FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w86 1/1 p. 31
  • Fanontanian’ny mpamaky

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanontanian’ny mpamaky
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Mitovitovy Aminy
  • Fanontanian’ny Mpamaky
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
  • Nandresy i Samsona Noho ny Herin’i Jehovah!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
  • Miantehera Amin’i Jehovah, Hoatran’i Samsona
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2023
  • Samsona
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
w86 1/1 p. 31

Fanontanian’ny mpamaky

◼ Lazain’ny Baiboly fa i Samsona dia nanasamatsamaka roa ny liona iray “hoatra ny fanasamaka zanak’osy”. Tokony horaisina avy amin’izany va fa fanao tamin’izany fotoana izany ny manasamatsamaka zanak’osy toy izany?

Tsia, azo inoana fa fanoharana fotsiny ireo teny ireo. Ny dikany dia hoe nahafaty moramora liona tamin’ny tanana fotsiny i Samsona, toy ny hoe zanak’osy tsy nanam-piarovana ilay izy.

Samsona izay mpitsara teo amin’ny Isiraely tamin’izany fotoana izany, dia nidina tany Timna mba hitady izay “hiadiany tamin’ny Filistina”. Teny an-dalana izy dia tonga teo anoloan’ny liona tanora sy natanjaka nierona iray izay namely azy angamba. Lazain’ny filazana ara-tantara amintsika fa tonga tamin’i Samsona tamin’izay ny hery miasan’Andriamanitra, hany ka ‘nosamatsamahiny [roa, MN ] hoatra ny fanasamaka zanak’osy ilay liona tanora, nefa tsy nisy na inona na inona teny an-tànany’. — Mpitsara 14:4-6.

Nisy olona roa hafa koa voalazan’ny Baiboly fa namono liona, nefa i Samsona ihany no nanao izany tamin’ny tanana fotsiny (I Samoela 17:36; II Samoela 23:20). Ambonin’izany, dia “nosamatsamahiny roa ilay izy”. Raha toa ny tiana holazaina amin’izany dia hoe nosamahiny ny valanorano matanjaky ny liona iray, dia azo atao ny mieritreritra fa ampy fahatanjahana ny Isiraelita sasany mba hanaovana toy izany tamin’ny zanak’osy. Tsy misy na inona na inona mahatonga antsika ho afaka hilaza anefa fa nanao zavatra toy izany izy ireo ary tsy hitantsika mihitsy izay antony tokony ho nanandramany nanao toy izany. Nefa kosa, raha nanasamaka ilay liona na tamin’ny fomba ahoana na tamin’ny fomba ahoana i Samsona, dia vao mainka tsy azo inoana kokoa fa ny firesahana ny amin’ny zanak’osy dia zavatra hafa ankoatra ny fanoharana. Ny hevitra lehibe dia ny hoe ny fanahin’Andriamanitra dia nanome an’i Samsona hery ara-batana niavaka. Noho io hery io, ny liona mahery sy masiaka iray dia tsy naharaiki-tahotra an’i Samsona tsy nanam-piadiana akory, toy ny tsy naha-toy izany ny zanak’osy tsy nanam-piarovana ho an’ny olona tsotra iray.

Taty aoriana, ny fatin’ny liona iray dia fototry ny ankamantatra iray izay taorian’izany no nanomezan’Andriamanitra indray hery nahatalanjona ho an’i Samsona izay, tamin’io indray mandeha io, dia nahafaty fahavalo telopolo. — Mpitsara 14:8-19.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara