Ny “fo” ao amin’ny tenin’Andriamanitra, ny Baiboly
TSY azo lavina fa nihevitra ny fony mihoatra noho ny faritra hafa rehetra amin’ny tena ny olombelona. Nanokana pejy maro be ho azy io na poeta na mpanoratra tsotra. Tsy mahagaga mihitsy àry raha miverimberina matetika ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ny teny hoe “fo”. Amin’ny hevitry ny teny rehetra atambatra, dia hita ao eo amin’ny inarivo izy io. Fa milaza inona tokoa moa izy io?
Ao amin’ny Soratra masina, dia tsy mahalana no ampiasana ny teny iray amin’ny fomba samihafa ary ananany heviny tsy mitovy sasany. Aoka horaisintsika ny ohatra ny amin’ny teny hoe “lanitra” sy “fanahy (esprit)”. Indraindray ny teny hoe “lanitra” dia manondro ny “habakabaka”, izany hoe ny atimaosifera manodidina ny planetantsika anidinan’ny vorona (Genesisy 1:26, MN). Izy io koa dia mety hahakasika ny fitambaran’izao rehetra izao fizika, anisan’izany ireo kintana, ireo hitantsika sy ireo tsy mety ho hitantsika (Salamo 19:1). Ao amin’ny II Petera 3:7 ny lanitra dia toa mampiseho fahefana ara-politika. Indraindray izy io dia lazalazaina ho fonenan’ny fandaminana ara-panahin’i Jehovah mihitsy (Apokalypsy 12:12). Farany, dia mety hampiseho ny Fanjakana any an-danitra izy io, araka ny hita ao amin’ny II Petera 3:13.
Toy izany koa ny amin’ny teny hoe “fanahy (esprit)”. Indraindray izy io dia mihatra amin’ny olona ara-panahy toa an’i Jehovah sy Jesosy Kristy ary ireo anjely (Jaona 4:24; I Korintiana 15:45; Hebreo 1:13, 14). Nefa ny herim-piainana manetsika ny zavaboary velona rehetra dia antsoina koa hoe “fanahy (esprit)”. (Mpitoriteny 12:7.) Ao amin’ny Ohabolana 25:28 toy ny ao amin’ny andinin-teny hafa, io teny io dia mampahatsiahy ny hery manosika ny olona hanao zavatra. Matetika kokoa ihany, izany dia ny hery miasan’i Jehovah izay antsoina hoe “fanahy” na “fanahy masina”. — Genesisy 1:2; Zakaria 4:6; Marka 13:11.
Ahoana ny amin’ny “fo”? Ao amin’ny Eksodosy 28:30, ny teny hebreo nadika toy izany dia manondro ilay faritra amin’ny tena mihitsy. Ao amin’io andinin-teny io tokoa Jehovah dia nandidy ny hametrahana ny saron-tratra fitsarana eo ambony fon’i Arona. Izany dia tena ny fo mitepo ao an-tratra. Toy izany koa, dia azo antoka fa tokony homena heviny ara-bakiteny ny Salamo 45:5, izay amakiantsika toy izao: “Ny zana-tsipikanao dia voaranitra (...) ka mitsatoka ao am-pon’ny fahavalon’ny mpanjaka.”
Mety hanondro faritra afovoany amin’ny zavatra iray koa ny teny hoe “fo”. Ao amin’ny Ezekiela 27:25-27 (MN) dia hitantsika intelo ny fitenenana hoe “ao am-pon’ny ranomasina niakatra”, izay tsy isalasalana mihitsy fa azo adika hoe “eny afovoan’ny ranomasina indrindra”. Toy izany koa, Jesosy dia nanambara fa ho ao ‘am-pon’ny’ tany, izany hoe ao anatiny “hateloan’andro sy hateloan’alina” izy. — Matio 12:40, MN.
Ny fo dia ampiarahina koa amin’ny fihetseham-pontsika sy ny fifaliantsika ary ny alahelontsika. Ao amin’ny I Mpanjaka 8:66 dia fantatsika fa tamin’ny fitokanana ny tempolin’i Solomona dia ‘sady faly no ravoravo ny fon’ny Isiraely rehetra noho ny soa rehetra nataon’i Jehovah tamin’i Davida mpanompony sy ny Isiraely olony’. Ao amin’ny Nehemia 2:2 kosa i Artaksersesy mpanjaka dia nanontany an’i Nehemia hoe nahoana izy no niseho ho nalahelo aoka izany, nefa tsy narary. ‘Alahelom-po mihitsy izao’, hoy ny eritreriny.
Ny Baiboly dia mampifamatotra koa ny fo amin’ny fihetsitsika na ny toe-tsaintsika, na mampiseho avonavona izany na mampiseho fanetren-tena. Izao no voasoratra ao amin’ny Ohabolana 16:5: “Fahavetavetana eo imason’i Jehovah izay rehetra miavonavona am-po”. Ao amin’ny Matio 11:29 kosa anefa i Jesosy dia nanambara toy izao: “Malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho.”
Ny toe-pitondrantena toy ny hatsaram-po sy ny hatsaram-panahy, na mifanohitra amin’izany, ny hasomparana sy ny faharatsiam-panahy, dia lazaina fa avy ao amin’ny fo. Ohatra, ao amin’ny Jeremia 7:24, dia izao no vakintsika ny amin’ny Isiraelita: “Nandeha tamin’ny fisainany sy ny ditry ny fo ratsiny ihany izy.” Araka ny Matio 12:34, 35, ny tsara indrindra toy ny ratsy indrindra dia nety ho tao am-pontsika.
Mitoetra ao am-po koa ny finoana, satria manantitrantitra toy izao i Paoly ao amin’ny Romana 10:10: “Fa amin’ny fo no inoana hahazoana fahamarinana, ary amin’ny vava no anekena [anaovana fanambarana ampahibemaso, MN] hahazoana famonjena.”
Fitoeran’ny antony manosika koa ny fo. Ao amin’ny Eksodosy 35:21 dia nohazavain’i Mosesy fa “izay rehetra nampahazotoin’ny fony” dia tonga nitondra ny fanomezany ho an’ny fanorenana ny tabernakely. Ao amin’ny Hebreo 4:12, 13, raha nampitaha ny tenin’i Jehovah tamin’ny sabatra maranitra i Paoly dia nilaza mazava fa “mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan’ny fo” izany. Eny, ny fo no loharanon’ny antony manosika ary manan-kery eo amin’ny fisainan’ny tompony na ho amin’ny tsara na ho amin’ny ratsy. Indraindray izy io dia manosika ireo mpanompon’Andriamanitra hanao zavatra amim-pahendrena, araka ny porofoin’ny Eksodosy 31:6 izay voasoratra toy izao: “Ary ny fon’izay hendry rehetra dia efa nasiako fahendrena, mba hanaovany izay rehetra efa nandidiako anao.”
Mihoatra noho ny fihetseham-po hafa rehetra, dia avy amin’ny fo ny fitiavana sy ny fankahalana. Nahazo izao baiko manaraka izao ny Isiraelita: “Aza mankahala ny rahalahinao amin’ny fonao.” (Levitikosy 19:17). Vakintsika koa fa nankahala ny Isiraelita ny fon’ny Egyptiana (Salamo 105:25). Mifamadika amin’izany, dia nilaza hevitra toy izao i Paoly: “Fa ny anton’ny didy dia fitiavana avy amin’ny fo madio”. (I Timoty 1:5). Manome antsika izao torohevitra izao kosa i Petera: “Satria efa nodiovinareo ny fanahinareo tamin’ny fanarahana ny fahamarinana (...) dia mifankatiava fatratra amin’ny fo.” — I Petera 1:22.
Afa-tsy izany koa, dia asehon’ny Soratra masina fa azo atao ny mitahiry fahatsiarovana mamy indrindra ao am-pon’ny tena. Ao amin’ny Lioka 2:51 dia fantatsika fa Maria, renin’i Jesosy, dia “nitahiry izany teny rehetra izany [momba an’i Jesosy] tao am-pony”. — Segond révisée; Jerosalema; Fandikan-teny eokimenikan’ny Baiboly.
Inona moa no raharaha sy fahaizana tsy lazain’ny Soratra masina fa vitan’ny fo! Moa ve izany rehetra izany tena afaka manana ny fontsika nofo ho foibeny daholo? Toa sarotra izany. Izany fanatsoahan-kevitra izany dia voamarina koa amin’ny fianarana fiteny izay manavaka amin’ny voambolany ny heviny ara-bakiteny sy ny heviny ara-panoharana amin’ny teny hoe fo. Araka izany, na amin’ny teny sinoa na amin’ny teny japone dia ampiasaina ny ideograma roa izay ny dikany ara-bakiteny dia hoe “fo faritra amin’ny tena”, mba hiresahana ny fo ara-bakiteny. Nefa kosa, rehefa tiana ny hilazalaza toetra na raharaha miaraka amin’ny fo, toy ny fitiavana, ny fankahalana, ny fikasana sy ny fiaretana, dia ny voalohany amin’ireo ideograma ireo ihany no ampiasaina amin’ny fanakambanana azy amin’ny foto-javatra hafa mba hahaforona toetra tsy tsotra kokoa (jereo ny faritra voafefy eto ambany). Amin’ny fanaovana toy izany, dia sarahina amin’ny fomba hentitra dia hentitra ny faritra ara-batana manosika hanao zavatra sy ireo toetra avy amin’ny fisehoan’ny firaiketam-po, sady manipika ny fifamatorana misy eo amin’izy ireo.
Mahaliana ny manamarika ny fomba ampahatsiahivan’ny Baiboly ireo faritra hafa ao amin’ny tena. Ohatra, ny Soratra hebreo dia mampiasa in-20 mahery ny teny nadika hoe “voa”, indrindra fa ao amin’ny “Pentateuque”. Imbetsaka dia misy firesahana ny amin’ny “voany roa” avy amin’ny biby izay naterina ho fanatitra teo ambanin’ny Lalàna (Eksodosy 29:13, 22; Levitikosy 3:4, 10, 15; 4:9; 7:4). Tsy azo lavina fa eo ilay teny dia tokony horaisina amin’ny heviny ara-bakiteny. Fa raha ny amin’i Davida mpanao salamo, dia tsy isalasalana fa nieritreritra ny amin’ny voany ara-bakiteny izy fony nanoratra hoe: “Fa Hianao no nahary ny voako; namolavola [nampialoka, MN] ahy tao an-kibon-dreniko Hianao.” — Salamo 139:13.
Nefa, moa ve Jeremia mpaminany niresaka koa ny amin’ny voa amin’ny heviny ara-bakiteny rehefa nanambara tao amin’ny Jeremia toko faha-11 andininy faha-20 amin’ny bokiny fa “mamantatra ny voa sy ny fo” Jehovah? Tetsy andaniny koa, moa ve tao an-tsain’i Davida ireo faritra ao amin’ny valahana rehefa nilaza toy izao izy: “Marina tokoa fa nandritra ny alina dia nanitsy ahy ny voako.” (Salamo 16:7, MN). Azo antoka fa tsy ny voantsika amin’ny hevitry ny teny ara-bakiteny no hametraka antsika indray eo amin’ny lalana mahitsy raha maniasia isika. Amin’izany, inona no tian’i Davida holazaina? Nanome fanazavana ny amin’io hevitra io i Jeremia rehefa milaza hevitra toy izao (12:2): Nambolenao izy, ka dia miorim-paka; mitombo izy, ka dia mamoa; manakaiky Anao amin’ny vavany izy, nefa manalavitra Anao amin’ny fony [voany, MN].” Moa ve tsy miharihary fa eto ny teny hoe “voa” dia manondro ny fihetseham-po miafina indrindran’ny olona voakasika? Io andininy io dia tsy isalasalana fa tokony hampifanatonina amin’ny Isaia 29:13 izay notononin’i Jesosy tamin’izao teny izao araka ny Matio 15:7, 8: “Ry mpihatsaravelatsihy, marina ny naminanian’Isaia anareo hoe: ‘Ity firenena ity manaja Ahy amin’ny molony; fa ny fony kosa lavitra Ahy.’” Tamin’ny filazana toy izany, dia miharihary fa nampahatsiahivin’i Kristy ny amin’ny toetra miafina sy lalin’ny olona ratsy fanahy nitenenany.
Azo atao ny mahita ohatra hafa iray ny amin’ny fisehoan-javatra toy izany amin’ny fampiasana ny teny grika hoe splagkhna, izay ny dikany dia hoe “tsinay” na “taova”. Ampiasaina ara-bakiteny izy io ao amin’ny Asan’ny apostoly 1:18 izay anoratana toy izao ny amin’i Jodasy: “Koa izany lehilahy izany dia nahazo saha tamin’ny tambin’ny fahotany; ary potraka niankohoka izy, dia vaky ny kibony ka dia nipoaka sady nivaroraka avokoa ny tsinainy.” Nefa, na dia hita in-11 ao amin’ny Soratra grika kristiana aza io teny io, dia io no hany toe-javatra tena ifandraisany tokoa amin’ny tsinay. Ao amin’ny Lioka 1:78 kosa izy io dia adika amin’ny hoe ‘famindrampo’ ary amin’ny hoe “firaiketam-po mafy” ao amin’ny II Korintiana 6:12; 7:15; Filipiana 2:1; Kolosiana 3:12 sy Filemona 7. Ao amin’ny Genesisy 43:30 sy ao amin’ny I Mpanjaka 3:26, ny teny hoe rahamîm, ny mifanitsy aminy amin’ny teny hebreo, dia adika hoe “taova” ao amin’ny fandikan-teny Darby, Osty sy Segond. Raha ny marina, izy io dia manondro ny “fihetseham-po miafina”, raha raisina ny hevitry ny Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao.
Toy izany koa ny amin’ny teny hebreo sy grika nadika hoe “fo” ao amin’ireo Baibolintsika. Misy tokoa andinin-teny vitsivitsy, voafetra ny isany, anondroany ny fo ara-batana. Aoka hotononintsika ny Eksodosy 28:30 sy Salamo 45:5. Tamin’ny zavatra sendra niseho efa ho arivo hafa kosa anefa, ireo teny ireo dia miharihary fa nampiasaina tamin’ny heviny ara-panoharana. Aoka anefa isika tsy hanatsoaka hevitra avy amin’izany fa hoe tsy misy fifandraisana mihitsy amin’ny dikan’ny teny hoe fo ara-batana sy ara-panoharana. Rehefa iharan’ny fihenjanana ara-pihetseham-po tokoa isika dia mety ho simba amin’izany ny fontsika ara-batana, ka aretina no mety ho vokany, na fahafatesana mihitsy aza. Na ahoana na ahoana, dia zava-dehibe ny hanavahana ny fo ara-bakiteny amin’ny fo ara-panoharana. Ny amin’izany, dia manao izao fanamarihana izao i W. Vine: “Raha lazaina ara-panoharana, ny fo dia mampiseho ireo loharanon’ny fiainana manokana miafina.” — An Expository Dictionary of New Testament Words, boky II, pejy faha-206-7.
Miharihary mazava avy amin’izany voalaza teo aloha rehetra izany fa ireo mpanoratra ao amin’ny Baiboly dia nampiasa ny teny hebreo sy grika nadika amin’ny teny malagasy hoe “fo” mba hilazalazana ireo toetra ara-piraiketam-po sy ara-pitondrantena maro mahaforona ny maha-isika antsika anaty. Raha ny marina, amin’ny fanintonana ny saintsika ho amin’ny ilàna hanara-maso ny faniriantsika, ny fironantsika sy ny antony manosika antsika, ny Tenin’Andriamanitra dia manampy antsika ‘hanompo Azy amin’ny fo rehetra’. Manampy antsika ho ampy fitaovana amin’ny asa tsara rehetra izy (I Tantara 28:9; II Timoty 3:17). Mirakitra toro-hevitra tsara dia tsara maro be ny amin’io hevitra io ny Soratra masina.
[Tabilao, pejy 6]
(Jereo ny gazety)
Ny fo amin’ny fiteny sinoa:
[Sary—soratra Sinoa] fo, mandrakariva amin’ny heviny ara-panoharana
[Sary—soratra Sinoa] fo faritra amin’ny tena amin’ny heviny ara-bakiteny
Ao amin’ireto soratra manaraka ireto, izay mampiseho hevitra ampiarahina amin’ny fo, dia mariho ny fisian’ilay ideograma tsotra indrindra
[Sary—soratra Sinoa] fitiavana
[Sary—soratra Sinoa] fankahalana
[Sary—soratra Sinoa] famelan-keloka
[Sary—soratra Sinoa] alahelo
[Sary—soratra Sinoa] fanahiana
[Sary—soratra Sinoa] fikasana
[Sary—soratra Sinoa] fahatezerana
[Sary—soratra Sinoa] fiaretana