Fanontanian’ny mpamaky
◼ Raha mihevitra ny kristiana iray fa tsy namana tsara ny mpikambana hafa iray ao amin’ny kongregasiona noho ny fihetsiny na ny fitondrantenany, moa ve ny tenany no tokony hitarika ny ‘fanamarihana’ azy io? — II Tesaloniana 3:14, 15.
Ireo izay miditra ao anatin’ny kongregasiona kristiana dia manao izany satria tia an’i Jehovah izy ireo ary satria maniry amim-pahatsorana hanaraka ireo fotopoto-pitsipiny. Namana tsara kokoa noho ireo olona eo amin’izao tontolo izao àry izy ireny. Angamba azoazontsika kokoa ny miaraka amin’ny kristiana sasany tsy toy ny amin’ny hafa. Ny tenan’i Jesosy koa aza dia nanana firaiketam-po manokana tamin’i Jaona, ary akaiky azy indrindra ny telo tamin’ireo apostoly roa ambin’ny folo. Nifidy azy rehetra ireo sy tia azy anefa izy ary nihevitra ny tsirairay taminy (Jaona 13:1, 23; Marka 5:37; 9:2; 14:33). Mazava ho azy fa manana kileman-toetra daholo ny namantsika rehetra, nefa tokony hiezaka hipetraka eo amin’ny toerany sy hamela ny helony isika. Na ahoana na ahoana, amin’ny fitambarany, ireo rahalahintsika ao amin’ny finoana dia tsara ifaneraserana tokoa (I Petera 4:8; Matio 7:1-5). Aoka tsy hohadinointsika fa ny fifankatiavana no anankiray amin’ireo toetra mampiavaka ny kongregasiona kristiana. — Jaona 13:34, 35; Kolosiana 3:14.
Mety tsy hankasitrahantsika ny fihetsika na ny fomba fiainan’ny kristiana hafa iray. Araka ny nasain’ny apostoly Paoly nomarihina, ny mpikambana sasany tao amin’ny kongregasiona tany Korinto dia nanana hevi-diso ny amin’ny fananganana ny maty ary toa nirona hanararaotra ny fiainana araka izay farany betsaka. Ireo kristiana matotra dia tokony hiseho ho malina tamin’ny fifandraisany tamin’izy ireo, satria noheverin’i Paoly fa tsara ny hanaovana izao fampitandremana izao: “Aza mety hofitahina hianareo; ny fikambanana amin’ny ratsy manimba ny fitondrantena tsara.” — I Korintiana 15:12, 32, 33.
Mbola voamarina ihany io fotopoto-pitsipika io amin’izao androntsika izao. Ohatra, mety hisy ray aman-dreny kristiana hahamarika fa ny fifaneraserana amin’ny mpikambana tanora ao amin’ny kongregasiona toy izao na izao, izay tsy tena mandatsaka am-po ny fahamarinana na mirona hanahaka izao tontolo izao, dia mampihatra fitaoman-dratsy eo amin’ireo zanany. Mety ho efa mahazo fifehezana sasany ilay zazalahy na ilay zazavavy resahina. Nefa raha mbola tsy tsapa ny vokany, ny kristiana hafa dia manana zo handrara an’ireo zanany tsy hiara-milalao aminy na hankany aminy. Izany anefa tsy ‘fanamarihana’ azy amin’ny heviny ampiasana an’io teny io ao amin’ny II Tesaloniana toko faha-3. Eo, ny ray aman-dreny dia tsy manao afa-tsy ny mampihatra ny torohevitr’i Paoly momba ny “fikambanana amin’ny ratsy”.
Ny toe-javatra mety hahatarika kristiana ‘hanamarika’ anankiray amin’ny namany dia ratsy kokoa noho ny amin’ilay ankizy vao avy noresahintsika teo. Amin’izany ny mpikambana iray ao amin’ny kongregasiona dia mety hanaraka fihetsika mahasanganehana tsotra izao sy mifanohitra amin’ny Soratra masina, na dia mbola tsy mitaky ny fandaharam-pandroahana resahina ao amin’ny I Korintiana 5:11-13 aza ny ataony. Nitranga izany tany amin’ny kongregasionan’i Tesalonika fahiny. Izao tokoa no nosoratan’i Paoly: “Fa renay fa misy sasany eo aminareo tsy mitoetra tsara, ka tsy miasa akory, fa mivezivezy foana miraharaha ny an’olona.” — II Tesaloniana 3:11.
Inona àry no tokony hataon’ny kristiana hafa tany Tesalonika? Izao no avalin’i Paoly: “Ary mandidy anareo izahay, ry rahalahy, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy Tompontsika, mba hialanareo amin’ny rahalahy rehetra izay tsy mitoetra tsara ka tsy manaraka ny fampianarana natolotra izay noraisiny taminay. Fa hianareo, ry rahalahy, aza ketraka amin’ny fanaovan-tsoa. Ary raha misy olona tsy manaiky ny teninay amin’ity epistily ity, mariho izany olona izany, ka aza mikambana aminy, mba hahamenatra azy. Anefa aza dia atao fahavalo izy, fa anaro toy ny rahalahy.” — II Tesaloniana 3:6, 13-15.
Araka izany àry, dia tsy nanondro ireo olona kamo sy ta-hahafanta-javatra loatra tamin’ny anarany i Paoly fa nasehony tamin’ny kongregasiona manontolo ny faharatsian’ny fitondrantenany. Ny kristiana rehetra izay nahalala hoe iza ireo tsy voafehy ireo tamin’izany dia hihevitra azy ho ‘voamarika’. Ny dikan’ny fitenenana grika nadika hoe ‘mariho izy’ dia hoe ‘asio famantarana eo aminy’, izany hoe ‘mitandrema indrindra ny aminy’. (Jereo ny fanamarihana ambany pejy ao amin’ny fanontana amin’ny teny anglisy misy fakàn-teny amin’ny Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao.) Ny amin’ny kristiana ‘voamarika’, dia izao no nambaran’i Paoly: “Aza mikambana aminy, mba hahamenatra azy.” Tsy hanary azy tanteraka ny kristiana hafa, satria nanoro hevitra azy ireo koa i Paoly mba hanohy ‘hananatra azy toy ny rahalahy’. Amin’ny famerana ny fifampikasohana aminy amin’ny maha-olombelona anefa dia afaka manampo izy ireo fa hahatarika azy ho menatra sy hahita fa ilaina ny hampiharana ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly. Amin’izany fomba izany ihany koa, dia hiaro tena amin’ny fitaomany tsy mahasoa ireo rahalahiny sy anabaviny. — II Timoty 2:20, 21.
Amin’izao andro izao, ny kongregasiona kristiana dia mbola mampihatra foana an’io torohevitra ioa. Araka izany Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 aogositra 1982, ao amin’ny pejy faha-31, dia nanipika fa ny ‘fanamarihana’ olona dia tsy tokony hifototra amin’ny hevitra manokana na satria tapa-kevitra ny tsy hifanerasera aminy akaiky intsony ny tena. Araka ny miharihary amin’ny hita tany Tesalonika, dia tsy azo marihina ny olona iray raha tsy nisy fandikana lehibe fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly. Hanandrana imbetsaka hanampy ilay mpandika lalana aloha ireo loholona amin’ny fananarana azy. Raha maharitra anefa ilay zava-manahirana dia ho azon’izy ireo atao ny hampiseho lahateny amin’ny kongregasiona mba hampitandremana azy amin’ny karazana tsy fanaraham-pifehezana tafiditra; nefa na dia izany aza dia tsy hanonona ny anaran’ilay olona voakasika. Izany no nataon’i Paoly tao amin’ny taratasiny ho an’ny Tesaloniana. Aorian’izany, ny kristiana amin’ny lafiny isam-batan’olona, dia ho afaka ‘hanamarika’ ilay naniasia.
Ilaina ny hanehoana fiheverana tsara fa tsy hitady hanorina fitsipika hentitra ny amin’ny lafiny rehetra amin’io raharaha io. Tsy nanome fitsipika nisy antsipiriany i Paoly momba ny zava-nanahirana tany Tesalonika. Ohatra, tsy nasehony mazava tsara ny hoe haharitra fotoana toy inona ny kristiana iray tsy nety niasa no tokony ‘homarihina’. Toy izany koa, ireo loholona izay mahafantatra ny ondry dia hampiasa fahaiza-mitsara zavatra sy fahaiza-manavaka mba hahafantarana raha ampy fahalehibeazana sy mahasanganehana ny toe-javatra iray ka ilaina ny hampitandremana ny kongregasiona amin’ny alalan’ny lahatenyb.
Raha ilaina indraindray ny ‘hanamarihana’ kristiana tsy voafehy iray, ankoatra ny zavatra hafa, izany dia noho ny fanantenana ny hampahamenatra azy sy hanosehana azy hiala amin’ny ataony mifanohitra amin’ny Soratra masina. Ireo kristiana ‘nanamarika’ azy, indrindra fa ireo loholona àry dia hanohy hampahery azy sy handinika ny fihetsiny ao amin’ireo fivoriana sy any am-pitoriana. Rehefa ho tsapan’izy ireo fa voalamina ilay zava-nanahirana nitarika azy ireo ‘hanamarika’ azy, dia ho azony atao ny hifanerasera aminy indray amin’ny fotoana fialam-boly.
Noho izany, dia misy tsy fitoviana amin’ny ‘fanamarihana’ olona sy ny fanalavirana ny naman-dratsy, amin’ny fampiharana manokana na ao amin’ny fianakaviana, torohevitr’Andriamanitra. Na dia tsy ilaina aza matetika ny hanamarihana kristiana iray, io fandaharana araka ny Baiboly io dia tokony hatao rehefa mitaky izany ny toe-javatra miseho, araka ny hita tany Tesalonika.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 novambra 1973, pejy faha-657-662.
b Ohatra, haneho fahaiza-manavaka ireo loholona raha mikasa ny hanambady tsy “ao amin’ny Tompo” ny kristiana iray. Jereo Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 septambra 1982, pejy faha-31.