FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w85 1/12 p. 4-7
  • Afaka miara-mandeha amin’Andriamanitra ianao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Afaka miara-mandeha amin’Andriamanitra ianao
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ahoana no hahitana Ilay tsy hita?
  • Soa inona avy no raisina rehefa miara-mandeha amin’Andriamanitra?
  • Fanampiana mba hanohizana miady
  • Miara-mandeha Amin’Andriamanitra — Ireo Dingana Voalohany
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
  • Hiara-mandeha Amin’Andriamanitra ve Ianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
  • Aoka isika handeha amin’ny finoana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • Aza Mitsahatra Mandeha Amin’ny Lalan’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
w85 1/12 p. 4-7

Afaka miara-mandeha amin’Andriamanitra ianao

“HO tafara-dalana va ny roa, raha tsy efa nifanaiky?” hoy ny fanontanian’ny mpaminany Amosa (Amosa 3:3). Nefa azo atao ve ny “mifanaiky” amin’Andriamanitra mba hiara-mandeha aminy?

Izany tokoa! Tena marina fa mitarika ny fanasana antsika mba ho sakaizany izy. Tsy manery antsika hanao izany izy. Manintona antsika ho aminy amin’ny alalan’ireo toetrany mahatalanjona kosa izy. Raha ny marina, ny zavatra noforonina mihitsy dia manolotra antsika porofo ampy ny amin’ny hatsaram-pon’Andriamanitra. “Fa ny fombany tsy hita, dia ny heriny mandrakizay sy ny mah’Andriamanitra Azy, dia miseho hatramin’ny nanaovana izao tontolo izao, fa fantatra amin’ny zavatra nataony.” (Romana 1:20). Izao koa no nolazain’ny apostoly Paoly ao amin’ny Asan’ny apostoly 14:17: “Tsy namela ny tenany tsy hanana vavolombelona Izy [Andriamanitra]; fa manao soa Izy, mampilatsaka ny ranonorana avy eny amin’ny lanitra ho anareo sady manome taon-jina ka mahavoky ny fonareo amin’ny hanina sy ny fifaliana.”

Nisy àry olona tahaka an’i Enoka sy Noa dodona ny hanaiky ny fanasan’Andriamanitra ho sakaizany. Takatr’izy ireny fa Andriamanitra dia “mendrika handray ny voninahitra sy ny haja”. (Apokalypsy 4:11.) Tamin’izany izy ireo dia namaly ny fanasan’Andriamanitra ary nanatona azy tamim-pinoana. “Raha tsy amin’ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka aminy; fa izay manatona an’Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Izy sady Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy.” (Hebreo 11:6). Araka izany, amin’ny fitadiavana hitana fifandraisana amin’Andriamanitra, dia afaka ‘hifanaiky’ aminy koa ianao. Nanambara toy izao ny mpanao salamo iray: “Sambatra izay fidinao [Andriamanitra] ka ampanatoninao.” — Salamo 65:4.

Koa satria tsy tonga sakaizan’Andriamanitra ny tena raha tsy amin’ny fanekena ireo fepetra takiny, dia ilaina ny hianarana ny Teniny, ny Baiboly, mba hahafantarana hoe inona no “sitrapon’Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no marina”. (Romana 12:2.) “Hataoko ahoana no fahay [ny faminanian’Isaia], raha tsy misy mampianatra ahy?” hoy ny fanontanian’ny lehilahy iray izay nitady an’Andriamanitra tamim-pahatsorana tamin’ny fotoana nanoratana ny Baiboly. Angamba mahatsapa fihetseham-po sahala amin’izany ianao. Nataon’Andriamanitra anefa izay hahatonga mpianatra iray natao hoe Filipo hanatona an’io lehilahy io mba hanazava taminy an’ilay faminaniana (Asan’ny apostoly 8:30-35). Moa ve kely kokoa noho izany ny fiheveran’Andriamanitra ireo izay mitady azy amim-pahatsorana amin’izao andro izao. Ny maha-eo am-pamakiana an’ity gazety mifototra amin’ny Baiboly ity anao fotsiny dia mampiseho ny mifanohitra amin’izany. Tsy ho fahendrena ve ny hamelana ireo izay nanome anao ity gazety ity hanampy anao hahalala tsara kokoa an’Andriamanitra?

Ahoana no hahitana Ilay tsy hita?

Arakaraka ny hampitomboanao ny fahalalanao an’Andriamanitra, dia hanjary hoheverinao ho tena misy kokoa hatrany izy. Ho tsapanao tsy ho ela fa tsy loharanon-kery tsy manana anarana fotsiny akory izy, fa tena Persona manana anarana kosa. Izao no lazain’ny Baiboly ao amin’ny Salamo 83:18: “Aoka ho fantany fa Hianao irery ihany, Izay atao hoe Jehovah, no Ilay Avo Indrindra ambonin’ny tany rehetra.” Amin’ny maha-Persona azy, dia manana toetra Jehovah; misy zavatra tiany ary zavatra hafa tsy tiany; manana fihetseham-po koa izy. — Jereo Eksodosy 34:6, 7; Salamo 78:40.

Manana fotopoto-pitsipika marina koa Andriamanitra. Ohatra, izao no vakintsika ao amin’ny Ohabolana 3:32: “Fahavetavetana eo imason’i Jehovah ny maniasia, fa ao amin’ny marina kosa ny fisakaizany.” Anankiray tamin’ireny “marina” ireny Josefa. Tantarain’ny Baiboly amintsika ny fomba tsy nitsaharan’ny vadin’ny tompony egyptiana, Potifara, nangataka tamin’i Josefa mba hanana firaisana maloto taminy. Nanda anefa izy tamin’ny filazana hoe: “Hataoko ahoana no hanao izany ratsy lehibe izany ka hanota amin’Andriamanitra?” — Genesisy 39:9.

Nino Josefa fa tena nisy tokoa Jehovah. Nanana tahotra mahasoa an’Andriamanitra izy, toy ny hoe tena teo anatrehany tokoa. Nitovy fihetseham-po tamin’ny mpanao salamo izay nanambara toy izao izy: “Ataoko eo anatrehako mandrakariva Jehovah, fa eo an-kavanako Izy, ka tsy hangozohozo aho.” (Salamo 16:8; jereo Ohabolana 3:5, 6). Nanana finoana toy izany i Mosesy. “Naharitra toy ny mahita Izay tsy hita izy.” — Hebreo 11:27.

Mahafaoka fikatsahana fahalalana àry ny fiaraha-mandeha amin’Andriamanitra. Izany dia milaza fanarahana fomba fiaina mifanaraka amin’ny sitrapo sy ny fikasan’Andriamanitra voambara, araka ny nasehon’ny apostoly Paoly tamin’izao teny izao: “Koa amin’izany, na mihinana na misotro hianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr’Andriamanitra izany rehetra izany.” — I Korintiana 10:31.

Soa inona avy no raisina rehefa miara-mandeha amin’Andriamanitra?

Araka ilay boky hoe Ny zava-mahagaga vitan’ny dia an-tongotra (anglisy) nataon’i Sussman sy Goode, “na dia tsy mampiasa firy ny nofo aman-kozatra aza ny fandehanana ary azo lazaina hoe tsy mandany hery firy, dia lazain’ny manam-pahaizana ara-pitsaboana fa mitondra soa mahagaga maro”. Anisan’izany soa izany ny ady amin’ny lanja tafahoatra, torimaso tsara kokoa, tsy fihenjanana sy fisakanana ny aretim-po. Raha marina izany eo amin’ny lafiny ara-batana, dia azo atao ny manantena handray soa kokoa ihany amin’ny fiaraha-mandeha amin’Andriamanitra.

Aza manantena ny hahatsiaro fahataitairana ara-pihetseham-po mafy anefa. Na dia izany aza, amin’ny ‘fanatonana an’Andriamanitra’ amin’ny alalan’ny vavaka sy ny asan’ny finoana, dia hahita “ny fiadanan’Andriamanitra izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra” ianao. (Jakoba 4:8; Filipiana 4:6, 7.) Aoka hotononintsika ny ohatra ny amin’ny vehivavy iray izay voan’ny fahaketrahana foana ka noho izany dia zatra ny nisotro sy nampiasa zavatra mahadomelina. Nitodika tany amin’ny Fiangonana isan-karazany ao anatin’ny fivavahana lazaina fa kristiana koa izy. Avy eo dia nanomboka niara-nianatra ny Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy. Izao no nambarany: “Raha niharihary fa tsy nisy vokany izay rehetra nandramako mba hanamaivanana ahy tamin’ny fahaketrahako, ny fahalalana tsara ny fikasan’i Jehovah dia nanome tena zava-kendrena teo amin’ny fiainako.” Rehefa manomboka miara-mandeha amin’Andriamanitra tokoa ny olona iray, dia tarihina ho eo amin’ny lalana tsy maintsy hitondra soa ho azy eo amin’ny fari-piainana ara-panahy sy ara-piraiketam-po izy. — Jereo Isaia 30:21.

Ny vehivavy nahira-tsaina iray, Abigaila, dia nanipika hafa iray tamin’izany soa izany. Hoy izy tamin’i Davida mpanjaka: “Raha misy olona mitsangana hanenjika anao ka mitady ny ainao, dia hofehezina amin’ny fehin’aina ao amin’i Jehovah Andriamanitra ny fanahin’ny tompoko.” Hevero ange: Rehefa horahonan’ireo fahavalony i Davida, dia ho eo ambany fiarovan’i Jehovah ny ainy, toy ny hoe zava-tsarobidy iray voafono sy voatahiry amim-pitandremana izany. Tsy hoe tsy maintsy milaza akory izany fa hanome fiarovana ara-batana ho an’ireo mpanompony foana Andriamanitra. Fa azo antoka kosa ny hiarovany ny tombontsoa mandrakizain’ireo izay miara-mandeha aminy amin’izao androntsika izao. — I Samoela 25:29; jereo Salamo 116:15.

Mazava ho azy fa tsy milaza akory izany hoe ho voaro amin’ireo zava-manahirana iombonan’ny olona ianao, toy ny hoe voaro amin’ny fanafody ny ain’ny kristiana. Nasain’i Solomona nomarihina fa “ny fotoana sy ny sampona [fisehoan-javatra tsy ampoizina, MN ] dia samy mahazo ny rehetra” (Mpitoriteny 9:11). Ny apostoly Paoly, ohatra, dia nijaly noho ny “tsilo tamin’ny nofo”, angamba kilema ara-batana (II Korintiana 12:7; Galatiana 4:13-15). Timoty namany koa dia nanana ‘fahosaosana matetika’. (I Timoty 5:23.) Toy izany koa, ny kristiana amin’izao andro izao dia manana ny anjara fahoriany ary kivy sy ketraka indraindray.

Afa-tsy izany koa, dia avelan’i Jehovah hisy indraindray ny fitsapana vetivety mba hanadiovana antsika, toy ny rehefa nekeny ny hanaovana an-tranomaizina an’i Josefa (Salamo 105:17-19). Ny sasany angamba hiharan’ny fahafatesana alohan’ny fotoana eo an-tanan’ireo mpanenjika mahery setra, toy ny hita tamin’i Stefana (Asan’ny apostoly 7:57-60). Tsy tokony hahatsiaro ho nafoy mihitsy anefa ireo sakaizan’Andriamanitra (jereo II Korintiana 4:8, 9). “Fa Andriamanitra tsy mba tsy marina hanadino ny asanareo sy ny fitiavana izay nasehonareo ho voninahitry ny anarany.” (Hebreo 6:10). Ny vehivavy kristiana iray izay notohanan’i Jehovah nandritra ny taona maro nanaovana an-tranomaizina tsy ara-drariny azy dia nilaza toy izao: “Miaiky mafy aho fa tsy misy na dia iray aza amin’ireo izay maharitra amin-jotom-po amin’ny asan’i Jehovah ka ho diso fanantenana. Tamin’ny foko rehetra no nametrahako ny fitokisako tamin’i Jehovah sy tamin’izao fampanantenana nomeny antsika izao: ‘Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory.’ ” — Hebreo 13:5.

Fanampiana mba hanohizana miady

Tsy mora akory ny manohy mitondra tena amim-pahatokiana. Satana sy ireo miaramilany ara-panahy ratsy dia mitady hamandrika antsika (Efesiana 6:12). Ao koa ny fandehan-javatra ratsy ankehitriny sy ny fanintonany mamitaka. Tamin’ny taonjato voalohany, ny kristiana iray natao hoe Demasy dia nanaiky ho voatarik’izany “satria tia izao fiainana izao”. (II Timoty 4:10.) Farany, ny nofontsika tsy tanteraka dia mirona ho amin’ny ratsy (Romana 7:21-23). Raha tiantsika ny hanohy hiara-handeha amin’Andriamanitra, dia tokony hiady mandrakariva amin’ireny fitaomana ireny isika.

Nanomana fiasana mahery telo anefa Andriamanitra mba hanampiana antsika: 1) Ny Teniny, ny Baiboly, izay mpitari-dalana ilaintsika (Salamo 119:105). 2) Ny fandaminany hita maso, ny kongregasiona kristiana izay mikarakara ny fandaharana ny sakafo ara-panahy omanin’Andriamanitra (Matio 24:45-47; Efesiana 4:11-16). Ny Fikambanana Watch Tower izay manonta an’ity gazety ity, dia mifamatotra akaiky amin’io fandaminana io. 3) Ny fanahiny masina, izay mety ho azontsika amin’ny alalan’ny vavaka, amin’ny alalan’ny Soratra masina sy amin’ny fifaneraserana amin’ny olon’Andriamanitra. Hanao fahadisoana lehibe isika raha manao tsirambina ny anankiray amin’ireo fandaharana ireo. Mananatra antsika i Mika mpaminany mba ‘hanaraka an’Andriamanitsika amim-panetren-tena’. (Mika 6:8.) Izany dia mahafaoka fiaikena ny fetran’ny herintsika ka hiantehitra tanteraka amin’Andriamanitra.

Raha ny marina, rehefa miara-mandeha amin’Andriamanitra ny tena dia somary toy ny rehefa miara-mandeha amin-drainy ao anatin’ny tafiodrivotra mahery ny zanakavavy kely iray. Raha tsy manaiky hotantanany izy na manapa-kevitra ny hanaraka ny lalan’ny tenany ihany, tsy ho ela dia ho very izy. Nefa raha mifikitra mafy izy dia hiara-handeha amin-drainy tsy hanana ahiahy sy amim-pitokisana tanteraka. Isika koa dia tokony hiahy ny amin’ny hanekena ny fitarihana omen’Andriamanitra antsika amin’ny alalan’ny Teniny sy ny fandaminany. Tsy maintsy hitarika antsika ho amin’ny fahaverezana ny tsy fiankinana. Nefa kosa, raha miara-mandeha amin’Andriamanitra amim-panetren-tena isika, dia hitarika antsika tsy hanana ahiahy tanteraka izy, eo am-pamakivakiana ny tafiodrivotra ho avy, dia Hara-Magedona, ka ho azontsika atao ny hiaina ao anatin’ny fandaharan-javatra vaovao nampanantenaina izay hahatonga ny fahafatesana sy ny fahoriana ho anisan’ny zavatra efa lasa (Apokalypsy 16:16; 21:3, 4; II Petera 3:13). Hekenao àry ve ny fanasana amim-pahamoram-panahy ataon’Andriamanitra mba hiaraha-mandeha aminy?

[Sary, pejy 6]

Ny Tenin’Andriamanitra, ny fanahiny sy ny fandaminany dia afaka manampy antsika hanohy hiara-mandeha amin’Andriamanitra amim-pahatokiana.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara