FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w85 15/8 p. 19-23
  • “Hianareo no fanasin’ny tany”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • “Hianareo no fanasin’ny tany”
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Teny “mamy sira”
  • “Aoka hisy sira ao anatinareo”
  • ‘Ny fanasin’ny tany’
  • Foto-javatra iray miaro amin’ny fahasimbana
  • Tsy fiovaovana sy fahatokiana
  • Sira
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • “Zanaky ny Ray Aman-dreny Madio Indrindra”
    Mifohaza!—2006
  • Ranomasina Maty
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Fantatrao Ve?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
w85 15/8 p. 19-23

“Hianareo no fanasin’ny tany”

“Hianareo no fanasin’ny tany; fa raha ny fanasina no tonga matsatso, inona indray no hahasira azy?” — MATIO 5:13.

1. Inona moa no atao hoe sira?

NY FANASINA na sira dia zavatra miavaka. Raha araka ny “chimie”, ny mahaforona azy dia “sodium”, metaly manokana tokoa, sy “chlore”, gaza poizina iray. Ny fetezan’ireo foto-javatra roa mampidi-doza ireo hitambatra mba hahaforona zavatra mahasoa tokoa toa an’io dia porofon’ny fahagagana nataon’ny Mpamorona mba hahasoa ny olombelona. — Salamo 104:24.

2. Hazavao amin’ny alalan’ny ohatra ireo toetra mitahiry ananan’ny sira.

2 Voalohany indrindra, ny sira dia fitehirizan-javatra tsara dia tsara. Aoka hohazavaintsika amin’ny alalan’ny ohatra izany toe-javatra izany: Nataon’ny lehilahy iray tao amin’ny fametrahana entana amin’ny fiarakodiany ny hoditr’ondry roa vao novonoina, dia lasa nandeha lavitra izy tamin’ny andro mafana indrindra any Afrika. Rehefa novohany ny fitoerana entana tamin’ny farany, dia nisy fofona maimbo nivoaka avy tao; feno bibikely ireo volonondry. Nosasana sy nokosehina sira mafy anefa izany. Inona no vokany? Taona maro taty aoriana, dia mbola tsara foana ireo karipetra malemilemy ireo.

3. Inona no azo lazaina ny amin’ny hasarobidin’ny sira sy ny habetsahany eto an-tany?

3 Tsy azo lavina fa mpitahiry sarobidy tokoa ny sira. Misy ilàna azy amin’ny fomba hafa koa anefa. Raha ny marina, tany Shina fahizay, dia ny volamena ihany no sarobidy noho izy. Tsara ny manamarika fa ny teny frantsay hoe “sel” (sira) dia avy amin’ny teny latina hoe sal, ary ny tapany tamin’ny karama (salarium) noraisin’ireo miaramila tao amin’ny Empira romana dia natao sira. Avy amin’izany no niavian’ny teny hoe “salaire” (karama). Marina fa amin’izao androntsika izao ny sira dia zavatra fahita ihany ary azo lazaina hoe mora vidy any amin’ny ankamaroan’ny faritra eo amin’izao tontolo izao. Mirakitra efa ho 20 tapitrisa kilaometatra kioba amin’izany ireo ranomasina lehibe. Raha aravona manerana an’i Etazonia izany sira izany dia hahaforona sosony iray kilaometatra sy sasany ny haavony. Na dia fony Jesosy teto an-tany aza dia efa nisy be dia be ny sira. Nanome betsaka tamin’izany ny ranon’ny ranomasina Maty, ary nisy havoana be sira teo akaikin’ny toerana nahatongavan’ny vadin’i Lota ho “vongan-tsira”. — Genesisy 19:26.

4. Nahoana moa ny sira no tena ilaina eo amin’ny fiainana?

4 Misy ilàna azy ara-pitsaboana koa ny sira. Ny tenantsika dia mirakitra sira eo amin’ny 230 grama izay raha tsy misy azy dia tsy ho afaka ny ho velona isika. Amin’izany, dia azo atao ny milaza fa tena ilaina eo amin’ny fiainana ny sira. Kanefa ny Baiboly dia manome ho an’ny sira koa, heviny ara-panoharana mifamatotra mivantana amin’ny fiainana sy asan’ny kristiana.

Teny “mamy sira”

5. Eo amin’ny lafin’ny fahandroan-tsakafo, inona moa no ilàna ny sira?

5 Rehefa manadino ny manisy sira ny sakafo ny vehivavy mpahandro iray, dia mety hatsatso tokoa izany, hany ka tsy hety hihinana aminy ny nasaina. Efa nilaza toy izao i Joba: “Azo hanina va ny matsatso raha tsy asian-tsira?” (Joba 6:1, 6). Manatsara ny tsiron-tsakafo ny sira. Ary anefa raha miresaka ny sira amin’ny heviny ara-panoharana ny Soratra masina, dia sady noho io toetra io no noho izy afaka mitahiry zavatra. Ataony indrindra izany mba hilazalazana ny fomba tokony hanambaran’ny kristiana hevitra.

6. Ahoana no ampiharana ny torohevitra voarakitra ao amin’ny Kolosiana 4:6 eo amin’ny fanompoan’ny Vavolombelon’i Jehovah?

6 Araka izany, dia nanoratra toy izao ny apostoly Paoly: “Aoka ny fiteninareo ho amin’ny fahasoavana [hahafinaritra, MN ] mandrakariva, ho mamy sira, mba ho fantatrareo izay tokony havalinareo ny olona rehetra.” Ny Fandikan-teny Eokimenikan’ny Baiboly dia mandika an’io andinin-teny io toy izao manaraka izao: “Aoka ny resaka ataonareo hampiseho fahamoram-panahy mandrakariva, ho tsara tsiro noho ny fisian’ny sira [“tsy matsatso”, Teny velona].” (Kolosiana 4:6). Ny kristiana marina dia mandany ora maro iresahana ny amin’ny Fanjakan’Andriamanitra amin’ny mpiara-belona aminy. Marina fa ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra akory dia tsy mpandahateny mahay avy hatrany, kanefa raha heveriny ho sarobidy tokoa ny hafatra toriny ary raha milaza hevitra amin-kafanam-po sy fiaikena izy, dia ho afaka hanampy olona maro hampitodika ny fony ho amin’ny fahamarinana voarakitra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Zava-dehibe indrindra àry raha mahafinaritra sy manintona ny resaka ataon’ny mpanompon’i Jehovah.

7. Raha “mamy sira” ny tenin’ny kristiana iray, fitaomana tsara inona no azony ampiharina amin’ireo izay mihaino azy?

7 Raha “mamy sira” ny teny ataon’ny kristiana, dia tsy vitan’ny hoe hamela an’ireo izay mihaino azy hanandrana ny tena tsiron’ny hafatra ao amin’ny Baiboly izany, fa hiara-miasa koa amin’ny fiarovana ny fiainany. Eny, toy ny sira ilaina amin’ny fiainana, dia toy izany koa fa ny tenin’ireo mpanompon’i Jehovah dia mety hahavonjy ny ain’ireo izay mihaino ny lazain’izy ireo ny amin’ny fikasana sy ny Fanjakan’Andriamanitra. — Jereo Jaona 6:63, 68.

8. Nahoana moa ny tenin’ireo minisitra kristiana no tokony “hahafinaritra” foana?

8 Miharihary amin’izany fa ny kristiana dia tokony hilaza hevitra amin’ny fomba mahafinaritra sy mampiseho fahamoram-panahy rehefa miresaka amin’ny tsy mpino. Marina fa indraindray ireo ampitany ny hafatra momba ilay Fanjakana dia mamaly azy amin’ny fomba mivatravatra na tsy marina. Kanefa, na dia amin’ny toe-javatra tahaka izany aza, dia tsy hety ny hamalian’ny mpanompon’i Jehovah iray mafy. Tokony ‘hahafinaritra’ foana ny teny ataony. Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia hiseho be fahamoram-panahy, malemy fanahy, manaja olona ary mamindra fo izy. Amin’ny famaliana amim-paharetana sy fahamoram-panahy ireo fanontaniana, fanoherana, fanakianana na tsy fahalalana fomba, dia matetika no misy vokany mahagaga azo. Izao no ambaran’ny ohabolana iray ny amin’izany: “Ny famaliana mora dia mampianina ny fahatezerana mafy.” (Ohabolana 15:1). Marina tokoa fa eo amin’ny fanompoana kristiana, ny fahamoram-panahy, ny fahalalana fomba sy ny fahaiza-mandanjalanja dia mety hanalefaka olona izay miseho ho henjana sy manindrona nefa manana fo tsara ao ambadika. — Ohabolana 25:15.

9. Ahoana no tokony ho fomba firesaky ny kristiana amin’ireo rahalahiny ao amin’ny finoana? Nahoana?

9 Fa ahoana no tokony hitenenan’ny kristiana amin’ireo rahalahiny ao amin’ny finoana? Amim-pahasiahana ve? Azo antoka fa tsy izany. Nahoana? Satria izay rehetra nanolo-tena ho an’i Jehovah mba hanompo azy dia anisan’ny “ondrin’Andriamanitra”, andian’ondry mendrika ny hoentina amim-pitiavana. — I Petera 5:2-4; Asan’ny apostoly 20:29.

10. Amin’ny ahoana moa ny fanambarana voarakitra ao amin’ny Efesiana 4:29-32 no tokony hisy heriny eo amin’ny fomba filazan’ireo mpanompon’i Jehovah hevitra?

10 Azon’ny mpanompon’i Jehovah iray atao anefa ve ny tsy hahalala fomba rehefa miteny amin’ny mpiara-miasa mahatezitra azy izy? Hety ve raha toa ny kristiana iray lehiben’ny mpiasa ka ho voatarika hiteny ratsy satria hoe mandiso fanantenana azy ireo mpiasa ao aminy? Raha somary mihenjana ny ozatry ny vehivavy na ny lehilahy kristiana iray, zony ve ny hanaram-po amin’ny fanompana ny vadiny na ireo zanany? Mazava ho azy fa tsy izany. Izao no nosoratan’i Paoly: “Aoka tsy haloaky ny vavanareo izay teny maloto (...). Esory aminareo ny fo-lentika rehetra sy ny fahavinirana sy ny fahatezerana sy ny fitabatabana sy ny fitenenan-dratsy ary ny lolom-po rehetra; ary aoka samy halemy fanahy amin’ny namany avy hianareo, ka hifampiantra sy hifamela heloka, tahaka ny namelan’Andriamanitra ny helokareo ao amin’i Kristy.” — Efesiana 4:29-32.

“Aoka hisy sira ao anatinareo”

11, 12. Karazan-tsira inona moa no noresahin’i Jesosy ao amin’ny Marka 9:50? Ahoana no tokony ho fomba firesatsika sy fanaovantsika zavatra mba hanarahana an’io fananarana io?

11 Noho ny tsy fahatanterahantsika, ny tsirairay avy amintsika dia mety hiresaka amin’ny fomba tsy mendrika ny kristiana iray. Niaiky tamim-pahatsorana ny amin’izany tamin’izao teny izao i Jakoba mpianatra: “Fa tafintohina amin’ny zavatra maro isika rehetra. Raha misy olona tsy mba tafintohina amin’ny teny, dia izy no lehilahy tanteraka ka mahafehy ny tenany rehetra koa.” (Jakoba 3:2, 8-10). Tsy naningana ireo mpianatr’i Jesosy. Tsy maintsy notenenina izy ireo satria tsy nifampiresaka tamim-pahamoram-panahy. Ohatra, indray andro izy ireo dia niady hevitra mafy mba hamantarana hoe iza amin’izy ireo no lehibe indrindra. Nohararaotin’i Jesosy izany fotoana izany mba hanomezana azy rehetra torohevitra tsara dia tsara. Nananatra azy ireo indrindra izy mba tsy hanao mihitsy izay hahatafintohina ny hafa, ka izany dia hahatonga azy ireo “ho voasira amin’ny afo”, izany hoe ho ringana any amin’ny Gehena. Rehefa avy eo, dia nanao izao fananarana izao izy: “Aoka hisy sira ao anatinareo, ka mihavàna tsara hianareo.” — Marka 9:33-50.

12 Tamin’ny filazana izany, dia miharihary fa tsy nieritreritra ny amin’ny sira kely hita tao anaty tenan’ireo mpianany i Jesosy. Namporisika azy ireo kosa izy hiseho ho malemy fanahy, malina, tia fihavanana sy mahitsy na amin’ny teniny na amin’ny fitondrantenany, raha lazaina amin’ny teny indraim-bava dia haneho fahaiza-mamanta-javatra eo amin’ny fifandraisany amin’ny mpiara-belona aminy. Tena ilaina izany mba hisian’ny fihavanana hatrany eo amin’ny samy kristiana.

‘Ny fanasin’ny tany’

13. Inona no tian’i Jesosy holazaina rehefa nanambara tamin’ireo mpianany izy hoe: “Hianareo no fanasin’ny tany”?

13 Izao koa no nambaran’i Jesosy tamin’ny mpianany: “Hianareo no fanasin’ny tany”. (Matio 5:13). Mazava ho azy fa tsy te-hilaza akory izy fa ireo izay nanaraka azy dia vita tamin’ny sira ara-bakiteny. Kanefa, toy ny sira mitahiry zavatra, dia toy izany koa fa ny hafatra nentin’izy ireo dia hahavonjy aina maro. Tena nampihatra fitaomana feno fiarovana teo amin’ireo izay naniry hiaino ny hafatra nentiny tokoa ireo mpianatra. Nisakana azy ireny tsy hanimba tena teo amin’ny lafiny ara-panahy sy ara-pitondrantena izy ireo. Tsy azo lavina fa ny vaovao tsara nambaran’ireo mpianatr’i Jesosy dia afaka niaro aina. — Asan’ny apostoly 5:20; 13:46-48.

Foto-javatra iray miaro amin’ny fahasimbana

14. Inona no ilaintsika mba hahatoherana ny faharatsiana eo amin’izao tontolo izao?

14 Eo imason’i Jehovah izay avo sy madio, ny fandehan-javatra ankehitriny manontolo dia tokony ho sahala amin’ireo volonondry roa noresahintsika teo am-piandohan’ity lahatsoratra ity. Talohan’ny nanadiovana sy nikosehana azy tamin’ny sira, ireo hoditra ireo dia feno bibikely sy namoaka fofona maimbo. Raha ny amintsika, amin’ny fetra sasany, isika rehetra dia iharan’ny vokatry ny toe-piainana manjaka eo amin’izao tontolo izao daholo, ka mba hahatoherana ny fanimbana izay nahazo ny lafiny rehetra eo amin’ny fiainana, dia tena ilaina ny hisehoana ho be herim-po sy ny tsy hivadihana hatrany eo imason’Andriamanitra. Izany no hany fomba handosirana ny fikororosiana ara-pitondrantena. Mba hanaovana izany, dia tsy ampy ny miresaka amin’ny fomba mahafinaritra. Ilaina koa ny hananana ny toetra tia fitehirizana izay hanome antsika hery hilaza hoe tsia amin’ny fanimbana amin’ny endriny rehetra. Eny, ilaina dia ilaina amin’izany ny “sira”. — I Petera 4:1-3.

15. Inona avy no ohatra tsara dia tsara navelan’i Jesosy sy Daniela ho antsika?

15 Ny mpanompo mahatokin’i Jehovah rehetra dia tokony hahay hilaza hoe tsia eo anoloan’ireo fanao ratsy sy fakam-panahy. Tadidio fa nanao izany intelo i Jesosy rehefa naka fanahy azy intelo tany an’efitra Satana (Matio 4:1-10). Eritrereto koa ny ohatra ny amin’i Daniela mpaminany. Aloha be teo amin’ny fiainany, dia nianatra nilaza hoe tsia izy io. Fony izy mbola zatovolahy tao an-dapan’ny mpanjakan’i Babylona, dia nomena “anjara-hanina avy tamin’ny hanin’ny mpanjaka” izy sy ireo namany. Nanda izany sakafo izany anefa i Daniela sy ireo namany. Tamin’ny fanaovana toy izany dia tsy nanda ny mariky ny fitiavana mampiantrano vahiny fotsiny izy. Matoa ireo Hebreo tanora telo nanantitrantitra mba tsy hanomezana azy afa-tsy hanin-kotrana sy rano, dia satria tiany ny tsy hihinana tamin’ny sakafo nandraran’ny Lalàn’i Jehovah na voaloton’ny fombafomba fanompoan-tsampy. Tsy azo lavina fa nila herim-po izy ireo hitanana izany toerana izany. Novalian-tsoa noho izany anefa izy ireo satria rehefa tapitra ny fotoana fitsapana voafetra dia nihasalama kokoa izy ireo, tamin’ny heviny ara-batana, noho izay rehetra nanaiky ny sakafo teo an-databatry ny mpanjaka. Afa-tsy izany koa, teo amin’ny lafiny ara-panahy, izy ireo dia nahazo ny fitahiana sy ny fankasitrahan’i Jehovah. — Daniela 1:5-17.

16. Nahoana no azo atao ny milaza fa ‘nanana sira tao aminy’ i Daniela raha lazaina ara-panoharana?

16 Matoa Jehovah Andriamanitra niahy ny amin’ny hiarovana an’i Daniela sy ireo namany, dia satria ‘nanana sira tao aminy’ izy ireo. Nefa mbola afaka manatsoaka fianarana hafa koa avy amin’ny tantaran’i Daniela isika. Izy io tokoa dia nasandratra ho amin’ny raharaha ambony tao amin’ny fitondram-panjakana tao Babylona. Tao anatin’ny toerana toy izany, dia tsy isalasalana fa imbetsaka tokoa izy no tsy maintsy nilaza hoe tsia, satria niaina teo afovoan’ny mpanompo sampy, ary azo inoana fa feno filalaovan-dratsy tao an-dapan’ny mpanjaka, feno lainga, fandraisana kolikoly, firaisan-tetika ara-politika mbamin’ny fanao tsy mety hafa. Afa-tsy izany koa, dia matetika i Daniela no niharan’ny fanerena mafy. Kanefa, na dia teo ‘anivon’izao tontolo izao’ tamin’izany fotoana izany aza izy, dia tsy ‘naman’izao tontolo izao’. (Jaona 17:16.) Tsy azo lavina fa mpanompo nahatokin’i Jehovah i Daniela, lehilahy ‘nanana sira tao aminy’. Hevero ange: Nanandrana nanaisotra azy ireo fahavalony, angamba satria ny tsy fivadihany sy ny fanaovany ny marina nampisongadina ny fihetsika ratsy nasehon’izy ireo. Ary anefa dia voatery niaiky izy ireo fa “marina izy, ka tsy nisy kilema na tsiny hita taminy”. (Daniela 6:4, 5.) Ohatra re izany!

17. Fitsapana sarotra inona no tsy maintsy setrain’ny tanora kristiana amin’izao androntsika izao?

17 Sahala amin’i Daniela sy ireo namany, ireo tanora kristiana amin’izao androntsika izao dia tsy maintsy misetra fitsapana sarotra. Any an-tsekoly indrindra no ahitany zavatra mahankona, sigara na paraky, fisotro mahamamo, teny maloto, fahalotoam-pitondrantena, fitaka, fitiavana fikomiana, fanompoam-pivavahan-diso, fanindrahindram-pirenena, naman-dratsy, fampianarana sandoka toy ny tsangan-kevitra momba ny evaolisiona, sy fitaomana mahery maro hafa koa. Mila “sira” be dia be ny tanora kristiana iray mba hitoerana ho madio sy tsy mivadika eo anoloan’izany fakam-panahy rehetra izany.

18. a) Fanontaniana inona avy no tsara raha eritreretin’ireo ray aman-dreny kristiana? b) Inona avy no torohevitra azo omena ireo ray aman-dreny sahirana amin’ny fanampiana ny zanany?

18 Noho izany, raha ray na renim-pianakaviana kristiana ianao, dia hety ny hieritreretanao tsara ny toe-piainan’ny ankohonanao. Mandroso ve izy rehetra amin’ny lafiny ara-panahy? Moa ve ianao afaka nitana ireo zanakao ho madio amin’ny karazam-paharatsiana rehetra manjaka eo anivon’izao tontolo izao? Fantatrao foana ve izay ataon’izy ireo? Tena fantatrao ve izay eritreretiny ny amin’ny fanompoam-pivavahana madio sy ny fihetseham-pony ny amin’izany? Maharikoriko azy ireny ve ireo fanao maloton’izao tontolo izao sa mandrahona ny haharesy azy (Amosa 5:14, 15)? Raha tsy ampy fahakekezana an’ireo zanakao ianao na hitanao ho tsy tratry ny herinao izany adidy izany, nahoana raha mivavaka mafy amin’i Jehovah ny amin’izany? Afaka matoky ianao fa hanampy anao handresy io vato misakana io izy. — I Jaona 5:14.

19. Tonòny ny sasany amin’ny zavatra tokony hahaizan’ireo ray aman-dreny kristiana hilaza hoe tsia.

19 Inona izao no ohatra omenao amin’ny maha-ray na reny kristiana? Arianao amin’ny fomba hentitra ve ny tsy fahalalana onony amin’ny fihinanana sy ny fisotroana mbamin’ny faharatsiam-pitondrantena sy fahalotoana maro karazana mitranga manodidina antsika? Hainao ve ny milaza hoe tsia amin’ny faharatsiana, ny halatra madinika, ny vazivazy mampiahiahy sy ny resaka maloto izay matetika mampiavaka ny olona eo amin’izao tontolo izao? Any am-piasanao sy ao amin’ny faritaninao, moa ve ianao fantatra ho olona madio, marina sy mahitsy? Mba hitoerana ho “fanasin’ny tany”, dia tena ilaina ny hahaizana milaza hoe tsia rehefa izany ny toe-javatra miseho.

Tsy fiovaovana sy fahatokiana

20. Teo amin’ny Isiraely fahizay, inona moa no anjara noraisin’ny sira teo amin’ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah?

20 Teo amin’ny Isiraely, ny sira dia nandray anjara lehibe teo amin’ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah, tsy isalasalana fa noho izy miaro amin’ny fahalovana. Araka izany, ny fanatitra rehetra naterina teo ambony alitara dia tsy maintsy nasiana sira. Tao amin’ny Lalàna nomen’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Mosesy dia azo natao ny namaky izao manaraka izao: “Ary ny siran’ny faneken’Andriamanitra dia aza atsahatra amin’ny fanatitra hohaninao; fa manatera sira miaraka amin’ny fanatitrao rehetra.” Afa-tsy izany koa, ny ‘fanekena nasian-tsira’ dia noheverina ho fanekena faran’izay lehibe. — Levitikosy 2:13; Nomery 18:19; II Tantara 13:4, 5.

21. Inona no takina amin’ireo mpanompon’i Jehovah izay mahaforona amin’izao andro izao ny fanasin’ny tany”?

21 Ireo izay manompo an’i Jehovah amin’ny maha-vavolombelona dia mahaforona amin’izao andro izao ny “fanasin’ny tany”. Andraikitr’izy ireo àry ny miseho ho tsy mety simba sy tsy mivadika. Tsy maintsy amboleny amim-pahadodonana ny vokatry ny fanahy masin’Andriamanitra, dia: ny fitiavana, ny fifaliana, ny fiadanana, ny fahari-po, ny fahamoram-panahy, ny hatsaram-po, ny finoana, ny fahalemem-panahy sy ny fifehezan-tena (Galatiana 5:22, 23). Marina tokoa fa ny vokatry ny fanahy no fototry ny toetra ara-panahy rehetra azo ampitahaina amin’ny sira. Kanefa, ny hoe anompoan’ny sasany an’i Jehovah hatramin’ny taona maro fotsiny dia tsy miantoka velively fa tsy ho lavo izy indray andro any (I Korintiana 10:12). Nampitandrina antsika ny amin’izany ny tenan’i Jesosy.

22. Ahoana no tokony handraisana ny hevitry ny tapany faharoa amin’ny Matio 5:13?

22 Tadidio fa taorian’ny nilazany indrindra hoe: “Hianareo no fanasin’ny tany”, dia nanampy teny toy izao Kristy: “Fa raha ny fanasina no tonga matsatso, inona indray no hahasira azy? Tsy misy heriny hanaovana na inona na inona intsony izy, fa hariana any ivelany ka hohitsahin’ny olona.” (Matio 5:13). Ny tapany amin’ny sira nampiasaina tamin’izany fotoana izany dia nifangaro zavatra hafa. Amin’izany, raha lasan’ny ranonorana na tsy hita tamin’ny fomba hafa ny tena sira, dia tsy nisy nilana intsony ny sisa tavela afa-tsy ny fanariana azy tany ivelany, ohatra, teny an-dalana izay nanitsahan’ny mpandalo azy. Raha fintinina, raha tsy notehirizina tao anatin’ny toe-javatra tsara ny sira dia nety ho tonga tsy nilaina intsony.

23. Ahoana no tokony hiheveran’ny Vavolombelon’i Jehovah ireto tenin’i Jesosy ireto: “Hianareo no fanasin’ny tany”?

23 Noho izany, mba hanohizana hanompo amim-pahatokiana an’i Jehovah sy ny Zanany, Jesosy Kristy, dia ilaina ny hitandremana mba tsy hanary mihitsy ny ‘fisian’ny sira’, dia ireo toetra madio azo ampitahaina amin’ny sira. Aoka àry isika hanao izay rehetra azontsika atao mba hambolena ny vokatry ny fanahin’Andriamanitra. Aoka isika hilaza hevitra amin’ny fomba mahafinaritra foana, amin’ny fanambarana amin-jotom-po ny hafatra momba ilay Fanjakana mba hiarovana aina. Aoka isika tsy hanaiky mihitsy ho voatanan’izao tontolo izao ratsy. Aoka hotadidiantsika ao an-tsaina kosa ny hevi-dalina sy ny tombontsoa lehibe mifamatotra amin’ireto tenin’i Jesosy ireto: “Hianareo no fanasin’ny tany.”

Inona no tadidinao?

◻ Amin’ny heviny ahoana moa ny tenintsika no mety ho “mamy sira”?

◻ Nahoana moa no ilaina ny ‘hisian’ny sira’ ao amin’ny kristiana?

◻ Amin’ny heviny ahoana moa ireo mpianatr’i Jesosy no “fanasin’ny tany”?

◻ Inona moa no sasantsasany amin’ireo zavatra harian’ny kristiana raha ‘misy sira ao aminy’?

◻ Rehefa heverina amin’ny Matio 5:13, tokony hanao ahoana moa ny toe-tsain’ireo mpanompon’i Jehovah amin’izao androntsika izao?

[Sary, pejy 22]

Raha mbola tanora kely i Daniela dia nianatra nilaza hoe tsia.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara