dia hamoha lalana ho an’ny “tany vaovao” ‘itoeran’ny fahamarinana’. Nanome fampanantenana ny amin’izany Andriamanitra. Tsy mahay mandainga anefa izy (II Petera 3:13; Isaia 65:17; Hebreo 6:18). Toy inona moa ny tombontsoa afaka hiaina mandrakizay ao amin’io tany vaovao io! Hanandrana izany ve ianao? Tsy mameno haravoana anao ve ny fahatsinjovana izany?
Nanao fandaharana Jehovah mba hahafahanao mahazo fahalalana mamelombelona ny Teniny — ny tena fanafody mahalava ny fiainana. Nahoana no tsy manomboka mandray soa amin’izany fahalalana izany amin’ny fanekena hianatra ny Baiboly ao an-tokantranonao. Horaisin’ny Vavolombelon’i Jehovah ho fahafinaretana ny hitondra fanampiana maimaimpoana ho anao. — Jaona 17:3.
[Sary, pejy 5]
SARY MAMPISEHO NY “CELLULE” IRAY
Tsy mety ho avy amin’ny kisendrasendra ny fisian’ny zavatra faran’izay maro loha ao amin’ny “cellule” iray.
RÉTICULUM ANDOPLASMIQUE RUGUEUX
MEMBRANE NUCLÉAIRE
NOYAU
NUCLÉOLE
MAMBRANE CELLULAIRE
MITOCHONDRIE
RIBOSOME
LYSOSOME
MICROVILLOSITÉS
CENTRIOLES
APPAREIL DE GOLGI
RÉTICULUM ENDOPLASMIQUE LISSE
[Sary, pejy 6]
Manana fivavahana ve ny biby?