Ny ady mba hahazoana soratra ao amin’ny Baiboly marina kokoa
REHEFA manokatra Baiboly iray ianao, azonao antoka ve fa izay vakinao ao dia izay nosoratan’ny apostoly Matio, Jaona sy Paoly na ny mpanoratra hafa ny boky masina, efa ho 2 000 taona izao?
Nino mafy izany ny mpandinika Baiboly malaza iray tamin’ny taonjato fahasivy ambin’ny folo, dia ny dokotera F. Hort. Izao no nambarany ny amin’ny Soratra grika kristiana: “Izay azo heverina, fara faharatsiny, ho tsy fitoviana misy ihany dia tapany kely dia kely monja (...), tsy mihoatra ny ampaharivon’ny soratra manontolo.” Hatramin’izay, ny fahitana soratanana hafa sy ny fikarohana tsy ankijanona dia nanamarina fa afaka mampiasa soratra ao amin’ny Baiboly marina amin’ny ankapobeny isika.
Nefa moa ve fantatrao fa teo am-pifaran’ny ady iray naharitra vao naorina sy navoaka ny soratra marina toy izany? John James Wetstein (1693-1754) no anankiray amin’ireo mpiady. Aoka hojerentsika fohy ny anjara noraisiny tamin’io ady io. Tsy isalasalana mihitsy fa ho velom-pankasitrahana kokoa ihany isika manana soratra ao amin’ny Baiboly marina toy izany.
Teraka tany Bâle, any Soisa, i Wetstein. Mpianatra tao amin’ny oniversite tao amin’io tanàna io izy, ka nifidy ny teolojia. Nandany ora maro tao amin’ny fitehirizam-bokin’ny oniversite izy, variana tamin’ireo soratanana amin’ny Baiboly notehirizina tao. Nomarihin’i Wetstein anefa fa nisy tsy fitoviana tamin’ireo soratanana ireo: noho izany dia tapa-kevitra izy ny hanao an’io foto-kevitra io ho hevitra tokony hasehony mba hanendrena azy ho pretra.
Tao amin’io hevitra io, dia nasiany ireo izay nilaza fa ny fanitsiana rehetra natao tamin’ny Soratra grika kristiana (antsoina hoe Soratra noraisina) dia nanimba ny Tenin’Andriamanitra. Wetstein kosa anefa dia nanizingizina fa ny fikarohana soratra nanakaiky koa ny tamin’ny voalohany, noho ny fandinihana ireo soratanana azo nampiasaina, dia tsy hampihena mihitsy ny fahefan’ny Tenin’Andriamanitra, fa mifanohitra lavitra amin’izany, dia hampitombo azy aza.
Nangataka ny hanomezana azy fotoana handehanany lavitra i Wetstein alohan’ny hidirana amin’ny asan’ny pretra. Tamin’izany dia nantenainy ny ho afaka handinika soratanana amin’ny Baiboly araka izay azo atao. Niala tao Bâle àry izy tamin’ny 1714 ary nijanona nisesy tao Zurich, Genève, Paris, Londres, Oxford, Cambridge, Leiden sy Heidelberg. Nataony, matetika tokoa no voalohany, ny fandinihana tamim-panakianana feno (izany hoe ny fampitana misy fanakianana tamin’ny fanamarihana ny tsy fitoviana) ireo soratra grika sy latina lehibe indrindra ao amin’ny Baiboly.
Nahita fahasahiranana izy
Raha mbola tany Londres izay nandinihany ny Alexandrinus (soratanana grika tamin’ny taonjato fahadimy amin’ny fanisan-taona iraisana mirakitra saika ny Baiboly manontolo) izy dia nahita zavatra nampitolagaga. Hatreo, ary araka ny Fandikan-tenin’ny mpanjaka Jacques (na Fandikan-teny nahazoan-dalana) amin’ny teny anglisy (tamin’ny 1611), dia toy izao no namakiana ny I Timoty 3:16: “Naseho tao amin’ny nofo Andriamanitra.” Ary hita indray io dikan-teny io tao amin’ny ankamaroan’ireo Baiboly nampiasaina tamin’izany.
Voamarik’i Wetstein anefa fa ny teny nadika hoe “Andriamanitra” ka nohafohezina hoe ΘC dia voasoratra hoe OC tamin’ny voalohany, ka ny dikany dia hoe “izay”. Nefa ny tsipika nosoritana tao ambadik’ilay soratanana ka hita nitaratra teo afovoan’ny O sy ny tsipika marindrano nanampy taty aoriana teo ambonin’ilay teny dia nanova ny OC (“izay”) ho ΘC (fanafohezana ny hoe “Andriamanitra”). [Jereo ilay gazety mba hahitana ny fomba fanoratra grika]
Araka ny nohamarinin’ny soratanana maro hafa avy amin’ny dikan-teny narahin’i Wetstein, ireo fandikan-teny amin’ny andro ankehitriny dia mandika amin’ny fomba marina an’io andinin-teny io amin’ny hoe: “Naseho tao amin’ny nofo izy” na “Ilay...”, izany hoe Jesosy Kristy (Jérusalem; Traduction Œcuménique de la Bible; Osty; Segond). Nampangaina ho nanimba ny soratra anefa i Wetstein ka nanohitra ny fampianarana ny amin’ny Trinite, dia fihetsika noheverina ho fanoherana ny finoana.
Ny zava-nitranga hafa iray koa dia nitarika ireo fahavalon’i Wetstein mbola hiahiahy azy kokoa ihany ho niala tamin’ny finoana. Toy izao no nandikan’ny fandikan-teny sasany ny I Jaona 5:7, 8: “Fa telo izy ireo no manao fanambarana any an-danitra: ny Ray, ny Teny sy ny Fanahy Masina; ary zavatra iray ihany ireo telo ireo. Telo izy ireo no manao fanambarana eto an-tany, ny fanahy, ny rano sy ny ra: ary zavatra iray ihany ireo telo ireo.” (Glaire). Nasehon’i Wetstein fa ireo teny izay nanamafy ny trinite, teny notsipihinay, dia nanampy teo amin’ny soratanana vao haingana; tsy hita mihitsy izany teo amin’ireo soratanana grika tranainy nodinihiny.
Ny sasany tamin’ireo namany, nialona noho ny lazany teraka, dia nanjary fahavalony ary nitarika fiahiahiana azy ho niala tamin’ny finoana. Tsy nandamin-javatra koa ny tenan’i Wetstein tamin’ny fanakianany nivantana aoka izany an’ireo izay nanao fahadisoana tamin’ny asany sy tamin’ny fomba matetika no haingana sy nirehitra, nia niarovany ny fikarohana nataony tenany.
Nahemotra ny famoahana soratra vaovao iray
Nanolotra fanontana vaovao ny Soratra grika kristiana ihany anefa i Wetstein, nasiana teny tsy mitovy avy amin’ny fikarohana nataony. Niteraka fahatairana lehibe izany vaovao izany. Tamin’ny 1729, dia nisy fitarainana nalefa tany amin’ny fivorian’ny Fiangonana protestanta tany Soisa momba an’io volavolan-kevitra ny amin’ny famoahana soratra grika io izay nisy “fomba vaovao mampidi-doza”.
Najanon’ny filan-kevitry ny tanànan’i Bâle tsy hanao ny raharahany tamin’ny naha-diakra tao amin’ny paroasin’i Saint-Leonhard àry i Wetstein ary nodidiany hihaino an’i Wetstein ny Komity ekleziastika. Nandresy ny hevitra henjana sy jadona mbamin’ny fitompoan-teny fantatra, ka izany rehetra izany dia nohamafisin’ny tsy fisian’ny fahaiza-mandanjalanja sy ny fanajana olona, tsy resahina intsony ny fipoahan’ny fahatezeran’ny andaniny roa. Nolazain’i Wetstein fa tsy tokony hokianina alohan’ny namakiana azy ny bokiny. Kanefa nanda tamin’ny fomba hentitra izy tsy hanome porofon-tsary avy amin’io satria, araka ny filazany, dia tsy hodinihina amin’ny saina tsy miangatra izany.
Nadinin’ireo manam-pahefana soisa koa Wetstein ny amin’izay notoriny sy nampianariny. Nahoana? Satria ny fandinihany tsy tapaka an’ireo soratanana amin’ny Baiboly dia nitarika azy hanatsoaka hevitra hafa dia hafa noho ireo zavatra ninoana neken’ny maro.
Ohatra, nanantitrantitra izy fa aorian’ny fahafatesana dia tsy mahalala na inona na inona ny fanahy fa matory amin’ny fiandrasana ny fananganana ny maty. Ny amin’ny Trinite na Andriamanitra telo izay iray, fampianarana neken’ny rehetra tamin’izay, ny vavolombelona iray dia nitantara tamin’ireo manam-pahefana fa ny zanaky ny iraitampo taminy dia nahazo avy tamin’i Wetstein, fampianarana manohitra ny trinite tamin’ny endriky ny “fanoharana”. Tao amin’io i Wetstein dia nampitaha ny fifandraisana nisy teo amin’Andriamanitra sy Kristy ary ny fanahy masina, tamin’ny “fifandraisana eo amin’ny tompo iray sy ny zanakalahy iray ary ny mpanompo iray ao an-trano”. Nifototra tamin’ny fanamarihana fohy ary matetika no tsy mazava loatra nataon’ny sasantsasany tamin’ireo mpianatr’i Wetstein ireo manam-pahefana soisa ka nanameloka an’i Wetstein ary nanaisotra taminy ny raharahany tamin’ny naha-diakra.
Nandao an’i Bâle àry Wetstein mba ho any Amsterdam nisy havany nanana fanontam-pirinty iray. Tamin’ny 1730, dia navoakany tsy nasiany anaran’ny mpanoratra azy ny Prolegomena nataony izay nokasainy hakambana amin’ny fanontana vaovao ny Soratra grika kristiana nataony. Ny ankamaroan’ireo mpandinika Baiboly anefa dia nihevitra fa izy irery ihany no afaka nanao asa lasa lavitra tamin’ny fahaizana toa an’io.
Tao amin’ny Prolegomena nosoratany, dia nomen’i Wetstein ny porofo manamarina ireto fanatsoahan-kevitra manaraka ireto: Ny Soratra azo eken’ny maro dia tsy tsara ka nilaina ny hamoahana vaovao iray tamin’izany nifototra tamin’ny soratanana Alexandrinus; ireo mpanoratra kristiana ny Baiboly dia nampiasa fitenim-bahoaka, koa tokony horaisina ny fomba azo ampiasaina rehetra mba hanaovana izay hampahazava ny soratr’izy ireny; tsy nanimba velively ny fivavahana marina ny fahazavana nitombo toy izany fa hahasoa azy fotsiny.
Nanaraka izany, Wetstein dia nangataka toeran’ny mpampianatra tao amin’ny semineran’ny eglizy Remonstrant, tany Amsterdam. Noheverina fa azo raisina ny fangatahany raha manafa-tena amin’izay rehetra mety ho fiampangana azy ho niala tamin’ny finoana izy. Rehefa tafaverina tany Bâle izy tamin’ny 1731, dia nila 18 volana mba hanaovana izay hahafoana ny fanamelohana azy. Rehefa niverina tany Amsterdam izy, dia niteraka tena fiadian-kevitra ny fanendrena azy ho avy. Nandamina ilay raharaha tamim-pahatakaran-javatra sy fahaiza-mandanjalanja aoka izany ny filan-kevitry ny tanàna, nefa voatery nameno fepetra sasany i Wetstein, indrindra fa ny fialana tamin’ny volavolan-keviny hamoaka ny sorany grika tamin’ny Soratra Masina.
Tao anatin’ireo 18 taona nanaraka anefa, dia nanohy nanangona ireo zavatra nilaina ho fanatanterahana an’ilay asan’ny fiainany i Wetstein, dia: ny famoahana ny sorany grika amin’ny Soratra Masina. Tamin’ny farany, ary na dia tao aza ny fandrarana nampiharina taminy, dia navoakany ny sorany grika sy ireo fanamarihany tao anatin’ny boky roa, tamin’ny 1751-1752. Maty izy rehefa afaka roa taona taty aoriana.
Ny boky fanakianana araka ny voasoratraa navoakan’i Wetstein dia nihoarana hatramin’ny ela be noho ireo fandrosoana tsy ankijanona tamin’io lafiny io, hany ka ny soratra marina nonofinofisiny dia tena misy ankehitriny. Tsy vokatry ny hevitra sy fampianarana voamariky ny fitompoan-teny fantatra izany, fa miorina amin’ny fotopoto-pitsipika azo antoka amin’ny fanakianana araka ny soratra. Koa raha manokatra Baiboly nadika nifototra tamin’io soratra io ianao ankehitriny, dia afaka matoky fa izany dia miorina amin’ny soratra izay tena mampiseho ireo fampianarana kristiana. Kanefa, amin’ny fianarana amim-pitandremana ny Baiboly ihany no hambolenao ho azy, fanajana sahala amin’ny an’i Wetstein ka hampiaiky anao fa izy io dia mahaforona fahefana tampony nomen’ny tsindrimandrin’i Jehovah Andriamanitra tokoa.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ny fanakianana araka ny soratra dia fampitahana ireo soratanana tranainin’ny Baiboly mba hamantarana ny dikany tamin’ny voalohany; noho io asa io dia azo atao ny mampiasa fandikan-tenin’ny Baiboly marina kokoa.