FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w85 1/7 p. 21-26
  • Sambatra izay miambina hatrany!

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Sambatra izay miambina hatrany!
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Jiosy malina
  • Ny fiambenan’ireo kristiana voalohany
  • Ny fiandrasana kristiana taorian’ny 70
  • ‘Sambatra izay miambina hatrany’
  • “Miomàna”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • Miandrasa Hatrany!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2015
  • Fiandrasana ‘Amim-paniriana Fatratra’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
  • Fanontanian’ny Mpamaky
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2014
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
w85 1/7 p. 21-26

Sambatra izay miambina hatrany!

“Sambatra ny mpanompo izay ho hitan’ny tompony miambina, raha avy izy.” — LIOKA 12:37.

1. Nahoana moa ireo mpanompon’i Jehovah no “miandry Azy” foana? Inona anefa no fanontaniana azo apetraka momba ireo Fiangonana ao anatin’ny fivavahana lazaina fa kristiana?

“ANDRIAMANITRY ny fahamarinana [fitsarana, MN ] Jehovah; sambatra izay rehetra miandry Azy.” (Isaia 30:18). Hatramin’ny nanambaran’i Jehovah ny faharesena faran’ny Menarana sy ny fanafahana noho ny Taranaka nampanantenaina, ireo mpanompony mahatoky dia niantehitra foana tamin’ny fahatanterahan’io fampanantenana io (Genesisy 3:15). Fa raha ny amin’ireo teolojiana ao amin’ny finoana lazaina fa kristiana, moa ve izy ireo nanampy ny ondriny hitily izany fanafahana tampony izany izay hanaisotra amin’ny farany an’i Satana sy ny taranany tsy ho eo amin’izao rehetra izao?

2. Nahoana moa ireo “firenena” no tokony hiandry an’i “Silo”?

2 Tamin’ny faminaniana notononiny teo amin’ny farafara hahafatesany, dia nilaza mialoha i Jakoba fa hiseho ao amin’ny taranak’i Joda ilay Taranaka nampanantenaina. Raha nanondro an’io Taranaka io tamin’ny anarana ara-panoharana hoe “Silo” izy, dia izao no teny nanampiny: “Ka hanoa Azy ny firenena.” Araka ny fandikan-teny grikan’ny Septante, Silo dia “handrasan’ireo firenena”. (Genesisy 49:10.) Ireo “firenena” àry dia tokony hiandry ny fahatongavan’i Silo, indrindra fa satria Jehovah nampanantena an’i Abrahama, raiben’i Jakoba, hoe: “Ary amin’ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany.” (Genesisy 22:18). Alohan’izay anefa, io taranaka io, ny Mesia na “Silo”, dia tokony hiseho eto an-tany eo amin’ireo taranak’i Abrahama sy ao anatin’ny fokon’i Joda.

Jiosy malina

3. Inona no lazain’i Lioka momba ny fiandrasan’ny Jiosy tamin’ny taona 29? Moa ve ny tantara manamarina ny fanambarana ataony?

3 Lioka, mpanoratra tantara jiosy, dia nanamarina fa “tamin’ny taona fahadimy ambin’ny folo nanjakan’i Tiberio Kaisara” — tamin’ny taona 29 amin’ny fanisan-taona iraisana — dia “niandry ny olona, ka samy nisaina an’i Jaona [Mpanao batisa] tam-pony, na izy no Kristy, na tsia [Mâshiah na Mesia amin’ny teny grika].” (Lioka 3:1, 15). Moa ve ny tantara tsy ara-pivavahana manamafy ny fanambaran’i Lioka? Ao amin’ny fanontana vaovao amin’ny teny anglisy ny bokiny mitondra ny lohateny hoe Tantaran’ny firenena jiosy tamin’ny andron’i Jesosy Kristy, dia nametraka izao fanontaniana izao i Emil Schürer: “Naharitra teo anivon’ilay firenena ve izany fanantenana izany [ny fiandrasana ny Mesia]?” Izao no valinteniny: “Tao anatin’ireo taonjato nialoha ny fanombohan’ny kristianisma, ary indrindra fa tamin’ny taonjato 1 taorian’i J.K., dia nanjary velona tokoa indray izany, araka ny voaporofo mafy amin’ny “pseudépigraphes” [apokalypsy jiosy], ny soratr’i Qumrân [fikambanana iray niorim-ponenana teo akaikin’ny ranomasina Maty], Josèphe sy ireo Filazantsara (...). Ireo fahitana ao amin’ny bokin’i Daniela (...) dia nampihatra fitaomana lehibe teo amin’ny famolavolana ny fihetseham-po ny amin’ny Mesia.”

4, 5. a) Nahoana moa ny Jiosy no niandry ny Mesia tamin’izany fotoana izany? Inona no manamafy izany? b) Karazana Mesia inona no nantenain’ny Jiosy maro? Iza no nampiomanin’i Jehovah ny amin’ny fahatongavan’ny tena Mesia?

4 Ny amin’ny Matio 2:2, dia nanoratra toy izao ny mpandinika Baiboly iray: “Tamin’izany fotoana izany, ny ankamaroan’olona dia nino mafy fa hisy olona hiavaka hipoitra tany Jodia. Tsy andrin’ny Jiosy izay hahatongavan’ny Mesia. Tamin’ny fanisana ny vanim-potoana voalazalaza ao amin’ny Daniela (toko faha-ix. 25-27), dia takatr’izy ireo fa tonga ny ora fisehoany.” Raha ny amin’ireo mpanoratra tantara, dia tsara ny manamarika fa Suétone sy Tacite Romana tahaka an’i Josèphe sy Philon Jiosy dia mitantara ny amin’izany fiandrasana izany. Manamafy izany ny Boky fianarana Baiboly nataon’i Bacuez sy Vigouroux (boky faha-3, pejy faha-266 [fanontana tamin’ny 1912]) ka manampy teny hoe: “Fantatra fa nadiva ho tapitra ireo herinandro taona noferan’i Daniela, ka tsy nisy gaga nandre an’i Jaona Mpanao batisa nanambara fa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra.”

5 Manana porofo ara-tantara àry isika fa nanantena ny fahatongavan’ny Mesia, dia ny Taranaka nampanantenaina, ny Jiosy, ary izany dia satria izy ireo nandinika ny fahatanterahan’ny faminaniana iray ara-pandaharan-taonaa (Daniela 9:24-27). Marina fa tamin’ny taonjato voalohany, ny ankamaroan’ny Isiraelita niely patrana tany amin’ireo antoko maro karazana amin’ny jodaisma dia naka sary an-tsaina ny amin’ny Mesia ara-politika iray izay, raha raisina ny fitenenana nampiasain’ny “encyclopédie” jiosy iray (The Concise Jewish Encyclopedia), “dia handringana ireo fahavalon’ny Isiraely mba hanorenana fotoam-piadanana sy fahatanterahana”. Nisy sisa tamin’ny Jiosy, nahatoky anefa nanantena ny fahatongavan’ny tena Mesia. Anisan’izy ireny Zakaria sy Elizabeta, ray aman-drenin’i Jaona Mpanao batisa, mbamin’i Simeona sy Ana, Josefa sy Maria (Matio 1:18-21; Lioka 1:5-17, 30, 31, 46, 54, 55; 2:25, 26, 36-38). Ho azy ireo, fa tsy ho an’ireo mpanao raharaha ambony tao amin’ny jodaisma, no nanatanterahan’i Jehovah, “rehefa tonga ny fotoan’andro”, izay nambaran’ny faminanian’i Daniela ara-pandaharan-taona: ny fahatongavan’ny Mesia, dia ilay Taranaka nampanantenaina. — Galatiana 4:4.

Ny fiambenan’ireo kristiana voalohany

6. Tao anatin’ny rivo-piainana nanao ahoana moa no nitaizana ny ankizy jiosy? Ahoana no nanampian’izany fanabeazana izany ny sasany ho tonga mpianatr’i Jesosy?

6 Fantatr’i Josefa sy Maria tsara fa ho tonga Mesia i Jesosy, ilay zazalahy notezain’izy ireo. Ny amin’ny fahazazany, dia izao no ambaran’ny Nouvelle encyclopédie britannique: “Tena nitombo tokoa i Jesosy tao anatin’ny rivo-piainana feno fitiavam-pivavahana notanana tao an-trano sy tany amin’ny synagoga tamin’ny alalan’ny fianarana ny Baiboly, ny fanarahana ny Lalàna, ny vavaka sy ny fiandrasana ny Mesia.” Nisy ankizy hafa koa notezaina tao anatin’ireo fianakaviana nahatoky tao amin’ny firenena, namelomana fanantenana mesianika toy izany, ka izany dia nahatonga ny sasany taminy, fara faharatsiny, hamaly avy hatrany ny fanasan’i Jesosy rehefa nanipy hevitra ny hanarahan’izy ireo ny tenany i Jesosy. — Marka 1:17-20; Jaona 1:35-37, 43, 49.

7. a) Moa ve Jesosy nampianatra fa tao amin’ny kristiana tsirairay avy ilay Fanjakana? b) Inona no tsy maintsy nandrasan’ny kristiana?

7 Tany amin’ny faramparan’ny fanompoany teto an-tany, dia nandidy ny mpianany i Jesosy mba hitsinjo ny ‘fanatrehany’ ho avy sy ny fahatongavan’ny Fanjakany. Ny amin’izany, dia nanao izao fanamarihana manaraka izao ny Encyclopédie britannique: “Ireo foto-kevitra lehibe mahazatra ny amin’ny fahataperan’izao tontolo izao, ny fitsarana farany sy ny fandaharan-javatra vaovao eo ambany fanapahan’Andriamanitra dia hita tao amin’ireo tenin’i Jesosy notehirizina tamin’ny lovantsofin’ny Filazantsara. Hita àry fa Jesosy dia tsy nanova velively ny Fanjakan’ny lanitra ho zavatra tsapan’ny fanahy ara-pivavahana sy manokana fotsiny. Ny fiandrasana “eschatologique” nataon’ny Jiosy [fiandrasana ny ‘tena farany’ ho an’ny olombelona sy izao tontolo izao] dia tsy nomeny koa heviny hoe fivoarana misy ao anatin’izao tontolo izao na zava-kendrena mety ho tratran’ny olombelona amin’ny alalan’ny fiezahan’ny tenany (...). Tsy notohanany na namporisihany ny fiandrasana mesiam-pirenena iray (...). Vao mainka tsy notohanany koa ny nataon’ireo antokon’ny Jiosy tany Jerosalema tamin’ny andron’i Titus izay nikendry ny hanafaingana ny fahatongavan’ny Fanjakan’ Andriamanitra.” Tsy izany no nataony fa nomeny ho an’ny mpianany ny famantarana misy zavatra maro loha izay hahatonga azy ireo ho afaka hahafantatra ny fahantomoran’ny fandravana an’i Jerosalema aloha, avy eo, any aoriana lavitra, dia hahafantatra ny ‘fanatrehany’ sy ny ‘fifaranan’ny fandehan-javatra’. — Matio 24:3 ka hatramin’ny 25:46; Lioka 21:20-22.

8. Ahoana no ahafantarantsika fa tsy nino ny fahantomoran’ny fandraisany fiandrianana i Jesosy? Noho izany, inona no torohevitra nomeny an’ireo mpianany?

8 Araka ny filazan’ny milaza ho malala-tsaina, sy ny teolojiana sasany ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana koa aza, ireo kristiana voalohany dia toa hoe nieritreritra fa ny “parousie” na fanatrehan’i Kristy dia tokony hitranga amin’ny andron’izy ireo. Araka ny filazan’ny sasany, ny tenan’i Jesosy koa aza dia toa hoe nino fa hiverina tsy ho ela ao amin’ny Fanjakany. Araka ny nolazainy mazava anefa tao amin’ny fanoharana nataony momba ny talenta sy ny farantsa, dia “ela” vao ho tafaverina izy, mitafy ny fahefana hanjaka, mba hanadina ireo mpanompo nanankinany ny fananany (Matio 25:14, 19; Lioka 19:11, 12, 15). Afa-tsy izany koa, tao amin’ny faminaniana ny amin’ny ‘famantarana ny fanatrehany sy ny fifaranan’ny fandehan-javatra’, dia niaiky i Jesosy fa tsy nisy nahalala ny “andro” sy ny “ora” hahatongavan’ny farany ‘na ny anjelin’ny lanitra, na ny Zanaka, afa-tsy ny Ray ihany.’ Rehefa avy eo dia nampiany hoe: “Koa amin’izany miambena hianareo; fa tsy fantatrareo izay andro hihavian’ny Tomponareo.” — Matio 24:3, 14, 36, 42.

9. Moa ve ny apostoly Paoly nampahafantatra fa hitany ho antomotra ny fanatrehan’i Kristy? Hazavao.

9 Fa raha ny amin’ny hahafantarana raha nihevitra ny fanatrehan’i Kristy ho antomotra na tsia ireo kristiana voalohany, dia izao no azo novakina tao amin’ny boky iray nosoratan’olo-mahayb: “Tsy hoe tsy azo lavina velively ny fanaporofoan-kevitra natao hanamarinana fa niandry ny ‘parousie’ ho tonga tsy ho ela i Paoly rehefa nanoratra ny I Tes[aloniana]. Ao amin’ny I Tes. 5:10 ilay apostoly dia efa manaiky ny mety hahafatesany. Etsy andaniny koa, rehefa nilaza izy hoe ‘isika’ ao amin’ny I Tes. 4:15 sy 17 dia tena mety ho nampitaha tena tamin’ny taranaka farany izy nefa tsy nino fa tena anisany.” Tao amin’ny taratasiny faharoa ho an’i Timoty, dia nanantitrantitra tsy nisy fihambahambana i Paoly fa tsy nanantena hahazo ny valisoany talohan’izay “andro izay”, dia ilay ‘hisehoan’i’ Kristy mba “hitsara ny velona sy ny maty” izy. — II Timoty 4:1, 8.

10. Tamin’ny taonjato voalohany, ahoana moa no namonjen’ny fiambenan’ireo kristiana tany Jodia ny ainy?

10 Teo am-piandrasana ny fanatrehan’i Jesosy Kristy sy ny fahatongavan’ny Fanjakany, ireo mpianatra dia tokony hiambina hatrany. Noho izany fiambenana izany no nahatonga an’ireo kristiana tany Jodia ho afaka hahafantatra ny famantarana nomen’i Jesosy azy ireo mba hampiomanana azy ny amin’ny handravana an’i Jerosalema (Lioka 21:20-24). Rehefa nanao fahirano ny tanàna i Cestius Gallus tamin’ny taona 66, ireo mpianatra izay nitandrina tsara dia vonona ny hanararaotra ny nialany tsy nampoizina sady tsy hay hazavaina, mba handosirana ilay tanàna sy ny tapany sisa tamin’i Jodia. Raha inoana ny voalazan’i Hégésippe, Eusèbe sy Epiphane, mpanoratra tantara tamin’ny andron’ny Fiangonana voalohany, ireo kristiana tany Jodia dia niery tany Pela, teny ampitan’i Jordana. Raha tsy nifoha toy izany teo amin’ny lafiny ara-panahy izy ireo, dia ho namoy ny ainy na ny fahafahany tamin’ny 70, rehefa niverina teo ambany fitarihan’ny jeneraly Titus ny tafika romana mba handrava an’i Jerosalema. Tsy ilaina intsony ny milaza fa tsy maintsy ho nidera tena izy ireo satria niambina hatrany!

Ny fiandrasana kristiana taorian’ny 70

11, 12. Inona no fihetsika tsy maintsy narahin’ireo kristiana taorian’ny nandravana an’i Jerosalema tamin’ny taona 70? Hiaro azy ireo amin’inona izany fihetsika izany?

11 Koa satria ny fanatrehan’i Jesosy tsy tokony hanomboka raha tsy rehefa afaka “ela”, hanao ahoana ny fihetsiky ny kristiana marina ao anatin’ireo taonjato hanomboka tamin’ny taona 70 ka hatreo amin’ny andro farany? Tokony hihamangatsiaka ve ny fiandrasan’izy ireo, ka ho toy ny hoe “mamanala”? Tsy izany velively. Ireo taratasy telo nosoratan’i Jaona sy ny Apokalypsy (na Fanambarana) dia nosoratana taorian’ny taona 70. Ao amin’ny taratasiny voalohany, i Jaona dia mampitandrina an’ireo mpamaky azy amin’ny “antikristy” ka manoro hevitra an’ireo rahalahiny kristiana mba hikambana hatrany amin’i Jesosy eo am-piandrasana ny “fanatrehany” sy ny fisehoany (I Jaona 2:18, 28; 3:2). Tao amin’ny tsirairay avy tamin’ireo taratasiny, dia nanala sarona ireo mpivadi-pinoana i Jaona. Fa raha ny amin’ny Apokalypsy, manomboka amin’ny voalohany ka hatramin’ny farany, dia ambarany ny fahatongavan’i Kristy ao amin’ny voninahitry ny Fanjakany. Ny andinin-teny mialoha ny farany nosoratany dia mirakitra izao antso izao: “Amena. Avia, Jesosy Tompo!” — Apokalypsy 22:20.

12 Zava-dehibe ny hibanjinan’ny mpianatra hatrany ny “parousie”. Isan’andro isan’andro izy ireo dia tokony hiaina amin’ny fiandrasana ny ‘fanatrehan’i Kristy’. Nanoratra toy izao momba izany i Ernst Benz, mpampianatra momba ny tantara ara-pivavahana: “Noho ny fandodonany, ny ‘tena farany’ dia zavatra voalohany nitana ny sain’ireo olo-nahatoky tao amin’ny Fiangonana voalohany. Ny fototry ny finoana sy ny fanantenan’ny kristiana mihitsy dia tao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra, izay mbola vao ho avy tamin’izay.” Na dia tsy naorina tamin’ny andro nahaveloman’izy ireo aza io Fanjakana io, ny tombontsoa tamin’ny fiandrasan’izy ireo dia ny fiarovana azy tamin’ny fatoritoriana ara-panahy sy ny fanintonan’izao tontolo izao tarihin’i Satana. — I Jaona 2:15-17.

13, 14. Inona moa ireo hevitra roa nifanalavitra indrindra teo amin’ireo kristiana nivadika tamin’ny taonjato faha-2 sy faha-3?

13 Marina fa noho ny fivadiham-pinoana nanaraka ny nahafatesan’ireo apostoly, dia mihoatra ny iray no namorona hevi-diso ny amin’ny fahantomoran’ny fahatongavan’i Kristy mba hanjaka. Tao amin’ny bokiny hoe Ny Fiangonana voalohany sy izao tontolo izao (anglisy), C. Cadoux dia nanao izao fanamarihana izao: “Irénée [taonjato faha-2] sy Hippolyte [faran’ny faha-2 sy fiandohan’ny taonjato faha-3] dia samy nino fa azo natao ny nanisa mazavazava ihany ny fotoan’ny farany.” Nifototra tamin’ny fandaharan-taona tsy tsara, dia nisy nanohana tamin’izany fa nadiva ho tapitra ny 6 000 taonan’ny tantaran’olombelona ka akaiky ny fanombohan’ny arivo taona fahafito. Miharihary fa diso hevitra izy ireo. Nanandrana nifoha ara-panahy foana anefa izy ireny.

14 Ny ankamaroan’ny mpivadi-pinoana kosa anefa dia tsy nahatsapa mihitsy intsony ny fandodonan’ny fotoana, ka dia nitsahatra tsotra izao tsy niandry ilay Fanjakana. Manazava toy izao ny boky nosoratan’olo-mahay iray (Theological Dictionary of the New Testament): “Noho ny herin’ny [filozofia] metafizika nataon’i Platon sy ny fahalalana ara-pitondrantena nampianarin’ireo stoisiana, ireo mpanao fanamarinana [ireo ‘Rain’ny’ Eglizy tamin’ny taonjato faha-2 sy ny fiandohan’ny taonjato faha-3] dia tsy nampiasa betsaka ny hevitra ny amin’ny fanjakan’Andriamanitra. Raha misy fahalalana momba ny tena faran’ny olombelona nananany, izany dia nahakasika indrindra ny fahatanterahan’ny kristiana isam-batan’olona (...). Ny hevitra grika momba ny tsy fahafatesana, ny fiainana mandrakizay sy ny fahalalana dia naka ny toeran’ny fampianarana araka ny Soratra Masina [ny amin’ny fanjakan’Andriamanitra] (...). Toy izany koa, teo amin’i Origène [tany amin’ny 185-254] dia saika tsy hita tanteraka ny hafatra araka ny Baiboly momba ny fanjakan’Andriamanitra.”

15. Rehefa nitombo ny fivadiham-pinoana, inona no fihetsika narahin’ireo Fiangonana voaorina teo anoloan’ny fampianarana momba ny “tena farany ho an’ny olombelona sy izao tontolo izao”?

15 Izany àry no fihetsika nanjaka tao anatin’ireo taonjato, saika tany amin’ireo Fiangonana lazaina fa kristiana rehetra. Izao no azo vakina momba izany ao amin’ny Encyclopédie britannique: “Nanomboka tamin’ny emperora Constantin (maty tamin’ny 337, ny fanekena ara-politika azon’ny kristianisma dia nadika ho fahatanterahan’ny fanantenana napetraka amin’ny Fanjakan’i Kristy. Ny fahalalana momba ny tena faran’ny olombelona ara-nofo dia naharitra tao amin’ireo antokom-pivavahana miafina na voarara.” “Ireo Fiangonana kristiana voaorina dia nanafoana ny fahalalana momba ny tena faran’ny olombelona, izay heveriny ho tafahoatra na tsy misy heviny mihitsy.” “Talohan’ny fanitsiana tamin’ny taonjato faha-16, dia nisy antokon’olona nanohitra ny finoana (...) niampanga ny Eglizy romana ho tsy manaraka ny zavatra nantenainy voalohany momba ny olombelona ny amin’ny farany antomotra.”

‘Sambatra izay miambina hatrany’

16. Karazam-pihetsiketsehana inona no niseho tamin’ny taonjato faha-19? Inona no ninoan’ny sasany tamin’izy ireny?

16 Koa satria “ireo Fiangonana kristiana voaorina” nitsahatra tsy niandry ny fandraisan’i Kristy ny fiandrianana sy ny fanatrehany, dia ireo antokon’olona noheverin’izy ireo ho “manohitra ny finoana” no niandraikitra ny fanaovana izany. Tamin’ny taonjato faha-19, dia fikambanana maromaro karazan’izany no niseho tany amin’ireo tany nananan’ny olona ny Baiboly sy ny fomba handalinana izany. Ireo Fiangonana lehibe izay nihevitra fa ny fianarana rehetra ny amin’ny “tena farany ho an’ny olombelona sy izao tontolo izao” dia “tsy dia ilaina loatra” hatramin’ny ela be, dia tsy nanafina ny fanamavoany ireny fihetsiketsehana ireny, ka nilaza azy ho advantista na milenarista satria izy ireny nihevitra ny fahatongavan’i Kristy fanindroany (“advent” amin’ny teny anglisy) na nino fa hanjaka arivo taona izy io. Ny ankamaroan’ireny antokon’olona ireny dia niaiky fa hiverina eto an-tany i Jesosy mba hanorina indray eo ny fanjakany arivo taona. Tamin’izany ny fahatongavan’i Kristy fanindroany no tokony hitranga tamin’ny 1835 araka ny fanisan’ny irivingiana any Angletera, tamin’ny 1836 ho an’ireo mpianatr’i Bengel alemana, tamin’ny 1948 ho an’ireo mpiandany amin’i Miller amerikana sy tamin’ny 1889 ho an’ny antokon’ny menonita any Rosia.

17, 18. Nanao ahoana ny fihetsik’ireo Fiangonana voaorina? Inona no hotadiavin’i Jesosy rehefa ‘ho tonga’ izy?

17 Mazava ho azy fa “ireo Fiangonana kristiana voaorina” dia faly rehefa niharihary fa diso izany fanombantombanana izany. Raha ny marina, dia tsy mety hanao izany karazam-pahadisoana izany ireo Fiangonana katolika sy ortodoksa sy ireo finoana protestanta lehibe indrindra. Ho azy ireny, izay rehetra mety ho fampianarana ny amin’ny “tena farany ho an’ny olombelona sy izao tontolo izao” dia “tsy dia ilaina loatra”. Hatramin’ny ela izy ireo no niala tamin’ny ‘fiambenana hatrany’. — Marka 13:37, MN.

18 Nilaza toy izao tamin’ireo mpianany anefa i Jesosy: “Sambatra ny mpanompo izay ho hitan’ny tompony miambina, raha avy izy. (...) Iza moa no mpitandrin-draharaha mahatoky sy manan-tsaina, izay hotendren’ny tompony hifehy ny mpanompony mba hanome azy anjara hanina amin’ny fotoana? Sambatra ny mpanompo izay ho hitan’ny tompony fa, indreo, manao toy izany, raha avy izy.” — Lioka 12:37-43.

19, 20. a) Antokon’olona inona no niseho tao anatin’ireo taona 1870? Nahoana izy io no nisaraka tamin’ny hafa? b) Hatramin’izay, inona no fiasany ara-dalàna? Ahoana no nanampian’io gazety io kristiana marina mitombo isa hatrany?

19 Amin’ireo antokon’olona lazaina hoe “manohitra ny finoana” izay nandinika ny famantarana ny fiverenan’i Kristy tao anatin’ny ampahatelony farany amin’ny taonjato faha-19, dia tao ny fikambanana nianatra ny Baiboly notarihin’i Charles Russel tany Pittsburgh, any Etazonia. Hanoratra toy izao i Russel: “Ireo taona 1870 ka hatramin’ny 1875 dia voamariky ny fandrosoana mandrakariva tamin’ny fahasoavana, ny fahalalana sy ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny Teniny (...). Tamin’izany fotoana izany anefa dia vao nanomboka nahita fotsiny ireo ambangovangony amin’ny planin’Andriamanitra izahay ka nanadino fahadisoan-kevitra maro nifikiranay hatramin’ny ela be tokoa (...). Nampalahelo anay mafy ny fahadisoan-kevitry ny advantista izay nanantena ny hiverenan’i Kristy ao amin’ny nofo.”

20 Takatr’i Russel sy ireo namany haingana dia haingana fa tsy ho hita maso ny fanatrehan’i Kristy. Nisaraka tamin’ny fihetsiketsehana hafa rehetra àry izy ireo. Tamin’ny 1879 izy ireo dia nanomboka nampiely nanodidina azy ny sakafo ara-panahy tamin’ny famoahana ilay revio nitondra ny anarana hoe Ny Fanilon’ny Tilikambon’i Ziona, Mpitondra hafatra momba ny fanatrehan’i Kristy. Raha vao tamin’ny taona voalohany nivoahany, tamin’ny alalan’ny fanisana niorina mafy tamin’ny fandaharan-taonan’ny Soratra masina, io gazety io dia nampiseho ny 1914 ho daty voamarika. Rehefa tena nanomboka tokoa àry ny fanatrehan’i Kristy tsy hita maso, tamin’ny 1914, ireny kristiana ireny dia nifaly aoka izany hita ho ‘teo am-piambenana’. Hatramin’ny taonjato iray mahery izay, io gazety voatonona eo aloha io, izay mitondra ankehitriny ny anarana hoe Ny Tilikambo Fiambenana manambara ny Fanjakan’i Jehovah, dia nanampy kristiana marina betsaka kokoa hatrany ‘hanohy hiambina’ sy ‘hifoha’. (Marka 13:33.) Ho hitantsika hoe amin’ny fomba ahoana ao amin’ny lahatsoratra manaraka.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Hahita fandinihana amin’ny antsipiriany kokoa an’io faminaniana ara-pandaharan-taona io ianao ao amin’ilay boky hoe “Que ton royaume vienne!”, pejy faha-57 ka hatramin’ny faha-66.

b The New International Dictionary of New Testament Theology, boky II, pejy faha-923.

Aoka hofintinintsika

◻ Ahoana no ahafantarantsika fa niandry ny Mesia ny Jiosy tamin’ny taonjato voalohany?

◻ Tamin’ny ahoana moa ny fiambenana no nilain’ireo kristiana tany Jodia?

◻ Inona moa no vokatry ny fivadiham-pinoana teo amin’ny fiandrasana kristiana ny farany?

◻ Karazana mpanompo manao ahoana no hotadiavin’i Jesosy rehefa manatona ny farany?

◻ Iza moa no antokon’olona kristiana nahafeno izany fepetra izany? Gazety inona no nampiasain’izy ireo?

[Sary, pejy 24]

Niseho ho niambina foana ny mpampanonta an’io gazety io.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara