FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w86 1/3 p. 19
  • Ny fitiavana, “fatorana mampiray tanteraka”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny fitiavana, “fatorana mampiray tanteraka”
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Mitovitovy Aminy
  • Mankafy Firaisan-tsaina Sarobidy ny Fianakavian’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
  • Mampiavaka ny Fivavahana Marina ny Firaisan-tsaina
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
  • Manome Voninahitra an’Andriamanitra ny Firaisan-tsaina Kristianina
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
  • Hazony ny Firaisan-tsaina Amin’izao Andro Farany Izao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
w86 1/3 p. 19

Mitantara ireo mpitory ilay Fanjakana

Ny fitiavana, “fatorana mampiray tanteraka”

NY FITIAVANA eo amin’ny samy kristiana dia “fatorana mampiray tanteraka” ary, rehefa miasa izany, dia miteraka firahalahiana maneran-tany (Kolosiana 3:14). Izany “fatorana mampiray tanteraka” izany no asehon’ireo rahalahintsika atsy Afrika amin’ny fanehoana fitiavana amin’izy samy izy sy amin’i Jehovah, Ilay manome ny aina sy loharanon’izany. — Salamo 36:9; Asan’ny apostoly 17:28.

◻ Noho ny fahamainana namely nandritra ny telo taona tany Zimbabwe, dia faritra maro no tao anatin’ny tarehin-javatra sarotra. Mazava ho azy fa tsy voatsimbina akory ireo Vavolombelona monina ao amin’ireo faritany ireo. Namaly tamin’ny fomba nahatalanjona ny antso vonjy nataon’izy ireo anefa ireo rahalahiny. Marina tokoa fa nalala-tanana aoka izany izy ireo, hany ka nilaina ny hiangaviana azy mba tsy hanome fitafiana intsony raha tsy misy baiko hafa indray. Noho izany fanampiana izany sy ny an’ny fitondram-panjakana, ny ankamaroan’ireo rahalahintsika dia nahazo ny fanampiana nilainy. “Mikarakara an’ireo mbola sahirana koa izahay”, hoy ny fitantaran’ny sampana ao amin’io tany io.

Tsy takona afenina akory izany fanampiana voamariky ny fitiavana avy amin’ireo rahalahintsika izany. Izao no nolazain’ny lehilahy tsy mpino iray tamin’ny vadiny izay Vavolombelona: “Raha manaisotra amin’ny hafa izay ananany ny olona, ianareo [Vavolombelona] kosa manome azy ireny sakafo sy fitafiana.” Maro be hafa no naneho koa ny fankasitrahany.

Ny fitiavana ifanehoan’ny Vavolombelon’i Jehovah dia tena miasa ho “fatorana mampiray tanteraka”, ary mampahafantatra azy ho kristiana marina. — Jaona 13:35.

◻ Niharihary koa ny fitiavana sy ny firaisan-tsaina manjaka eo anivon’ny olon’i Jehovah tamin’ny fivoriamben’ny distrika “Tafaray noho ilay Fanjakana” izay natao tany Freetown, any Sierra Leone. Nisy solontena avy any Guinée sy Libéria, mbamin’ny faritra maro any Sierra Leone, nanatrika an’io fivoriambe io. Nisy fandaharana roa niara-natao: ny anankiray tamin’ny teny anglisy sy krio, ary ny anankiray tamin’ny teny “kissi” sy frantsay. Ny rapaoron’ny sampana dia milazalaza amin’izao teny izao ny fitiavana sy ny firaisan-tsaina hita tamin’io fotoana io.

“Endrey izany fotoana nampihetsi-po rehefa niaraka tamin’ny mpivory tamin’ny teny anglisy ireo rahalahy niteny “kissi” tamin’ny hira farany sy ny vavaka! Be dia be no latsa-dranomasom-pifaliana rehefa nahita ireo solontena maherin’ny 400 namakivaky ny kianja mba hanatona an’ireo rahalahiny ka hiaraka amin’izy ireo hidera an’i Jehovah amin’ny alalan’ny hira sy ny vavaka.” Araka ny filazan’ny fitantarana, dia nihiaka toy izao ny mpijery iray: “Hain’i Jehovah ny fomba handaminana ny vahoakany. Fanehoam-piraisan-tsaina kanto re izany!”

Vao mainka manaitra ny saina izany fifandrindrana izany rehefa heverina fa ireo mpanatrika dia samy hafa foko, kanefa izany tsy nahasakana azy ireo tsy hiara-hivory tao anatin’ny fihavanana. Ny fanahin’i Jehovah ihany no afaka manao izany. Ny firaisan-tsaina toy izany dia voalaza ara-paminaniana toy izao ao amin’ny Apokalypsy 7:9: “Rehefa afaka izany, dia hitako fa, indreo, nisy olona betsaka tsy tambo isaina avy tamin’ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny nitsangana teo anoloan’ny seza fiandrianana sy teo anatrehan’ny Zanak’ondry, niakanjo akanjo fotsy lava sady nitana sampan-drofia teny an-tanany. Mampiharihary ny tsiambaratelon’ny firaisan-tsain’izy ireo ny Ap 7 andininy faha-10 amin’io toko io ihany: “Ny famonjena anie ho an’Andriamanitsika [dia avy amin’Andriamanitsika, MN ], Izay mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana sy ho an’ny Zanak’ondry [avy amin’ny zanak’ondry, MN ].”

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara