Ireo bokin’i Samoela roa na ny fanombohan’ny fiandrianana teo amin’ny Isiraely
“TSY MBOLA novakinareo va ny teny milaza ilay nataon’i Davida, raha noana izy mbamin’izay nanaraka azy, fa niditra tao an-tranon’Andriamanitra izy ka nandray ny mofo aseho ary nihinana sady nanome ho an’izay nanaraka azy koa, nefa mahadiso raha misy homana izany, afa-tsy ny mpisorona ihany?” (Lioka 6:3, 4). Tamin’ireo teny ireo no nampanginan’i Jesosy ny Fariseo izay niampanga an’ireo mpianany ho nandika ny sabata tamin’ny fiotazana salohim-bary vitsivitsy hohanina tamin’io andro io.
Misy fianarana hafa azontsika tsoahina avy amin’ireo tenin’i Kristy ireo anefa. Ny filazana ara-tantara momba an’i Davida sy ny “mofo aseho” na “voatokana” tokoa dia voasoratra ao amin’ny boky voalohany nosoratan’i Samoela (I Samoela 21:1-6). Tamin’ny fakana an’io andinin-teny io mba hamaliana fanoherana àry, dia nasehon’i Jesosy fa fantany tsara io tapany tamin’ny Soratra masina io, ka izany dia mahatonga antsika hieritreritra fa tena hahasoa antsika koa ny hifankazarana aminy. Marina tokoa fa ireo fanazavana aseho ao amin’ny bokin’i Samoela roa dia ho sarobidy amintsika toy ny naha-izany azy tamin’i Jesosy koa. — Romana 15:4.
Nefa ny amin’inona moa no resahin’ireo boky ireo? Milazalaza fiolahana eo amin’ny tantaran’ny olon’Andriamanitra izany. Hatreo ny Isiraelita dia notapahin’ny mpitsara. Ireo teny resahintsika anefa dia mitantara amintsika ny faran’io fotoana io sy ny fanombohan’ny fiandrianana teo amin’ny Isiraely. Feno fisehoan-javatra mahaliana aoka izany sy olona mahavariana ao. Ampihaoniny amintsika Samoela, mpitsara farany, Saoly sy Davida, ireo mpanjaka roa voalohany teo amin’ny Isiraely, sy endrika hafa maro be tsy hay hadinoina. Lazalazainy amintsika ny loza nahazo an’i Ely, ny fahendrena sy ny fahatakaran-javatra nasehon’i Abigaila, ny herim-po sy ny hatsaram-pon’i Jonatana; soritany amintsika ny amin’i Abisay sy Joaba, mpirahalahy izay ny heriny nampiasaina ho an’i Jehovah dia tsy nanam-paharoa toy ny fahasiahana sy fitiavana valifaty (Hebreo 11:32). Ambonin’izany, ireo boky roa ireo dia manambara fotopoto-pitsipika izay azo ekena foana sy mitantara fisehoan-javatra nisy akony maharitra teo amin’ny tantaran’ny vahoakan’Andriamanitra sy ny an’ny taranak’olombelona manontolo koa aza.
Tsy fahombiazan’ny mpanjaka iray
Saoly no lehilahy voalohany nohosoran’i Jehovah ho mpanjakan’ny Isiraely. Na dia tao aza ny fiaingana tsara, dia nisy toe-javatra niseho tsy niankinany tamin’ny Andriamaniny teo anoloan’ny fandrahonan’ny fanafihana nananontanona avy amin’ny Filistina. Koa nampahafantarin’i Samoela azy fa tsy handova ny fanjakany ireo zanany. Ary dia nampiany hoe: “Jehovah efa nitady lehilahy ho Azy araka ny fony, ary izay no voatendrin’i Jehovah ho mpanapaka ny olony.” (I Samoela 13:13, 14). Na dia izany aza, dia hijanona ho mpanjaka mandra-pahafatiny i Saoly.
Taty aoriana, io mpanjaka voalohany io dia nahazo baiko handamina fanafihana ho fanasaziana ny Amalekita. Tsy nampihatra tanteraka ireo toromarik’i Jehovah anefa izy, ka izany dia nahatonga azy hiharan’ny tsy fankasitrahany indray. Io zava-niseho io dia nitarika an’i Samoela hihiaka hoe: “Sitrak’i Jehovah moa ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hafa alatsa-dra mihoatra noho ny mihaino ny feon’i Jehovah? He ny manaraka no tsara noho ny fanatitra, ary ny mihaino no tsara noho ny saboran’ondrilahy.” (I Samoela 15:22). Mbola fotopoto-pitsipika lehibe ihany izany ho an’ireo izay voatendry hitondra olon-kafa ao amin’ny asan’i Jehovah. Koa satria tsy niseho ho nankatò i Saoly, dia nilaza taminy toy izao koa Samoela: “Satria nandà ny tenin’i Jehovah hianao, dia nolaviny tsy ho mpanjaka kosa.” (I Samoela 15:23). Hahariharin’i Saoly fa nanalavitra aoka izany ny fanompoam-pivavahana marina izy rehefa ho tonga hatramin’ny fanatonana olona manao azy ho tsindrian-javatra. — I Samoela 28:8-25.
Fanjakana nahomby
Davida, zanak’i Jese, dia handimby an’i Saoly eo amin’ny seza fiandrianan’ny Isiraely. Tsy hitovy amin’ilay teo alohany anefa izy. Fony mbola zatovo izy dia nanaporofo ny fitokisany an’i Jehovah tamin’ny famonoana Filistina goavana iray natao hoe Goliata. Na dia rehefa voatery handositra aza izy mba hanalavirana ny fitadiavan’i Saoly hamono azy noho ny fialonana, dia hanohy hankato an’i Jehovah amin’ny zavatra rehetra izy. Mihoatra ny indray mandeha izy dia hanana fahafahana hamono an’i Saoly, nefa tsy hanao izany izy. Handrasany ny fotoana noferan’i Jehovah mba hanomezana azy ny satroboninahitra. Tao anatin’izany vanim-potoana sarotra izany Ahimeleka mpisorona no nanome azy ny mofo aseho, fisehoan-javatra kely hampahatsiarovin’i Jesosy ao amin’ny resaka hifanaovany amin’ireo Fariseo.
Tamin’ny farany, dia maty i Saoly ary nanomboka nanjaka i Davida. Tamin’ny voalohany anefa, dia ny foko nisy azy, ny an’ny Joda ihany, no nanaiky azy. Ireo hafa dia niandany tamin’i Isiboseta, zanak’i Saoly faralahy. Tsy hitahiry lolompo mihitsy amin’ny rafiny anefa i Davida. Rehefa hisy hamono an’i Isiboseta, dia hovonoiny ireo mpamono azy. Toy izany koa, rehefa hisy hamono Abnera, mpitari-tafik’i Isiboseta, dia hanambara andro fisaonam-pirenena izy (II Samoela 3:31-34; 4:9-12). Ny fanetren-tena, ny faharetana, ny fandeferana ary ny fitokisana tamin’i Jehovah nasehon’i Davida dia ilain’ireo mpanompon’Andriamanitra amin’ny fotoana rehetra.
Ny “Zanak’i Davida”
Rehefa ho tonga mpanjaka eo amin’ny firenena manontolo i Davida amin’ny farany, ny anankiray amin’ireo faniriany voalohany indrindra dia ho ny hanorina fitoerana maharitra ho an’ny fiaran’ny fanekena izay mampiseho ny fanatrehan’i Jehovah teo amin’ny Isiraely. Tsy hanaiky izany i Jehovah, nefa ho fankasitrahana noho ny fahatokiany tsy nanam-paharoa, dia hanao fanekena miavaka aminy izy. Izao no hampanantenainy azy: “Ary ny taranakao sy ny fanjakanao hitoetra eo anatrehanao mandrakizay; ny seza fiandriananao hitoetra mandrakizay.” — II Samoela 7:16.
Tamin’izany no nahatongavan’i Davida ho masony anankiray amboniny tamin’ny fitohitohizan-taranaka tsy tapaka izay avy amin’i Adama, tamin’ny alalan’i Abrahama, Isaka, Jakoba sy Joda, dia hitarika ho amin’ilay Mesia nampanantenaina (Genesisy 3:15; 22:18; 26:4; 49:10). Rehefa hiseho àry io Mesia io, dia tokony ho taranak’i Davida. Hahafeno an’io fepetra io anefa i Jesosy, na amin’ny alalan’ny ray nitaiza azy na amin’ny alalan’ny reniny (Matio 1:1-16; Lioka 3:23-38). Noho izany antony izany no iantsoan’ireo Filazantsara azy matetika hoe “Zanak’i Davida”. — Marka 10:47, 48.
Tamin’ny naha-“Zanak’i Davida” ara-dalàna azy, dia mpandova azy koa i Jesosy. Fa inona no nolovainy avy aminy? Nanambara toy izao tamin’i Maria ny anjely Gabriela: “Izy [Jesosy] ho lehibe ka hatao hoe Zanaky ny Avo Indrindra; ary Jehovah Andriamanitra hanome Azy ny seza fiandrianan’i Davida rainy; ary hanjaka amin’ny taranak’i Jakoba mandrakizay Izy; ary ny fanjakany tsy hanam-pahataperana.” (Lioka 1:32, 33). Araka ny ampahafantarin’ny bokin’i Samoela faharoa antsika, dia nanakambana ny vahoakan’Andriamanitra i Davida mba hanaovana azy ho fanjakana tokana. Noho izany, Jesosy dia nandova avy taminy ny fiandrianana teo amin’ny Isiraely rehetra.
Ny bokin’i Samoela voalohany dia mitantara amintsika fanazavana hafa iray mendrika homarihina ny amin’i Davida. Izao tokoa no vakintsika: “Ary Davida dia zanak’ilay Efratita avy any Betlehema-joda atao hoe Jese.” (I Samoela 17:12). Mifono heviny mahaliana mihoatra noho ny ara-tantara fotsiny io fanambarana io, satria tamin’ny naha-“Zanak’i Davida azy, dia tokony ho teraka tao Betlehema koa ny Mesia. Porofon’izany izao faminaniana izao: “Fa hianao, ry Betlehema Efrata, izay kely tsy tokony ho isan’ny arivon’i Joda akory, dia avy ao aminao no hivoahan’Izay anankiray ho Mpanapaka ho Ahy ao amin’ny Isiraely; hatry ny fahagola no efa nivoahany, dia hatrizay hatrizay [hatramin’ny fotoan’andro tsy voafetra, MN].” (Mika 5:1). Mazava ho azy fa nahafeno koa io fepetra hafa notakina tamin’ny Mesia io Jesosy. — Matio 2:1, 5, 6.
Fisehoan-javatra nanova ny fandehan’ny Tantara
Tamin’ireo zavatra nalaza vitan’i Davida, dia be dia be no nisy vokany naharitra. Araka izany, Davida dia nanana tanàna nahabe kilaometatra vitsivitsy monja avy ao Jerosalema. Nandritra ny fahazazany, dia teo an-tanan’ny Jebosita ilay tanàna. Tsy isalasalana fa matetika izy no nijery tamim-pahatalanjonana an’ilay fiarovana mafy toa tsy azo noresena, nanerinerina teo amin’ny toerana marina sady mideza nantsoina hoe tendrombohitra Ziona. Nefa rehefa voatendry ho mpanjaka izy, dia tsy nandinika azy fotsiny intsony. Tao amin’ny fitantarana iray mahafinaritra, ny bokin’i Samoela faharoa dia milaza amintsika ny fomba nakany “ny batery fiarovana, dia Ziona (Tanànan’i Davida izany)”, na dia tao aza ny esoeson’ny Jebosita nonina tao (II Samoela 5:7). Tamin’izany Jerosalema no nipoitra teo anoloana amin’ny sehatra iraisam-pirenena, izay nisehoany ara-potoana hatramin’izay.
Tonga renivohitry ny fanjakan’i Davida tokoa io tanàna io. Nijanona ho ny an’ireo mpanjaka teto an-tany voatendrin’Andriamanitra nandritra ny an-jatony taona maromaro tokoa izany. Tamin’ny taonjato voalohany, Jesosy, “Zanak’i Davida”, dia nitory tao. Tao Jerosalema izy no niditra nitaingina boriky mba hiseho tamin’ny Jiosy ho mpanjakan’izy ireo (Matio 21:1-11, Mt 21:42 ka hatramin’ny 22:13; Jaona 7:14). Ary tany ivelan’ny vavahadin’i Jerosalema no nanomezany ny ainy ho an’ny taranak’olombelona, taorian’izany dia natsangana tamin’ny maty izy ary niakatra ho any an-danitra izay niandrasany tamim-paharetana, sahala amin’i Davida, ny hanomezan’i Jehovah baiko azy mba hanomboka hampihatra ny fahefany hanjaka. — Salamo 110:1; Asa. 2:23, 24, 32, 33; Hebreo 13:12.
Ny nanjakan’i Davida tany Jerosalema dia mampahatsiahy antsika fa ny taranany, Jesosy, dia manjaka koa any amin’ny Jerosalema iray, dia “Jerosalema any an-danitra”. (Hebreo 12:22.) Io Jerosalema io koa dia miorina eo amin’ny “tendrombohitra Ziona” iray, any an-danitra koa, ka izany dia mbola mahatonga antsika hieritreritra ny toerana marina be vatolampy nanorenana an’ilay Jerosalema fahiny. — Apokalypsy 14:1.
Teo amin’ny faramparan’ny andro nanjakany Davida dia nanao fanisana tsy ara-dalàna ilay firenena. Ho sazy, dia nandefasan’i Jehovah loza teo amin’ny Isiraely. Tamin’ny farany ilay anjely voatendry handringana dia nijanona teo akaikin’ny famoloan’ny Jebosita iray natao hoe Araona. Hividy an’io tany io i Davida ka hanorina alitara ho an’i Jehovah eo (II Samoela 24:17-25). Halaza koa izany fihetsehana izany. Io famoloana resahina io tokoa dia ho tonga toeran’ny tempolin’i Solomona, avy eo dia an’ny tempoly naorina indray. Mandritra ny taonjato maro io toerana io dia ho foibe maneran-tanin’ny fanompoam-pivavahana marina foana. Ny tenan’i Jesosy koa aza dia nitory tao amin’ny tempolin’i Heroda, izay naorina koa nanodidina an’ilay famoloan’i Araona taloha. — Jaona 7:14.
Araka izany àry, ny bokin’i Samoela roa dia mampahafantatra antsika olona tena nisy sy manazava fotopoto-pitsipika tena lehibe. Asehony antsika ny antony tsy nahombiazan’ny mpanjakan’ny Isiraely voalohany, fa ny faharoa kosa dia nahomby tamin’ny fomba niavaka tao amin’ny fanjakany, na dia tao aza ny fahadisoana maromaro nisy vokany lehibe. Izany dia mahatonga antsika ho afaka handinika akaiky ny anankiray amin’ireo fiolahana lehibe teo amin’ny Tantara: ny fiandohan’ny fiandrianan’olombelona teo anivon’ny vahoakan’Andriamanitra. Hitantsika ao Jerosalema tonga renivohitry ny fanjakana ary voamaritsika ny nividianana toerana izay foibe maneran-tanin’ny fanompoam-pivavahana marina nandritra ny taonjato maromaro. Afa-tsy izany koa, dia hitantsika ao ny anankiray amin’ireo famantarana lehibe indrindra mahatonga antsika ho afaka hamantatra ny Mesia, amin’ny fahafantarana fa ho “Zanak’i Davida” izy io.
Tsy azo lavina fa miavaka ireo boky ireo amin’ny lafiny maro. Tokony ho efa namaky azy ny kristiana rehetra.
[Efajoro, pejy 29]
‘Mitondra tena toy ny mpaminany’
Ahoana no tokony handraisana ny hevitry ny andinin-teny ao amin’ny Soratra masina manao hoe: “Ary tonga tao aminy [Saoly] koa ny Fanahin’Andriamanitra, dia nandroso izy sady naminany [nitondra tena toy ny mpaminany, MN ]”? — I Samoela 19:23.
Rehefa nampahafantatra ny hafatra nentiny ireo mpaminanin’i Jehovah, dia niresaka teo ambany herin’ny fanahy masina, izay ‘nameno hery’ azy ireny sy azo inoana fa nitarika azy hiteny tamim-pirehetana sy tanjaka tsy nanam-paharoa (Mika 3:8; Jeremia 20:9). Tsy isalasalana fa hafahafa, raha tsy tiana aza ny hilaza hoe tsy araka ny mety, tamin’ireo nahita maso izany. Rehefa voaporofo anefa fa avy tamin’i Jehovah ny hafatra nentin’izy ireo, ireo olona natahotra an’Andriamanitra dia nandray tsara izany. — Jereo II Mpanjaka 9:1-13.
Hita àry fa tamin’io fotoana io i Saoly dia nanomboka nanao zavatra tamin’ny fomba hafahafa, ka izany dia nampahatsiahy tamin’ireo nijery azy, ny fihetsiketsehan’ny mpaminany iray nadiva hampita hafatra iray avy tamin’i Jehovah. Tao anatin’ny toe-javatra toy izany izy no nanaisotra ny fitafiany sy nijanona nitanjaka nandritra ny alina (I Samoela 19:23, 24). Izany nataon’Andriamanitra izany angamba dia natao hampisehoana fa rehefa nanohitra ny fikasan’i Jehovah i Saoly dia tsy inona fa olona toy ny hafa ihany sisa, tsy nanana fahefam-piandrianana mihitsy. Indray mandeha koa i Saoly raha ‘nitondra tena toy ny mpaminany’, dia nanandrana namono an’i Davida tamin’ny lefona. — I Samoela 18:10, 11, MN.
[Efajoro, pejy 30]
“Fanahy ratsy avy tany amin’ni Jehovah”
“Fa ny Fanahin’i Jehovah efa niala tamin’i Saoly, ary nisy fanahy ratsy avy tany amin’i Jehovah nampahatahotra azy.” (I Samoela 16:14). Ahoana no tokony handraisana izany?
Tsy hoe tsy maintsy milaza izany fa nandidy fanahy ratsy iray hampitahotra an’i Saoly Jehovah. Ny tokony handraisana izany kosa dia hoe, rehefa nanaisotra ny fanahiny masina tamin’i Saoly Andriamanitra, dia mazava ho azy fa teo ambany fitarihan’ny fanahy ratsy indray izy, teo ambany fironana mafy hanao ratsy (Jereo Matio 12:43-45). Raha izany no izy, nahoana Jehovah no aseho ho toy ny loharanon’io fanahy ratsy io? Satria tamin’ny fanesorana ny fanahiny masina tamin’i Saoly, dia ny tenany no namela an’io fironana na hery manosika ratsy io hanapaka teo aminy. Io “fanahy ratsy” io dia nisakana an’i Saoly tsy hanana fiadanana anaty ary indraindray dia nanosika azy hanana fihetsika mampiseho hadalana.
[Sary, pejy 28]
GOLIATA
DAVIDA
SAOLY
SAMOELA