FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w85 1/12 p. 16-21
  • Misetra ny zava-tsarotra ireo minisitr’ilay Fanjakana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Misetra ny zava-tsarotra ireo minisitr’ilay Fanjakana
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ilaina maika dia maika ny hisian’ny minisitr’Andriamanitra
  • Aoka isika hampiseho fa minisitra mahay ny tenantsika
  • Nolavina Jesosy
  • “Ampianarin’i Jehovah”
  • Ahoana no holazainao
  • Mampiseho ny fahamendrehany ireo minisitr’Andriamanitra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • Iza moa ankehitriny ireo minisitr’Andriamanitra?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Iza no Mpanompon’Andriamanitra Ankehitriny?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2000
  • Minisitra daholo ve ny kristiana marina rehetra?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
w85 1/12 p. 16-21

Misetra ny zava-tsarotra ireo minisitr’ilay Fanjakana

“Koa inona moa Apolosy, ary inona moa Paoly? Mpanompo ihany izay nahatonga anareo ho mpino ireo.” — I KORINTIANA 3:5.

1. a) Amin’ny lafiny ara-pivavahana, inona no lavina amin’izao andro izao, ary nahoana? b) Empira inona no rahonana, ary inona no hitranga aminy?

LAVINA amin’izao andro izao ny fahefan’ireo minisitra ara-pivavahana, ary mihamatetika kokoa hatrany izany satria ireo mpitondra ara-politika eo amin’izao tontolo izao ankehitriny dia mamely ny fivavahana, indrindra fa ny fivavahana lazaina fa “kristiana” amin’ny filazana azy ho mpisandoka. Na dia ireo mpianatra nahazo ny diplaomany tany amin’ny seminera ara-pivavahana aza dia mahita fa lavina ny maha-minisitra mahazo lalana ara-dalàna azy ary rarana ny asany any amin’ireo firenena manana fitondrana ara-politika mifanohitra amin’ny fivavahana. Eny, tafihina ny empiran’ny fivavahan-diso maneran-tany, ary rahonana ny hatao toy izany amin’ny ambaratonga maneran-tany izy, ka hiafara amin’ny fandravana azy izany. Ny Mpamorona ny fanompoam-pivavahana marina mihitsy anefa no nanambara izany tarehin-javatra izany sy ny ho fiafarany, ary noferany ny fotoana hahatanterahan’ny fanambarany ara-paminaniana. Hisy vokany tsara ho an’ny zavaboary velona rehetra anefa izany fisehoan-javatra hampitolagaga izany.

2. Eo amin’ny lafiny ara-pivavahana, inona no hanjavona ary inona no haharitra?

2 Tsy hanapaka ela be ny tany anefa ny tsy fitiavana fivavahana. Haharitra mandrakizay kosa anefa ny Mpamorona izao rehetra izao, izay ho nanamarina ny tenany tamin’izany. Ary ny fivavahana marina, ilay manandratra an’io Andriamanitra Avo Indrindra sy tsy mety maty io, dia haharitra koa. Noho izany antony izany, na dia misy olona an-davitrisany maro mandà ny zavatra hita miharihary aza, ireo mpanaraka ny fanompoam-pivavahana madio amin’Andriamanitra dia efa tena velona sy miasa manerana ny tany. Marina tanteraka ankehitriny izao fanambarana nisy hatramin’ny taonjato maromaro izao: “Fa ny fombany tsy hita, dia ny heriny mandrakizay sy ny mah’Andriamanitra Azy, dia miseho hatramin’ny nanaovana izao tontolo izao, fa fantatra amin’ny zavatra nataony; ka dia tsy manan-kalahatra ireo.” — Romana 1:20.

3, 4. a) Ahoana no azo anaporofoana fa manana minisitra eto an-tany Jehovah? b) Ahoana no ahafantarantsika fa tsy ho ela dia tsy hanana asa ireo minisitra ara-pivavahana ao amin’i Babylona Lehibe?

3 Fony nosoratana ireo teny ireo tamin’ny taonjato voalohany, dia nanana minisitra teto an-tany Jehovah Andriamanitra. Koa afaka nanoratra toy izao ny apostoly Paoly: “Koa inona moa Apolosy, ary inona moa Paoly? Mpanompo [minisitra, MN ] ihany izay nahatonga anareo ho mpino ireo, dia samy araka ny nomen’ny Tompo azy avy. Izaho namboly, Apolosy nandena, fa Andriamanitra no nampitombo.” — I Korintiana 3:5-9.

4 Amin’izao andro izao koa Jehovah dia tokony hanana minisitra eto an-tany. Izany anefa akory tsy minisitra ara-pivavahana ao amin’i Babylona Lehibe, empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso. Raha ny marina, tsy ho ela dia tsy hanana asa ireo rehefa hofoanana Babylona Lehibe, dia fandravana ambaran’ny Apokalypsy 16:19 amin’izao teny izao: “Ary ny tanàna lehibe dia vaky ho telo toko, ary rava ny tanànan’ny firenena maro; ary Babylona lehibe dia notsarovana teo anatrehan’Andriamanitra, mba homena azy ny kapoaky ny divain’ny firehetan’ny fahatezerany.”

5. Inona no nitranga tany Babylona tamin’ny 539 alohan’ny fanisan-taona iraisana, ary inona no hanjo ireo minisitra ara-pivavahana sy izay rehetra hifikitra hatrany amin’i Babylona Lehibe?

5 Inona amin’izay no hiafaran’ireo olona izay ho nifikitra mafy hatrany tamin’ireo fandaharana ara-pivavahana iasan’ireo minisitra manao raharahan’i Babylona Lehibe? Jereo izay nitranga tamin’ny 539 alohan’ny fanisan-taona iraisana tamin’ilay alina nideran’i Belsazara sy ireo andriana nasainy ho amin’ny fanasana lehibe iray ireo andriamanitra babyloniana, ka nihaika tamin’izany ny Mediana sy ny Persiana izay nanao fahirano ny tanàna. Nahazo fampiomanana aloha ireo mpanatrika fanasana falifaly rehefa nahita soratra niseho tamin’ny fomba mahagaga teo amin’ny rindrin’ilay efitrano nanaovana fanasana ka nandre ny dikany nolazain’i Daniela mpaminanin’i Jehovah. Avy eo, tamin’io alina io ihany, rehefa nianjera Babylona, ny mpanjaka ary azo inoana fa ireo nasaina hafa koa izay nidera ireo andriamanitra sandoka dia novonoin’ireo mpanafika nandresy (Daniela toko faha-5). Misy loza karazan’izany miandry ireo minisitra ara-pivavahana sy ireo izay mifikitra hatrany amin’ireo fandaminana ara-pivavahan’i Babylona Lehibe.

Ilaina maika dia maika ny hisian’ny minisitr’Andriamanitra

6. a) Amin’izao vanim-potoana fanapahan-javatra izao, inona no tsy maintsy nomanin’Andriamanitra ho an’ny taranak’olombelona? b) Oviana no tapitra ny andron’ny Jentilisa, ary inona no nolazain’i Jesosy ny amin’izany?

6 Tsy misy mihitsy olona afaka mandà ara-drariny fa ankehitriny isika dia miaina ao anatin’ny vanim-potoana fanapahan-javatra indrindra amin’ny tantaran’olombelona rehetra hatramin’ny safodrano tamin’ny andron’i Noa (II Timoty 3:1-5). Iankinan’ny aina àry ny hisian’ny tena minisitr’ilay Andriamanitr’i Noa. Toy ny nampiomanan’i Jehovah ireo niara-belona tamin’i Noa sy ireo mpandray anjara tamin’ny fanasan’i Belsazara, dia toy izany koa fa azo antoka ny tsy maintsy ho nanomanany ny hisian’ny hafatra mandodona homena ny taranak’olombelona nanomboka tamin’ny 1914, taona nipoahan’ny Ady Lehibe Voalohany. Raha ny marina, tao anatin’ireo efapolo taona nialoha izany, dia nambaran’ireo mpanompon’Andriamanitra ampahibemaso sy tamin’ny ambaratonga lehibe fa io taona io dia hanamarika ny fahataperan’ny andron’ny Jentilisa, dia vanim-potoana nasian’i Jesosy fitenenana hoe: “Jerosalema hohitsahin’ny Jentilisa mandra-pahatanteraky ny andron’ny Jentilisa.” — Lioka 21:24.

7. a) Mandra-pahoviana moa ilay Jerosalema teto an-tany no nohitsahin’ireo firenena tsy jiosy? b) Inona moa rehefa dinihina no noeritreretin’i Jesosy rehefa nilaza izy fa “hohitsahin’ny Jentilisa” Jerosalema?

7 Taorian’ny 1914, dia mbola nohitsahin’ireo firenena tsy jiosy ihany ny tanànan’i Jerosalema teto an-tany nandritra ny 53 taona, izany hoe hatreo amin’ny ady naharitra enina andro tamin’ny 1967. Miharihary anefa fa rehefa dinihina, Jesosy dia tsy nieritreritra an’ilay Jerosalema jiosy amin’izao andro izao, fa izay nasehon’io tanàna io kosa hatreo amin’ny 607 alohan’ny fanisan-taona iraisana. Nampiseho inona àry izy io? Ny Fanjakan’i Jehovah Andriamanitra izay ny mitondra azy dia ilay Mpanjaka nohosorany ka anisan’ny ankohonan’i Davida mpanjaka. — Lioka 1:32; I Tantara 29:11.

8. Iza moa no homen’i Jehovah ny fanjakan’i Davida, ary nahoana ny olombelona no tsy ho afaka hahita ny fandraisan’io mpanjaka io ny fiandrianana?

8 Jesosy Kristy no ilay homen’i Jehovah ny fanjakan’i Davida razambeny. Raha niseho teo anatrehan’i Pilato i Jesosy dia nanambara fa ny Fanjakany tsy avy amin’izao tontolo izao, ka ny tiany holazaina tamin’izany dia hoe tany an-danitra izy io (Jaona 18:36). Tamin’ny fahataperan’ny andron’ny Jentilisa, ny fanendrena an’i Jesosy ho ao amin’io Fanjakana io dia araka ny fandrindran-kevitra raha hitranga tany an-danitra tsy hita maso, noho izany dia tamin’ny fomba tsy hitan’ny mason’ny olombelona. Noho izany antony izany, na ireo firenena jentilisa na ny tenantsika dia tsy nahita tamin’ny 1914 ny fanendrena an’i Jesosy ho ao amin’ny Fanjakany izay zony ny hananana azy ka nomen’Andriamanitra azy tamin’io taona io. Na dia nambaran’ny olon’i Jehovah hatramin’ireo taona 1870 aza ilay fisehoan-javatra, dia tsy azo lavina fa tsy ninoan’ireny firenena ireny fa tena nitranga tokoa izany.

9. a) Inona moa no nataon’ireo firenena ka nampiseho tamin’izany fa tsy noraharahainy ny hafatra momba ilay Fanjakana? b) Rehefa heverina izay nataon’ireo firenena tamin’ny 1914, inona no nanjary nilaina?

9 Tsy nihevitra ny hafatra momba ilay Fanjakana tokoa ireo firenena fa nilatsaka hiady tamin’ny fararanon’ny 1914. Araka ny nambara ao amin’ny Salamo 2:1-12, izy ireny dia niharihary ho fahavalon’i Jesosy tamin’ny tsy fetezana ‘hanoroka’ ho mariky ny fanekena, ilay Mpanjaka vao nandray fiandrianana. Nanjary nilaina àry ny hahatanterahan’ny Salamo 110:1, 2, izay amakiantsika toy izao: “Izao no lazain’i Jehovah amin’ny Tompoko: Mipetraha eo an-tànako ankavanana ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao. Ny tehin’ny herinao havoak’i Jehovah avy ao Ziona; manapaha eo amin’ny fahavalonao Hianao.”

10. a) Tao anatin’ny toe-piainana nanao ahoana moa Jesosy no nanomboka nanjaka tamin’ny 1914? b) Iza moa no solontenan’i Jehovah amin’izao taonjato faharoapolo izao?

10 Rehefa nipetraka teo ankavanan’Andriamanitra i Jesosy mba hiandry ny fotoana voatendry izay hanombohany hanjaka eo afovoan’ireo fahavalony, ireo fahavalony jiosy dia naneho ny fankahalany an’ireo apostoliny (Asan’ny apostoly 4:24-26). Toy izany koa fa teo afovoan’ireo fahavalony Jesosy Kristy nomem-boninahitra no nanomboka nanjaka tamin’ny 1914, tamin’ny fahataperan’ny andron’ny jentilisa. Araka izany àry, amin’izao taonjato faharoapolo izao toy ny tamin’ny lasa, dia teo afovoan’ny fahavalo Jehovah no nanana mpitondra hafatra, ireo tena minisitr’ilay Fanjakana, ireo vavolombelony. — Isaia 43:10-12.

Aoka isika hampiseho fa minisitra mahay ny tenantsika

11. Iza no mandà fa ny Vavolombelon’i Jehovah dia minisitr’ilay Fanjakana eken’Andriamanitra?

11 Ireo tena minisitr’ilay Fanjakana voatokan’Andriamanitra dia tsy maintsy niaro ny zony hanao ny fanompoany. Marina izany amin’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao taonjato faharoapolo izao. Ny maha-minisitr’Andriamanitra voatokana ara-dalàna azy dia nolavina, nohantsina. Avy amin’iza izany? Avy amin’ireo anisan’ny klerjy indrindra izay nanao fianarana tany amin’ny seminera na ny sekoly momba ny teolojia hafa, dia nahazo diplaoma mandidy azy ireo ho minisitra ka amin’izany dia tonga mpitondra fivavahana mandray karama. Mihevitra izy ireny fa manana ny fahalalana takina sy ny fahaizana tadiavina mba ho minisitra mpanao raharahan’ilay Andriamanitry ny Baiboly ihany.

12. Kristiana nalaza tamin’ny taonjato voalohany iza no tsy nekena ho minisitr’Andriamanitra, ary ahoana no tsy maintsy niheverana izay rehetra nanambara vaovao tsara hafa?

12 Sahala amin’ny tamin’ny taonjato voalohany ny tarehin-javatra. Tany amin’ny provansa roman’i Galatia, na dia ny mpanoratra ara-tsindrimandrin’Andriamanitra ny antsasaky ny Soratra grika kristiana eo ho eo aza dia nahita fa nolavina ny naha-apostolin’i Jesosy Kristy azy, tamin’ny heviny hoe ny sasany dia nanda ny fahamarinan’izay nampianariny ho ny kristianisma. Voatery niteny toy izao tamin’ny Galatiana izy: “Gaga aho, raha mifindra faingana toy izao hianareo hiala amin’Izay efa niantso anareo tamin’ny fahasoavan’i Kristy ho amin’ny filazantsara hafa, izay tsy filazantsara akory, fa saingy misy ny sasany mampitabataba anareo ka ta-hamadika ny filazantsaran’i Kristy. Fa na izahay, na anjely avy any an-danitra aza, no mitory filazantsara hafa aminareo afa-tsy izay efa notorinay taminareo, aoka ho voaozona izy. Araka ny voalazanay fahiny no lazaiko indray ankehitriny: Raha misy olona mitory filazantsara hafa aminareo, afa-tsy izay efa noraisinareo, aoka ho voaozona izy. — Galatiana 1:6-9.

13. Nahoana moa ny Galatiana no tsy tokony ho nanda ny maha-minisitr’Andriamanitra an’i Paoly?

13 Marina fa io mpanoratra io, ny apostoly Paoly, dia tsy naharay fampianarana kristiana nivantana avy tamin’i Jesosy Kristy na ireo apostoliny 12. Taty aoriana anefa i Paoly dia nandany fotoana sasany niarahana tamin’ny apostoly Petera, na Kefasy (Jaona 1:42; Galatiana 1:18, 19). Nefa mba hiarovan-tena sy hampisehoana fa mpitory ny vaovao tsara avy tamin’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Kristy ampy fahaizana ny tenany, dia afaka nilaza toy izao tamin’ireo kristiana galatiana niovaova i Paoly: “Ary nony fantatr’i Jakoba sy Kefasy ary Jaona, izay natao ho andry, ny fahasoavana nomena ahy, dia notolorany ny tànana ankavanan’ny fihavanana izaho sy Barnabasy, mba hankany amin’ny jentilisa izahay, fa izy kosa ho any amin’ny voafora.” (Galatiana 2:9). Nety ho nanontany tena toy izao àry ireny Galatiana ireny: Raha neken’i Petera sy Jakoba ary Jaona, apostolin’i Jesosy fa mpitondra ny tena vaovao tsara i Paoly, inona no antony tokony handavantsika ny hafatra entiny ka hialantsika amin’izany?

14. Nahoana moa no tsy mahagaga raha lavina ny maha-minisitra ny Vavolombelon’i Jehovah?

14 Fa ahoana ny amin’ireo mpanompon’i Jehovah amin’izao andro izao? Raha tsy maintsy niaro sy nampiseho ny naha-minisitr’Andriamanitra sy Kristy azy ny lehilahy iray sahala amin’i Paoly, nahoana no ho gaga raha toa ny fihetsitsika izay Vavolombelona nanolo-tena ho an’i Jehovah sy vita batisa ka lavina ary tsy maintsy miaro ny maha-minisitr’ilay Fanjakana antsika isika? Araka ny hita tamin’i Paoly, dia tsy manaporofo na inona na inona izany karazam-pandavana tsy marim-pototra izany.

Nolavina Jesosy

15. Olona iza, ambony noho ireo apostoly, koa moa no tsy nekena ho mpampianatra, nefa iza no nekeny fa nahazoana izany fahaizana izany?

15 Na dia Jesosy Kristy Tompo aza dia nolavin’ny iray firenena taminy izay tsy nety nihevitra azy ho minisitr’Andriamanitra nomen-dalana ara-dalàna. Izao no vakintsika, ohatra: “Ary rehefa nisasaka ny andro firavoravoana [fitoerana amin’ny Trano rantsan-kazo], dia niakatra teo an-kianjan’ny tempoly Jesosy ka nampianatra. Dia gaga ny Jiosy ka nanao hoe: Ahoana no nahaizan’ilehity soratra, nefa tsy mba nianatra Izy?” Tsy nandositra ny fanoherana i Jesosy fa nanatrika izany. Izao no fanazavana nomeny: “Tsy Ahy ny fampianarako, fa an’Izay naniraka Ahy. Raha misy olona ta-hanao ny sitrapony, dia hahalala ny amin’ny fampianarana izy, na avy amin’Andriamanitra izany, na miteny ho Ahy Aho. Izay miteny ho azy dia mitady ny voninahitry ny tenany; fa izay mitady ny voninahitr’Izay naniraka azy no marina, ary tsy misy tsi-fahamarinana ao aminy.” — Jaona 7:14-18.

16. Nahoana moa ireo filoha ara-pivavahana ao amin’ny jodaisma no nino fa nanana antony tsara tokony handavana ny maha-mpampianatra an’i Jesosy izy?

16 Ireo filoha ara-pivavahana tao amin’ny jodaisma dia tsy nihevitra an’i Jesosy Kristy afa-tsy ho Galiliana tsotra izao. Mazava ho azy fa tsy nihevitra izy ireo fa tsy nahita fianarana izy noho izy tsy nianatra tany an-tsekoly fotsiny, indrindra fa tao amin’ny sekoly iray karazan’ny seminera. Moa ve Jesosy tsy efa nanaporofo fa hainy ny namaky ny Soratra hebreo (Lioka 4:16-21)? Ireny Jiosy avy any Jodia sy Jerosalema ireny dia tsy nanaiky an’i Jesosy satria tsy teolojiana io mpandrafitra taloha io ka noho izany dia tsy azo noraisina ho anisan’ireo mpanora-dalàna, Fariseo na Sadoseo tao amin’ny fireneny. Ahoana àry no nahafahan’i Jesosy nilaza fa nahalala ny hevitry ny Soratra hebreo sy ny fampiharana azy ka niteny tamim-pahefana toy izany? Izany no antony nihariharian’ireny Jiosy ireny ho marenina ara-panahy loatra ka tsy nanaiky ny feon’ny fahamarinan’Andriamanitra. Nieboebo loatra izy ireo ka tsy afaka nanaiky izay nolazain’ny lehilahy iray tsy nahazo diplaoma avy amin’ny sekoly fianarana teolojia iray.

“Ampianarin’i Jehovah”

17. Araka ny hita tamin’i Jesosy Kristy, Mpampianatra iza no hadinon’ireo filoha ara-pivavahana, ary karazana mpianatra nanao ahoana moa ny tenan’i Jesosy?

17 Hadinon’ireny Jiosy hendry araka an’izao tontolo izao ireny Izay nampianatra an’i Jesosy Kristy raha ny marina. Matoa mpampianatra nahay i Jesosy, dia avy tamin’i Jehovah Andriamanitra, ilay “lehibe indrindra amin’ny mpampianatra rehetra”, no nahazoany izany. (Joba 36:22, Today’s English Version.) Raha niresaka an’Andriamanitra ho toy ny mpampianatra i Jesosy, dia izao no nambarany: “Rehefa asandratrareo ny Zanak’olona, dia ho fantatrareo fa Izaho no Izy, ary tsy manao na inona na inona ho Ahy Aho, fa araka ny nampianarin’ny Raiko Ahy no ilazako izany zavatra izany.” (Jaona 8:28). Jesosy àry dia niharihary ho ny mpianatra tsara indrindran’ny sekolin’ilay Mpampianatra lehibe indrindra eo amin’izao rehetra izao. Izany rehetra izany dia voninahitr’Ilay nampianatra azy. Amin’izany, dia tsy mahagaga ny nilazan’ny mponina tany Nazareta toy izao ny amin’i Jesosy izay niaina tao amin’io tanàna io hoe: “Avy taiza re no nahazoan’Ilehity izany fahendrena sy asa lehibe izany?” — Matio 13:54.

18. a) Maniry hanana karazana mpampianatra manao ahoana isika? b) Inona no nolazain’i Jesosy ny amin’ilay Mpampianatra lehibe indrindra sy ireo izay hampianariny?

18 Mba hahazoana ny hevitry ny Baiboly, dia irintsika ny hanana ny mpampianatra tsara indrindra ary mila izany isika. Izany Mpampianatra izany anefa no nanome ara-tsindrimandry an’io boky tsy manam-paharoa io. Raha niteny tamin’ireo izay anisan’ny fandaminan’io Mpampianatra io teto an-tany sy hita maso tamin’ny fotoana naha-tetỳ an-tany ny tenany i Jesosy, dia izao no nolazainy: “Tsy misy olona mahay manatona Ahy, raha tsy taomin’ny Ray Izay naniraka Ahy; ary Izaho hanangana azy amin’ny andro farany. Voasoratra ao amin’ny mpaminany hoe: ‘Ary izy rehetra dia hampianarin’Andriamanitra’. Izay rehetra mandre ka mianatra amin’ny Ray no manatona Ahy.” (Jaona 6:44, 45). Notononin’i Jesosy ny Isaia 54:13, izay amakiantsika toy izao: “Ary ny zanakao rehetra dia ho samy efa nampianarin’i Jehovah, ka dia ho be ny fiadanan’ny zanakao.”

19. Ny ‘zanak’iza’ moa no hampianarin’i Jehovah?

19 Mipetraka anefa izao fanontaniana manaraka izao: Ho ‘zanak’iza’ ireny olona ‘ampianarin’i Jehovah’ ireny? Io fampanantenana ara-paminaniana io dia natao tamin’ny “vehivavy” ara-panoharana iray izay ho tonga renin’ny “zanaka” sasany. Natao ho an’io “vehivavy” io izao teny manaraka izao voasoratra ao amin’ny Isaia 54:1: “Mihobia, ry momba [vehivavy momba, MN ], hianao izay tsy niteraka, eny, velomy ny hoby, ka manandrata feo, hianao izay tsy mba nihetsi-jaza; fa ny zanaky ny mpitondra tena dia maro noho ny zanaky ny manambady, hoy Jehovah.”

20. Araka ny II Korintiana 13:5, tokony hanohy hanao inona ireo kristiana nanolo-tena ho an’Andriamanitra, ary inona no ho vokatr’izany amin’ny maha-minisitr’ilay Fanjakana azy ireo?

20 Koa satria Jehovah no miteny amin’io “vehivavy” io ary tokony ho Mpampianatra ny ‘zanak’io’ izy, dia tsy maintsy Vadiny amin’ny heviny ara-panoharana izy. Fa raha ny amin’io “vehivavy” io kosa, dia tokony ho ny fandaminan’Andriamanitra any an-danitra izy io. Ireo ‘zanany’ dia mpianatr’ilay “lehibe indrindra amin’ny mpampianatra rehetra”. Miharihary fa tena ilain’ireny ‘zanaka’ ireny, dia ireo mpianatr’i Jesosy voahosotra mbamin’ireo namany, ny anisan’ny “olona betsaka”, ny hampiharana mandrakariva izay ampianarin’i Jehovah azy ireny (Apokalypsy 7:9). Tsy isalasalana mihitsy fa izany dia fomba fanarahana izao fananaran’i Paoly izao: “Diniho ny tenanareo, na mitoetra amin’ny finoana hianareo, na tsia; izahao toetra ny tenanareo.” (II Korintiana 13:5). Raha toa ireo kristiana nanolo-tena ho an’Andriamanitra sy natao batisa ka manohy manao toy izany ary mitoetra ho mpianatr’ilay Mpampianatra lehibe indrindra mitandrina tsara, dia azo antoka fa manana ireo fahaizana ilaina mba ho minisitr’ilay Fanjakana eken’i Jehovah izy. Ho hitantsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka ny fomba ampisehoan’ireo minisitr’Andriamanitra fa tena ampy fahaizana ho amin’izany tokoa izy ireo.

Ahoana no holazainao

◻ Ahoana no hanaporofoanao fa manana minisitra eto an-tany Jehovah?

◻ Nampiseho inona moa ilay Jerosalema ‘nohitsahin’ny jentilisa’?

◻ Noho ireo firenena tsy niraharaha ilay Fanjakana, inona no tsy maintsy nataon’i Jesosy?

◻ Nahoana moa no tsy mahagaga raha lavina ny maha-minisitra ny Vavolombelon’i Jehovah?

◻ Inona moa no nohadinoin’ireo filoha ara-pivavahana jiosy izay nanda ny maha-mpampianatra an’i Jesosy?

[Sary, pejy 17]

Toy ny nampiasany an’i Daniela mba hampiomana ireo mpandray anjara tamin’ny fanasana nataon’i Belsazara, dia toy izany koa fa amin’izao andro izao Jehovah dia manana minisitra izay manambara hafatra mandodona amin’ny olona.

[Sary, pejy 19]

Niavonavona loatra ireo filoha ara-pivavahana ka tsy afaka nanaiky an’i Jesosy ho minisitr’Andriamanitra.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara