Ny Noely sy ny zavatra mahasodoka aminy
“NY ANARANA hoe Noely mihitsy dia toa ara-majika”, hoy ny nosoratan’i Charles Dickens tao anatin’ny fahatanorany. “Mampanadino ny fialonana sy ny tsy fifanarahana tsy mendrika indrindra izy io (...). Raha mba nety haharitra nandritra ny taona mantsy ny Noely!” Ny zavatra rehetra dia mahatonga hino fa nahaliana an’i Dickens ny Noely. Ny marina dia ny nampitany izany firehetam-pony izany tamin’ny olona an-tapitrisany maro tao amin’ny boky toy ny Contes de Noël. Ny omalin’ny andro fahatsiarovana ny Nahaterahana, dia misy fianakaviana miteny anglisy mamaky mafy foana ny Hiran’ny Noely (Franklin Roosevelt, prezidàn’i Etazonia koa aza dia toa hoe nanaraka izany lovantsofina izany). Rehefa ren’ny zazalahy kely iray fa maty i Charles Dickens, dia nihiaka toy izao izy: “Maty hoe Dickens a? Ho faty koa izany i Dadabe Noely?” Mbola velona ihany tokoa ao an-tsaina sy ao am-pon’ny ankizy maro be anefa i Dadabe Noely.
Tsy ny ankizy ihany anefa no sodokan’ny zavatra mahafinaritra amin’ny Noely, tsy izany velively. Tamin’ny 1937, tany Aostralia, ny lehilahy be fahefana iray dia nihetsi-po mafy tamin’izay hitany avy eo am-baravarankeliny nivoha tamin’ny alin’ny Noely. Tany ivelany, dia nipetraka ny anti-bavy iray, nitana labozia teny an-tanany, teo akaikin’ny radiao iray izay nandefa malefaka hiran’ny Noely. Ny taona nanaraka, io lehilahy io dia nandamina fihaonambe teny ankalamanjana izay nomeny ny anarana hoe “Noely miaraka amin’ny labozia”. Koa satria nety tsara tamin’ny takarivan-dohataona any atsimo izany, tsy ela izy io dia nanjary be mpanaraka tokoa. Amin’izao fotoana izao, any amin’ny tany rehetra ny olona dia mivory, mampirehitra labozia sy mihira ho fankalazana ny Noely.
Nanjary nalaza indrindra i François d’Assise tamin’ny naha-mpiaro ny Noely azy. Tamin’ny 1224 izy dia nankalaza ny fotoam-pivavahana amin’ny fahatsiarovana ny Nahaterahana teo anilan’ny fihinanam-bilona iray, teo akaikin’ny omby iray sy boriky iray. Koa satria nahafaly ny ankamaroan’ny tantsaha izany fisehoan-javatra izany, tsy ela dia niely izany. Avy amin’izany no nipoiran’ny fihinanam-bilona mbola aseho ihany ao amin’ny tokantrano sy eglizy katolika maro. Tao amin’ny eglizin’i Aracoeli, tany Roma, ny anankiray tamin’ireny fihinanam-bilona ireny aza dia nisy zaza vao teraka niravaka volamena sy vatosoa. Nisy vehivavy nitondra ny zanany tany mba haneho mari-panajana an’ilay “zaza andriamanitra”. Miavosa eo anilan’io sary io ny taratasy nosoratan’olona avy any amin’ny tany rehetra noho ny fanantenana ny hahazo fanampiana na fahagagana.
Tamin’ny 1841 ny printsy Albert (Alemana) sy ny vadiny, ny mpanjakavavy Victoria, no nampiely ny fanao ny amin’ny hazo Noely tany Angletera. Tsy ela ny Weihnachtsbaum alemana dia nahazo ny fankasitrahan’ny Britanika. Taty aoriana, ny mpitondra fivavahana anglikana roa dia nanipy hevitra mba hametrahana hazo Noely sy fihinanam-bilona iray tao amin’ny katedralin’i Saint-Paul, any Londres. Koa satria ny sasany nanohitra izany volavolan-kevitra izany, dia nanapaka ny fiadian-kevitra izany, dia nanapaka ny fiadian-kevitra ny mpanjaka George V tamin’ny fanekena hanolotra “sapins” roa ho an’ny katedraly. Hatramin’izay, dia mandravaka tsy tapaka an’io trano io ny fihinanam-bilona sy ny hazo Noely amin’ny volana desambra. Nanaraka an’ireo famantarana ireo koa ny fiangonana protestanta hafa.
Tsy mitovy arakaraka ny tany ny fanao amin’ny Noely. Ny hita foana dia hoe amin’ny fahazavany sy ny hazony maitso, ny fihinanam-bilony sy ny hirany, ny fiaretany tory sy ny fanomezany, io fety io dia misy zavatra mahafinaritra hitan’ny maro ho tsy hay toherina. “Iza no ankizy tsy mihevitra ny Noely ho ny andro tsara indrindra ao anatin’ny taona?”, hoy ny fanontanian’i J. Pimlott mpanoratra tantara. Koa raha ankasitrahan’ny olona be dia be toy izany ny Noely, nahoana no ampahatsiahivina ny loza entiny? Satria mahavery hevitra ny tena fiandohany ary matetika no mampidi-doza ny vokany. Ahoana izany?