Hara-Magedona, ny Atsinanana afovoany sy ny Baiboly
“EO AFOVOAN’NY faminaniana rehetra ny fanjakan’Isiraely, hoy ny nosoratan’i Hal Lindsey tao amin’ny bokiny hoe Ireo taona valopolo na ny fanisana miverin’ny Hara-Magedona (anglisy). Marina tokoa fa ny “fisehoan-javatra amin’ny Hara-Magedona” tian’ny mpanao ara-bakiteny dia miankina amin’ny porofo ekena fa hoe mbola mitana fifandraisana manokana amin’ny Isiraely foana Andriamanitra. Araka ny filazan’izy ireo, dia handray anjara ny Mpamorona rehefa hanandrana hanafoana azy ireo fahavalo.
Ahariharin’ny Baiboly anefa fa namoy ny fankasitrahana sy ny fiarovan’Andriamanitra ny firenena jiosy rehefa nanda ny Zanak’Andriamanitra (Asan’ny apostoly 3:13, 14, 19). Ny tenan’i Jesosy Kristy mihitsy no nilaza tsy nisy olakolaka toy izao tamin’ireo solontenan’io firenena io: “Hesorina aminareo ny fanjakan’Andriamanitra ka homena izay firenena mahavokatra ny voany.” — Matio 21:43.
Fandavana tanteraka ve?
Manohitra izany John F. sy John E. Walvoord teolojiana izay efa nolazaintsika tao amin’ny lahatsoratra teo aloha ny teniny: “Nasehon’ny apostoly Paoly mazava fa mbola tokony ho tanteraka amin’ny Isiraely ireo fampanantenana ao amin’ny Testamenta Taloha. Araka izany, dia izao no nambarany: “Dia hoy izaho: Sao narian’Andriamanitra anie ny olony? Sanatria izany!” (Romana 11:1). Tsy notononin’ireo teolojiana roa anefa ny tapany sisa amin’io andininy io izay miseho toy izao: “Fa izaho koa mba Isiraelita, taranak’i Abrahama ihany, avy amin’ny firenen’i Benjamina.” Inona no tian’ilay apostoly holazaina?
Azo antoka fa tsy nino i Paoly hoe mbola nitana toerana nisy tombontsoa teo imason’Andriamanitra ny firenen’Isiraely tamin’ny fitambarany. Ny porofo dia ny nahatsapany ‘alahelo mafy sy fahoriana tsy nety nitsahatra’ noho ny fahamafiam-po izay nisakana ireo mpiray firenena taminy tsy hamaly ny hatsaram-pon’ny Mpamorona (Romana 9:2-5). Nanampy teny toy izao anefa izy ao amin’ny Romana 9:6: “Kanefa tsy lazaiko fa foana ny tenin’Andriamanitra [nolazainy tamin’i Abrahama] tsy akory. Fa tsy izay rehetra avy amin’ny Isiraely [ara-nofo] no Isiraely [tena Isiraely, MN].” Eritrereto io fanamarihana io. Koa satria ny Jiosy nanda an’i Kristy, dia tsy noheverin’Andriamanitra ho mendrika ny hitondra ny anarana hoe “Isiraely” intsony izy ireo. Hatreo, dia ny kongregasionan’ny mpianatr’i Jesosy Kristy voahosotra no nahaforona ny tena Isiraely izay amin’ny alalany no hitahian’Andriamanitra ny taranak’olombelona. — I Petera 2:9; Galatiana 3:29; 6:16; Genesisy 22:18.
Tsy nolavin’Andriamanitra anefa ny Jiosy rehetra raisina isam-batan’olona. Izany no antony nilazan’ilay apostoly hoe: “Fa izaho koa mba Isiraelita.” Eny, sahala amin’i Paoly, dia nisy anisan’ny firenena jiosy azo noraisina manokana tao amin’ny Isiraely ara-panahy raha nanaiky an’i Kristy. “Sisa” ihany anefa, Isiraelita vitsy, no nanapa-kevitra ny hanao toy izany. — Romana 11:1, 5.
Fiovana ho avy ve?
Na dia ao aza izany rehetra izany, dia misy manantena fiovana tampoka mahagaga avy amin’ny Jiosy araka ny nofo rehetra. “Ny fahoriana lehibe izay hanaraka ny fampiakarana ny Fiangonana dia hiteraka fiovan’ny Isiraely [ho amin’ny kristianisma], hoy ny fanizingizin’ny mpanoratra mpanao ara-bakiteny iray. Marina fa nilaza toy izao i Paoly ao amin’ny Romana 11:25, 26: “Efa misy fahamafiam-po manjo ny Isiraely sasany mandra-piditry ny hafenoan’ny jentilisa; ary amin’izany dia hovonjena avokoa ny Isiraely rehetra.”
Moa ve tamin’ireo teny ireo i Paoly dia nanambara fiovan’ny Jiosy maro be indray miaraka? Ahoana no hetezan’izany, nefa ny tenany ihany no nanazava fa sisa amin’ny Isiraely araka ny nofo ihany no hanaiky an’i Kristy (Romana 11:5)? Marina fa nilaza koa i Paoly fa ho voan’ny “fahamafiam-po” ara-panahy ny Jiosy mandra-piditry ny “hafenoan’ny” tsy Jiosy ao anatin’ny kongregasiona kristianaa. Na dia izany aza, araka ny nasehon’ilay mpahay teny grika atao hoe Richard Lenski, ny fampiasana ny teny hoe “mandra-piditry” dia tsy hoe tsy maintsy milaza fa hiova ny Jiosy atỳ aoriana (ho porofo, dia jereo ny fomba ampiasana an’io fitenenana io ihany koa ao amin’ny Asan’ny apostoly 7:17, 18 sy Apokalypsy 2:25). Tian’i Paoly fotsiny ny hilaza fa hitoetra ho ‘mafy fo’ hatramin’ny farany ny Jiosy. Noho ny fahendreny anefa dia hofenoin’Andriamanitra hifanitsy amin’izany ‘ny isan’ny’ mpikambana ao amin’ny Isiraely ara-panahy (144 000) amin’ny fampidirana tsy jiosy mpino ao anatin’ny kongregasiona kristiana. “Amin’izany”, fa tsy amin’ny fiovana tampoka ataon’ny firenena jiosy, no hahavoavonjy “ny Isiraely rehetra” (ny Isiraely ara-panahy).
Mbola Tany nampanantenaina ho an’ny Jiosy ihany ve i Palestina?
Inona no holazaina ny amin’ny faritanin’ny fanjakan’ny Isiraely? Mihevitra izany manokana ve Andriamanitra? Be dia be no mino mafy izany. Ohatra, nanambara toy izao ilay teolojiana protestanta atao hoe William Hurst: “Tsy nisy mihitsy faritra teto amin’ny gilaoby niteraka fitsiriritana sy nanintona ny saina foana avy amin’ny fikambanan’olona iraisam-pirenena toy ny tanin’ny Jiosy.” Nanonona ny Genesisy 13:14, 15 izy ka nampahatsiahy nanaraka izany fa Andriamanitra dia nampanantena ny hanome “mandrakizay” an’io tany io ho an’ny taranak’i Abrahama. — Baibolin’i Segond.
Moa àry ve Jehovah voatery miaro ny faritany isiraeliana amin’ny fanafihana rehetra? Raha izany no izy, dia mety ho antomotra ny “Hara-Magedona” iray any Atsinanana Afovoany. Raha ny marina anefa, dia tsy nilaza tamin’i Abrahama akory Andriamanitra hoe hitoetra ao amin’io tany io “mandrakizay” ny taranany fa ho amin’ny vanim-potoana ‘tsy voafetra’ fotsinyb. (Genesisy 13:14, 15.) Raha ny marina, rehefa nanda an’i Jesosy Kristy ny Isiraelita dia nanary izay rehetra nety ho zo hanana ny Tany nampanantenaina sy ny fiarovan’Andriamanitra.
Ny ady Hara-Magedona — Aiza no hitranga izany?
Ao amin’ny Apokalypsy 16:14, 16 ny Baiboly dia mampahafantatra antsika fa hisy fampielezan-kevitra araka ny demonia hitarika ireo mpitondra eo amin’izao tontolo izao ho amin’ny “adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha”. Rehefa avy eo dia izao no teny nanampiny: “Ary nangoniny ho any amin’ny tany [toerana, MN] atao amin’ny teny Hebreo hoe Hara-Magedona ireny.” Moa ve tsy mampahafantatra izany fa hatao any Atsinanana Afovoany ny ady farany? Tsia, satria amin’ny tena izy dia tsy misy mihitsy toerana mitondra ny anarana hoe “Hara-Magedona”, izay ny dikany ara-bakiteny dia hoe “tendrombohitr’i Megido”. Tamin’ny andron’ny Baiboly dia tena nisy tanàna nantsoina hoe Megido tokoa tany Atsinanana Afovoany. Izy io dia tao amin’ny tany lemaka aseho ao amin’ny pejy voalohany amin’ity gazety ity. Nisy ady farany natao teo akaikin’i Megido. Tsy nisy tendrombohitra mihitsy anefa tao amin’io toerana io. Noho izany, dia tokony ho toerana ara-panoharana “Hara-Magedona”. Fa inona no asehony?
Ahariharin’ny faminanian’i Ezekiela fa ny ady Hara-Magedona dia ateraky ny fanafihana iraisam-pirenena hanoherana ny “Isiraely”. Ireo mpanafika dia tarihin’i “Goga avy any amin’ny tany Magoga” sy avy any amin’ny “farany avaratra”. Iza àry izany “Goga” izany? Sahala amin’ny maro hafa koa, dia mamaly tsy misy fisalasalana toy izao ilay teolojiana mpanao ara-bakiteny atao hoe Hal Lindsey: “Tsy misy afa-tsy firenena iray monja any amin’ny farany avaratr’Isiraely, dia: U.R.S.S.” Tohanany koa fa ireo ‘miaramilan’i Goga’ (Mesaka, Tobala, Persia, Etiopia, Pota, Gomera sy Togarma araka ny fitanisan’ny Baiboly) dia mampiseho ireo mpiray dina sovietika. Araka ny filazany, izany dia ho tany arabo indrindra. — Ezekiela 38:1-9, 15.
Tamin’ny andron’i Ezekiela anefa, ireo firenena tafangona teo ambany fanevan’i Goga dia tsy nandray anjara lehibe teo amin’ny sehatr’izao tontolo izao. Ilay faminaniana tokoa dia tokony ho tanteraka “any am-parany”, amin’ny fotoana ho efa nanjavonan’ireo fahavalon’ny Isiraely fahizay nahazatra (Ezekiela 38:8). Noho izany, ny “tany Magoga” itoeran’i “Goga” dia faritany tsy mazava loatra sy lavitra loatra ka tsy afaka hampiseho fanjakana manan-kery toy ny Firaisana sovietika.
Iza àry no olona mitoetra any amin’ny ‘tany lavitra’ iray ka mamelona fankahalana ny olon’Andriamanitra tsy azo sakanana? Ao amin’ny Apokalypsy 12:7-9, 17, ny Baiboly dia mampiharihary amintsika ny maha-izy azy io amin’izao teny izao: “Ary nisy ady tany an-danitra: Mikaela sy ny anjeliny niady tamin’ilay dragona (...). Ary nazéra ilay dragona, dia ilay menarana ela, izay atao hoe devoly sy Satana.” Ahoana no fihetsik’i Satana rehefa voaroaka avy any an-danitra izy ka nailika ho amin’izany fietrena ara-panahy izany? Manazava toy izao ny Soratra masina: “Dia tezitra tamin’ilay vehivavy [ny fandaminan’Andriamanitra any an-danitra] ny dragona ka lasa nandeha hiady tamin’ny zanany sisa, izay mitandrina ny didin’Andriamanitra sy mitana ny filazana an’i Jesosy.”
Araka izany, dia fantatra ho Satana i “Goga”. Hatramin’ny am-polo taonany maro sahady, niaraka tamin’ireo demoniany, izy io dia miady amin’ny sisa amin’ny Isiraely ara-panahy, dia ny kongregasionan’ny kristiana voahosotry ny fanahy masina (Galatiana 6:16). Miely patrana maneran-tany anefa ireo anisan’io kongregasiona io. Tsy ao amin’ny faritra hentitra iray any Atsinanana Afovoany mety hotafihin’ny miaramila mpifampiandany akory izy ireo. Ambonin’izany, araka ny nolazain’i Ezekiela mialoha, dia “mitoetra tsy manana ahiahy” izy ireo eo ambany fiarovan’Andriamanitra (Ezekiela 38:11). Amin’izao fotoana izao, dia sarotra ny milaza fa ny Isiraely araka ny nofo, izay voahodidin’ny olona mankahala ka ianjadian’ny zava-manahirana anatiny maro be amin’ny lafiny ara-politika sy ara-tsosialy, dia “mitoetra tsy manana ahiahy.”
Na ahoana na ahoana, ny Baiboly dia manambara tokoa fikorontanana hanerana ny planeta. Horavana tampoka “Babylona Lehibe”, empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso (Apokalypsy toko faha-18). Eo afovoan’ny fahavoazan’izao tontolo izao ara-pivavahana amin’ny ankapobeny, ireo kristiana marina izay ho sisa tavela dia ho hita fa tsy nety voa, hany ka tsy hahatohitra intsony ny fakam-panahy hanafoanana azy ireny Satana, na “Goga”, raha lazaina amin’ny teny hafa. Koa hataony izay hanangonan’ireo demoniany “ireo mpanjaka amin’ny tany onenana manontolo” amin’ny Hara-Magedona “ ho amin’ny adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha”. — Ezekiela 38:12-16; Apokalypsy 16:14, 16, MN.
Tsy teboka kely very eo amin’ny sarintanin’ny Atsinanana Afovoany àry “Hara-Magedona”. Izany kosa dia tarehin-javatra hiraisan’izao tontolo izao manontolo hina amin’ny fankahalany an’i Jehovah sy ireo Vavolombelony (Isaia 43:10-12). Izany dia ny fanafihana mahery vaika halefan’i Satana ho fanoherana ireo kristiana marina, fa tsy ady iraisam-pirenena any Atsinanana Afovoany, izay hitarika an’Andriamanitra hiady mba hiarovana ny vahoakany. — Ezekiela 38:18-23; Zakaria 2:8.
Amin’izao andro izao ny kristiana dia manan-javatra hafa hatao fa tsy ny fanaraha-maso tsy misy fanaovana na inona na inona ny fihodinan’ny fisehoan-javatra any Atsinanana Afovoany. Ny zavatra imasoany voalohany indrindra dia ny hampisehoana amin’ny mpiara-belona aminy izay tena lazain’ny Tenin’Andriamanitra ny amin’io ady ho avy io. Fantatra maneran-tany ny Vavolombelon’i Jehovah satria mitsidika tsy amin-tahotra ny olona any an-tranony mba hampita amin’izy ireny izany hafatra izany. Mety hanontany koa anefa ianao hoe: Nahoana ny Andriamanitra fitiavana iray no nanapa-kevitra ny hanapoaka ady tahaka ny Hara-Magedona? Ho azo atao ve ny ho tafita velona amin’izany? Raha izany no izy, dia fantaro fa hamaly an’ireo fanontaniana ireo ny nomerao roa hanaraka amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ireo fivavahana ao amin’ny finoana lazaina fa kristiana dia tsy mino ny hoe voaforon’ny olona izay voafetra ny isany ny Isiraely ara-panahy (144 000 araka ny Apokalypsy 7:4). Taty aoriana, ny sasany dia nanatsoaka hevi-diso fa i Paoly dia nanambara fiovana maro be indray miaraka eo amin’ny Jiosy sy “ny tontaliben’ny mpanompo sampy”, na ny fitambaran’izao tontolo izao mpanompo sampy (jereo ny Baibolin’i Jerosalema). Tsy hisy heviny loatra anefa ny fanoharana ny amin’ny hazo oliva novelabelarin’i Paoly ao amin’ny Romana toko-11 raha tsy mahakasika isan’olona kristiana hentitra.
b Na dia misy aza mandika ny teny hebreo hoe ‘ôlâm amin’ny fitenenana hoe “mandrakizay”, araka ny filazan’ilay mpahay teny hebreo malaza atao hoe William Gesenius, io teny io dia manondro “fotoana miafina, izany tsy fantatra, nefa lava, izay ny tsy azo antoka na tsy voafetra ny fanombanany na ny fiafarany”. Manazava toy izao ny diksionera araka ny Baiboly iray (Nelson’s Expository Dictionary of the Old Testament): Rehefa miaraka amin’ny teny mpampikambana hoe ‘adh io teny io dia azo adika hoe ‘amin’ny fotoana tsy voafetra’.” — Jereo Deoteronomia 23:3; I Samoela 1:22.
[Sary, pejy 5]
Moa ve fambara hialoha ny Hara-Magedona ireo fisehoan-javatra mitranga ankehitriny any Atsinanana Afovoany?
[Sary, pejy 6]
Moa ve Jerosalema no fototr’ireo fisehoan-javatra hiafara amin’ny Hara-Magedona?