‘Mandehana amin’ny fomba mendrika amin’ny fahari-po’
NOSAMBORINA imbetsaka izy ary nampiharana fakana am-bavany nisy fanerena. Indray andro aza dia tsy maintsy nilahatra teny amin’ny arabe izy nakorain’ny olona, niaraka tamin’ny lehilahy sivy hafa voampanga ho nanao heloka bevava nanomboka tamin’ny famonoana olona ka hatramin’ny fisavihana ary nandalo tamin’ny halatra. Farany, dia nogadraina sy nosarahina tamin’ny fianakaviany izy nandritra ny roapolo taona mahery.
Tsy isalasalana fa tsy naningana akory ny zavatra nihatra tamin’io vehivavy kristiana io. Hafahafa kosa anefa ny “heloka” nataony: Vavolombelon’i Jehovah izy. Raha niala tamin’ny finoany izy, dia ho navelany tsy hotabatabainy mihitsy. Inona àry no nanome an’io vehivavy io hery hizakana fitondrana toy izany? Afa-tsy izany koa, ahoana no nahafahany nandray fifaliana sasany tamin’izany?
Mba hamaliana ireo fanontaniana ireo, dia aoka horaisintsika ny ohatra ny amin’ny kristiana nahatoky hafa iray izay voasambotra koa noho ny toerana notanany ara-pivavahana. Tsy iza izany fa ny apostoly Paoly. Raha nanoratra ho an’ny kongregasiona tany Efesosy izy, dia nilaza toy izao: “Ary noho izany izaho, mpifatotra noho ny amin’ny Tompo, dia mangataka aminareo mba handeha mendrika ny fiantsoana izay niantsoana anareo, amin’ny fanetren-tena rehetra sy ny fahalemem-panahy, amin’ny fahari-po mifandefitra amin’ny fitiavana, mazoto mitana ny firaisana avy amin’ny Fanahy amin’ny fehim-pihavanana.” — Efesiana 4:1-3.
Ireo kristiana tany Efesosy dia nahazo “fiantsoana” kanto tokoa, dia fanasana hiaina any an-danitra eo anilan’i Kristy Jesosy (I Petera 1:3, 4). Kanefa mba handraisan-tsoa amin’io tombontsoa io, dia nilain’izy ireo ny ‘handeha’ na hitondra tena amin’ny fomba hanaporofo fa mendrika izany izy. Nilaza mazava i Paoly fa tena nilaina tamin’izany ny “fahari-po”. Na dia izany aza, ny “fahari-po” dia nilaza zavatra betsaka lavitra noho ny fizakana fanaintainana na zavatra tsy mahafinaritra mandritra ny vanim-potoana lava. Ohatra, ny lehilahy iray tapa-tongotra dia tsy maintsy iharan’ny aretiny elaela, nefa afaka manao zavatra hafa noho izany ve izy? Ny olona mahari-po kosa anefa dia miaritra ireo fitondrana ratsy, tsy misafoaka na mitady hamaly ratsy, ary izany dia noho ny zava-kendrena hentitra. Matoa tsy mora mampiseho ny fahatezerany izy, dia satria minia manindry izany izy.
Toy izany koa, dia nahay nifehy ny fihetseham-pony i Paoly fony izy nambenana tao an-trano iray. Fantany fa izany fihetsika izany dia nanohana ny “fampandrosoana ny filazantsara”. (Filipiana 1:12.) Izany koa dia nahatonga azy ho afaka hampiseho ny tsy fivadihany sy ny fifikirany tamin’i Jehovah Andriamanitra, mba hanaporofoana fa ‘nandeha tamin’ny fomba mendrika’ ny fiantsoana azy ho amin’ny fiainana any an-danitra izy. Niaritra ny tranomaizina tamim-pahombiazana àry i Paoly. Kristiana maro taty aoriany no naneho fahari-po toy izany. Miharihary fa tsy nanana “fiantsoana” ho any an-danitra akory ny rehetra, kanefa nahatsiaro ho voatosika ‘handeha amin’ny fomba mendrika’ ny loka, dia ny fiainana mandrakizay izy, na any an-danitra na ao amin’ny faritr’ilay Fanjakana eto an-tany.
Azo lazaina hoe vitsy anefa ireo izay tsy maintsy nahatsapa ny hamafin’ny tranomaizina. Moa ve misy toe-javatra miseho hafa mety hilàna ny fahari-po? Eny, izany tokoa, satria i Paoly namporisika ny kongregasiona manontolon’ny Efesiana ‘handeha amin’ny fomba mendrika (...) amin’ny fahari-po’. Efesosy no tanàna lehibe indrindra tao amin’ny provansa roman’i Azia. Nety ho fandrika ho an’ny kristiana ny hareny be dia be. Tanàna nalaza noho ny toe-pitondrantenany ratsy koa izy io, noho ny fanompoana demonia, ny ody ratsy sy ny majika natao tao, tanàna feno mpivavaka tamin’i Artemisy (na Diana) andriamanibavy. Ny mpanoratra tantara iray tamin’ny lasa, Sénèque, dia nanoratra izao manaraka izao ny amin’izy ireny: “Nikatsaka fahafinaretana hatraiza hatraiza nety hahitana izany ny olona. Tsy nisy fahazaran-dratsy tsy natao nihoapampana (...). Navelanay ny fampahatsiahivana izay mendri-kaja.” Takatra àry ny naha-tojo fitsapana mafy an’ireo kristiana tany Efesosy izay naniry ‘handeha tamin’ny fomba mendrika’.
Tsy mahagaga mihitsy raha nanoro hevitra ny Efesiana toy izao i Paoly taty aoriana: “Koa izao no lazaiko sady ambarako ao amin’ny Tompo: ny tsy mba handehananareo intsony tahaka ny fandehan’ny jentilisa amin’ny fahafoanan’ny sainy; fa efa tonga maizin-tsaina sy olon-ko azy amin’ny fiainan’Andriamanitra ireny”. (Efesiana 4:17, 18). Tsy maintsy ho sarotra tokoa ny niaina teo amin’ny olona ratsy toy izany! Na dia izany aza, raha nahari-po ny kristiana dia afaka nanana fiainana nety fara faharatsiny.
Ilaina ny fahari-po amin’izao androntsika izao
Toy izany koa amin’izao andro izao, isika dia voahodidin’ny faharatsiana sy ny fitiavana fatratra ny zavatra hita maso ary eo ambany fitarihan’ny demonia. Marina tokoa fa amin’izao andro izao dia mitombo ny fanerena, indrindra fa satria Satana nailika ho atỳ amin’ny manodidina ny tany ka mikely aina mba handrava ny finoantsika (Apokalypsy 12:12, 17). Noho izany, dia tokony hotandremantsika mafimafy kokoa ny fomba ‘fandehantsika’ raha tiantsika ny hoheverina fa mendrika. Sahala amin’ny kristiana taloha, dia tokony hahari-po isika. Marina fa tsy mahazatra ny mifehy tena toy izany. Na dia izany aza, ny fahari-po dia famantarana fa miasa amin’ny kristiana iray ny fanahin’Andriamanitra. “Ny vokatry ny fanahy kosa dia (...) fahari-po”, hoy ny vakintsika ao amin’ny Galatiana 5:22. Amin’ny ahoana àry izany no mety hahasoa antsika?
Ny fahari-po dia manampy antsika hizaka ny fahasahiranana ara-toe-karena, ny zava-manahirana ara-pahasalamana mbamin’ny fanerena hafa maro be mampiavaka izao taonjato faha-20 izao. Tsy vitan’ny hoe fantatsika ny anton’ireny zava-manahirana ireny, fa fantatsika koa hoe misy fanamaivanana tsinjo (II Timoty 3:1-5; Lioka 21:28). Na dia rehefa tojo fanoherana mafy aza ny asa fitoriantsika, ny fahari-po dia somary sahala amin’ny fefy izay tsy hanampy antsika hiaritra fitsapana fotsiny, fa hitana ny fanantenantsika koa.
Namporisika ny mpamaky azy i Paoly mba hanana “fandeferana amin’ny fifaliana”. (Kolosiana 1:11.) Niharihary fa nandaitra io torohevitra io mba ho fanafodin’ireo tarehin-javatra ara-pianakaviana sarotra. Indraindray dia tsy mpino ny vadin’ny kristiana sasany. Izao no tantarain’ny lehilahy iray ny amin’izany: “Tsy vitan’ny hoe nikorontana aoka izany ny fiainam-pianakavianay, fa ambonin’izany dia tsy maintsy nisetra izao karazam-pitsapana rehetra izao aho (...). Tsy vonona ny sakafo (...). Tsy voasasa na azo nampiasaina ny lamba (...). Indraindray dia niteny ratsy ahy ny vadiko.” Niseho ho nahari-po anefa io kristiana io. “Nitodika tany amin’i Jehovah tamin’ny vavaka foana aho, hoy izy, ka tsy nisalasala aho fa hanampy ahy hampitombo io toetra faniry io, dia ny fahari-po, izy mba hitanako ny fijoroako kristiana (...). Izany no nanampy ahy hiaritra.” Inona no vokatr’izany? Rehefa avy nanohitra ny vadiny nandritra ny roapolo taona io vehivavy io, dia mba tonga kristiana koa! “Velom-pankasitrahana an’i Jehovah aho, hoy io lehilahy io, satria nanampy ahy hamboly vokatry ny fanahy iray izy, dia: ny fahari-po.”
Aoka isika haneho fahari-po amin’ny hafa
Koa satria vokatry ny fanahin’Andriamanitra ny fahari-po, dia tsy mety miaraka amin’ny “asan’ny nofo” toy ny fandrafiana, fifandirana, fialonana, fiafonafonana, fifampiandaniana sy fitsiriritana (Galatiana 5:19-21). Inona no ho vokany raha toa ka avelantsika ireny ‘asa’ ireny hipoitra indray eo amintsika ka handresy eo amin’ny fifandraisantsika amin’ny hafa?
Ny hita tamin’i Mosesy dia manazava tarehin-javatra iray mety hiseho. Nolazaina fa Mosesy dia “lehilahy nalemy fanahy mihoatra noho ny olona rehetra atỳ ambonin’ny tany.” (Nomery 12:3.) Indray mandeha anefa dia tsy nanana fahari-po izy. Rehefa lany ny tahirin-dranon’ny Isiraely, dia nihiaka toy izao ny vahoaka tsy ampy finoana: “Fa nahoana no nitondra ny fiangonan’i Jehovah ho amin’ity efitra ity hianareo, mba hahafaty anay sy ny ombinay eto?” (Nomery 20:4). Tao anatin’izany toe-javatra izany, dia tokony ho niseho ho maodimaody i Mosesy ka nieritreritra tsara fa raha ny marina dia natao hanoherana ny tenan’i Jehovah mihitsy izany teny nisy fikomiana izany. Resin’ny fitaoman’ny nofony anefa izy. Niresaka ny amin’izany tamin’izao teny izao ny mpanao salamo: “Nampahatezitra an’i Jehovah teo anilan’ny rano Meriba ireo, ka nisy nanjo an’i Mosesy noho ny nataon’ireo; fa niodina tamin’ny Fanahin’i Jehovah ireo, ka dia nihoa-bava Mosesy.” — Salamo 106:32, 33.
Toy ny hoe nanana fahefana mahagaga hampiboiboika rano i Mosesy ka niteny tamim-pahasosorana hoe: “Mihainoa, ry mpiodina: Moa amin’ity vatolampy ity va no hampivoahanay rano ho anareo?” (Nomery 20:10). Eny, navelan’i Mosesy haharesy azy ny toe-tsain’ny hafa tia fifandirana sy tsy nety afapo. Noho izy tsy nahay nifehy tena sy tsy nanome voninahitra an’i Jehovah, dia tsy navela hiditra tao amin’ny Tany nampanantenaina izy.
Amin’izao andro izao, dia tokony hitandrina ny kristiana mba tsy ho latsaka ao anatin’izany fandrika izany. Indraindray ny fihaikana dia mety ho avy amin’ireo rahalahintsika ihany, toy ny niaviany avy tamin’ny Isiraelita araka ny niseho tamin’i Mosesy. “Ary tsy mety raha miady ny mpanompon’ny Tompo, fa ho malemy fanahy amin’ny olona rehetra, mahay mampianatra, mahalefitra.” (II Timoty 2:24). Noho izany dia tena mety ity fananarana voarakitra ao amin’ny I Tesaloniana 5:14 ity: “Mandefera amin’ny olona rehetra.”
Ohatra tsara tokony harahina
Namela ohatra tanteraka tamin’ny fahari-po Kristy. Tsy maintsy niaritra “fanoherana nataon’ny mpanota taminy” izy, nefa koa niaritra zava-nanahirana nitranga teo amin’ireo mpianany mihitsy (Hebreo 12:3). Indraindray ireo dia niseho ho votsa fandray hevi-javatra na tsy mora nahay nampihatra ireo fampianarany. Tsy niteny tamim-pahasiahana tamin’izy ireo mihitsy anefa i Jesosy. Tamin’ilay alina nanolorana azy, rehefa natory ireo mpianany, dia nananatra azy ireo tamin-katsaram-po tamin’izao teny izao izy: “Nahoana no matory hianareo? Mitsangàna, ka mivavaha, mba tsy hidiranareo amin’ny fakam-panahy.” — Lioka 22:46.
Hatramin’ny nananganana azy tamin’ny maty, dia tsy nitsahatra ny naneho faharetana sy fahari-po i Jesosy. Saoly, ohatra, dia mpanenjika ny kristiana, mpiteny ratsy sy lehilahy vavana. Kanefa dia naneho famindrampo taminy Kristy, ka izany dia nahatonga an’i Saoly ho mpianatra niavaka. Rehefa tonga ny apostoly Paoly io kristiana io, dia nanazava toy izao: “Kanefa izao no namindrana fo tamiko, dia ny mba hasehon’i Jesosy Kristy eo amiko, izay lohany, ny fahari-po rehetra ho fianarana ho an’izay hino Azy hahazoana fiainana mandrakizay.” — I Timoty 1:15, 16.
Mamporisika antsika ny Soratra Masina mba ‘hanaraka tsara ny diany [ny an’i Kristy]’. (I Petera 2:21.) Mampiseho faharetana toy izany amin’ireo rahalahinao ve ianao rehefa tsy mora mampihatra fotopoto-pitsipika iray ao amin’ny Baiboly izy? Manana fitiavana fahari-po toy izany koa ve ianao amin’ny olona eo amin’izao tontolo izao tsy mahalala ny fahamarinana? Mahatsiaro ho voatosika hanampy azy ireny ve ianao mba hahitany ny fahamarinana?
Tsy azo lavina anefa fa Jehovah no ohatra faka tahaka ambony indrindra amin’ny fahari-po. “Mamindra fo sy miantra Jehovah, mahari-po sady be famindrampo.” (Salamo 103:8; Eksodosy 34:5-7). Raha tezitra noho ny hamafian-katoky ny Isiraelita ny lehilahy tahaka an’i Mosesy, Jehovah kosa dia nilaza toy izao: “Mandritra ny andro no efa naninjirako ny tànako tamin’izay firenena sady tsy manaraka no mandà.” (Romana 10:21). Misy antony anefa ny maha-be fahari-po an’i Jehovah. Tahaka ny ray iray manana zanaka mikomy, dia nanantena foana izy ny hahita fihatsarana teo amin’ny fifandraisany tamin’ny Isiraely izay nihenjana. Nisy vokany tsara ny faharetany, satria voaro ny sisa tamin’ilay firenena.
Misy fetrany ny fahari-po
Tsy milaza anefa akory izany fa hoe tsy misy fetrany ny faharipon’Andriamanitra. Nikiry tsy niraharaha ireo fampitandreman’i Jehovah ny firenen’Isiraely; izany no antony nandavan’Andriamanitra an’io firenena io. Izao no nosoratan’Isaia: “Fa ireo kosa dia niodina ka nanome alahelo ny Fanahy Masiny; dia tonga fahavalony Izy ka niady taminy.” (Isaia 63:10). Eny, tamin’ny fotoana voatendry, dia ‘nihatra tamin’ny olony ny fahatezeran’i Jehovah’. (II Tantara 36:15, 16.) Tonga teo amin’ny fara fetrany ny fahari-pony.
Mifono heviny lehibe ho antsika izany rehetra izany. Tsy ho fahendrena ny hanatsoahana hevitra fa holeferin’Andriamanitra tsy hisy farany ny faharatsiana. Araka ny lazain’i Paoly, dia marina fa “Andriamanitra, na dia ta-haneho ny fahatezerany sy hampahafantatra ny heriny aza, dia be fahari-po ka nandefitra tamin’izay fanaky ny fahatezerana voavoatra hosimbana”. Tamin’ny fisehoana ho naharitra, dia nanatratra zava-kendrena hentitra iray izy: “mba hampahafantarina koa ny haren’ny voninahiny.” (Romana 9:22, 23). Eny, noho Andriamanitra tsy nanampatra ny fahatezerany, dia voambara tamin’ny tany manontolo ny anarany. Afa-tsy izany koa, dia nasainy nambaran’ny olony ny ‘andro famaliany’. (Isaia 61:2.) Marina fa betsaka no manao ho fihomehezana izany fampitandremana izany, tsy nisy hafa tamin’ireo epikoreana sy ireo stoisiana tamin’ny andron’i Paoly izay nanontany hoe: “Inona no tian’io mpibedibedy io holazaina?” (Asan’ny apostoly 17:18). Aza hadinoina anefa fa Jehovah dia “hamaly izay tsy mahalala an’Andriamanitra sy izay tsy manaiky ny filazantsaran’i Jesosy Tompontsika”. — II Tesaloniana 1:8.
Na dia izany aza, eo am-piandrasana dia tokony haharitra amin’ny asa fanambarana ny fanamelohan’Andriamanitra isika mandra-pampihariharin’Andriamanitra fa tonga ny fotoana hitsaharantsika. Tokony ‘haharitra mandra-pahatongan’ny fanatrehan’ny Tompo’ isika. (Jakoba 5:7). Raha miaritra amim-paharetana ny zava-dratsy isan-karazany atambesatry ny fiainana eo amin’izao fandehan-javatra izao isika, dia hahazo vokany azo tsapain-tanana. Hitombo ny fitokisantsika an’i Jehovah. Hanana fifandraisana tsaratsara kokoa amin’ny hafa isika ka hisoroka ny fitaran’ireo zava-manahirana tsy ilaina. Mety ho sarotra indraindray ny hananana fahari-po hatrany, kanefa na iza isika na iza, na aiza na aiza misy antsika, na afaka isika na migadra, tojo fanoherana ao an-tokantrano na amin’ny fanompoana kristiana, amin’ny toe-javatra rehetra, ny fiadanana sy firaisan-tsaina entin’ny fahari-po dia hanampy fifaliana sy fahafahampo eo amin’ny fiainantsika (Efesiana 4:2). Ataovy àry izay rehetra azonao atao mba handehanana amin’ny fomba mendrika amin’ny fahari-po.