Fanontanian’ny mpamaky
◼ Moa ve ny andinin-teny ao amin’ny II Jaona 10 ilazana mba tsy handray ao an-tranon’ny tena na hiarahaba akory aza olona sasany, tsy mahakasika afa-tsy ireo olona izay niaro fampianaran-diso?
Ao amin’ny teny manodidina, dia misy firesahana ny amin’ny ‘mpamitaka maro’ nivoaka avy ao amin’ny kongregasiona kristiana, “ireny tsy manaiky fa efa tonga tamin’ny nofo Jesosy Kristy”. (II Jaona 7.) Ny apostoly Jaona dia nanome toromarika ny amin’ny fomba tokony hitondran’ny kristiana tamin’izany fotoana izany ny olona rehetra izay nanda fa nisy Jesosy na izy no Kristy sy Mpanavotra. Izao no nosoratan’ilay apostoly: “Raha misy olona mankeo aminareo ka tsy mitondra izao fampianarana izao, aza mampiantrano azy na miarahaba azy akory; fa izay miarahaba azy dia miombona amin’ny ratsy ataony.” (II Jaona 10, 11). Misy andinin-teny hafa ao amin’ny Baiboly anefa mampiseho fa misy fampiharana azy mitatra kokoa io toromarika io.
Tamin’ny fotoana sasany, teo amin’ireo kristiana tany Korinto dia nisy lehilahy iray nanao fitondrantena maloto. Koa nanoratra ho azy ireo ny apostoly Paoly ‘mba tsy hiharoharoany aminy, raha misy atao hoe rahalahy, nefa mpijangajanga, na mpierina, na mpanompo sampy, na mpanaratsy, na mpimamo, na mpanao an-keriny, dia aza miara-mihinana akory amin’ny toy izany hianareo’. (I Korintiana 5:11.) Moa ve io toromarika io tsy nahakasika afa-tsy ireo izay voaroaka noho izy nanao ireo fahadisoana lehibe dia lehibe voatonona eo?
Tsia, satria asehon’ny Apokalypsy 21:8 fa ny mpamono olona, ny mpandainga sy ireo izay manaraka ny spiritisma dia mendrika ny fahafatesana faharoa koa raha tsy mibebaka. Ny torohevitra omena ao amin’ny I Korintiana 5:11 dia azo antoka fa ho nampiharina mafy toy izany tamin’ny kristiana hafa ho nanao izany fahadisoana izany. Nanoratra koa i Jaona ny amin’ny sasany fa “avy tamintsika ihany no niala ireo, nefa tsy mba namantsika izy; fa raha tàhiny namantsika izy, dia ho nitoetra tamintsika ihany; fa efa niala izy, mba haseho fa tsy isantsika izy rehetra”. (I Jaona 2:18, 19.) Tsy nilaza akory i Jaona fa ireo olona resahiny eo dia voaroaka satria nanao fahadisoana lehibe. Ny sasany tamin’izy ireny dia nety ho nihataka fotsiny ka nanizingizina fa tsy tiany intsony ny ho anisan’ny kongregasiona noho izy tsy manaiky ny sasany amin’ny fampianarany. Ny hafa angamba sasatra ka niala tamin’ny fanohizana ny fihazakazahana kristiana. — I Korintiana 15:12; II Tesaloniana 2:1-3; Hebreo 12:3, 5.
Mazava ho azy fa raha nanomboka naniasia tao amin’ny lalan’ny fahotana ny rahalahy iray, dia nisy kristiana matotra niezaka nanampy azy (Galatiana 6:1; I Jaona 5:16). Raha nanana fisalasalana izy, dia nanandrana ‘nisarika azy avy amin’ny afo’ izy ireo. (Joda 23.) Na dia nanjary tsy niasa aza izy na nitsahatra tsy namonjy ireo fivoriana sy nandray anjara tamin’ny fanompoana ampahibemaso, dia nisy kristiana natanjaka ara-panahy nanao fiezahana mba hanampy azy ho tafarina. Angamba nilaza tamin’izy ireo izy fa tsy te-hisahirana amin’ny tsy maintsy hahatongavana ao amin’ny kongregasiona ka hampiseho amin’izany finoana sy fiainana ara-panahy kely dia kely. Tsy nanembantsembana azy ireny tsy ankijanona ireo rahalahy, fa azo inoana fa nitsidika azy tamim-pisakaizana indraindray. Ny fiezahana amim-paharetana sy famindrampo ary feno fitiavana toy izany dia taratry ny fiahian’i Jehovah izay maniry mba tsy hisy ho very na dia iray aza amin’ireo mpivavaka aminy. — Lioka 15:4-7.
Ny tenin’i Jaona kosa anefa dia mampiseho fa ny sasany dia tsy vitan’ny hoe osa ara-panahy sy tsy miasa, fa lasa lavitra kokoa. Raha ny marina, dia mandà ny kongregasionan’Andriamanitra izy ireny. Ohatra, ny olona iray dia nety ho nanohitra ankarihary ny olon’Andriamanitra tamin’ny fanantitranterana fa tsy tiany intsony ny ho anisan’ny kongregasiona. Angamba aza izy niala miharihary tamin’ny finoany ka nampahafantatra izany tao amin’ny taratasy iray. Mazava ho azy fa nanaiky ny fanapahan-keviny hiala an-tsitrapo ny kongregasiona. Nefa ahoana rehefa avy eo no fomba hifampiraharahany amin’io olona io?
Izao no nosoratan’i Jaona: “Izay rehetra mitarika nefa tsy mitoetra ao amin’ny fampianaran’i Kristy, dia tsy manana an’Andriamanitra. Izay mitoetra ao amin’ny fampianarana, dia izy no manana ny Ray sy ny Zanaka. Raha misy olona mankeo aminareo ka tsy mitondra izao fampianarana izao, aza mampiantrano azy na miarahaba azy akory.” (II Jaona 9, 10). Ny teny toy izany dia tsy isalasalana mihitsy fa nihatra tamin’ny olona iray nivadi-pinoana tamin’ny fiarahana tamin’ny fivavahan-diso iray na tamin’ny fampielezana fampianaran-diso (II Timoty 2:17-19). Fa ahoana ny amin’ireo nasian’i Jaona fitenenana fa “avy tamintsika ihany no niala”? Ireo kristiana tamin’ny taonjato voalohany dia nahafantatra fa tsy tokony hifanerasera amin’ny mpanota voaroaka iray na ny mpivadi-pinoana miasa iray izy ireo. Kanefa, moa ve izany fihetsika izany koa no narahiny tamin’olona iray tsy voaroaka fa niala an-tsitrapo tamin’ny fanarahana ny lalana kristiana?
Ny Auxiliaire pour une meilleure intelligence de la Bible dia mampiseho fa ny teny hoe “fivadiham-pinoana (apostasie)” dia avy amin’ny teny grika iray izay ny dikany ara-bakiteny dia hoe “ ‘manalavitra ny’, ary [izay] ny heviny dia hoe ‘fivadihana, fialana na fikomianaa” ’. Nanampy teny toy izao io boky io: “Tamin’ny fampitandremany, ireo apostoly dia nanonona sasany tamin’ny antony nahatonga fivadiham-pinoana: ny tsy fananana finoana (Hebreo 3:12), ny tsy fahaiza-miaritra ao anatin’ny fanenjehana (Hebreo 10:32-39), ny fialana tamin’ireo fotopoto-pitsipika ara-pitondratena marina (II Petera 2:15-22), ny fihainoana ‘teny misy hafetsena’ ataon’ny mpampianatra sandoka sy ny ‘fanambarana ara-tolo-tsaina mamitaka’ ([...] I Timoty 4:1-3, MN) (...). Ireo izay miala an-tsitrapo toy izany amin’ny kongregasiona kristiana dia anisan’ny “antikristy” hatreo. (I Jaona 2:18, 19.)”
Ny olona niala an-tsitrapo sy miharihary tamin’ny kongregasiona dia mifanitsy tanteraka amin’io filazalazana io. Tamin’ny fandavana ny kongregasionan’Andriamanitra sy tamin’ny fialana tamin’ny lalana kristiana dia nanao ny tenany ho mpivadi-pinoana izy. Ny kristiana mahatoky iray dia azo antoka fa tsy ho tia ny hihavana amin’ny mpivadi-pinoana iray. Na dia sakaizan’io kristiana io aza izy, rehefa nanda ny kongregasiona izy ka niseho ho nivadi-pinoana tamin’izany, raha ny marina dia nolaviny ny fanorenan’izany fisakaizana izany mihitsy izay nampiray azy tamin’io rahalahy io. Nasehon’i Jaona mazava fa ny tenany mihitsy aza dia tsy ho tia ny handray ao an-tranony olona ‘tsy nanana an’Andriamanitra’ sy tsy “namantsika”.
Araka ny fiheveran’ny Soratra Masina, ny olona iray izay nanda ny kongregasionan’Andriamanitra dia azo notsinina kokoa noho ny olona eo amin’izao tontolo izao. Nahoana? Nohazavain’i Paoly fa ireo kristiana teo amin’izao tontolo izao romana dia tafaraka isan’andro isan’andro tamin’ny mpijangajanga, ny mpanao an-keriny sy ny mpanompo sampy. Nanampy teny anefa izy fa ny kristiana dia tokony ‘hitsahatra tsy hiharoharo amin’olona atao hoe rahalahy’ kanefa niverina tany amin’ny faharatsiana (I Korintiana 5:9-11). Toy izany koa, Petera dia nanoratra fa ‘raha efa afaka tamin’ny fahalotoan’izao tontolo izao’ ny olona iray ka niverina tamin’ny fomba fiainany taloha, dia tahaka ny kisoavavy mihosim-potaka indray (II Petera 2:20-22). Nanome torohevitra nitovitovy tamin’izany àry i Jaona rehefa nanoro hevitra ny kristiana mba ‘tsy handray’ na iza na iza ‘niala avy tao amin’izy ireny’ an-tsitrapo. — II Jaona 10.
Izao no teny nanampin’i Jaona: “Fa izay miarahaba azy dia miombona amin’ny ratsy ataony.” (II Jaona 11). Eo i Jaona dia mampiasa, nandika hoe “miarahaba”, ny teny grika hoe khaïro fa tsy ny teny hoe aspazomaï hita eo amin’ny 2Jn andininy faha-13.
Ny dikan’ny hoe khaïro dia ‘mifaly’. (Lioka 10:20; Filipiana 3:1; 4:4.) Nampiasaina ho fiarahabana am-bava na an-tsoratra koa io teny io (Matio 28:9; Asan’ny apostoly 15:23; 23:26). Fa raha ny hoe aspazomaï, ny dikany dia hoe “mamihina ao anaty sandry, ary noho izany dia miarahaba, mandray tsara”. (Lioka 11:43; Asan’ny apostoly 20:1, 37; 21:7, 19.) Samy azo nampiasaina ho fiarahabana izy ireo, kanefa mihoatra noho ny “manao ahoana” fotsiny angamba ny dikan’ny hoe aspazomaï. Nanoro hevitra an’ireo mpianatra 70 lahy i Jesosy mba tsy hanao aspasêsthé na amin’iza na amin’iza. Nasehony tamin’izany fa ny asa mahadodona tsy maintsy notontosain’izy ireo dia tsy namela ho azy fotoana hiarahabana ny olona araka ny fomba tatsinanana, izany hoe amin’ny fanorohana azy ireny, amin’ny famihinana azy sy amin’ny fanaovana resaka lava fanombohana (Lioka 10:4). Petera sy Paoly kosa anefa dia nanome izao fananarana izao: ‘Mifanaova veloma [aspasasthé] amin’ny fanoroham-pitiavana na amin’ny fanorohana masina.’ — I Petera 5:14; II Korintiana 13:12, 13; I Tesaloniana 5:26.
Araka izany, dia an-tsitrapo angamba ao amin’ny II Jaona 10, 11 no nampiasan’ilay apostoly ny hoe khaïro, fa tsy aspazomaï (2Jn andininy faha-13). Raha izany no izy, ny nanoroany hevitra ny kristiana dia tsy hoe tsy hiarahaba amin-kafanam-po fotsiny (amin’ny famihinana, amin’ny fanorohana na amin’ny fanaovan-dresaka) ny olona iray nampianatra hevi-diso na niala tamin’ny kongregasiona (noho izany dia nivadi-pinoana). Nilaza tamin’izy ireo kosa izy mba tsy hiarahaba mihitsy ny olona toy izany, na dia khaïro tsotra fotsiny, “manao ahoana” fotsiny azab.
Ireto tenin’i Jaona manaraka ireto dia manipika mazava ny maha-zava-dehibe ny toroheviny: “Izay miarahaba azy dia miombona amin’ny ratsy ataony.” Tsy nisy mihitsy kristiana marina naniry ny hiheveran’Andriamanitra azy ho olona nandray anjara tamin’ny asa ratsy tamin’ny fiarahana tamin’ny mpanota iray voaroaka na ny olona iray nanda ny Kongregasionany. Aleo lavitra mifanerasera amin’ny fianakaviambe kristiana manome taratry ny fitiavana, araka ny nosoratan’i Jaona hoe: “Izay efa hitanay sy renay no ambaranay aminareo, mba hahazoanareo firaisana aminay koa; ary ny firaisanay dia amin’ny Ray sy amin’i Jesosy Kristy Zanany.” — I Jaona 1:3.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ny Diksionera Hachette dia milazalaza toy izao ny teny hoe “apostasie” (fivadiham-pinoana): “1. Fialana ampahibemaso amin’ny fivavahana iray mba hanohanana hafa iray. 2. Fivadihana.”
b Ny amin’ny fampiasana ny teny hoe khaïro ao amin’ny II Jaona 11, R. Lenski dia manao izao famoaboasan-kevitra izao: “[Izany] dia ny fiarahabana mahazatra rehefa tafahaona na nandao olona (...). Ny hevitr’ireo teny ireo dia hoe: Aza manao izany fiarahabana izany akory amin’izay mitady hanao proselyta. Izany dia manao anao sahady ho mpandray anjara amin’ireo asa ratsy ahatongavany. Jaona [dia nieritreritra] (...) izay rehetra mety ho fiarahabana.”