Adama sy Eva: ohatra araka ny angano sa olona ara-tantara?
“REHEFA lazaina fa avy amin’ny biby Adama sy Eva, moa ve ny tena amin’izany tsy mifanipaka ankitsirano amin’ny Baiboly?” Io fanontaniana napetraky ny gazety katolika La Croix mivoaka isan’andro io dia mamintina tsara ny zava-manahirana setrain’ny kristiana maro. Be dia be tokoa no manontany tena ny amin’ny mety ho hevitry ny kristianisma ho an’izay misalasala ny amin’ny famoronana.
Raha tiantsika ny hahazo kokoa ny anton-javatra tafiditra amin’io raharaha io, dia tokony hofakafakaintsika izay lazain’ny Baiboly ny amin’ny fahotana sy ny fahafatesana. Ary mba hanaovana izany, dia tsy maintsy miverina any amin’ny fitantarana ireo fisehoan-javatra nitranga tany amin’ny saha Edena isika.
Ny fahotana sy ny avotra
Ao amin’ny toko faharoa amin’ny Genesisy, dia mitantara ny Baiboly fa nanome baiko ny lehilahy voalohany Andriamanitra. Norarany tokoa izy io tsy hihinana tamin’ny voan’ny hazo iray nantsoiny hoe “hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy”. (Genesisy 2:17.) Araka ny anazavan’ny Bible de Jérusalem azy ao amin’ny fanamarihana iray ambany pejy amin’ny fanontany tamin’ny 1955, rehefa nandika ny didin’Andriamanitra Adama, dia naka tombontsoa tsy azy, dia “ny fahafahana hanapaka irery ny amin’izay tsara sy izay ratsy ka hanao zavatra mifanaraka amin’izany”. Io fanaovan-javatra io dia nahaforona “fitakiana fahaleovantena ara-pitondrantena nandavan’ny olombelona ny maha-zavaboary azy.”
Rehefa tsy nakatò ny lalàn’Andriamanitra Adama dia nanota ka nampiditra ny tsy fahatanterahana teo amin’ny taranak’olombelona, ka izany dia niteraka fahafatesana ho azy, araka ny nampitandreman’Andriamanitra azy. Ambonin’izany, rehefa very ny fahatanterahana, ny mpivady voalohany dia tsy afaka namindra tamin’ny taranany afa-tsy ny tsy fahatanterahana. Noho izany antony izany, ny taranak’i Adama sy Eva rehetra — izany hoe ny olombelona rehetra — dia tsy maintsy ho teraka voaheloka ho faty. — Genesisy 3:6; Salamo 51:5; Romana 5:14, 18, 19.
Ahoana no mety hahitan’ny olombelona indray ny fahatsinjovana fiainana mandrakizay nampanarian’i Adama azy? Ny fifandanjana hoe ‘aina solon’ny aina’, napetraky ny Lalàna navoakan’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Mosesy, dia nanipika tsara izay notakina: Tokony hatao sorona ny fiainana tanteraka iray takalon’ny aina tanteraka verin’i Adama (Deoteronomia 19:21). Jesosy, vato fehizoron’ny kristianisma, dia nahafeno ny fepetra takina rehetra mba hanolorana an’io sorona io. Koa satria tsy misy olon-kafa mihitsy tsy manana fahotana sy tsy fahatanterahana, dia izy irery ihany no afaka nanolotra ny ain’olombelona tanteraka nananany “ho avotra mifanitsy ho an’ny rehetra”. (I Timoty 2:5, 6, MN.) Nasehon’i Kristy fa izany no anankiray amin’ireo antony lehibe indrindra nahatongavany teto an-tany rehefa nanambara izy hoe: “Ny Zanak’olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro.” — Matio 20:28.
Ny amin’ny hoe tokony handoavan’olona ambony noho ny olombelona tsy tanteraka ny avotra, dia izany koa no miharihary amin’izao fanamarihana voasoratra ao amin’ny Salamo 49:7 izao: “Tsy misy mahavotra ny rahalahiny akory, na mahazo manome an’Andriamanitra izay avony.” Fa nahoana no tsy nisy olona ‘nahavotra ny rahalahiny’ mihitsy? Satria fotsiny tsy misy ain’olombelona tsy tanteraka mihitsy ho afaka hifandanja amin’ny aina tanteraka narian’i Adama.
Fanambarana roa manaporofo
Amin’ny fandinihana izay nolazain’ny apostoly Paoly sy Jesosy Kristy ny amin’izany, dia ho azontsika atao ny hitsara irery na ara-panoharana na tsia ny fitantarana ny amin’i Adama sy Eva ary noho izany, raha tena nisy ny mpivady voalohany.
Nampitahain’i Paoly ny anjara asa noraisin’i Adama sy ny an’i Jesosy Kristy. Izao no nosoratany: “Niditra teto amin’izao tontolo izao ny fahotana noho ny lehilahy iray monja, dia Adama, ary nitarika fahafatesana ny fahotana. (...) Marina fa nanjaka noho ny fahadisoan’ny iray monja ny fahafatesana, noho ny lehilahy iray monja, nefa, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy irery, dia mahazo be lavitra isika: izay rehetra mandray ny fahasoavan’Andriamanitra be dia be sy ny fanomezan’ny fahamarinany dia ho velona sy hanjaka noho Kristy.” (Romana 5:12, 17, Bible en français courant). Nandray fanazavana sahala amin’izany indray ilay apostoly tao amin’ny taratasy hafa iray, izay iantsoany an’i Jesosy ho “Adama farany”. Araka ny asehony, dia Jesosy irery ihany no afaka nanavotra izay verin’i Adama. Amin’izany, taorian’ny fitsanganany ara-panahy sy araka ny lanitra, dia afaka ny ho tonga “fanahy (esprit) mahavelona” ho an’izay rehetra handray soa amin’ny famonjena izy (I Korintiana 15:45). Kanefa, raha toa Adama ka ohatra mampiseho ny olombelona fotsiny, “manana aina mampiseho fitambaran’olona”, araka ny fitenenana ampiasaina ao amin’ny fanamarihana iray ambany pejy amin’ny Traduction Œcuménique de la Bible, hiankina amin’inona ny fanazavan’i Paoly?
Ny tenan’i Jesosy Kristy mihitsy anefa no nanome ny fanambarana lehibe indrindra momba ny fahamarinan’ny fitantarana ao amin’ny Genesisy momba an’i Adama sy Eva. Nanisy fitenenana ny amin’izany tokoa izy mba hamaliana fanontaniana iray napetrak’ireo mpitondra ara-pivavahana ambony tamin’ny androny. Toy izao ny teniny: “Tsy novakinareo va izay ambaran’ny Soratra masina [ao amin’ny bokin’i Genesisy]? ‘Tamin’ny voalohany ny Mpamorona nanao azy ireo ho lehilahy sy vehivavy, avy eo dia hoy izy: Noho izany, ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny mba hifikitra amin’ny vadiny, dia ho tonga olona iray ihany ireo.’ Aoka àry tsy hosarahin’ny olombelona izay nakamban’Andriamanitra.” (Matio 19:4-6, Bible en français courant). Moa ve Jesosy ho nanorina ny fampianarany momba ny fahamasinan’ny fanambadiana tamin’ny fitantarana noforonin’ny saina fotsiny na angano?
Fahendren’izao tontolo izao sa fahendren’Andriamanitra?
Pretra frantsay iray, Pierre Teilhard de Chardin, no niandohan’ny anankiray tamin’ireo fiovana tampoka indrindra teo amin’ny hevitra katolika tamin’io lafiny io. Io jesoita io dia nihevitra ny evaolisiona ho fiakarana tsikelikely ho amin’ny fiainana ara-panahy. Araka ny tsangan-keviny, ireo karazam-piainana dia mivoatra amin’ny fandalovana amin’ny ambaratongan’ny biby sy ny olombelona ary mirona hikambana amin’ny farany amin’ny faritra iray: Kristy. Na dia nomelohin’ny Eglizy aza tamin’ny voalohany ny heviny, tamin’ny farany izany dia nankasitrahan’ny mpitondra fivavahana maro. Niharihary fa nifanohitra tamin’ny fanambarana ao amin’ny Soratra masina anefa izany, ary nanala baraka an’Andriamanitra tamin’ny fandavana ny hoe nila avotra iray ny olombelona mba hahitana indray ny fahatanterahana.
Nisy vokany ratsy dia ratsy io hevitra ara-tsiansa sandoka io teo anivon’ny Eglizy. Izany no nosoritan’i Jean Rondot tamin’izao teny izao tao amin’ny bokiny hoe L’épopée des adamites: “Izay rehetra nampiseho fikomiana sy fiodinana tao amin’ny Eglizy, na teo amin’ny klerjy na teo amin’ny mpiangona, dia nilentika tao amin’ny banga nataon’i Teilhard: raha mbola azo natao koa ny nilaza ny hevitry ny Soratra masina tamim-pahalalahana sasany, na dia hanovana ny hevitra fonosiny aza, nahoana no tsy manararaotra izany mba hanaovana fivavahana araka izay azoazon’ny tena?”
Manjary miharihary tanteraka amin’izao andro izao ny vokatr’io hevitra mandeha io. Tamin’ny 1980, ny famotopotorana nataon’ny fikambanana frantsay lehibe iray dia nampiharihary fa 40 isan-jato tamin’ny katolika tany Frantsa monja no nino an’i Adama sy Eva sy ny fahotana tamin’ny voalohany. Tafiditra tao amin’ny lafiny hafa lehibe toy izany koa ny fisalasalana, satria tamin’izany fotoana izany, dia 59 isan-jato tamin’ny katolika frantsay monja no nino ny fampianarana ny amin’ny nananganana an’i Jesosy Kristy tamin’ny maty izay tena lehibe anefa.
Tsy nifikitra velively hatrany tamin’ireo fampianarana ao amin’ny Soratra masina ireo Fiangonana izay nanaraka ny tsangan-kevitra ny amin’ny evaolisiona fa nampiseho fa ny notadiaviny talohan’ny zavatra rehetra dia ny fanarahana filozofia tiam-bahoaka tamin’izay fotoana izay. Nampitandrina an’ireo kristiana voalohany tamin’izany fironana izany i Paoly. Araka izany, dia nampahatsiahiviny ny Korintiana fa ny kristianisma dia tsy nisy nifandraisana mihitsy tamin’ireo hevitra na ireo filozofia niely tamin’ny andron’izy ireo. Izao no vakintsika: “Aiza ny hendry? Aiza ny mpanora-dalàna? Aiza ny mpiady hevitra avy amin’izao tontolo izao? Tsy nampodin’Andriamanitra ho fahadalana va ny fahendren’izao tontolo izao? (...) Fa ny Jiosy mila famantarana, ary ny jentilisa mitady fahendrena, fa izahay kosa mitory an’i Kristy voahombo tamin’ny hazo fijaliana, (...) fahadalana amin’ny jentilisa.” — I Korintiana 1:20-23.
Amin’izao andro izao koa, ny fikatsahana ny “fahendren’izao tontolo izao” dia tsy afaka mitarika ny olombelona ho amin’ny fahalalana sy ny fankasitrahan’Andriamanitra (jereo Jaona 17:3). Ny famonjena mitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay kosa dia atolotra an’izay rehetra manaiky amin’ny fomba feno ny soron’i Kristy, ny avotra naloany mba hividianana ny aina tanteraka narian’i Adama. Noho io sorona io ihany no ahafahan’ny olona manatona an’Andriamanitra sy mahazo famelana ny fahotany. Niaiky tanteraka ny amin’izany ny apostoly Petera rehefa nanambara toy izao teo anatrehan’ny antokom-piloha ara-pivavahana tafavory tany Jerosalema: “Ary tsy misy famonjena amin’ny hafa [afa-tsy Jesosy]; fa tsy misy anarana hafa ambanin’ny lanitra nomena ny olona izay hahazoantsika famonjena.” — Asan’ny apostoly 4:12.
Lehilahy sy vehivavy ana hetsiny maro no efa nametraka ny fitokisany tamin’io “fanahy mahavelona” io. Tsy andrin’izy ireo izay hahatongavan’ny ora, efa akaiky izao, hanorenana indray ny paradisa eto an-tany, ka hahitan’izy ireo ny fahatanterahan’ny fanantenana verin’i Adama, dia ny hiaina mandrakizay eto an-tany. Raha mbola tsy natao izany, dia afaka mahazo izany fahalalana iankinan’ny aina izany ianao amin’ny fianarana maimaimpoana ny Baiboly miaraka amin’ny Vavolombelon’i Jehovah sy amin’ny fanatrehana ireo fivoriany kristiana. Araka izany, dia hianaranao izay tokony hatao mba hahatongavana ho mpianatr’i Jesosy, “Adama farany”, sy mba handraisan-tsoa mahatalanjona avy amin’Andriamanitra amin’ny alalany. — I Korintiana 15:45; Apokalypsy 21:3, 4.
[Sary, pejy 6]
Nifandanja tamin’ny an’i Adama ny aina tanteraka nananan’i Jesosy.