Mandresy ao anatin’ny “vanim-potoana farany amin’ireo andro”
“Misy Andriamanitra any an-danitra, Izay mampiseho zava-miafina ka mampahafantatra (...) izay ho tonga any am-parany [ao anatin’ny vanim-potoana farany amin’ireo andro, MN ]” — DANIELA 2:28.
1. a) Nahoana moa no mahaliana mafy antsika amin’izao andro izao ny faminanian’i Jeremia sy Ezekiela ary Daniela? b) Nahoana no notehirizina ny soratra nataon’izy ireo ara-tsindrimandrin’Andriamanitra?
JEREMIA, EZEKIELA, DANIELA. Faminaniana manaitra inona moa no tsy ampahatsiahivin’ireo anarana ireo? Efa ho 2 600 taona lasa izay, ireo mpanompon’i Jehovah Mpanjaka Tompo telo be herim-po ireo dia niaina tao anatin’ireo andro faran’ny Jerosalema nivadika iray. Nanompo tany amin’ny toerana tsy nitovy izy ireo ary tsy azo nampitahaina velively ny tarehin-javatra hitan’izy ireo; kanefa teo amin’ny toerany niavaka, ny tsirairay avy taminy dia nanambara zavatra hiseho izay hahita ny fara heriny ao anatin’ny “vanim-potoana farany amin’ireo andro” hafa iray, atỳ aoriana lavitra. Ny soratra nataony ara-tsindrimandrin’Andriamanitra dia notehirizina mba hampaherezana an’izay rehetra tia an’Andriamanitra sy ny rariny ka maniry ho tafita velona amin’ny “fahoriana lehibe” antomotra ankehitriny. — Matio 24:3-22; Romana 15:4.
2. Nahoana moa Jeremia no nila ny herin’i Jehovah?
2 Naminany tany Jerosalema i Jeremia. Raha mbola nanakaiky ny loza, ireo filoha sy ireo mponina tao amin’io tanàna io dia tsy niraharaha ny lalàn’Andriamanitra ka tafalentika tao anatin’ny faharatsiana. Koa nomen’i Jehovah an’ilay mpaminaniny ny hery azo ampitahaina amin’ny “mànda varahina mirova”, mba hiorenany mafy eo afovoan’ny faharatsiany. — Jeremia 15:11, 20; 23:13, 14.
Mpaminany milaza fiadanana
3. Lainga inona no nolazain’ireo mpaminany?
3 Ny amin’ireo filoha ara-pivavahana meloka tao Jerosalema, dia izao no nambaran’i Jehovah tamin’ny alalan’i Jeremia: “Aza mihaino ny tenin’ny mpaminany izay maminany aminareo, fa manadala anareo ireo; ny fahitana avy ao am-pony ihany no lazainy, fa tsy izay aloaky ny vavan’i Jehovah. Milaza mandrakariva amin’izay manamavo Ahy izy hoe: Jehovah nanao hoe: Hahita fiadanana hianareo.” Nilaza ireny mpaminany sandoka ireny hoe: “Fiadanana, fiadanana” nefa tsy nisy fiadanana akory. — Jeremia 23:16, 17; 6:14.
4. Mifikitra amin’ny fanantenana inona moa ny olona maro ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana?
4 Amin’izao andro izao koa dia misy mpaminany milaza fiadanana ao anatin’ny fivavahana lazaina fa kristiana niala tamin’ny marina. Maro be amin’izy ireny no mifikitra amin’ny O.N.U. nolazain’ny papa Paul VI ho “fara fanantenana fihavanana sy fandriampahalemana”. Tsy ho ela koa io fandaminana io dia hanambara ny 1986 ho Taona iraisam-pirenen’ny fiadanana. Tamin’ny fanambarana ny fikasany handray anjara amin’io Taonan’ny fiadanana io, ny “Saint-Siège” dia nanambara fa ‘novelominy ny fanantenana ny hanomezan’io Taona io ireo vokatra nirina sy hanamarihany dingana lehibe eo amin’ny fanorenana fifandraisam-pihavanana eo amin’ireo vahoaka sy firenena’. Nefa moa ve fiheverana ny zavatra tena misy ny hanampoizana fa hanorina tena fiadanana ireo firenena?
5. Inona no ambaran’i Jehovah mihitsy, ary ahoana no hahatanterahan’ny teniny ao anatin’ny “vanim-potoana farany amin’ireo andro”?
5 Ny tenan’Andriamanitra mihitsy no nilazalaza izay hitranga: “He! ny tadion’i Jehovah! Mivoaka ny fahatezerana sy ny tadio mitambolimbolina ka miantonta amin’ny lohan’ny ratsy fanahy. Ny fahatezeran’i Jehovah tsy ho afaka ambara-panefany sy ambara-panatanterany ny hevitry ny fony; mbola ho fantatrareo marimarina izany any am-parany [amin’ny vanim-potoana farany amin’ireo andro, MN] [na “ho takatrareo izany”, Bible en français courant].” (Jeremia 23:19, 20; jereo koa 30:23, 24). Eny, amin’ny farany ireo filohan’ny fivavahan-diso dia hahatakatra izay lazain’ny “vanim-potoana farany amin’ireo andro” ho azy ireo. Nefa na toy inona na toy inona ho fieritreretany an’io raharaha io, dia ho diso aoriana loatra amin’izay. — Jereo Apokalypsy 18:10, 16; 19:11-16; Matio 24:30.
6. Hiafara amin’ny zavatra tsara inona izany fandraisana anjara izany ho an’ny maro?
6 Soa ihany fa ‘nahafantatra’, izany ny olona maro babon’ireo fivavahan-diso taloha. Mamaly an’ity fanasana ity izy ireo: “Mialà aminy [amin’ny fivavahan-diso] hianareo, ry oloko”, satria tsy irin’izy ireo ny handray anjara amin’ny fahotany na hiharan’ny fanamelohan’Andriamanitra miaraka aminy. Raha anisan’ireny olona ireny ianao, dia henoy hatrany ny fampianaran’ny Tenin’Andriamanitra ny amin’ny “vanim-potoana farany amin’ireo andro” sy ny fotoam-piadanana halaza hanaraka izany. — Apokalypsy 18:2, 4, 5; 21:3, 4.
Ny fanafihan’i Goga
7. Tao anatin’ny toe-javatra nanao ahoana moa no naminanian’i Ezekiela?
7 Ahoana no fitrangan-javatra ho an’ny olon’Andriamanitra mandritra “ny vanim-potoana farany amin’ireo andro”? Milaza izany amintsika Ezekiela mpaminany. Fony izy mbola tanora dia tsy maintsy ho nahalala an’i Jeremia izy, kanefa nony avy eo dia babo tany Babylona izy. Tany, teo amoron’i Kebara, tamin’ny 613 alohan’ny fanisan-taona iraisana, dia nanao azy ho mpaminaniny Jehovah ka nanendry azy ho mpitily ho an’ireo Jiosy babo, dia asa notanterahiny tamim-pahatokiana nandritra ny 22 taona fara fahakeliny. Tsy nahakasika ny androny fotsiny anefa ireo faminaniany, fa nahakasika ho avy lavitra koa. Ao amin’ny toko 37 sy 38 amin’ny bokiny dia resahiny amintsika ny amin’i ‘Gogan’i Magoga’.
8, 9. a) Raharaha lehibe inona no tokony halamina, ary rahoviana? b) Iza moa Goga, inona no politikany ary iza no manaraka izany? d) Inona no hataon’i Jehovah aminy?
8 Iza moa io ‘Gogan’i Magoga’ io? Iza no fahavalon’i Jehovah lehibe indrindra tsy maintsy andaminany ny raharaha lehibe indrindra “amin’ny vanim-potoana farany amin’ireo andro”, dia ny amin’ny fanapahana eo amin’izao rehetra izao? Satana Devoly izay noroahin’i Jesosy Kristy, Mpanjaka Mpiandry, avy tany an-danitra taorian’ny nanomezana azy ny fiandrianana tamin’ny 1914. Goga, nietry sy tezitra hatramin’izao dia voatana any amin’ny faritra ara-panahy voafetra tokoa, dia ny “tany Magoga”, akaikin’ny tany. Izany àry dia milaza “loza ho an’ny tany”, satria fantatr’i Goga fa kely sisa ny androny mba hanatanterahana ny politikany ratsy izay voafintina toy izao: ‘manapaka na mandringana.’ — Ezekiela 37:24-28; 38:1, 2; Apokalypsy 11:18; 12:9-17.
9 Tantarain’i Ezekiela koa izao tenin’i Jehovah Mpanjaka Tompo izao: “Indro, avy hamely anao Aho, ry Goga, mpanjakan’[izao tontolo izao] (...). Ary hitarika anao Aho ka hanisy masom-by ny valanoranonao, ary ho entiko mivoaka hianao sy ny tafikao rehetra, dia (...) olona maro be.” (Ezekiela 38:3-6; Jaona 12:31). Vahoaka maro tokoa no miaraka amin’i Goga, satria “izao tontolo izao (...) dia mipetraka eo amin’ilay ratsy avokoa”. (I Jaona 5:19.) Hain’i Jehovah anefa ny mametaka “masom-by” ara-panoharana amin’ny valanoranony mba hanaovana azy araka izay tiany. Fa nahoana, ary amin’ny fomba ahoana?
10. a) Mifanohitra amin’ireo firenena, iza no ametrahan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny fitokisany? b) Nahoana moa no manjary tezitra i Goga sy ny tafiny? d) Inona no tokony hatao mba hahatafita velona?
10 Voataonan’i Goga ireo fanjakana mahery indrindra ka milaza fa mba hitandroana ny fandriampahalemana maneran-tany dia tokony hanangona fiadiana noklehera maharaiki-tahotra kokoa ihany izy. Ary mitondra fanohanana azy ireo ny firenena hafa. Ny olon’Andriamanitra kosa, “nangonina avy teo amin’ireo firenena”, dia niala tamin’ny fiadiana mahery vaika. Ny Vavolombelon’i Jehovah no hany “firenena” amin’ny tany milaza marina hoe: “Matoky an’Andriamanitra izahay.” (Isaia 2:4; 31:1; Ohabolana 3:5). Ireny Vavolombelona tia filaminana ireny dia “monina ao an-tanàna tsy misy mànda na hidy na vavahady”. “Mitoetra ao amin’ny foi-ben’ny tany” izy ireny, satria any amin’ny firenena rehetra izy ireny dia mitana ny afovoan’ny sehatra amin’ny heviny hoe izy no hany vahoaka tsy resin’i Goga (Ezekiela 38:11, 12). Noho izany antony izany, noho ny fahatezerany, Gogan’i Magoga dia mitarika ny fandaminany araka ny demonia rehetra ho any amin’ny faritra misy ny ady. Noho izy mietry, ary toy ny liona mierona, dia miomana ho amin’ny fanafihana mafy dia mafy Satana. Mba hahatafita velona àry dia tokony ‘hanohitra azy isika ka hiorina tsara amin’ny finoana’. — I Petera 5:8, 9.
11. Ahoana no itarihan’i Jehovah an’i ‘Goga hamely ny taniny’, ary noho ny fikasana inona?
11 Nanome an’izao toromarika hafa izao an’i Ezekiela Jehovah: “Koa maminania, ry zanak’olona, ka ataovy amin’i Goga hoe: Izao no lazain’i Jehovah Tompo: Moa amin’izany andro hitoeran’ny Isiraely oloko mandry fahizay izany dia tsy ho fantatrao va izany?” Mialona noho ny filaminana sy ny fanambinana hitany eo amin’ny Vavolombelon’i Jehovah i Goga sy ny tafiny. Romotra izy ireo mahita fa “tsy naman’izao tontolo izao [an’i Satana]” ny Vavolombelon’i Jehovah. Araka izany, dia mihaika an’i Goga Jehovah ka manosika azy hamely ireo Vavolombelona tsy manam-piarovana. Izao koa no nolazainy taminy: “Ary hiakatra hamely ny Isiraely oloko [Isiraely ara-panahy] tahaka ny fiakatry ny rahona hanarona ny tany hianao; any am-parany [amin’ny vanim-potoana farany amin’ireo taona, MN] no ho tonga izany; ary ho entiko hamely ny taniko hianao, mba hahafantaran’ny firenena Ahy, rehefa miseho ho masina eo anatrehany Aho amin’ny ataoko aminao, ry Goga.” — Ezekiela 38:14, 16; Jaona 17:14, 16.
12. Araka ny Ezekiela 38:18-23, ahoana no ifaranan’ny fanafihan’i Goga?
12 Ao anatin’ny haromotany, dia manomboka mandeha hanafika ny “tany” ambinin’ny olon’i Jehovah i Goga. Nefa moa ve Goga no hany tezitra? Inona no holazaina ny amin’ny fahatezeran’i Jehovah Mpanjaka Tompo amin’i Goga sy ireo nofitahiny? Ao amin’ny Ezekiela 38:18-23 dia lazalazain’i Jehovah ny fomba ‘anamasinany tena eo imason’ny firenena maro’, izany hoe amin’ny fitarihana an’i Goga ho amin’ny fahaverezany sy amin’ny famonjena ireo mpanompony mahatoky. Faranan’ilay Mpanjaka Tompo amin’izao teny izao ny fitantarana ny fandreseny an’i Goga sy ny tafiny: “Ho fantany [ireo firenena] fa Izaho no Jehovah.” Hohamarinina amin’izay ny anarany be voninahitra.
‘Aharihary ny tsiambaratelo’
13. Ahoana no namelan’i Daniela ohatra tsara ho an’ireo Vavolombelona tanora?
13 Tao anatin’ny fotoana naminanian’i Ezekiela teo amin’ireo babo jiosy tany akaikin’i Babylona, Daniela zatovo, avy amin’ny fianakaviana andriana jiosy iray, dia nampianarina tao an-dapan’i Nebokadnezara. Io lehilahy tsy nivadika io dia nanome tao amin’io toerana io, ohatra tsara ho an’ny mpanompon’i Jehovah tanora rehetra amin’izao androntsika izao. — Daniela 1:8, 9.
14. Ny amin’inona moa no nanomezan’i Daniela voninahitra an’Andriamanitra?
14 Tao anatin’ny taona faharoa nanaraka ny fianjeran’i Jerosalema, dia voakorontan’ny nofy tao anatin’ny torimasony i Nebokadnezara. Rehefa taitra izy, dia tsy afaka nahatsiaro akory intsony ny nofiny. Kanefa i Daniela, lehilahy natahotra an’Andriamanitra, dia nampiharihary tamin’ny mpanjaka ny nofiny sy ny hevitr’izany. Jehovah anefa no nomeny ny voninahitra rehetra tamin’izany tamin’ny filazana hoe: “Kanefa misy Andriamanitra any an-danitra, Izay mampiseho zava-miafina ka mampahafantatra an’i Nebokadnezara mpanjaka izay ho tonga any am-parany [amin’ny vanim-potoana farany amin’ireo andro, MN].” (Daniela 2:28). Inona àry no fantatsika ny amin’io nofy io sy ny fampiharana azy “amin’ny vanim-potoana farany amin’ireo andro”?
15, 16. Inona no hevitry ny nofin’i Nebokadnezara?
15 Nolazalazain’i Daniela ny amin’ny sariolona iray, dia tsangambato goavana izay ny nahaforona ny tapany maromaro taminy indrindra dia metaly izan-karazany. Nohazavainy fa ireo tapany ireo dia nampiseho fanjakana maromaro nisesy ka izao no teny nanampiny ho an’i Nebokadnezara: “Hianao izany loha volamena izany”, ka tsy isalasalana fa ny tiany holazaina dia ny taranak’andriana babyloniana. Nanaraka izany ny herim-panjakana hafa: ny tratra sy ny sandry volafotsy dia mampiseho ny Herim-panjakana mediana sy persiana; ny kibo sy ny fe varahina mampiseho an’i Grisia; farany, ny ranjo vy dia mampiseho an’i Roma ary, taty aoriana dia ny Herim-panjakana anglisy amerikana (Daniela 2:31-40). Tao anatin’ny “fotoana voafetra ho an’ireo firenena”, nanomboka tamin’ny 607 alohan’ny fanisan-taona iraisana ka hatramin’ny 1914 amin’ny fanisan-taona iraisana, ireny hery ireny dia nampihatra nisesy ny fanapahany tao amin’ny fanjakan’ilay ‘andriamanitr’izao tontolo izao’. — Lioka 21:24, MN; Lk 4:5, 6; II Korintiana 4:4.
16 “Amin’ny vanim-potoana farany amin’ireo andro” anefa no miseho ny “taranak’olombelona”, ny sarambabembahoaka. Any amin’ny tany maro, ny mpanjaka, ny emperora na ny “tsars” dia soloana filoha revolisionera na fitondram-panjakana demokratika. Ny fanapahana mikorontan’ny olombelona eto an-tany àry dia ampiharina amin’ny alalan’ny fitondrana jadona sy ny fitondram-panjakana demokratika milefitra kokoa izay, tahaka ny vy sy ny tanimanga, dia tsy mety mifangaro. Na dia eo anivon’ny Fandaminan’ny Firenena mikambana aza, dia tsy mifanaraka izy ireo, fa miditra amin’ny fiadian-kevitra mafana dia mafana sy mifandrahona. Tena ‘fanjakana voazarazara’ tokoa izany. — Daniela 2:41-43.
17. Ahoana no ahatanterahan’ilay faminaniana ao anatin’ny “vanim-potoana farany amin’ireo andro”?
17 Amin’izany, ao anatin’ny “vanim-potoana farany amin’ireo andro”, dia tonga eo amin’ny ambaratongany maranitra indrindra ny raharaha ny amin’ny fanapahana izao tontolo izao. Inona àry no fanafodiny? Nanomboka tamin’ny 1914 dia efa mihetsiketsika ny Fanjakana mesianikan’Andriamanitra. Izy io no “vato” miendaka amin’ny “tendrombohitra”, izany hoe ny fiandrianan’i Jehovah eo amin’izao rehetra izao. Tsy misy mihitsy mpanao politika tafiditra ao anatin’izany. Tonga io “vato” io, manaraka ny lalana tsara amin’ny fomba faran’izay hentitra. Amin’ny fotoana voatendrin’Andriamanitra, dia mamely ny tongotr’ilay tsangambato izany, ka manorotoro sy manamontsamontsana ny sariolona manontolo. Toy ny akofa aelin’ny rivotra, dia voafafa ny fanapahan’ny olona ka tsy mamela soritra mihitsy. Nefa kosa, ny “vato”, raha lazaina amin’ny teny hafa dia ny Fanjakan’ilay Andriamanitra lehibe sy ny Kristiny, dia tonga tendrombohitra goavana mameno ny tany manontolo. ‘Tsy ho rava mandrakizay ary tsy havela ho an’olon-kafa’ io Fanjakana io. Haharitra mandrakizay izany. Velom-pankasitrahana an’i Jehovah isika noho ny ‘nampisehoany’ mialoha ny zava-miafina toy izany! — Daniela 2:29, 44, 45.
“Fandonana” amin’izao androntsika izao
18. a) Inona no fahitana azon’i Daniela taty aoriana kokoa? b) Tamin’ny ahoana izany no hafa dia hafa?
18 Nanan-javatra hafa holazaina koa anefa i Daniela ny amin’ny fanapahan’olombelona sy “ny vanim-potoana farany amin’ireo andro”. Tokony ho 70 taona taorian’ny nanazavana ny nofin’i Nebokadnezara, dia mbola tany Babylona i Daniela efa be taona tokoa, nefa tamin’io fotoana io dia teo ambany fahefan’i Kyrosy, mpanjaka persiana. Raha teo amoron’i Hidekela ilay mpaminany, dia niseho taminy ny anjely iray ka nilaza taminy hoe: “Avy hampahafantatra anao izay hanjo ny firenenao any am-parany aho, satria mbola hihatra amin’izany andro izany ny fahitana.” (Daniela 10:14). Rehefa avy eo ilay anjely dia nilazalaza tamin’ny antsipiriany be dia be ny amin’ireo mpanjaka izay hitsangana sy ireo zavatra hitranga ao anatin’ny tantaran’ny fitondrana persiana, grika, egyptiana, romana, alemana, anglisy amerikana sy sosialista. Tsy hafa dia hafa ve ny nahafahana nanoratra nialoha izany tantara rehetra izany, izay nitatra nandritra ny 2 500 taona mahery? Izany dia manome antsika fitokisana lehibe dia lehibe ny Teny ara-paminaniana avy amin’ny tsindrimandrin’i Jehovah Andriamanitraa.
19. Fisehoan-javatra inona amin’izao androntsika izao no nambaran’ny faminaniana?
19 Manazava amintsika io faminaniana io fa tao anatin’ireo taona, dia hiseho ny fanjakana mahery roa: “ny mpanjakan’ny atsimo” sy “ny mpanjakan’avaratra”. Amin’ny farany, hoy ilay anjely; ny mpanjakan’ny avaratra dia “hanandra-tena ho ambonin’ny andriamanitra rehetra (...) ka hiteny zavatra mahagaga”, nefa amin’ny heviny ratsy, satria “andriamanitry ny fiarovana mafy no hankalazainy”. Manohitra an’io “mpanjaka” mieboebo io “ny mpanjakan’ny atsimo” izay afaka mampiasa hery ara-tafika lehibe koa. Araka ny nambaran’ilay faminaniana, dia ‘mifanoto [mifandona, MN ]’ ireo mpanjaka roa. Tena miseho amin’ny ‘fifandonana’ toy izany tokoa ny ady mangatsiaka ifanaovan’ireo fanjakana mahery indrindra roa ireo. Indraindray dia ‘mifandona’ mafy ireo “mpanjaka” roa rehefa miresaka ny amin’ny fifandanjan’ny hery noklehera, sady mampitombo faran’izay betsaka ny fiomanan’izy ireo hiady. — Daniela 11:36-45.
20. Inona no hitarika ho amin’ny fiafarana farany amin’ny fifandonana, ary inona no anjara raisin’i “Mikaela”?
20 Araka ny faminaniana, ny “mpanjakan’ny avaratra” dia hanafika tany maro tahaka ny tafiodrivotra sy safodrano, kanefa tsy hiteraka ny fiafarana farany izany. Ny fisehoan-javatra misy heriny dia ambara ao amin’ny Daniela 12:1, izay milaza toy izao: “Ary amin’izany andro izany dia hitsangana Mikaela, andrian-dehibe, izay mitsangana hiaro ny zanaky ny firenenao.” Io Mikaela io dia tsy iza fa Jesosy Kristy izay ‘nitsangana’ tao amin’ny Fanjakany tamin’ny 1914 ka nandroaka avy hatrany an’i Satana avy tany an-danitra. Izy no “Mpanjakan’ny mpanjaka” izay miditra handray anjara amin’ny Haramagedona mba handringana ny “mpanjakan’ny tany” rehetra, anisan’izany ireo an’ny “avaratra” sy ny “atsimo”. — Apokalypsy 12:7-10; 19:11-19.
21. Hiafara amin’inona “ny vanim-potoana farany amin’ireo andro”?
21 Amin’izay, amin’ny fara herin’ny “vanim-potoana farany amin’ireo andro”, no hanjary hiharihary ny fiafarany amin’ny fandresen’ny Fanjakan’Andriamanitra. Nilazalaza izay hitranga amin’izay fotoana izay ilay anjely ka izao no teny nanampiny: “Ary hisy andro fahoriana, izay tsy nisy tahaka azy hatrizay nisian’ny firenena ka hatramin’izany andro izany.” — Daniela 12:1; jereo Jeremia 25:31-33; Marka 13:19.
22. Inona no tokony hataon’ireo mpanompon’Andriamanitra rehefa mandinika ireny faminaniana ireny, ary afaka mamelona fanantenana inona izy ireny?
22 Tokony hatahorantsika ve izany fotoam-pahoriana sy alahelo izany? Tsy izany raha miandany amin’i Jehovah isika, satria nilaza toy izao koa ilay anjely: “Ary amin’izany dia ho afaka ny firenenao, dia izay rehetra hita voasoratra ao amin’ny boky.” (Daniela 12:1). Aoka àry isika rehetra hikely aina amin’ny fianarana amim-paharisihana ny Baiboly ka handany hery amin’ny asan’i Jehovah. Ary enga anie, ao anatin’ny “vanim-potoana farany amin’ireo andro”, ny anarantsika ho hita toy izany voasoratra ao amin’ny ‘boky fahatsiarovan’Andriamanitra’, dia boky “nosoratana teo anatrehany ho fahatsiarovana izay matahotra an’i Jehovah sy mihevitra ny anarany”! (Malakia 3:16.) Amin’izany no hananantsika tombontsoa handray anjara amin’ny fandresen’i Jehovah ao anatin’ny “vanim-potoana farany amin’ireo andro”.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Mba hahitana fanazavana amin’ny antsipiriany kokoa, dia jereo ilay boky hoe “Que ta volonté soit faite sur la terre”, navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc., pejy faha-219 ka hatramin’ny 321.
Ny amin’ny “vanim-potoana farany amin’ireo andro”:
◻ Inona no nambaran’i Jeremia ny amin’ny fiadanana eo amin’izao tontolo izao?
◻ Raharaha lehibe inona no ho voalamina amin’ny fanafihan’i Goga, ary amin’ny fomba ahoana?
◻ Nanambara fisehoan-javatra lehibe inona moa ny nofin’i Nebokadnezara?
◻ Ahoana no hiafaran’ny ady ho an’ny fanapahana mampifanohitra ireo “mpanjaka” roa?
[Efajoro, pejy 19]
NY LOGO neken’ny O.N.U. ho amin’ny Taonany iraisam-pirenena momba ny fiadanana (1986) dia mampiseho ravin’oliva miolaka, voromailala iray sy tanan’olombelona anankiroa. Izao no fanazavana omena ny amin’izany: “Ny voromailala dia mariky ny fiadanana miaraka amin’ny ravin’oliva miolaka, famantarana ny Firenena mikambana. Ireo tanan’olombelona mitana ilay voromailala vonona ny hanidina dia manipika ny anjara raisin’ny olombelona eo amin’ny fitandroana ny fandriampahalemana.”
Amin’ny andron’ny ataoma, dia tena ilaina ny hanorenana sy hitandroana ny fandriampahalemana. Nefa moa ve afaka ny ho tonga amin’izany ny tanan’olombelona? Izao no lazain’i Jeremia amintsika: “Jehovah ô, fantatro fa tsy an’ny olombelona ny làlan-kalehany, na an’ny mpandeha ny hahalavorary ny diany.” Ary dia nanampy izao hataka izao ilay mpaminany: “Jehovah ô, (...) aidino amin’ny jentilisa izay tsy mahalala Anao [tsy niraharaha anao mihitsy, MN ] ny fahatezeranao.” — Jeremia 10:23-25.
Fa raha ny amin’ny voromailala sy ny ravin’oliva, izany dia nindramina tamin’ny fitantarana araka ny Baiboly momba ny andron’i Noa (Genesisy 8:11). Ahoana anefa no nanorenana indray ny fiadanana tamin’izany fotoana izany? Tamin’ny alalan’ny safodrano, dia zavatra nataon’Andriamanitra izay nanafoana taranak’olombelona ratsy iray. Nanambara i Jesosy fa ny “andron’i Noa” niavaka tamin’ny herisetra sy ny ratsy, dia sary ara-paminaniana ny amin’ny fotoan’ny ‘fanatrehany’, izany hoe ny androntsika. — Matio 24:37-39; Genesisy 6:5-12.
“Andriamanitry ny fiadanana” dia tsy maintsy hanafoana indray fandehan-javatr’i Satana iray, aorian’izany, Jesosy Kristy, ilay “Andrian’ny fiadanana”, dia hanorina fiadanana mandrakizay. — Romana 16:20; Isaia 9:5, 6; 33:7.
[Sary, pejy 19]
Milaza amintsika ny tena fanantenam-piadanana i Jeremia.
[Sary, pejy 20]
Mampitandrina antsika Ezekiela mba hiomana ho amin’ny fanafihan’i Goga.
[Sary, pejy 22]
Nambaran’i Daniela ny ho fiafaran’ny “vanim-potoana farany amin’ireo andro”.