Jehovah — Andriamanitra mahatahotra kanefa be fitiavana
“KOA AMPITOVINAREO amin’iza moa Aho, hitahako aminy?” hoy ny fanontanian’i Jehovah. Raha ny marina, ny teny tsara indrindra sy mahery indrindra dia tsy hahay haneho tanteraka ny heriny sy ny voninahiny tsy manan-tsahala. Mba hampihaikena antsika ny amin’izany, dia ny tenany mihitsy no manasa antsika hampitodika ny masontsika eny amin’ny lanitra. “Asandrato ny masonareo, ka mijere; iza no nahary ireny? Izy no namoaka ny antokony araka ny isany sy miantso azy rehetra amin’ny anarany avy noho ny haben’ny fahatanjahany sy ny heriny tsy toha, ka tsy misy diso ireny na dia iray akory aza.” — Isaia 40:25, 26.
Ireo kintana an’arivony maro azon’ny maso jerena dia tsy mampiseho afa-tsy ny tapany farany ambany indrindra amin’ireo kintana sasantsasany 100 lavitrisa mahaforona ny vahindanitra misy antsika fotsiny. Ary anefa voaisan’i Jehovah ny kintana rehetra eo amin’izao rehetra izao mba hanomezana anarana azy ireny. Eritrereto koa ny hery tsy hita lany maro be voahidy ao anatin’ny tenan-javatra misy rehetra. Ho ohatra, ny hafanana ao afovoan’ny masoandrontsika dia tokony ho 15 tapitrisa degre santigrady. Andramo alaina sary an-tsaina ny “hery” tokony ananan’i Jehovah, dia izy izay namorona afo mandoro noklehera an’arivony tapitrisa toy izany.
Ny fahaizana kely ananantsika dia tsy mamela antsika hahafantatra amin’ny fomba feno an’i Jehovah. Nanambara toy izao rahateo Eliho mikasika izany: “Ny Tsitoha, tsy mahita Azy isika; Izay lehibe amin’ny hery (...). Koa izany no atahoran’ny olona Azy [Aoka àry hatahotra azy ny olona, MN ]!” (Joba 37:23, 24). Kanefa, tsy ny hiderantsika azy na ny hatahorantsika azy fotsiny akory no irin’i Jehovah. Ny Soratra masina tokoa dia mirakitra ihany koa izao didy izao: “Ary tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny herinao rehetra.” (Deoteronomia 6:5). Na dia izany aza, moa ve azo atao ny hitia olona anankiray tsy azontsika faritana amin’ny fomba feno? Eny, raha jerena ny zava-miseho. Na dia mipetraka any an-danitra any amin’ny avo aza ny “fonenany”, ny Mpamorona dia maneho porofon’ny fitiavany ny olombelona tsy tanteraka amin’ny famelana azy ireo hahafantatra azy fara faharatsiny amin’ny lafiny sasantsasany. — Salamo 113:5-9.
Ny “masony”, ny “orony” ary ny “tarehiny”
Mba hanampiana antsika haka sary an-tsaina ny amin’ny toe-batany, Jehovah dia mamela ny tenany holazalazaina amin’ny fitenin’olombelona. Araka izany, dia izao no nambaran’ny apostoly Petera: “Fa ny mason’ny Tompo [Jehovah] dia mitsinjo ny marina, ary ny sofiny mihaino ny fitarainany, fa ny tavan’ny Tompo [Jehovah] dia tezitra amin’ny mpanao ratsy.” — I Petera 3:12; jereo Eksodosy 15:6; Ezekiela 20:33; Lioka 11:20.
Miharihary fa ohatra tsy azo raisina amin’ny heviny ara-bakiteny izany. Toy izany koa no izy rehefa milaza an’Andriamanitra ho “masoandro”, “ampinga” na “Vatolampy” ny Soratra masina. (Salamo 84:11; Deoteronomia 32:4, 31.) ‘Kanefa, hoy ny havalin’ny sasany, moa ve ny Baiboly tsy milaza ihany koa fa natao araka ny “endriny” isika?’ (Genesisy 1:26, 27). Marina izany, nefa raha heverina fa manana vava, orona ary sofina ara-bakiteny Andriamanitra, dia tafiditra ao anatin’ny fifanoherana lehibe ny tena. Ohatra, moa ve ny fandrenesan’Andriamanitra Tsitoha voafetran’ny onjam-peo entin’ny rivotra ao amin’ny “sofiny” fotsiny? Tsia, satria asehon’ny Baiboly fa Andriamanitra dia “mihaino” hatramin’ny vavaka tononina mangina any anatin’ny fo miafina aza (Genesisy 24:42-45). Raha ny amin’ny “fahitany” kosa, izy io dia tsy miankina bebe kokoa amin’ny onjam-pahazavana. — Salamo 139:1, 7-12; Hebreo 4:13.
Fony izy tanteraka, ny olombelona dia nahitana taratra, tsy ny endrika ara-batan’Andriamanitra akory, fa ireo toetrany, toy ny fitiavana sy ny fahamarinana. Amin’izao andro izao ihany koa, ny kristiana dia miezaka haneho koa ireo toetra ireo amin’ny fanarahana ity torohevitry ny apostoly Paoly ity: “Ary efa notafinareo ny toetra vaovao izay havaozina ho amin’ny fahalalana tsara araka ny endrik’Izay nahary azy.” — Kolosiana 3:10.
Ny voninahitr’Andriamanitra
Fahiny, dia mpanompon’i Jehovah maro no nanana tombontsoa hahita, teo ambany tsindrimandrin’Andriamanitra, fahitana ny voninahiny any an-danitra. Toy izany no nitranga tamin’i Ezekiela (Ezekiela 1:1). Izay nojereny dia tafahoatra izay rehetra azo lazalazaina. Tamin’izany, mba hanazavana ny fahitany dia tsy maintsy nampiasa ohatra sy fampitahana maro ilay mpaminany. Tsy izany ihany fa niteny matetika koa izy fa izay hitany dia “hoatra” ny zavatra ara-nofo fantatr’ireo mpamaky azy, toy ny porofoin’ireto andalan-tsoratra vitsivitsy ireto:
“Ary teo ambonin’ny eloelo, izay teo ambonin’ny lohany, dia nisy endriky ny seza fiandrianana mitovy volo amin’ny vato safira; ary teo ambonin’ny endriky ny seza fiandrianana dia nisy hoatra ny endrik’olona. Ary nahita toy ny volon’ny metaly mamirapiratra aho, dia hoatra ny tarehin’afo manodidina azy; ary hatramin’ny valahany no ho miakatra ka hatramin’ny valahany no ho midina dia hitako tahaka ny afo, ka nisy namirapiratra manodidina azy. Toy ny tarehin’avana amin’ny rahona amin’ny andro misy ranonorana no tarehin’ny namirapiratra manodidina. Izany no fijery ny endriky ny voninahitr’i Jehovah.” — Ezekiela 1:26-28.
Famirapiratana toy inona moa izany! Haharay fahitana mitovitovy amin’izany an’i Jehovah ny apostoly Jaona aty aoriana kely. Holazalazainy toy izao manaraka izao izany: “Ary indro seza fiandrianana nipetraka tany an-danitra, ary nisy Anankiray nipetraka teo ambonin’ny seza fiandrianana. Ary ny tarehin’Ilay nipetraka dia tahaka ny vato jaspy sy karneola; ary avana mitarehin’emeralda no nanodidina ny seza fiandrianana.” (Apokalypsy 4:1-3). Na ho inona na ho inona hery ananan’ireo sary ireo, dia tsara ny manamarika fa tsy naseho toy ny endrik’Andriamanitra lozabe akory Jehovah. Ny hevitra ankapobeny notsoahina avy tamin’ireo fisehoan-javatra ireo kosa aza dia tony sy milamina, toy ny avana. — Jereo Genesisy 9:12-16.
Ny famelan’i Jehovah antsika hahita kely toy izany ny voninahiny any an-danitra dia mampiseho fa fampihavanana ireo fikasany ho an’ny olombelona. Noho izany, ireo izay tia azy dia afaka manatona azy amim-pahatokiana, amin’ny fahafantarana fa ‘mihaino vavaka’ amim-pitiavana izy. — Salamo 65:2.
Momba an’Andriamanitra, dia nihiaka toy izao i Joba: “Indro, ireny dia vao ny sisintsisin’ny alehany ihany aza, ary siosion-teny mamelovelo no andrenesantsika Azy!” (Joba 26:14). Marina tokoa fa manan-javatra maro hianarana isika ny amin’i Jehovah, izay maniry marina hanome ho an’ireo mpanompony fahatsinjovana ny hiaina mandrakizay (Jaona 17:3). Na dia eo aza izany, ny “mandrakizay” akory aza tsy hamela antsika ‘hahita ny asa nataon’ilay Andriamanitra marina hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany’. — Mpitoriteny 3:11.
Amin’ny lafiny rehetra, raha tso-po isika, ny kely ho fantatsika ny amin’i Jehovah dia hanosika antsika ho tia sy hankato azy (I Jaona 5:3). Mahatsiaro ny tenanao ho voatosika hanao toy izany ve ianao? Marina aloha fa tsy mora foana akory ny manaiky an’Andriamanitra. Kanefa, rehefa ho fantatrao marina Jehovah sy ny fitiavany, dia hiaiky ianao fa mendrika ny hatao izany. Moa àry ve ianao tapa-kevitra ny handalina ny fahalalanao an’io Andriamanitra mahatahotra kanefa be fitiavana io?
[Sary, pejy 6]
Ny fahitana noraisin’ny olona toa an’i Ezekiela sy Jaona dia mamela antsika tsara hahita kely ny voninahitra mahatalanjon’i Jehovah.
[Sary, pejy 7]
Ny namoronan’Andriamanitra kintana sy ny nanomezany anarana azy ireny, dia manome antsika sary an-tsaina ny heriny tsy hita lany.