Manome voninahitra an’i Jehovah amin’ny zava-tsarobidy anananao ve ianao?
“Ry rahalahy malala, manao ahoana ianareo? Tiako ny ho misionera rehefa lehibe aho. Raha sitrakareo, dia ampiasao mba hanampiana ireo misionera ity dôlara ity.” Avy amin’i Shelley, zazavavy kely telo taona, ireo teny ireo. Naverin-dreniny teo ambanin’ny taratasiny mba ho azo vakina ny sorany ratsy.
Amin’ny teny mbola mampiseho fifankazarana kokoa ihany, dia izao no nosoratan’i Etienne: “Ry Fikambanana malala. Valo taona aho ary monina eto amin’ny nomerao 89. Manantena aho fa milalao tsara ianareo. Mandefa iray dôlara aho ho an’ny famoriam-bola manokana atao mba hanorenana Efitrano Fanjakana. Valio haingana aho.”
NAHOANA ireo ankizy ireo no nanoratra tany amin’ny foibe iraisam-pirenen’ny Fikambanana Watchtowerỳ Satria izy ireo naniry hanome voninahitra an’i Jehovah tamin’ny fampiasana izay nananany ho fiderana azy. Tamin’ny fanaovana toy izany no nanarahany izao fananarana ao amin’ny Baiboly izao: “Mankalazà an’i Jehovah amin’ny fanananao [zava-tsarobidy anananao, MN ] sy amin’izay voaloham-bokatrao rehetra.” — Ohabolana 3:9.
Tsy isalasalana fa mendrika izany voninahitra izany Jehovah. Tsy misy azo ampitahaina aminy mihitsy. Izany no asehon’ny teny ao amin’ny Apokalypsy 4:11, manao hoe: “Hianao, Tomponay [Jehovah, MN ] sy Andriamanitray, no miendrika handray ny voninahitra sy ny haja ary ny hery; fa Hianao no nahary ny zavatra rehetra, ary noho ny sitraponao no nahanisy sy nahary azy.” Marina tokoa fa tsy vitan’ny hoe “Izy no ivelomantsika sy ihetsehantsika ary iainantsika”, fa avy aminy koa ny tsara indrindra ananantsika (Asan’ny apostoly 17:28). Araka ny ampahatsiahivin’i Jakoba, mpanoratra iray ao amin’ny Baiboly, antsika dia avy amin’Andriamanitra “ny fanomezan-tsoa rehetra sy ny fanomezana tanteraka rehetra”. — Jakoba 1:17.
Nefa ny ankamaroan’ny mpiara-belona amintsika dia tsy mahita ny ilàna hidera sy hanome voninahitra an’i Jehovah. Raha ny marina, dia an-tapitrisany maro amin’izy ireny no tsy mahalala akory ny anarany! Be dia be no manompo ny zavatra noforonina “fa tsy ny Mpanao”. (Romana 1:25.) Ny olona tso-po àry dia mila ny hohazavaina, ny hahafantatra fa hanao zavatra tsy ho ela Jehovah, fa amin’ny alalan’ny fanapahan’ny Zanany dia hanaisotra tsy ho amin’ny tany mandrakizay ny mpampahory izy, hanorina indray ny zavatra rehetra ao anatin’ny fahatanterahana, hamerina indray ny Paradisa sy hanome indray ho an’ny olombelona ny fahafahana ho velona mandrakizay manana fahasalamana tonga lafatra (Daniela 2:44; Apokalypsy 21:1, 3, 4). Eny, mba hitehirizana ny fiainana, ireo izay mikatsaka ny fahamarinana dia tokony handray izany fahalalana izany sy hanao zavatra hifanaraka amin’izany. — Zefania 2:3; Jaona 17:3.
Ny fandavan-tena sy ny fankasitrahana: toetra tena ilaina
Ho tianao ve, dia ianao koa, ny handray anjara amin’io asa famonjena io? Tsy raharaha kely akory ny fampielezana ny “vaovao tsaran’ny Fanjakana” amin’ny “tany onenana manontolo”. (Matio 24:14, MN.) Tokony hampiofanina sy hatao ampy fitaovana ireo mpitory izay mandray anjara an-tsitrapo amin’io asa io. Toy inona anefa ny fifaliana manana maherin’ny 2 800 000 amin’izy ireny amin’izao andro izao, manome voninahitra an’i Jehovah amin’ny fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakana maneran-tany! Mihamaro kokoa hatrany izy ireny no manao izany manontolo andro, ary be dia be aza no mifindra mankany amin’izay ilàna mpitory indrindra. Misionera an’arivony maro no efa nirahina ho any an-tany hafa mba hanomboka ny fitoriana any, ary ny hafa tonga tsy ankijanona manatevin-daharana azy ireny.
Mba hitarihana sy hanohanana izany asa rehetra izany, ny fandaminana iray lehibe kokoa dia ilaina. Maneran-tany, dia misy Betela sy trano-misionera tsy maintsy naorina na nohalehibeazina. Tsy mbola nisy toy izany mihitsy teo aloha, misy toerana fanaovana fanompoam-pivavahana — Efitrano Fanjakana sy Efitrano fanaovana fivoriambe — eo am-panorenana amin’izao fotoana izao. Mampahery ny mahatsapa fa ireo mpanompon’i Jehovah dia nanolo-tena an-tsitrapo mba hanatanteraka ireny asa ireny, ka miseho ho vonona ny hampiasa ny heriny rehetra amin’ny asan’i Jehovah (Salamo 110:3). Nefa noho ny ‘fanafainganana’ ny asa fijinjana voalaza mialoha amin’ny andro farany, dia mbola tokony ho vonona kokoa ihany isika hanome voninahitra an’i Jehovah amin’ny zava-tsarobidy ananantsika (Isaia 60:22). Inona àry no tokony hataontsika?
Voalohany indrindra, dia ny ho velom-pankasitrahana an’i Jehovah noho izay rehetra nomeny antsika. Marina tokoa fa tena avy aminy tokoa ny fananantsika. “Inona no anananao, izay tsy noraisinao?, hoy ny apostoly Paoly (I Korintiana 4:7). Ary noho ny fikendrena inona no nanomezany antsika izany? Mba hampiasantsika izany ho fanomezam-boninahitra azy. — I Petera 4:10, 11.
Izany fanomezana izany dia mahafaoka ireo fahaizantsika ara-batana, ara-tsaina, ara-panahy sy ara-pananana, eny, ny fiainantsika mihitsy. Ary toy inona moa ny fahalalahan-tanana tsy efa nasehon’i Jehovah tamin’ny tsirairay avy amintsika! Ohatra tsara dia tsara ho antsika izy raha ny amin’ny fanomezana. Noho isika nandray be dia be toy izany avy amin’ilay Andriamanitsika malala-tanana, dia tokony haneho fankasitrahana azy isika. Moa ve isika tsy mahatsiaro ho voatosika hanome voninahitra azy amin’izay ananantsika?
Mety hahatsapa ianao fa tsy afaka manao zavatra be dia be. Kanefa ny olona rehetra tsy afaka mandeha manao misionera any an-tany lavitra na milatsaka hanao karazam-panompoana hafa manontolo andro. Ny ankamaroantsika koa dia tsy manana fahaizana sy fananana mba hifindram-ponenana na handraisana anjara amin’ny fanatanterahana volavolan-kevi-panorenana. Indraindray koa ny fahasahiranana manokana dia manakantsakana ny fiezahan’ireo izay ho tia ny hanokana ny fiainany hanompoana ao amin’ireo Betela anontana pirinty boky sarobidy tokoa, sahala amin’ity gazety ity. Kanefa, ny tsirairay avy amintsika dia afaka mahita fahasambarana tsy manam-paharoa manome (Asan’ny apostoly 20:35). Etsy andaniny koa, isika rehetra dia afaka ny hiaina sy hiresaka amin’ny fomba ankasitrahan’Andriamanitra, manome voninahitra azy sy midera azy. — Kolosiana 3:23.
Ahoana no hatao?
Na dia mbola kely aza i Shelley sy Etienne dia nahita fomba hanomezam-boninahitra an’i Jehovah. Takatr’izy ireo fa ny fanomezany nalefa any amin’ny Fikambanana dia hampiasaina mba hampandrosoana ny asa fitoriana maneran-tany. Ary ny fanomezan’izy ireny, na ohatrinona na ohatrinona, dia nankasitrahana. Naharay ny taratasy fisaorana azy i Etienne, ary toy izany koa Shelley. Tsy ny halehiben’ny fanomezana no zava-dehibe, fa ny antony manosika an’ilay manolotra izany, satria ny fanomezana iray dia tena tokony hatao amin’ny fo rehetra mba hankasitrahan’Andriamanitra (II Korintiana 9:7). Mankasitraka ny fanomezantsika Jehovah, na lehibe izany na tsia, raha mbola manome koa taratry ny fifikirantsika aminy amin’ny fanahintsika rehetra izany. — Lioka 21:1-4.
Manosika antsika hanao zavatra àry ny fankasitrahana. Moa ve efa voaisantsika ireo zava-tsarobidy azontsika ampiasaina mba hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra? Ny fiainantsika, na manao ahoana na manao ahoana tanjaka sy herintsika dia tsy isalasalana fa sarobidy tokoa. Tsy tokony holanilanintsika foana izany amin’ny fanatrarana zava-kendrena tsinontsinona. Moa ve isika mandany fotoana betsaka araka izay azo atao mba hampitomboana fifandraisana akaiky sy manokana amin’i Jehovah? Moa ve isika manome voninahitra azy amin’ny molotsika amin’ny fanambarana ny anarany sy ny hafatra avy aminy (Hebreo 13:15, 16)? Ny ankizy kely koa dia fananana sarobidy azon’ny ray aman-dreny avy amin’i Jehovah (Salamo 127:3). Moa ve isika mamporisika azy ireny hikasa ny hanokana ny fiainany amin’ny fanompoana an’Andriamanitra?
Aoka hotononintsika koa ny fananantsika volamena na volafotsy sy ny harenantsika ara-nofo hafa. Ny fanomezana karazan’izany dia manohana ireo kongregasiona eo an-toerana sy mahatonga ho afaka hikarakara Efitrano Fanjakana sy Efitrano fanaovana fivoriambe izay ivoriantsika mba handraisana toromarika araka ny Baiboly na handaminana ny asa fitoriantsika. Ireo fanomezana alefa any amin’ny foibe iraisam-pirenen’ny Fikambanana Watchtower na any amin’ny sampana ao amin’ilay tany dia manampy amin’ny fampandrosoana ny asa fitoriana ilay Fanjakana. Azontsika atao ny milaza mazava hoe ahoana no irintsika hampiasana izany. I Shelley kely izay nikendry tao an-tsainy ny ho tonga misionera indray andro any, dia naniry ny hanampy ireo izay efa toy izany. Etienne kosa dia nandre firesahana fa nilaina maika dia maika ny hanorenana Efitrano Fanjakana an-jatony maro ary nandaniam-bola be tokoa izany. Niriny àry ny fanomezany mba harotsaka tao amin’ny fanangonam-bola manokana natao ho an’ny Efitrano Fanjakana. Ny hafa koa maniry ny handraisan’ny fanomezany anjara amin’ny zavatra ilaina manokana, ny handefasana fanampiana ho an’olona tra-boina noho ny loza aman’antambo, ohatra.
Matetika tokoa anefa ireo izay manolotra fanomezana ho an’ny Fikambanana no tia kokoa ny hamelana azy hametra ny fomba hampiasana izany, satria fantatr’izy ireny fa izy no mahalala izay ilaina maika indrindra. Araka izany, dia nanoratra toy izao ny anankiray tamin’izy ireny: “Mba raiso fa ampiarahiko amin’ity ny sheky iray amin’ny anaran’ny Fikambanana. Ampiasao tsara araka izay azo atao izany mba hanitarana ny asa fitoriana. Faly dia faly izahay mahita ny fandrosoana tsara dia tsara avy amin’ny fiezahana nataon’ireo mpanompon’i Jehovah rehetra sy ny fitahian’i Jehovah ny asan’izy ireo.” Ny taratasy hafa iray dia nirakitra ireto teny ireto: “Tsy ela izay, dia nanomboka nisotro ronono aho, ary nandrotsaka valim-pitia ho ahy ny fikambanana niasako. Irinay mivady amim-pahatsorana ny hampiasa ny tapany amin’io vola io mba hampandrosoana ny asa fitoriana ilay Fanjakana. Mba raiso miaraka amin’ity àry ny fanomezanay sy ny an’ireo zanakay. Enga anie Jehovah hanampy anareo hamantatra ny fomba tsara indrindra azo ampiasana azy!”
Faly Jehovah mahita antsika maniry hanome voninahitra azy amin’ny zava-tsarobidy ananantsika. Nanome izao fampanantenana izao tokoa izy: “Ka dia ho feno mitafotafo ny fitoeram-barinao, ary hihoatra ny ranom-boaloboka eo amin’ny vata fanantazanao.” Araka ny nataony teo amin’ny Isiraely fahiny, Jehovah dia mamaly soa be dia be ireo izay miseho ho malala-tanana amin’izao androntsika izao. Tsy mba tonga tsy manana ireo izay mampiasa ny zava-tsarobidy ananany mba hanomezam-boninahitra azy. Mihamanan-karena kosa izy ireny, satria mitahy azy Jehovah. — Ohabolana 3:9, 10.
Tombontsoa lehibe tokoa izany hoe afaka manome voninahitra an’i Jehovah, hiavaka “eo amin’ny firenena meloka sy maditra” ary handray anjara amin’ny fanambarana ilay Fanjakana, dia ny asa izay tokony hotontosaina alohan’ny fahataperan’ny fandehan-javatra ratsy ankehitriny (Filipiana 2:15; Matio 24:14; 28:19, 20). Tsy ho ela, ‘ny zavatra ary rehetra’, na aiza na aiza misy azy, dia hanome voninahitra sy laza ary hery an’i Jehovah. Amin’izay dia hanjary ho zavatra tena hisy ny fahitana ara-tsindrimandry (Apokalypsy 5:13; 7:12). Dieny izao, dia aoka àry hanao izay rehetra azo atao isika mba hanomezam-boninahitra an’i Jehovah amin’ny zava-tsarobidy ananantsika.
[Efajoro, pejy 22]
“Ahoana marina no anohanana ara-bola ny asanareo?”
Be dia be no nametraka an’io fanontaniana io. Gaga izy ireny mahatsapa fa tsy tonga eo am-baravarany mba hangata-bola ny Vavolombelona. Rehefa manatrika ny anankiray amin’ireo fivoriambeny izy ireny na mitsidika voalohany Efitrano Fanjakana iray, dia gaga ny hafa noho ny tsy fisian’ny fanatazan-drakitra mihitsy. Ahoana àry no anohanana ara-bola ny asa fanaovana fanambarana? Amin’ny alalan’ny fanomezana an-tsitrapo ataon’ireo izay maniry hanome voninahitra an’i Jehovah amin’ny zava-tsarobidy ananany (Ohabolana 3:9). Ireto ny sasantsasany amin’ny endriny isehoan’izany:
Fanomezana: Ireo fanomezana dia azo alefa mivantana any amin’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania, 25 Columbia Heights, Brooklyn, New York 11201 (Etazonia), na, any amin’ny tany hafa, any amin’ny biraon’ny sampan’ny Fikambanana eo an-toerana. Tokony hasiana taratasy fohy miaraka amin’ireny fanomezana ireny hilazana fa fanomezana izany. Azo atao koa ny manome fananana tsy azo afindra any amin’ny tany amelan’ny lalàna ny hanaovana izany.
Fanomezana misy fepetra: Azo atao ny manome ho an’ny Fikambanana, vola, taratasy milaza ny fananana tany, fanekena milaza fampisamboram-bola, amin’ny fikendrena ny ho afaka hampamerina azy raha ilaina izany.
Fiantohana: Azo ambara fa mandray soa amin’ny fiantohana ny Fikambanana. Azo atao koa ny mametra-bola fitsitsiana ho an’ny Fikambanana.
Didim-pananana: Any amin’ny tany sasany (ivelan’i Frantsa), ny fananana tsy azo afindra na ny vola dia azo ampandovaina ny Fikambanana amin’ny alalan’ny didim-pananana atao ara-dalàna. Amin’izay dia tokony halefa ho an’ny Fikambanana ny kopian’ny didim-pananana.
Raha tianao ny hahazo fanazavana misimisy kokoa na torohevitra ny amin’izany, dia manoratra amin’ny Watch Tower Bible and Tract Society, Office of the Secretary and Treasurer, 25 Columbia Heights, Brooklyn, New York 11201 (Etazonia), na ao amin’ny biraon’ny sampana ao amin’ny taninao.