Aza mivadika amin’Andriamanitra “Izay mahita ao amin’ny mangingina”
“Mivavaha amin’ny Rainao, Izay ao amin’ny mangingina; ary ny Rainao, Izay mahita ao amin’ny mangingina, no hamaly anao.” — MATIO 6:6.
1, 2. Asehoy amin’ny alalan’ny ohatra ny fomba mety hahatonga izay heverina fa tsiambaratelo ho fantatry ny hafa (I Samoela 21:8; 22:9).
TAONA vitsivitsy lasa izay, ny vehivavy kristiana iray dia nandefa telefaonina tamin’ny anadahiny nonina tany Long Island, any amin’ny fanjakan’i New York. Koa satria tsy Vavolombelon’i Jehovah io anadahiny io, dia nohararaotiny ny fotoana mba hanazavana taminy fa Andriamanitra dia nampanantena ny hampanjavona ny faharatsiana amin’ny tany ka hanorina toe-piainana paradisa eo. Akory ny hagagany tamin’ny fotoana nametrahany indrindra ny telefaonina raha nandre feo nilaza taminy tao amin’ny fihainoana izy nanao hoe: “Aza fady mba andraso kely segondra iray. Ho tiako ny hametraka fanontaniana aminao.”
2 Ny “standardiste” io. Nanaraka ny resaka izy; azo natao izany tamin’izay fotoana izay na dia tsy nampiseho fanaovana ny marina loatra aza ka nifanohitra tamin’ireo fotopoto-pitsipiky ny fikambanana momba ny telefaonina. Mazava ho azy fa faly ilay anabavintsika nahita fa nanaitra ny fahalianan’olona ny teniny, ary nanao fandaharana izy mba hahatonga an’io olona niresahana tsy nampoizina io hahazo fanazavana fanampiny. Tena gaga anefa izy nahatsapa fa tsy niafina ny resaka nataony. Misy toe-javatra toy izany izay ahitan’ny hafa sy andrenesany izay heverintsika fa tsiambaratelo. — Mpitoriteny 10:20.
3. Amin’ny heviny ahoana moa ny kristiana no atao fizaha foana?
3 Izany dia tsy tokony hiteraka zava-manahirana betsaka ho an’ny kristiana marina izay miezaka ny tsy hivadika amin’Andriamanitra amin’ny fotoana rehetra. Izao tokoa no nambaran’ny apostoly Paoly: “Fa izahay dia natao ho fizahan’izao rehetra izao, na anjely na olona.” (I Korintiana 4:9). Tamin’ireo teny ireo i Paoly dia nanisy fitenenana ny amin’ny fanao nahazatra tany amin’ireo kianja filalaovana tany Roma. Alohan’ny ady farany, ireo nampiadiana izay hanao vy very ny ainy dia tokony hiseho nitanjaka teo anoloan’ny mpijery. Toy izany koa, amin’izao andro izao ny kristiana dia atolotra ho fizahan’ny havany, ny mpiara-miasa aminy, ny mpifanila trano aminy sy ny mpiara-mianatra aminy tsy mpino. Marina tokoa fa ireo izay mandinika antsika dia matetika no mitsara ny kristianisma araka izay fantany ny amintsika. — I Petera 2:12.
4. Ahoana moa no atao matetika rehefa mahatsiaro fa misy mijery ny tena?
4 Rehefa fantatsika fa misy mandinika antsika, mandrakariva isika dia manandrana miseho ho mendrika ny tarehin-javatra, satria miray fihetseham-po amin’i Paoly araka izao: “Fa tsy manao izay mahatafintohina izahay na amin’inona na amin’inona, mba tsy homen-tsiny ny fanompoana.” (II Korintiana 6:3). Rehefa tsikaritsika àry fa mandinika antsika ny hafa, dia mahatsiaro ho tapa-kevitra kokoa hanao izay marina isika. Ahoana anefa raha toa ny fifikirantsika amin’ireo fotopoto-pitsipiky ny kristianisma ka sedraina nefa tsy hitan’ny mpiara-belona antsika?
Tsy mijery ny miseho ivelany Andriamanitra
5. Inona no tsy fitoviana teo amin’ny fiainana ampahibemaso sy ny fiainana manokan’ireo mpanao raharaha ambony tao amin’ny jodaisma?
5 Tamin’ny taonjato voalohany, dia mpanao raharaha ambony maro tao amin’ny jodaisma no toa hafa noho ny tena naha-izy azy. Tao amin’ny toriteniny teo an-tendrombohitra, dia nanao izao fampitandremana manaraka izao i Jesosy: “Tandremo mba tsy hanao ny asan’ny fahamarinanareo eo imason’ny olona hahitany izany.” (Matio 6:1, 2). Ireo filoha ara-pivavahana tamin’ny androny dia nampitahainy tamin’ny kapoaka madio ivelany ihany, fa ‘ny tao anatiny dia feno rombaka [fandrobana, MN ] sy tsi-fahononana’. Araka ny heviny, ireny olona ireny koa dia “tahaka ny fasana voalalotra fotsy, izay miseho tsara tarehy eo ivelany, nefa ny ao anatiny dia feno taolan’ny maty mbamin’ny fahalotoana rehetra”. — Matio 23:25-28; jereo Salamo 26:4.
6. Afaka mahita inona Jehovah raha ny amintsika?
6 Izany rehetra izany dia tokony hahatonga antsika hahatakatra tsara fa mandinika antsika Andriamanitra ka mahafantatra zavatra be lavitra ny amintsika noho ny olona manodidina antsika. Noho izany antony izany no nanomezan’i Jesosy izao toro-hevitra izao: “Fa hianao kosa, raha mivavaka, dia midira ao amin’ny efitranonao, ka rehefa voarindrinao ny varavaranao, dia mivavaha amin’ny Rainao, Izay ao amin’ny mangingina; ary ny Rainao, Izay mahita ao amin’ny mangingina, no hamaly anao.” (Matio 6:6). Eny, afaka mihaino ny vavaka ataontsika aminy rehefa irery Andriamanitra. Tsy misy tsy hitany mihitsy. Azony atao ny mandinika ny fiforonan’ny olona vao torontoronina, tsy isalasalana fa amin’ny famakiana ny zavatra fantatra momba ny toetoetra hametra ny maha-izy azy (Salamo 139:15, 16; Genesisy 25:23). Azony atao aza ny mamaky ny faniriana miafina ao am-po (I Samoela 16:7; I Mpanjaka 8:39; Jeremia 17:10; Asan’ny apostoly 1:24). Inona no tokony ho vokatr’izany fahamarinana izany eo amintsika?
7. Amin’ny lafiny inona ny fitondrantenan’ny kristiana iray no mety hisy hokianina?
7 Mba hahatongavana ho kristiana marina, dia tsy maintsy nanao fiezahana isika mba hanafahan-tena amin’ny fahotana sy ny kileman-toetra lehibe. Izany koa no hita tamin’ireo kristiana voalohany (I Korintiana 6:9-11; Asan’ny apostoly 26:20; I Petera 4:1-4). Fa ahoana ny amin’ny fahadisoana tsy hitan’ny hafa? Tsy mahatonga izany ho tsy lehibe velively ny tsy fahalalan’ny maro azy. Izany no azo tsoahina avy amin’izao tenin’i Davida izao: “Izay manendrikendrika ny namany mangingina dia hofongorako; tsy tohako izay miandranandrana sy miavonavona am-po.” (Salamo 101:5). Na dia manendrikendrika olona iray ao amin’ny mangingina aza ny olona iray amin’ny firesahana amin’ny olona iray monja, dia nanao ratsy izy. Tsy nanala tsiny an’io ota io àry i Davida noho izy natao “mangingina” fotsiny.
8. Ahoana no ahafantarantsika fa tsy miafina eo imason’i Jehovah ireo fandikan-dalàna any amin’ny mangingina?
8 Tsy tokony hamita-tena koa ny mpandika lalàna amin’ny finoana fa tsy fantatr’Andriamanitra, “Izay mahita ao amin’ny mangingina” ilay fahadisoana. Nasehon’i Jehovah fa noheveriny ho zava-dehibe ny tsy fivadihan’ny olona, na dia rehefa tsy fantatry ny rehetra aza ny nataony. Tadidio ny ohatra ny amin’i Akana. Nahazo fanendrena handrava an’i Jeriko sy handringana ny Kananita ratsy fanahy nonina tao ny Isiraelita. Ny volafotsy sy ny volamena ary ny varahina ihany no tokony hotsimbinina, ary izany dia ho an’ny rakitry ny fitoerana masin’Andriamanitra (Josoa 6:17-19). Resin’ny fakam-panahy anefa i Akana: naka fitafiana sarobidy iray sy volafotsy ary volamena sasany izy, avy eo dia nafeniny tao ambany lainy ny zavatra azony babo, tsy isalasalana fa tamin’ny fieritreretana hoe tsy hisy olona hahalala izany mihitsy. Nefa moa ve izy afaka namitaka Ilay “mahita ao amin’ny mangingina”? Tsy izany velively. Nataon’Andriamanitra izay hahafa-tsarona ny fahotan’i Akana sy hamonoana azy mbamin’ny ankohonany. — Josoa 7:1, 16-26.
9. Inona no tokony hataontsika mba hahazoana sy hitanana ny fankasitrahan’Andriamanitra?
9 Tamim-pahendrena no nanazavan’i Eliho toy izao ny amin’i Jehovah: “Fa ny mason’Andriamanitra dia mijery ny alehan’ny olona, ary mahita ny diany rehetra Izy. Tsy misy aizina na alim-pito, izay hieren’ny mpanao ratsy.” (Joba 34:21, 22). Raha irintsika àry ny hahazo sy hitana ny fankasitrahan’Andriamanitra, dia ilaina ny hiezahantsika hiaina mifanaraka amin’ny fotopoto-pitsipiny, tsy hoe rehefa mahafantatra fa misy mijery fotsiny isika, fa rehefa mieritreritra koa isika fa voaro amin’ny maso ta-hahafanta-javatra. ‘Mijery ny alehan’ny olona tokoa ny masony’ amin’ny fotoana rehetra.
10. a) Tamin’ny ahoana ny fitondrantenan’i Paoly no faka tahaka, na dia rehefa tsy nisy nahita azy aza? b) Amin’ny karazam-pahadisoana miafina inona indrindra moa no tokony hitandremantsika tena?
10 Mety hiharan’ny fitsapana tsy fantatr’ireo namany ny kristiana iray. Izany no nitranga tamin’i Paoly fony izy tany an-tranomaizina. Niampanga azy ho “mpampikomy” sy “nitady handoto ny tempoly” ireo Jiosy. (Asan’ny apostoly 24:1-6.) Nanohitra nilaza ny tsy fananany tsiny i Paoly teo anatrehan’i Feliksa, mpitsara romana, lazalazain’ny Tantara ho lehilahy lozabe sy ratsy fitondrantena. Noho ny ‘fanantenany fa homen’i Paoly vola’ izy, dia navelany higadra Paoly (Asan’ny apostoly 24:10-21, 26). Fantatr’ilay apostoly fa noraran’ny Soratra masina ny fanolorana na fandraisana fanomezana mety hisy heriny eo amin’ny fitsarana, nefa nety ho noheveriny fa nety ny hividianana toy izany ny fahafahany. Koa satria tsy hisy hahalala ny fifanarahana, dia tsy mety hahatafintohina na iza na iza izy (Eksodosy 23:8; Salamo 15:1, 5; Ohabolana 17:23). Tsy nihevitra toy izany anefa i Paoly. Tamin’izao androntsika izao, dia mpanompon’i Jehovah maro no tojo fitsapana sahala amin’izany, indrindra fa raha ny amin’ny lalàn’Andriamanitra momba ny ra, ny “masturbation” sy ny fisotroana tafahoatra. Aoka hojerentsika izao ny fomba mety hitrangan’ireo fitsapana ireo eo amin’ny fiainanao na ny an’ny havanao akaiky.
Ny fankatoavantsika sy ny raharaha momba ny ra
11. Miorina amin’inona moa ny fihetsiky ny kristiana eo anoloan’ny ra?
11 Tsy vaovao na mampisalasala akory ny lalàn’Andriamanitra ny amin’ny ra. Tamin’ny alalan’i Noa razambe iombonantsika, dia nandidy ny olombelona rehetra toy izao Jehovah: “Ny nofo izay mbola misy aina (dia ny rany) no aza haninareo.” (Genesisy 9:4). Nosoritana indray ny fahamasinan’ny ra izay mampiseho ny aina manana an’Andriamanitra ho Loharanony ao amin’ny lalàn’i Mosesy. Rehefa tsy nampiasaina teo amin’ny alitara ny ra dia tokony ‘haidina amin’ny tany toy ny rano’. (Levitikosy 17:11-14; Deoteronomia 12:23-25.) Mbola manan-kery ihany ve ny fandrarana tsy hitana ny ain’ny tena amin’ny alalan’ny ra taorian’ny nanafoanana ny lalàn’i Mosesy? Izany dia izany tokoa. Tamin’ny fivoriana iray antsoin’ny sasany hoe konsily kristiana voalohany, ny kolejy foibe dia tonga tamin’ny fanatsoahan-kevitra fa ny kristiana dia tokony ‘hifady ny fanompoan-tsampy, ny fijangajangana, izay nokendaina [ny biby tsy nalatsa-dra] sy ny ra’. Ny fampiasana ny ra tamin’ny fomba ratsy àry dia fahadisoana ara-pitondrantena lehibe toy ny firaisan’ny lahy sy ny vavy tsy ara-dalàna. — Asan’ny apostoly 15:20, 21, 28, 29.
12. Inona moa no toerana notanan’ireo kristiana voalohany raha ny amin’ny raharaha momba ny ra?
12 Nanaraka ny lalàn’Andriamanitra momba ny ra ireo kristiana voalohany. Ny sasany tamin’ireo niara-belona taminy dia nisotro ny ran’ireo nampiadiana tao amin’ny kianja filalaovana, noho ny fanantenana ny ho “sitrana” amin’ny androbe, nefa izy ireo tsy mba nanao toy izany. Ambonin’izany, izy ireo dia tsy nety nihinana sakafo nisy ra, na dia rehefa nahatonga azy ireo hiharan’ny fahafatesana aza izany, dia ny tenany sy ireo zanany. Hatramin’izay, dia teolojiana maro sy manam-pahaizana hafa koa no niaiky fa ny lalàn’Andriamanitra mandrara ny hamelomana ny ain’ny tena amin’ny fandraisana ra dia mbola mihatra foana amin’ireo mpianatr’i Kristy.
13. a) Ahoana no mety hisedrana ny fanajanao ny fahamasinan’ny ra? b) Inona moa no antony lehibe indrindra andavan’ny kristiana ny fampidiran-dra?
13 Vao haingana kokoa, dia nanjary fanasitranana niely aoka izany ny fampidiran-dra. Mety hosedraina àry ny finoan’ny kristiana iray amin’io lafiny io. Misy mpitsabo, mpanampy ny mpitsabo sy havana koa aza mety hanery azy mba hanekeny fampidiran-dra. Marina fa ny olona mahafanta-javatra tsara dia mahalala fa misy loza lehibe amin’ny fampidiran-dra. Nanamarika ny revio Time tamin’ny 5 novambra 1984 fa “isan-taona dia Amerikana eo amin’ny 100 000 no voan’ny aretin’aty noho ny fampidiran-dra”, indrindra fa noho ny “‘virus’ saro-pantarina iray tsy mety hita raha tsy amin’ny fanesorana”. Ilay lahatsoratra koa dia nampahafantatra ny amin’ny SIDA (syndrome immuno-déficitaire acquis) maherin’ny 6 500 izay ny maromaro aminy dia “nifamatotra tamin’ny fampidiran-dra”. Izao no azo novakina ny amin’izany: “Efa ho antsasaky ny olona voa no maty, nefa rehefa fakafakaina farany, ny ara-kevin’ny maty dia mety ho 90 % raha tsy mihoatra aza.” Tsy noho izy fitsaboana ratsy anefa no andavan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny fampidiran-dra. Na dia afaka nanome toky antsika tokoa aza ny mpitsabo iray fa tsy misetra loza mihitsy isika amin’ny fanekena fampidiran-dra, ny Tenin’Andriamanitra dia handidy antsika foana mba ‘hifady ny ra’. — Asan’ny apostoly 21:25.
14. Fitsapana “mangingina” inona no mety hosetrainao indray andro any amin’io lafiny io?
14 Alao sary an-tsaina izao fa hoe araka ny filazan’ireo mpitsabo dia tena mila fampidiran-dra tokoa ianao. Mazava ho azy fa ho tonga avy hatrany ao an-tsainao ny lalàn’Andriamanitra. Ambonin’izany, ny fahatapahan-kevitrao hankatò an’Andriamanitra na inona na inona vokany avy hatrany dia tsy isalasalana fa hohatanjahin’ny fanatrehan’ireo rahalahinao kristiana (jereo Daniela 3:13-18). Fa inona no hataonao raha toa ny mpitsabo iray na ny mpitsara iray ka manery anao manokana hanaiky fampidiran-dra ka tonga hatramin’ny fangatahana anao mba hametraka aminy ny andraikitrao eo anatrehan’Andriamanitra?
15. Inona moa no fiheveran-diso ananan’ny mpitsabo sy ny mpitsara sasany ny amin’ny toerantsika eo anoloan’ny ra?
15 Raha heverina amin’ny rapaoro voarainay avy any amin’ny tany isan-karazany, ny mpitsabo, mpitsara sy tompon’andraikitra amin’ny hopitaly sasany dia mihevitra amin’ny fomba diso fa ny Vavolombelon’i Jehovah dia manambara tena ampahibemaso ho manohitra ny fampidiran-dra, nefa manokana na ao anatiny dia hafa ny eritreriny. Tamin’ny toe-javatra manokana iray, ny mpitsara iray aza dia tonga tamin’izao fanatsoahan-kevitra jadona izao: “Ny tena zava-manahirana dia tsy amin’ny finoana mafy ara-pivavahana [ananan’ilay marary], fa amin’ny fandavany tsy hanao sonia fanomezan-dalana mialoha amin’izay mety ho fampidiran-dra. [Ilay olona resahina] dia tsy nanohitra an’io fomba fitsaboana io mihitsy, tsy tiany fotsiny ny hitarika ny fanaovana izany.” Raha ny marina, dia fantatra tsara fa ny Vavolombelon’i Jehovah dia tsy mianina amin’ny fandavana amin-tahotra tsy hanao sonia fanomezan-dalana. Izy ireny kosa dia maniry foana hanao sonia taratasy ofisialy manala ny mpiasa ara-pitsaboana amin’ny andraikitra rehetra noho ny mety ho vokatry ny safidiny.
16. Raha misy olona manery anao manokana hanaiky fampidiran-dra, inona no tsy tokony hohadinoinao?
16 Angamba ireo mpitsabo sy ireo mpitsara hiezaka hampiaiky anao satria izy nahita mpikambana amin’ny fivavahana hafa nanda fomba fitsaboana iray aloha, avy eo dia nanaiky izany tamim-piafenana. Ny sasany aza milaza fa nisy Vavolombelona nanaiky mangingina fampidiran-dra. Raha tena nitranga tokoa ny toe-javatra toy izany, dia angamba izany olona vao haingana no niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Na ahoana na ahoana, ireo mpanompon’Andriamanitra be fandavan-tena dia mahafantatra tsara fa tsy hisy fandikana ny fieritreretana hiafina aminy mihitsy. Mba hiaikena ny amin’izany, dia ampy ny mahatsiahy ny fahotana nataon’i Davida tamin’ny raharaha momba an’i Batseba sy Oria. Jehovah, izay nahita ny zavatra rehetra, dia nampita taminy izao hafatra izao tamin’ny alalan’i Natana: “Fa hianao nanao izany tao amin’ny mangingina, ary Izaho kosa haneho izany zavatra izany eo anatrehan’ny Isiraely rehetra sy amin’izao antoandrobenanahary izao.” Mifanaraka amin’ireo teny ireo, Davida dia tsy maintsy nizaka taty aoriana ireo vokatra mampalahelon’ny fahotana nataony “mangingina”. — II Samoela 11:27 ka hatramin’ny 12:12; 16:21.
17. a) Amin’ny fanekena mangingina fampidiran-dra, inona avy no zava-manahirana mety hateraky ny tena amin’ny hafa? b) Asehoy ny fomba niorenan’ny vehivavy kristiana iray mafy raha ny amin’ny raharaha momba ny ra, na dia manokana aza. Inona no vokatra nateraky ny tsy fivadihany?
17 Ny fitiavanao an’ireo rahalahinao dia tokony hisakana anao koa tsy ho resin’ny fanerena amin’ny fandikana mangingina ny lalàn’Andriamanitra momba ny ra. Raha manjary manaiky fampidiran-dra mangingina ianao noho ny fiangavian’ny mpitsabo iray na ny mpitsara iray, dia eritrereto ireo zava-manahirana fanampiny haterak’izany ho an’ny Vavolombelona hanaraka izay ho ao anatin’ny tarehin-javatra toy izany. Momba izany, dia ho tianay ny hampahafantatra anareo ny amin’ny zavatra tena nitranga iray:
Notsaboina hatramin’ny elaela noho ny aretina ny anabavy Rodriguez. Tsitapitapitr’izay dia niharatsy aoka izany ny toe-pahasalamany. Fantatry ny mpitsabo azy fa fandehanan-dra any anaty no nahazo azy ka notarihiny ho any amin’ny hopitaly lehibe iray avy hatrany izy. Rehefa tonga tany ny anabavy Rodriguez dia nanambara tamin’ny mpiasa tao amin’ny fikarakarana maika dia maika hoe: “Na inona na inona hitranga, dia tsy tiako ny hampidiran-dra.” Niorina mafy hatrany izy rehefa nisy vehivavy mpanampy ny mpitsabo nanery azy tamin’ny filazana fa nisy Vavolombelona nanaiky hampidiran-dra. Nandritra ny andro maromaro dia very ra foana izy ary nihaosa ka tamin’ny farany dia nafindra ho any amin’ny sampan-draharaha momba ny “réanimation”. Tamin’izay ilay hopitaly no nametraka ny raharaha teo an-tanan’ny mpitsara iray tao amin’ny fitsarana tampony tao amin’ny Fanjakana.
Volana vitsivitsy taty aoriana, tao amin’ny efitrano fampianarana ao amin’ny hopitaly, ilay mpitsara resahina dia nanonona teo anoloan’ny mpitsabo 150 mahery, lahateny araka ny foto-kevitra hoe “Rehefa dinihina, an’iza moa ny aina?” Araka ny nolazainy, dia nahita olona izy izay, rehefa avy handa tsy hampidiran-dra, tamin’ny farany dia nanaiky rehefa nisalovana ny tenany. Ahoana ny amin’ilay anabavintsika? Nitantara ilay mpitsara fa nanandrana manokana izy nitarika azy hametraka ny andraikitra amin’ny tenany amin’ny famelana azy handidy ny hampidiran-dra noho ny didin’ny fitsarana. Inona no nataony? Teo anoloan’ireo mpitsabo tafavory, dia nanamarina ilay mpitsara fa ‘nanangona ny hery rehetra sisa nananany Rtoa Rodriguez mba hamaliana azy fa tsy hanaiky ra na oviana na oviana izy’. Taorian’izany dia nangataka azy izy mba hamela azy sy hiala tao amin’ny efitrano. Noho izany, araka ny nohazavainy, ilay mpitsara dia tsy nanana antony mihitsy tokony handidiana fampidiran-dra nifanohitra tamin’ny sitrapony.
18. Raha ny amin’ny ra, inona no tokony hampahafantarintsika tsara ny manodidina antsika? Inona no mety ho vokany?
18 Izany dia manipika ny maha-zava-dehibe ny hampahafantarana tsara ny manodidina anao fa tsy misy ilàna mihitsy ny hiadian-kevitra ny amin’ny toerantsika raha ny amin’ny ra. Ireo apostoly dia niseho ho niorina mafy toy izany rehefa nanambara hoe: “Andriamanitra no tokony hekena mihoatra noho ny olona.” (Asan’ny apostoly 5:29). Izay hita tamin’ny anabavy Rodriguez dia manazava koa ny mety ho vokatry ny fandikan’ny Vavolombelona iray ny fieritreretany eo amin’ny hafa. Rehefa narary sy osa ara-batana izy, dia angamba tsy maintsy nizaka fanerena fanampiny satria nisy nandika ny lalàn’Andriamanitra mangingina. Tsy ilaina ny milaza fa raha natao izany fandikan-dalàna izany dia tsy hoe niafina teo imason’ilay “Mpitsara ny tany rehetra”. (Genesisy 18:25.) Soa ihany fa raha ny amin’ny anabavy Rodriguez, dia tsy nivadika hatrany izy na ampahibemaso na manokana. Taty aoriana, rehefa sitrana izy, dia afaka nanazava tamin’io fivorian’ny mpitsabo io ihany ny antony nananany fahavononana tsy hivadika hatrany amin’Andriamanitra.
19. Tokony hahatsapa inona isika amin’ny fotoana rehetra?
19 Isika koa dia tokony hiseho ho tsy hivadika, na dia tsy hitan’ny olona aza ny ataontsika. Mahafaly an’i Jehovah ny tsy fivadihantsika, ka hamaly soa antsika noho izany izy. Araka ny rariny, dia hamaly koa ireo izay tsy nifikitra hatrany tamin’ireo fotopoto-pitsipiny izy, na natao an-karihary ny fahadisoany na tao amin’ny mangingina (Salamo 51:6; Joba 34:24). Na dia izany aza, noho ny fitiavany, dia omeny antsika ireo torohevitra tonga lafatra ilaintsika mba handresena ny kileman-toetra miafina rehetra mety hananantsika. Izany no ho hitantsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka.
Araka ny hevitrao ...
◻ Afaka manao inona Andriamanitra? Amin’ny ahoana izany no tokony hisy heriny eo amin’ny ataontsika?
◻ Inona no fianarana lehibe azontsika tsoahina avy amin’ny tantaran’i Akana?
◻ Raha toa ny kristiana iray ka nanaiky handika mangingina ny lalàn’Andriamanitra momba ny ra, inona avy no mety ho vokany?
◻ Raha ny amin’izay mahakasika ny fiheveran’i Jehovah momba ny ra, tokony ho tapa-kevitra ny hanao inona isika?
[Efajoro, pejy 13]
Mbola manan-kery foana ny lalàn’Andriamanitra ny amin’ny ra
JOSEPH PRIESTLEY (1733-1804) dia fantatra indrindra ho manam-pahaizana satria noho izy no nahitana ny “oxygène”. Teolojiana koa anefa izy. Izao anefa no nosoratany:
“Toa tena mihatra amin’ny taranany rehetra ny fandrarana tsy handray ra natao tamin’i Noa. Ny amin’ny hevitra hoe toa tsy nampiharina tamin’ny kristiana afa-tsy vonjimaika ihany ny lalàna momba ny ra, dia izao no teny nanampin’i Priestley: “Tsy misy na inona na inona mampiseho na mampahafantatra koa aza fa tokony ho vonjimaika fotsiny izany. Tsy misy firesahana mihitsy ny amin’ny fotoana hanafoanana azy (...) Raha lazaintsika ny hevitr’io fandrarana nolazain’ny apostoly io amin’ny fahazavan’ny fampiharana nanaovan’ny kristiana voalohany azy, dia izy ireo izay tsy nahina loatra ho tsy nahazo tsara ny maha-zava-dehibe azy, dia ho voatery isika hanatsoaka hevitra fa fitsipika hentitra sy maharitra mandrakizay izy io.”
Tamin’ny 1646 dia niseho tamin’ny fiteny anglisy ny soratra iray nitondra ny lohateny hoe Filazana fa tsy marina ny zavatra inoana lian-dra — Ny amin’ny fandrarana momba ny ra. Ao amin’ny pejy faha-8, dia nilaza izao fanatsoahan-kevitra izao izy: “Aoka àry hofoanantsika ny fanao mampiseho halozana arahina manerana an’i Angletera natao hihinanana ny ain’ny biby amin’ny endriky ny “boudin” mainty maloto, dia hiseho hamindra fo isika fa tsy hoe tsy hanana antra. Tsy handika ireo fitsipik’Andriamanitra mazava intsony isika. Hanaiky ny sitrapony kosa isika, hanao izay marina eo imasony sy hahazo ny fankasitrahany (...). Tsy hesorina tsy ho eo amin’ny firenentsika isika, ary tsy hanana foana ny tavan’Andriamanitra hanohitra antsika noho ny ratsy.”
Tamin’ny taonjato faha-17 i Gaspard Bartholin dia mpampianatra “anatomie” (fahalalana ny toetry ny momba ny tena rehetra) tao amin’ny oniversite any Copenhague. Momba ny ‘fampiasana ny ra amin’ny fomba ratsy’, dia nanao izao fanamarihana izao izy: ‘Hita fa i ireo izay tia ny mampiasa ny ran’olombelona ho fanafody anaty dia mampiasa azy amin’ny fomba ratsy ary manao fahotana lehibe. Melohintsika ny mpihinana nofon’olona. Nahoana isika no tsy ho tsiravina koa noho ireo mandoto ny tendany amin’ny ran’olombelona? Toy izany koa ny amin’ireo izay mandray ran’olon-kafa nalaina avy amin’ny lalandra voadidy, na amin’ny alalan’ny vava, na amin’ny alalan’ny fiasana famindrana ra. Ireo izay manjary meloka ho manao zavatra toy izany dia mety hatahotra ny lalàn’Andriamanitra izay manameloka ny fampidiran-dra.’
Ny boky hafa iray mitondra ny lohateny hoe Fanambarana voadinika tsy misy fiangarana (anglisy 1745) dia nivaofy koa ny amin’ireo didy mahakasika ny ra. Nanolotra izao fanazavana manaraka izao izy: “Io didy io, dia Andriamanitra mihitsy no nanome azy an’i Noa, namerina izany tamin’i Mosesy, ary nanamafy azy ireo apostolin’i Jesosy Kristy. Nambara avy hatrany taorian’ny safodrano izany, rehefa azo nolazaina hoe vao avy nohavaozina izao tontolo izao. Io no hany nolazaina tamin’io fotoana manokana io; naverina tamin’ny fomba manetriketrika naharaiki-tahotra izany tamin’ny vahoaka nosarahin’Andriamanitra tamin’ny sisa amin’ny olombelona mba hitoerany ho masina eo anatrehany, niaraka tamin’ny fandrahonana nahatahotra ny amin’ny famalian’Andriamanitra na amin’ny Jiosy na amin’ny hafa firenena izay hanana fahasahiana handika azy; farany, izany dia nohamafisin’ny konsily nalaza indrindra sy masina indrindra nety ho novorina teto an-tany izay niasa teo ambany fitarihana mivantan’ny fanahin’Andriamanitra. Rehefa avy eo ilay fivoriana masina dia nampita azy tamin’ireo Fiangonana samihafa teny amin’ireo firenena manodidina tamin’ny alalan’ny mpitondra hafatra nalaza toy ny eveka roa sy apostoly roa (...). Iza àry, aorian’izany rehetra izany, no mbola ho sahy handa an’io baiko io ihany? Olona iza, manana ny fahaizany no hilaza ny amin’ny fitsipika nambaran’ny tenan’Andriamanitra, naverimberiny sy nohamafisiny toy izany fa tsy misy ilàna azy izany ary tsy dia manao ahoana?”
[Sary, pejy 14]
Noho ny fihetsiny tsara, ny Vavolombelona iray dia afaka manampy hafa iray tsy hivadika hatrany amin’Andriamanitra.