Velom-pankasitrahana ve ianao noho izay nataon’i Jesosy?
MOA ve misy fomba tsotra kokoa sy mivantana kokoa fanehoana ny fankasitrahan’ny tena ankoatra ny filazana hoe “misaotra”? Io teny io anefa dia tsy fanehoana fankasitrahana amim-pahatsorana foana. Mety hampiasaina noho ny antony maro izy io, mba hamaliana amim-pahalalam-pomba fotsiny ny nataon’ny olona iray, ohatra. Mety izy amin’izay nefa tononina tsy amim-pieritreretana.
Rehefa maharay fanomezana anefa isika, indrindra fa raha sarobidy izany, dia tsara ny hanehoantsika fankasitrahana marina amim-pahatsorana. Mety hahafaly antsika ny fanomezana iray; mety hanome fahafahampo amin’izay ilaina koa izany. Rehefa mahafeno ireo fepetra roa ireo izany dia sarobidy indrindra. Kanefa raha manadino izany isika na raha mampiasa azy amin’ny fomba ratsy atỳ aoriana, dia tsy lalina ny fisaorana nataontsika. Asehontsika àry fa mankasitraka na tsia ny fanomezana iray isika amin’ny fomba fiheverantsika sy fampiasantsika azy.
Jehovah, Mpamorona ny olombelona, dia nanome antsika izay nananany sarobidy indrindra: ny Zanany. Izao no vakintsika ao amin’ny Jaona 3:16: “Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino [maneho finoana azy, MN ] Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.” Hahasambatra antsika io fanomezana io ary hanome fahafahampo amin’izay ilaintsika raha maneho fankasitrahana amim-pahatsorana isika. Kanefa satria Andriamanitra no nanome izany, nahoana moa isika no tokony hahatsiaro fankasitrahana an’i Jesosy?
Izay nataon’i Jesosy ho anao
‘Inona no nataon’i Jesosy ho ahy?’, hoy angamba ianao manontany tena. Nanao zavatra ho anao izy talohan’ny nahaterahanao mihitsy aza. Inona izany? Nilaozany ny fiainany tany an-danitra talohan’ny naha-olombelona azy mba hiterahan’i Maria virijina azy tamin’ny naha-olombelona (Lioka 1:26-33). Tsy hoe tsinontsinona akory izany. Ho vonona ve ianao ny handao toerana milamina, azo antoka sy mahasalama iray, anodidinan’ny sakaiza mahatoky anao, mba handehanana honina any amin’ny toerana iray hahitanao isan’andro ady, loza sy aretina ka hitadiavan’ny fahavalo hamono anao? ‘Na oviana na oviana’, hoy ny azo antoka fa havalin’ny ankamaroan’olona. Izany anefa no nataon’i Jesosy. — Jaona 17:5; Filipiana 2:5-8.
Koa satria Jehovah Andriamanitra no Rainy fa tsy olombelona, dia tsy nanana ota i Jesosy (Lioka 1:34, 35). Tsy nanota tamin’ny eritreritra, tamin’ny teny na tamin’ny natao izy na dia indray mandeha monja aza. Na dia tao aza ny toe-piainana tsy tonga lafatra nitomboany sy ny fanoherana tsy maintsy nosetrainy, dia izao no nambarany araka ny marina tamin’ireo fahavalony: “Iza moa aminareo no mampiseho Ahy ho nanota?” Tsy nisy afaka nanao izany mihitsy! Izany no antony nilazan’ny apostoly Petera hoe: “Izay tsy nanota akory, sady tsy nisy fitaka teo am-bavany.” (Jaona 8:46; I Petera 2:22). Amin’ny fiheverana izany toe-javatra izany, dia aoka hohazavaintsika izao ny hoe ahoana no ikasihan’izany anao.
Olona maro no tsy tia ny mitsidika marary any amin’ny hopitaly. Kanefa Jesosy izay nanana vatana tanteraka, dia nanana fahasalamana tonga lafatra. Tsy nitoka-monina anefa izy ary tsy nitady hiaina tany amin’ny toerana tsy misy otrik’aretina. Noho ny fitiavana kosa, dia nifidy ny hihinana, hatory sy hiaina eo anilan’olona marary sy voaheloka ho faty izy. — Matio 15:30:37; Marka 1:40-42.
Taty aoriana Jesosy dia nanao sorona an-tsitrapo ny fiainan’olombelona tanteraka nananany mba hahasoa ny olombelona. Noho izy tanteraka, dia nanana zo hanana fiainan’olombelona mandrakizay izy. Izany àry no nafoiny mba hanolorana antsika fanantenana mahatalanjona. Araka ny nolazain’ny tenany ihany, dia ‘tonga ny Zanak’olona mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro’. (Matio 20:28.) Izany no nohamafisin’ireo apostoliny tamin’ny fanambarana hoe: “Fa Ilay natao ambany kely noho ny anjely no hitantsika, dia Jesosy (...) mba hanandrana fahafatesana hamonjy ny olona rehetra noho ny fahasoavan’Andriamanitra.” (Hebreo 2:9). Tamin’ny fanaovana sorona ny ain’olombelona nananany ho an’ny olona, dia nomen’i Jesosy ny mari-pitiavana lehibe indrindra azon’ny olona iray omena. Natolony antsika koa, dia isika zavaboary olombelona tsy tanteraka, ny fanomezana lehibe indrindra mety ho azontsika, dia ny fahafahana hahazo fiainana mandrakizay. — Jaona 3:16; 15:13.
‘Marina fa nanao zavatra be dia be ho ahy Jesosy, hoy angamba ny fanatsoahan-kevitrao, nefa ahoana no azoko anehoana fankasitrahana azy?’