Ny fivavahana sy ny politika: hifandona tsy ho ela ve?
TSY ny mpanjaka Henri VIII akory no voalohany nampiray ny Fiangonana sy ny Fanjakana. Mazàna no efa nampiasaina io tetikady ara-politika io noho ny fikendrena ny hanohanana ny firaisam-pirenena.
Araka izany, araka ny filazan’ny diksionera iray (The New Bible Dictionary), tany Egypta fahizay izay nahitana andriamanitra maro, “Farao koa aza dia anankiray tamin’ireo andriamanitra sy olona niavaka indrindra teo amin’ny fiainan’ny vahoakany”. Toy izany koa, teo amin’ny Empira romana, ireo emperora dia anisan’ny fitambaran’andriamanitra maromaro. Ny mpanoratra tantara iray tokoa dia niresaka ny amin’ny fanompoam-pivavahana natao ho an’ny emperora ho toy “ny herin’ny fivavahana tena lehibe teo amin’izao tontolo izao romana”.
Kanefa, raha efa hatramin’ny taonjato maro no nisian’ny Fiangonana sy ny Fanjakana, amin’ny fitsabahana amin’ny politika toy ny ataony amin’izao andro izao, ny fivavahana lazaina fa kristiana dia hifandona amin’ireo itadiavany sitraka mihitsy. Nahoana? Mba hamaliana an’io fanontaniana io, dia aoka hojerentsika aloha hoe tamin’ny fomba ahoana no nanjary nandraisan’ny fivavahana “kristiana” anjara ara-politika lehibe toy izany.
Ny kristianisma marina sy ny politika
Nanda izay rehetra mety ho fahefana ara-politika i Jesosy Kristy, Mpanorina ny kristianisma. Indray mandeha, fara faharatsiny, feno hafanam-po noho ireo fahagagana nataony, ireo izay nanaraka azy dia nitady hanao azy ho mpanjaka. ‘Niala ka lasa indray irery nankany an-tendrombohitra’ anefa i Jesosy. (Jaona 6:15.) Rehefa nanontany azy ny governora romana raha mpanjaka izy, dia izao no vavalin’i Jesosy azy: “Ny fanjakako tsy avy amin’izao tontolo izao; fa raha mba avy amin’izao tontolo izao ny fanjakako, dia ho niady ny mpanompoko, mba tsy ho voatolotra tamin’ny Jiosy Aho”. — Jaona 18:36.
Izao koa no nambaran’i Kristy tamin’ireo mpianany: “Satria tsy naman’izao tontolo izao hianareo, fa Izaho efa nifidy anareo tamin’izao tontolo izao, dia halan’izao tontolo izao hianareo.” (Jaona 15:19). Ireo kristiana voalohany àry dia tsy nanaiky ho voavilin’ireo zava-nanahirana tamin’ny lafiny ara-tsosialy na ara-politika. Aoka horaisintsika ho ohatra ny amin’ny fanandevozana izay zava-nanahirana lehibe tamin’izany fotoana izany. Tsy nanao fampielezan-kevitra mba hanafoanana izany ny kristiana. Namporisihina kosa aza ireo mpanompo kristiana mba hankatò ny tompony. — Kolosiana 3:22.
Tsy nanao politika ireo kristiana voalohany fa niezaka hanatanteraka ny asa fitoriany “ny fanjakan’Andriamanitra”. (Asan’ny apostoly 28:23.) Tao anatin’ny am-polony taona maromaro, ny hafatra nentin’izy ireo tamin’izany dia nahatratra ny faran’ny tany fantatra tamin’izany fotoana izany (Kolosiana 1:23). Inona no vokany? Olona an’arivony maro no nanaiky izany ka tonga ‘mpirahalahy sy mpianadahy na mpirahavavy’ ara-panahy (Matio 23:8, 9). Nanadino ny fifandrafiany ny Jiosy sy ny Jentilisa niova hanaraka ny kristianisma. Ireo tsy fitoviana lehibe nampisaraka ny Jiosy sy ny Samaritana dia nanjavona koa noho ny “fitiavana lalina” nifanehoan’ny kristiana. — I Petera 4:8, MN.
Tonga hatramin’ny fitiavana ireo fahavalony koa aza ny kristiana (Matio 5:44). Koa tsy nety nilatsaka tao amin’ny tafik’i Kaisara izy ireo. ‘Kanefa, hoy angamba ny sasany hanohitra, moa ve Jesosy tsy nilaza hoe: “Aloavy ho an’i Kaisara ary izay an’i Kaisara.” ’ Marina izany, kanefa moa ve Jesosy tamin’io fotoana io niresaka ny amin’ny raharaha miaramila? Tsia. Namaly fotsiny ireo olona niresaka taminy izay nanontany azy raha azo natao na tsia ny ‘nandoa hetra ho an’i Kaisara’ izy. (Matio 22:15-21.) Nandoa ny hetrany àry ireo kristiana, nefa noho ny fiheverana fa nanokana ny fiainany ho an’Andriamanitra izy ireo, dia nolaviny ny fanasiana ratsy ny nanany.
Nanjary sakaizan’izao tontolo izao ny fivavahana
‘Jereo ny fivavahana lazaina fa kristiana, hoy angamba ianao. Voazarazara mafy izy ary metetika ireo mpikambana ao aminy no mifamono. Voafandrika ao anatin’ny politika ny klerjiny. Inona àry no nitranga tamin’ny kristianisma?’ Raha ny marina, dia nampitandrina an’ireo mpianany Jesosy fa hisy kristiana sandoka ‘hafafy’ eo amin’ireo kristiana marina (Matio 13:24-30). Toy izany koa, izao no nambaran’i Paoly: ‘Fantatro fa hisy amboadia masiaka hiditra eo aminareo ary avy aminareo no hiposahan’ny olona sasany mitory teny tsy marina hitaona ny mpianatra hanaraka azy.’ — Asan’ny apostoly 20:29, 30.
Nanomboka nitranga tokoa izany raha vao tamin’ny taonjato voalohany. Araka izany, dia noheverin’i Jakoba mpianatra fa tsara ny hanoratana ireto teny manaitra tokoa ireto: “Ry mpisintaka mijangajanga, tsy fantatrareo va fa fandrafiana an’Andriamanitra ny fisakaizana amin’izao tontolo izao?” (Jakoba 4:4; izahay no manipika). Be dia be no nifidy ny handika an’io torohevitra avy amin’Andriamanitra io, hany ka tamin’ny taonjato fahefatra, ny amboadia mitafy hoditr’ondry iray, ny emperora Constantin, dia afaka nanimba ny “kristianisma” efa novana ho ratsy tamin’ny fanaovana azy ho fivavahana ofisialin’ny Empira romana. Kanefa tamin’ny fahatongavana ho ‘sakaizan’izao tontolo izao’, ny fivavahana lazaina fa kristiana dia nanao ny tenany ho fahavalon’Andriamanitra. Tsy maintsy hiafara amin’ny fifandonana izany.
Tamin’ny taonjato faha-13, ny Eglizy, notarihin’ny “papa” na “ray” tao aminy, dia teo “an-tampon’ny heriny”, ka izany dia nahatonga hety ny firaisana mbola akaiky kokoa ihany tamin’izy sy ny Fanjakana. Nino mafy ny papa Innocent III fa “nomen’ny Tompo an’i Piera, tsy ny fahefana teo amin’ny Eglizy eo amin’izao rehetra izao ihany, fa ny fahefana maneran-tany koa”. (Izahay no manipika.) Nanoratra toy izao koa i T. Tout, mpampianatra tantara, tao amin’ny bokiny hoe Ny Empira sy ny fitondran’ny papa (anglisy): “Ny asan’i Innocent dia ny an’ny mpitondra Fanjakana sady mpitondra fivavahana iray (...) manendry sy manala araka izay tiany, mpanjaka sy emperora.” Nefa nanampy teny toy izao koa io mpanoratra io ihany: “Arakaraka ny nanjary naha-ara-politika ny fahefan’ny papa, no naha-sarotra ny fanohanana ny lazany tamin’ny naha-loharanon-dalàna sy fitsipi-pitondrantena ary fivavahana.”
Ny fivavahana sy ny ady
Karazam-politika koa ny ady, saingy mahery vaika kokoa. Kanefa, ny papa Innocent III mihitsy dia nandamina fanafihana ara-tafika ny “Albigeois” tany atsimon’i Frantsa. Tamin’ny 1209 izany dia niafara tamin’ny fandripahana nahatsiravina mponina an’arivony maromaro tany Béziers sy tamin’ny famonoana teo amin’ny antontan-kitay, olona be dia be araka ny baikon’ny “Inquisition” Masina. Ny kroazada izay, tamin’ny voalohany, dia nikendrena an’i Palestina, dia navily tsy ho amin’ny zava-nokendreny noho ny fitaka ara-politika, hany ka ireo “chevaliers kristiana” dia tafahaona tany Constantinople izay nandraisan’izy ireo anjara tamin’ny “andro nahatsiravina telo voamariky ny fandrobana, ny famonoana olona, ny fitondrantena maloto sy ny fametavetana zava-masina”. Iza no niharam-pahavoazana noho ny nataon’izy ireo? Ireo rahalahy “kristiana”. Izao no nosoratan’ny mpanoratra tantara iray: “Voaroba tamin’ny fomba tsy nifaditrovana ireo eglizy mihitsy.”
Tamin’ny farany ireo fomba tsy kristiana nampiasain’ny Eglizy dia nitarika an’i Martin Luther hametaka, tamin’ny 1517, teo amin’ireo varavaran’ny eglizin’ny lapan’andriana tany Wittenberg, ireo heviny nihaika ny fitondran’ny papa. Nanomboka ny Fanitsiana. Tao amin’ny Tantaran’i Eoropa (anglisy) nosoratany anefa, dia nanao izao famoaboasan-kevitra izao i H. Fisher: “Ilay finoana vaovao (...) dia niankina tamin’ny fanohanan’ireo andriana sy fitondram-panjakana.” Noho izany, Alemaina dia voazarazara ny amin’ny raharaha ara-politika sy ara-pivavahana. Tany Frantsa, ny kalvinista koa dia nikambana tamin’ireo filoha ara-politika. Ireo adin’ny Fivavahana nanaraka izany àry dia tsy natao noho ny fikendrena fitsiny ny hahazo fanafahana ara-pivavahana; izany koa dia teraka avy amin’ny “fifandrafian’ny protestanta sy ireo andriana tao amin’ny finoana katolika mba hanapaka ny fitondran’ny filoha tokana”. Tamin’izany no nanoratana tamin’ny ra ny tantaran’ny fivavahana tany Eoropa.
Teo am-piandohan’ny taonjato faharoapolo dia niditra hiady ny Anglisy sy ny “Boers” tany Afrika Atsimo. Tao amin’ny toby roa, dia nitsoka ny afo ireo mpitondra fivavahana tamin’ny fanomezana “fampaherezana teny ambony polipitrany”. Izao no nambaran’ilay mpanoratra tantara atao hoe R. Kruger: “Ny habetsahan’ny fitalahoana nataon’ny andaniny roa ho an’ny lanitra tao anatin’ny ady dia tsy nisy nitovy taminy afa-tsy ny fahamaroan-karazan’ny finoana nanao izany.” Nifamono ireo “kristiana” fotsy hoditra ary nangataka tamin’Andriamanitra mba hanampy azy ireo tamin’ny nataony.
Tamin’ny 1914, dia natrehina ny fisehoan-javatra sahala amin’izany, saingy tamin’ny ambaratonga lehibe, rehefa nanafika an’i Belzika ireo miaramila alemana. Teo amin’ny fampoehan’ny fehinkibony dia nahitana izao teny izao: “Gott mit uns.” (“Momba anay Andriamanitra.”) Tao amin’ny andaniny roa dia tsy nitsahatra ny vavaka nataon’ireo eglizy ho an’ny fandresena sy ny ompa mafy natao ho an’ny fahavalo.
Olona an-tapitrisany maro no namoy ny hevi-draviny rehefa nahatsapa ny anjara noraisin’ny fivavahana tamin’ny Ady Lehibe Voalohany. Nilaza ny fivavahana ho “opioman’ny vahoaka” ny tsy mino an’Andriamanitra sy ny kaominista ka tsy nitsahatra nihamaro. Nanohy nitsabaka tamin’ny politika anefa ny klerjy, indrindra fa tamin’ny fanohanana an’i Franco sy Mussolini. Tamin’ny 1933 aza ny Eglizy katolika dia nanao sonia fifanarahana tamin’ny nazia. Nanoratra toy izao ho an’i Hitler tamin’izay ny kardinaly Faulhaber: “Izany fifandraisan-tanana tamin’ny fitondran’ny Papa izany (...) dia zava-nitranga nisy tombontsoa nihoapampana (...). Hotahin’Andriamanitra anie ny “Chancelier” ao amin’ny Reich [Hitler].”
Na dia ny mety hisian’ny ady lehibe vaovao aza dia tsy nampiala ny klerjy tamin’ny politika. Vao haingana kokoa, ny Fiangonana sasany anefa dia nanao fiovana tamin’ny fifidianana politika ankavia kosa. Izao no nambaran’ny mpanoratra iray ny amin’izany: “Ny taranaka teolojiana farany any Amerika latina (...) dia manizingizina fa ny marksisma no endrika ara-politikan’ny kristianisma tsy azo lavina.” Ny Baiboly kosa anefa dia manome izao fampitandremana izao: “Fa rivotra no nafafiny, ary tadio [tafiodrivotra, Jérusalem] no hojinjany.” — Hosea 8:7.
Hijinja tafiodrivotra ny fivavahana
Milaza fampiomanana mafy tokoa ny Baiboly: hisy ady hahatsiravina hifanaovan’ny fivavahana sy ny politika. Ao amin’ny Apokalypsy toko faha-17, ny empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso voaloton’ny ra dia tondroiny ho “vehivavy janga lehibe, izay mipetraka eny ambonin’ny rano maro”. Ireny “rano” ireny dia mampiseho ‘vahoaka sy firenena’. (Ap 17 Andininy 1, 15.) Ilay vehivavy janga dia antsoina hoe “renin’ny mpijangajanga sy ny zava-betaveta amin’ny tany”, ary “leon’ny ran’ny olona masina” izy io. (Ap 17 Andininy 5, 6.) Ny teny hoe “Babylona” dia mety tsara tokoa amin’ny fivavahan-diso voalamina, indrindra fa satria maro be amin’ireo fampianarany no avy any amin’ny tanànan’i Babylona fahinya. Matoa malaza noho ny heloka bevava nataony izy, dia noho ny nanenjehany indrindra ny kristiana marina tao anatin’ireo taonjato.
Ao amin’ny Soratra Masina, ny empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso dia lazalazaina koa ho mipetraka eo amin’ny bibidia iray “nanan-doha fito sy tandroka folo [izay mampiseho] mpanjaka folo”. (Ap 17 Andininy faha-3, 12.) Nisy lahatsoratra nivoaka tao amin’ireo fanontana teo aloha tamin’ity gazety ity nanondro an’io “bibidia” io ho ny Fandaminan’ny Firenena mikambana, dia fandaminana nianteheran’ny olona mafy mba hitandroana ny fandriampahalemana maneran-tany. Asehon’ny Tantara fa manohana azy io ireo Fiangonana. Araka izany, tamin’ny oktobra 1965, ny papa Paul VI dia niresaka ny O.N.U. ho “fara fanantenana fifanarahana sy fandriampahalemana”. Tamin’ny 1979, rehefa niteny tao amin’ny fivoriamben’ny Firenena mikambana ny papa Jean-Paul II, dia tsy nanonona na dia indray mandeha monja aza an’i Kristy na ny Fanjakany; io fandaminana io kosa anefa dia noresahiny ho “ny toerana tampony voatokana ho an’ny fandriampahalemana sy ny rariny”.
Fa nahoana no mampidi-doza tokoa toy izany ny fikambanan’ny fivavahana sy ny O.N.U.? Satria “ny tandroka folo sy ny bibi-dia (...) dia (...) hankahala ilay vehivavy janga ka hahatsinontsinona azy sy hampitanjaka azy (...) ary handevona ny tenany amin’ny afo”. (Ap 17 Andininy faha-16.) Ny fivavahan-diso àry dia voatokana ho amin’ny fandringanana; manatona haingana ady iray hitera-doza aman’antambo hataon’ny fahefana ara-politika izy. Rehefa ho avy nampitanjahina izy ary naharihary ny fahalotoany maharikoriko, dia hofoanana tanteraka izy.
Izany fisehoan-javatra izany no hanapoaka ny “fahoriana lehibe” noresahin’i Jesosy izay hahatratra ny fara heriny amin’ny ady Haramagedona. Hotohanan’ireo tafiky ny lanitra tsy hay resena Kristy ka ‘hanorotoro sy handevona’ ny fandehan-javatr’i Satana maneran-tany ka tsy hamela ho tafita velona afa-tsy ny “mpandefitra (...) handova ny tany”. Izany dia ho kristiana izay, ankoatra ny zavatra hafa, dia ho nihataka tamin’ny politika loharanom-pisaratsarahana. — Matio 24:21; Daniela 2:44; Salamo 37:10, 11; Matio 5:5; Apokalypsy 6:2; 16:14-16.
Inona no tokony hataonao raha toa ianao ka anisan’ireo izay ory noho ny fahorian’ny olombelona sy ny fanalan’ny fivavahan-diso baraka ny anaran’Andriamanitra? Milaza izany aminao amin’izao teny izao ny Baiboly: “Mialà aminy [amin’ny fivavahan-diso] hianareo, ry oloko, mba tsy hiombonanareo ota aminy”. (Apokalypsy 18:4). Ny Vavolombelon’i Jehovah no hany manasa ny olona hanaraka an’io didy io. Toy ny nataon’ireo kristiana voalohany, izy ireo dia tsy mandray anjara na amin’ny ady na amin’ny politika. Koa tsy ho mendrika ny haringana izy ireo rehefa hifandona mafy amin’ny fahefana ara-politika ny fivavahana. Miresaha amin’izy ireny; hasehony aminao amim-pifaliana ny fomba hidirana amin’ny “vavahady èty” izay mitarika, tsy ho amin’ny fandringanana, fa ho amin’ny fiainana mandrakizay. — Matio 7:13, 14; Jaona 17:3.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Mba hahitana fanazavana amin’ny antsipiriany kokoa, dia jereo ilay boky hoe “Babylone la Grande est tombée!” Le Royaume de Dieu a commencé son régne!, navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York.
[Sary, pejy 6]
Tamin’ny 1914, teo akaikin’ny amponga nalahatra ho solon’ny alitara teo amin’ny tohatohatry ny katedraly Masindahy Paoly, dia nanandratra ny fitiavan-tanindrazana teo anatrehan’ny andian-tafika britanika ny evekan’i Londres.