FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w85 1/5 p. 4-7
  • Hara-Magedona — ady ilaina

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Hara-Magedona — ady ilaina
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fisehoan’ny fitiavan’Andriamanitra
  • Mba hanapahana ny raharaha ny amin’ny fiandrianana
  • Mba hanomezana fahafahampo amin’izay ilain’ny olombelona
  • Fiandohan’ny Fiadanana ny Hara-magedona
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
  • Inona no Atao hoe Ady Aramagedona?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Haramagedona — Rahoviana?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • Aorian’ny Haramagedona, paradisa an-tany
    Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-Tany
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
w85 1/5 p. 4-7

Hara-Magedona — ady ilaina

“ANDRIAMANITRA dia fitiavana.” Raha inoana ireo tenin’ny apostoly Jaona, dia tsy vitan’ny hoe maneho fitiavana fotsiny Andriamanitra, fa sary velona mampiseho an’io toetra io mihitsy. — I Jaona 4:8.

Misy anefa milazalaza an’io Andriamanitra fitiavana io amin’ny endriky ny mpamaly ratsy iray izay mampihatra sazy amin-kalozana amin’ireo izay mahita loza fa iharan’ny tsy fankasitrahany. Izany dia nitarika olona mihoatra ny iray, na hanary izay rehetra mety ho finoana ny Mpamorona, na hanambany ny Baiboly amin’ny fanaporofoana fa izy io dia tsy mety ho avy amin’ilay Andriamanitra lazainy fa asehony. Anisan’ireo tapany amin’ny Soratra masina ianjadian’ny fanakianan’izy ireo indrindra ireo andinin-teny ao amin’ny Apokalypsy (na Fanambarana) milazalaza ny fanamelohan’Andriamanitra ny ratsy fanahy, dia fanamelohana izay ny ady Hara-Magedona no ho fara heriny.

Araka izany, tao amin’ny bokiny hoe Izany ve no Tenin’Andriamanitra? (anglisy), dia izao no nambaran’i Joseph Wheless: “Tsy isalasalana mihitsy fa ny mpamaky tsara dia tsy hahazaka ela ny fahitana mifono heviny miafina ahitana ny fanahy mibebaka sy manana fahamoram-panahy mifangaro amin’ny mpanota mahantra (iharam-pahavoazana noho ny fahotana tany am-boalohany na meloka noho ny fahotana mahafaty) izay ‘ampijalin’ny afo sy ny solifara eo anoloan’ny anjely masina sy eo anoloan’ny Zanak’ondry’, fa ireo kosa mijery amin’ny maso mahalala toe-javatra ‘ny setroky ny fijaliany miakatra mandrakizay mandrakizay’ ary ireo olona very mandrakizay dia ‘tsy manam-pitsaharana na andro na alina’ noho ny hamafin’ny fahatezeran’ny Tsitoha (Fan. xiv, 10, 11). Izany no fanambarana ara-tsindrimandrin’ilay Andriamanitra faran’izay feno hatsaram-po.”

Tetsy andaniny koa, ny profesora Gerald Larue, avy any amin’ny oniversiten’i Californie atsimo, dia nanakiana koa ny Apokalypsy tamin’ny fanoratana toy izao tao amin’ny revio Free Inquiry: “Ireo tsy mpino dia tafalentika ao anatin’ny lavaka tsy hita noanoan’ny fahoriana tsy hay saintsainina. Ny sazy dia tsy miorina amin’ny valim-bonoana, ny fifandanjana ‘maso solon’ny maso’. Izany koa dia tsy valifaty natao hanafoanana ara-dalàna antokon’olona voatondro iray (jereo Gen. 4:23 [24]; Jos. 6, ets.). Eto dia maharitra mandrakizay ny sazy. Tsy misy famindrampo, satria tsy misy farany ny fampijaliana. Tsy misy famelan-keloka, tsy misy afa-tsy fijaliana izay tsy manome ho an’ilay very mandrakizay na dia ny filaminan’ny tsy fisiana aza. Lavitra dia lavitra antsika ny fanamboarana sarin’i Jesosy malemy fanahy.” Rehefa avy nanonona ny Apokalypsy 14:9-11 izy dia nanampy teny toy izao: “Tsy misy firesahana ny amin’ny fanolorana ny takolaka iray — ny lanitra dia miantsambotra amim-pisafoahana amin’ny valifaty feno habibiana aoka izany, hany ka toa tsinontsinona ny fampijaliana nazia raha oharina amin’izany.”

Raha toa ireo mpanota ka tena iharan’ny fampijaliana mandrakizay, dia tsy isalasalana fa rariny ny hanontanian-tena ny amin’ny ‘fitiavan’Andriamanitra’. Izany zavatra inoana izany anefa dia mifototra amin’ny filazana diso ny hevitry ny Baiboly sy ny ohatra ao aminy. Tsy mampianatra mihitsy ny tsy fahafatesan’ny fanahy tokoa ny Soratra masina. Araka ny soritany ao amin’ny pejiny rehetra, dia “fahafatesana no tambin’ny ota” (fa tsy fampijaliana mandrakizay); mbola araka ny filazan’ny Baiboly ihany koa anefa, ny fahatsapan’ny olombelona rehetra, anisan’izany ny fanaintainana, dia foana eo amin’ny fahafatesana. — Romana 6:23; Mpitoriteny 9:5, 10.

Etsy andaniny koa, dia ny fanamelohana fa tsy ny sazy ara-bakiteny no maharitra mandrakizay. Ny porofo dia hoe foanana ao amin’ny “farihy afo”, mariky ny fandringanana tanteraka, ny ratsy fanahy (Apokalypsy 20:14, 15; 21:8). Na dia izany aza, ny ady Hara-Magedona dia hampihatra fahoriana tsy hay lazaina amin’ny olombelona, ka io no ho ady hisy ra latsaka be indrindra tamin’ny ady rehetra (Matio 24:21, 22; Apokalypsy 14:20; 19:17, 18). Raha izany no izy, ahoana no mety haha-asan’ny Andriamanitra fitiavana iray azy? Tena hanapoaka ady lehibe toy izany tokoa ve ny Mpamorona ny olombelona?

Fisehoan’ny fitiavan’Andriamanitra

Raha ny marina, dia ny fitiavan’Andriamanitra indrindra no mahatonga hilaina ny adin’i Hara-Magedona. Hatramin’ny voalohany tokoa Jehovah dia namorona fikasana ny hanao ny tany ho paradisa mety hahafahan’ny olombelona hiaina ao anatin’ny fiadanana sy ny fahatanterahana “tsy hisy hanaitaitra azy”. (Ezekiela 34:28; Mika 4:3, 4; Apokalypsy 21:4.) Inona àry no anjara tokony hatokana ho an’ireo izay, amin’ny heloka bevava sy ny herisetra ataony, dia tsy maintsy hanimba ny filaminana ao amin’io paradisa io? Tsy misy mihitsy fandaharana natsangan’ny olombelona nahay nandamina tsara izany karazan-java-manahirana izany. Na ahoana na ahoana, ny hany fomba tsy maintsy hitanana fiadanana tanteraka dia ny hanafoanana izay rehetra mety ho fandrahonan’ny faharatsiam-panahy. Amin’izany Andriamanitra dia tsy maintsy handringana ny mpandika lalàna tsy azo ahitsy noho ireo izay maniry hanaraka ny rariny. Ny fitiavana no hanosika azy hanao toy izany mba hanesorana amin’ny tany ny olona izay manimba azy. — Apokalypsy 11:18.

Tsy misy olona voaheloka ho faty amin’ny fomba raikitra mihitsy anefa. Araka ny filazan’i Paoly, Andriamanitra dia “tia ny karazan’olona rehetra hovonjena”. (I Timoty 2:4.) Raha nanoratra ara-tsindrimandrin’Andriamanitra ny apostoly Petera dia nanambara toy izao ny aminy: “Tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin’ny fibebahana izy rehetra.” (II Petera 3:9). Nataon’ny Mpamorona tokoa izay hahatonga ny “vaovao tsaran’ny fanjakana” hambara mba hahatonga ny tsirairay avy ho afaka ny hiasa ho amin’ny famonjena azy (Matio 24:14; Filipiana 2:12; Galatiana 6:5). Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia atolotra anao ny fahafahana ho velona mandrakizay, ao anatin’ny fahatanterahana, eo amin’ny tany voaova ho paradisa. Miankina aminao izany (Romana 2:5-9; Ezekiela 18:23, 32). Moa ve tsy izany no rariny raha antenaina avy amin’ny Andriamanitra fitiavana iray?

Mba hanapahana ny raharaha ny amin’ny fiandrianana

Mba hahatonga ny fiadanana sy ny filaminana tanteraka hanjaka amin’ny tany manontolo, dia zava-dehibe ny hitarihana azy amin’ny alalan’ny fitondram-panjakana tokana, dia: ny Fanjakan’Andriamanitra. Rehefa dinihina, moa ve ny ady sy ny fandatsahan-dra izay nandoto ny tantaran’izao tontolo izao tsy nipoitra indrindra avy amin’ny fahabetsahan’ny fitondram-panjakan’olombelona izay miady amim-pitiavan-tena daholo ho an’ny tombontsoan’ny firenena ihany? Tokony hanjavona ireny fitondram-panjakana ireny mba hanome toerana ho an’ny Fanjakana araka ny rariny nankinin’Andriamanitra tamin’i Kristy (Daniela 2:44). Ary koa, raha efa nanao ny Rainay Izay any an-danitra ianao, dia ilay vavaka faka tahaka nampianarin’i Jesosy ny mpianany, dia nivavaka ho an’ny fahatongavan’io fitondram-panjakana tany an-danitra io ianao tamin’ny fangatahana tamin’Andriamanitra hoe: “Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra.” — Matio 6:10.

Kanefa moa ve ianao mahalala fitondram-panjakana iray monja izay vonona ny hamoy ny fahefany mba hanekena amin’ny fomba feno ny Fanjakan’Andriamanitra. Moa ve ny Fanjakana rehetra eo amin’izao tontolo izao tsy mifikitra amim-pikirizana amin’ny fiandrianany ary tsy manandrana foana manitatra ny fitaomany amin’ny tsy firaharahana ny Fanjakan’Andriamanitra efa misy (Salamo 2:1-9)? Moa ve efa nisy famantarana iray monja mahatonga hino fa indray andro any ireo firenena dia ho vonona ny hamela ny fanapahany ho an’Andriamanitra sy Jesosy Kristy? Ny tsy fananan’ny Fandaminan’ny Firenena mikambana hery hampanajana ny fandriampahalemana eo amin’izao tontolo izao dia mampiharihary fa ireo fitondram-panjakana dia mankahala aoka izany ny fahefana iray iombonana rehefa voakasika ny tombontsoany. Hita tokoa fa tapa-kevitra ireo firenena hitondra ny raharahan’ny planeta araka ny fombany (Apokalypsy 17:13, 14; 19:19). Ny ady Hara-Magedona àry no hany fomba hivoahana amin’ny fahasahiranana tsy misy hihodivirana sy hampisehoana indray mandeha hoe iza no manana zo hitondra ny tany.

Mba hanomezana fahafahampo amin’izay ilain’ny olombelona

Amin’ny fanombohana ny ady Hara-Magedona, dia hiasa ho an’ny tombontsoan’ny olombelona Jehovah. Mieritrereta kely: Ahoana no fiheveranao ny toe-piainana manjaka eo amin’izao tontolo izao? Mahafapo anao ve ny tarehin-javatra ankehitriny? Mahatsiaro tena ho tsy manana ahiahy ve ianao eo ambany fandrahonan’ny fandripahana noklehera tsy misy farany? Tsy mampangovitra anao ve ny mahita ny faritaninao manjary mihatsy azo antoka intsony noho ny fitomboan’ny herisetra? Tsy matahotra ny amin’ireo zanakao sy ny ho aviny ve ianao? Raha ny marina no lazaina, tazanao ve ny fahataperan’ny zava-manahirana? Na ahoana na ahoana, moa ve efa nisy fitondram-panjakana na dia iray monja aza afaka nitondra fiadanana sy fanambinana ho an’ny olombelona rehetra, na koa hanafoana ny aretina sy ny fahafatesana? Moa ve tsy niharatsy ny toe-piainana maneran-tany na dia tao aza ny fandrosoan’ny olombelona ara-teknolojia, ary matetika aza noho izany? Ny Fanjakana marin’Andriamanitra ihany no afaka manome fahafahampo amin’izay ilain’ny taranak’olombelona indrindra. Noho izany ihany no hanjakan’ny tena fiadanana indray andro any manerana ny tany manontolo. Tsy misy isalasalana: Ilaina ny Ady Hara-Magedona!

Fa inona no holazaina ny amin’ny fahoriana hateraky ny fandraisan’Andriamanitra anjara natao hanadiovana ny tany? Tsy nisy ady tsy nahitam-pahoriana sy fihafiana mihitsy. Tsy haningana akory Hara-Magedona, ary izany dia tsy noho ny inona fa noho ireo firenena mikiry manohitra ny teokrasia. Tapa-kevitra izy ireo ny hiady sy hahatohitra hatramin’ny farany (Salamo 2:2, 3). Tsy tompon’andraikitra amin’izany akory Andriamanitra. Nomeny azy ireo izao fampitandremana ara-dalàna izao: “Ary amin’izany dia hendre hianareo, ry mpanjaka; minoa anatra hianareo, ry mpitsaran’ny tany. Manompoa an’i Jehovah amin’ny fahatahorana, ary mifalia amin’ny fangovitana. Manoroha ny Zanaka, fandrao ho tezitra Izy, ka ho very eny an-dàlana hianareo; fa vetivety dia hirehitra ny fahatezerany. Sambatra izay rehetra mialoka aminy.” — Salamo 2:10, 11.

Aoka hofakafakaintsika ny hevitra hafa noho izany: Inona no hitranga amin’izao tontolo izao raha tsy mandray anjara Andriamanitra mba handaminan-javatra? Moa ve ny ady, ny herisetra sy ny fankahalana tsy hanohy hitondra fandravana toy ny nataony tao anatin’ny taonjato maro namelana ny olombelona hanapaka ny tenany ihany? Afa-tsy izany koa, moa ve tsy efa mihamafy dieny izao izany, hany ka miaina foana ao anatin’ny tahotra ny ady noklehera sy ny taratra halefany ny taranak’olombelona? Rehefa fintinina, dia tsy misy zavatra tsara kokoa na inona na inona mety hitranga amin’ny planetantsika toy ny ady Hara-Magedona. Izy io tokoa no hamarana ny hadalana mampiseho fitiavan-tena sy famonoan-tena hita eo amin’ireo firenena. Izany dia hanafoana ireo fandehan-javatra izay nahatonga ny olombelona ho ory ka hanokatra ny lalana ho an’ny fahatongavan’ny tena rariny ao anatin’ny fandehan-javatra vaovao iray tsy hahitana intsony ny alahelo sy ny fanaintainana ary ny fahafatesana avy amin’ny olombelona. Amin’izay dia ‘ho efa lasa ny zavatra taloha’, araka ny fampanantenan’Andriamanitra. — Apokalypsy 21:4; II Petera 3:13.

Aoka tsy hohadinointsika fa noho ny fahendreny, dia fantatry ny Mpamorona tsara izay mety indrindra amin’ny olombelona ary fantany dia fantany tokoa ireo fomba hanatanterahana izany. Ireo fitondram-panjakan’olombelona koa aza dia nanomboka ady mba hanamboarana ny tsy rariny hita sy mba hiarovana izay noheveriny ho raharaha mendrika. Andriamanitra irery ihany anefa no manana ny fahendrena ilaina mba hanaovana ady tena ara-drariny. Tsy misy mihitsy hafa noho izy afaka manao fandringanana amim-pifantenana ka hitsimbinana ny ain’ny olona tsara, na aiza na aiza toerana misy azy (Matio 24:40, 41; Apokalypsy 7:9, 10, 13-17). Afa-tsy izany koa, dia Andriamanitra no hany fisiana izay manana zo hampihatra ny fanapahany amin’ny tany manontolo satria, izy no namorona ny planetantsika. Araka izany àry, mba hampanjavonana mandrakizay ny faharatsiana, ny tsy rariny, ny fampijalian’ny fivavahan-diso sy ny fahotana. Fototr’izany loza rehetra izany, ary indrindra mba hanamasinana amin’ny fomba feno ny anaran’Andriamanitra, dia tokony hitranga ny ady Hara-Magedona. Tsy maintsy hitranga anefa io, satria indrindra “Andriamanitra dia fitiavana”.

[Sary, pejy 6, 7]

Ny ady HARA-MAGEDONA... ... toe-javatra hialoha ny fiadanana haneran-tany.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara