FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w85 15/3 p. 8-9
  • Nifikitra tamin’ny vahoakan’Andriamanitra i Rota

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nifikitra tamin’ny vahoakan’Andriamanitra i Rota
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • Mitovitovy Aminy
  • “Izay Alehanao no Halehako”
    Tahafo ny Finoan’izy Ireo
  • “Izay Alehanao no Halehako”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
  • Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’i Rota
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
  • Rota sy Naomy
    Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
w85 15/3 p. 8-9

Velona ny Tenin’Andriamanitra

Nifikitra tamin’ny vahoakan’Andriamanitra i Rota

NY ZAZAVAVY nahafatifaty hitanao eto dia antsoina hoe Rota. Nonina tany amin’ny tany Moaba izy, tany atsinanan’ny ranomasina Maty. Na dia notezaina teo amin’ny Moabita izay nivavaka tamin’ny andriamanitra sandoka aza izy dia vonona ny hanompo ilay Andriamanitra marina, dia Jehovah, teo anilan’ny Isiraelita (Nomery 25:1-5). Rehefa hisy fahafahana nomena azy, dia hohararaotiny amin-kafanam-po izany ka hahatonga azy ho tian’ireo mpivavaka amin’i Jehovah. Araka ny fiaiken’ireo, dia “vehivavy tsara” izy io. — Rota 3:11.

Matoa i Rota notolorana fahafahana hanompo an’i Jehovah, dia noho ny mosary namely teo amin’ny Isiraely. Noho ny mosary tokoa, dia nandao an’i Betlehema ny olona efatra mba hanorim-ponenana tany Moaba. Izany dia ilay fianakaviana aseho eto amin’ny sary: Elimeleka, Naomy vadiny sy Malona ary Kiliona zanany lahy. Fotoana fohy taty aoriana dia maty Elimeleka. Taty aoriana i Malona dia nanambady an-dRota, fa Kiliona kosa nanambady vehivavy Moabita hafa iray nantsoina hoe Orpa. Noho ny vadiny sy ny rafozambaviny mpivavaka tamin’i Jehovah, dia tonga tamin’ny fahalalana an’ilay Andriamanitra marina i Rota.

Mampalahelo anefa fa rehefa afaka fotoana kelikely taty aoriana, dia maty koa i Malona sy Kiliona, ka namela vehivavy mpitondrantena tsy nanana vady na zanaka. Tsy ilaina ny milazalaza aminao ny alahelo nameno ireo vehivavy ireo. Inona no hataon’izy ireo? Ren’i Naomy fa nitsahatra ny mosary teo amin’ny Isiraely; Koa nanapa-kevitra izy ny hiverina tany amin’ny havany, tany Betlehema. Tia aoka izany an’ilay rafozambaviny Rota sy Orpa ka naniry hiaraka taminy. Rehefa avy nandeha kelikely niaraka tamin’izy ireo anefa i Naomy dia nitodika mba hilaza tamin’izy ireo hoe: ‘Ankehitriny, modia any an-tranonareo, ka mijanòna miaraka amin-dreninareo.’

Taorian’izany dia nanoroka azy ireo izy ka nanao veloma azy. Nitomany i Rota sy Orpa. “Hiara-miverina aminao tokoa izahay, hoy izy ireo nanohitra sady nifokofoko, ho any amin’ny firenenao.” Nandodona azy ireo anefa i Naomy: ‘Mandehana, anaka, modia any an-tranonareo.’ Dia niverina i Orpa. Rota kosa dia tsy nety nandeha foana.

Nitodika tany aminy àry i Naomy ka nilaza taminy hoe: ‘Miangavy anao aho, miverena miaraka amin’ny rahavavinao mpitondratena.’ Namaly tamin’izao fitalahoana tamin-kafanam-po izao anefa i Rota: “Aza manery ahy handao anao sy hiala amin’ny fanarahana anao; fa izay alehanao no halehako ary izay itoeranao no hitoerako, ny firenenao no ho fireneko, ary ny Andriamanitrao no ho Andriamanitro.” (Rota 1:1-17). Hanaraka an’i Naomy hatramin’ny farany izy mba hampiray ny anjarany amin’ny an’ny Isiraely olon’Andriamanitra.

Ary ianao, moa ve ianao nianatra nahafantatra an’ilay Andriamanitra marina sy ny vahoaka mivavaka aminy? Raha izany no izy, enga anie ianao ho tapa-kevitra sahala amin-dRota hanohana amim-pahatokiana ireo mpanompon’i Jehovah!

[Sary, pejy 8]

(Jereo ny gazety)

RANOMASINA MATY

MOABA

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara