FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w86 15/3 p. 10-16
  • Mandehana mitory ny Fanjakan’Andriamanitra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mandehana mitory ny Fanjakan’Andriamanitra
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Tonga mpanjaka teo amin’ny Isiraely Jehovah
  • Niseho ilay Mpanjaka Mpiandry voambara
  • Ahoana no amalianao ny fanasana hoe: “Andeha hanaraka Ahy.”
  • Toromarika ho amin’ny fanambarana ilay Fanjakana
  • Manohana ny Zon’i Jehovah Hitondra ve Ianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2007
  • ‘Tsy maintsy torina aloha ny vaovao tsara’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Ny Tiana Holazaina Tamin’ilay hoe: “Andao Hanara-Dia Ahy”
    “Andao Hanara-dia Ahy”
  • Manapaka ny Fanjakan’Andriamanitra
    Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
w86 15/3 p. 10-16

Mandehana mitory ny Fanjakan’Andriamanitra

“Aoka ny maty handevina ny maty ao aminy; fa hianao kosa mandehana, ka mitoria ny fanjakan’Andriamanitra.” — LIOKA 9:60.

1. Mametraka fanontaniana lehibe inona avy moa ny fanambarana nataon’i Jesosy voarakitra ao amin’ny Lioka 9:60?

NY FANJAKAN’ANDRIAMANITRA no zavatra lehibe indrindra teo amin’ny fiainan’i Jesosy. Amin’izao andro izao, dia toy izany koa amin’ny tena mpianany rehetra. Amin’ny maha-kristiana, dia miezaka isika mba hanaraka tsara ny dian’i Jesosy amin’ny fanekena hotarihin’ny Soratra masina (I Petera 2:21). Kanefa eo amin’ny fotoana anombohana ny taona 1986, moa ve isika tsy hila ny handini-tena indray mba hahitana izay mitana ny toerana voalohany eo amin’ny fiainantsika? Ohatra, ahoana ho fahazoanao ny fanambaran’i Jesosy manao hoe: “Aoka ny maty handevina ny maty ao aminy.” Araka ny hevitrao, nahoana no nosoritan’i Jesosy nanaraka izany ny ilàna hanambara ny hafatra momba ilay Fanjakana, mifanohitra amin’ireo fanahiana ara-pianakaviana izay toa azo hamarinina? Ahoana no eritreritrao ny amin’izany?

2. Nanomboka oviana moa Jehovah no nanapaka, ary haharitra toy inona izany?

2 Taloha elan’ny nampiasan’i Jesosy ny fitenenana hoe “ny fanjakan’Andriamanitra”, dia nanoratra toy izao ara-tsindrimandrin’Andriamanitra i Davida mpanao salamo: “Jehovah efa nampitoetra ny seza fiandrianany any an-danitra; ary ny fanjakany manapaka izao tontolo izao.” (Salamo 103:19). Nanomboka tamin’ny famoronana ny fanapahan’i Jehovah. Tsy ho azo hozongozonina na oviana na oviana ny fanorenan’ny seza fiandrianany. Tsy ho azo esorina aminy na oviana na oviana ny zony hanana fiandrianana eo amin’izao rehetra izao! Tsy mahagaga loatra àry raha toa ny mpanao salamo iray ka nanoratra izao fananarana izao: “Ambarao any amin’ny jentilisa ny voninahiny, (...) fa lehibe Jehovah ka miendrika hoderaina indrindra.” — Salamo 96:3, 4; 109:21; Daniela 4:31, 32.

3. a) Noho ny fisehoan-javatra inona avy moa no nandavana ny fanapahan’i Jehovah? b) Ahoana no kasain’Andriamanitra handaminana ny raharaha ny amin’ny fiandrianana eo amin’izao rehetra izao?

3 Tsy nanohy nidera an’i Jehovah anefa ny olona rehetra. Satana, mpivadi-pinoana voalohany, dia nanohitra ny fomba fampiharan’Andriamanitra ny fanapahany eo amin’ireo zavaboariny eto an-tany (Genesisy 3:1-5; Joba 1:6-12; 2:1-5). Noho izany, ny sasany tamin’ny zavaboary, teto an-tany ary taty aoriana, tany an-danitra, dia nanaiky ho azon’izany fihetsika feno fikomiana izany. Nanosika ny olona koa ny Devoly hanorina fanjakan’olombelona isan-karazany. Nampiasainy koa izany mba hanoherana ny maha-ara-dalàna ny fanapahan’Andriamanitra (Apokalypsy 13:1-6). Mba handaminana ny raharaha ny amin’ny fiandrianana eo amin’izao rehetra izao, Jehovah dia namorona fikasana mahagaga izay noresahin’i Daniela ara-paminaniana tamin’izao teny izao: “Ary amin’ny andron’ireo mpanjaka ireo Andriamanitry ny lanitra dia hanorina fanjakana izay tsy ho rava mandrakizay; fa ireo fanjakana rehetra ireo dia hotorotoroiny sy holevoniny, fa izy kosa hitoetra mandrakizay.” — Daniela 2:44.

Tonga mpanjaka teo amin’ny Isiraely Jehovah

4. Tamin’ny heviny ahoana moa Davida no afaka nilaza hoe: “Tonga mpanjaka ny tenan’i Jehovah mihitsy”, ary inona no tsy maintsy natao ny amin’io fisehoan-javatra io?

4 Araka izany àry, na dia nanomboka tamin’ny famoronana aza ny fiandrianan’Andriamanitra, dia manjary mazava fa Jehovah dia nikasa ny hanorina fisehoana manokan’ny fanapahany mba hanorenana mandrakizay doria ny maha-ara-dalàna ny fiandrianany. Izany dia fiandrianana any an-danitra, ny Fanjakana mesianika. Ny fanjakana teto an-tany izay naorin’i Jehovah fahiny teo amin’ny firenena isiraelita dia hampiseho tamin’ny ambaratonga kely io Fanjakana io “izay tsy ho rava mandrakizay”. Koa rehefa nampiditra ny fiaran’ny fanekena tao an-tanànan’i Jerosalema i Davida mpanjaka, dia afaka niventy izao hira mampientana izao: “Aoka ho faly ny lanitra ary ho ravo ny tany; ary aoka holazaina any amin’ny firenena hoe: Jehovah no Mpanjaka [tonga mpanjaka, MN ].” (I Tantara 16:31). Eny, tamin’ny heviny manokana, dia “tonga mpanjaka” teo amin’ny Isiraely rehetra Jehovah. Fotoana nahafaly indrindra izany, ary naniry hanambara izany fisehoan-javatra nahatalanjona izany i Davida.

5, 6. a) Tamin’ny ahoana moa i Davida no mpanjaka tsy nitovy tamin’ireo hafa? b) Tandindon’iza moa Davida, ary tamin’ny lafiny inona avy?

5 Ny nandiavan’i Davida mpanjaka ny fiainan’ny mpiandry ondry dia nampiavaka azy tamin’ny mpanjaka hafa. Mpanjaka mpiandry ondry izy. Tamin’izao teny izao no nilazalazan’ilay mpanao salamo ny fomba nanendren’i Jehovah azy ho amin’io raharaha io: “Dia nifidy an’i Davida mpanompony Izy [Jehovah] ka naka azy avy tany am-balan’ondry (...) mba hiandry an’i Jakoba olony sy Isiraely lovany; dia niandry ireo araka ny hitsin’ny fony izy ka nitondra azy araka ny fahaizan’ny tànany.” — Salamo 78:70-72.

6 Ny fiheveran’i Davida ny fireneny tamin’ny naha-mpiandry azy, ny tsy fivadihany tamim-pahatsorana tamin’Andriamaniny sy ny fahakingany tamin’ny naha-filoha, izany rehetra izany dia nahatonga azy hahay hampiseho ilay Mesia ho avy, ilay hampiasaina amin’ny fomba manokana mba hampisehoana ny fiandrianan’i Jehovah eo amin’izao rehetra izao ka hiasa amin’ny maha-Mpanjaka Mpiandry feno fitiavana. Izany dingana mahatalanjona amin’ny fahatanterahan’ny fikasan’i Jehovah izany dia voalazalazan’i Ezekiela mpaminany toy izao taty aoriana: “Ary hanangana Mpiandry iray ho azy [ireo ondrin’ny Isiraely] Aho, Izy no hiandry azy, dia Davida Mpanompoko (...). Ary Izaho Jehovah no ho Andriamaniny, ary Davida Mpanompoko no ho Mpanapaka ao aminy. Izaho Jehovah no niteny izany.” — Ezekiela 34:22-24.

Niseho ilay Mpanjaka Mpiandry voambara

7, 8. a) Ahoana no namantarana ilay Mpanjaka Mpiandry voalaza mialoha, ary hanamarina fanambarana inona ny fisehoany? b) ‘Sitrak’i Jehovah’ mba hanao inona moa Jesosy?

7 Ilay nambaran’i Jehovah ny hahatongavany dia tsy iza fa ny Zanany mihitsy, Jesosy. Izao no nambaran’ny anjely Gabriela ny aminy tamin’i Maria virijina: “Ary, indro, hitoe-jaza hianao ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany dia hataonao hoe Jesosy. Izy ho lehibe ka hatao hoe Zanaky ny Avo Indrindra; ary Jehovah Andriamanitra hanome Azy ny seza fiandrianan’i Davida rainy; ary hanjaka amin’ny taranak’i Jakoba mandrakizay Izy; ary ny fanjakany tsy hanam-pahataperana.” (Lioka 1:31-33). Izany dia ho fisehoana mahatalanjon’ny fiandrianan’i Jehovah! Tsy azo lavina fa ny fisehoan-javatra ho avy toy izany dia hanamarina ny lehibe indrindra amin’ireo fanambarana natao, ary izany dia maneran-tany, manao hoe: “Tonga mpanjaka ny tenan’i Jehovah mihitsy.”

8 Taty aorian’ny nahaterahany tamin’ny fomba mahagaga sy rehefa tonga olon-dehibe izy, Jesosy dia niseho mba hatao batisa tao amin’ny ranon’i Jordana. Tamin’izay fotoana izay Andriamanitra dia nanaiky azy ho zanaka tamin’ny fanafiana azy ny fanahiny sy tamin’ny fanambarana hoe: “Hianao no Zanako malalako; Hianao no sitrako.” (Lioka 3:22). ‘Sitraka’ mba hanao inona moa Jesosy? Manome antsika izao fanazavana izao ny fitantaran’i Lioka: “Ary tokony ho efa telo-polo taona Jesosy, raha vao nanomboka ny raharahany.” (Lioka 3:23; fanamarihana ambany pejy ao amin’ny NW 1984 misy fanamarihana: “Na: ‘nanomboka [nampianatra].’ ”) Ny fandikan-teny hafa (Crampon 1905 sy Segond) dia milaza toy: “Rehefa nanomboka ny fanompoany izy.” ‘Raharaha’ inona na ‘fanompoana’ inona moa izany? Inona no ‘nampianarin’i’ Jesosy? Manome antsika ny valiny toy izao i Matio mpanoratra filazantsara: “Ary Jesosy nandeha eran’i Galilia ka nampianatra tao amin’ny synagogan’ny olona teo sy nitory ny filazantsaran’ny fanjakana ary nahasitrana ny aretina rehetra mbamin’ny rofy rehetra tamin’ny olona.” — Matio 4:23.

9. Tamin’ny lafiny inona avy moa Jesosy no sahala amin’i Davida razambeny?

9 Nanokana ny fiainany ‘hitoriana ny fanjakan’Andriamanitra’ i Jesosy. Sahala amin’i Davida razambeny, dia noporofoiny ny tsy fivadihan’ny fony tamin’ny tsy fandikana mihitsy ny fahatokiany teo anoloan’ny Fanjakan’i Jehovah (Lioka 9:60; 4:3-13; Jaona 16:33). Jesosy dia niharihary ho ny Mpiandry “iray ihany” nampanantenain’i Jehovah fa hapoitra. Nahafaly azy ny namahana ara-panahy ireo izay ‘nampahantraina sy nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry’ noho ireo filoha ara-pivavahana. (Matio 9:36.) Ny amin’ny fahakingany ‘hiandry’ ny olombelona sy mba hampisehoana fa hitatra hatrany io asa io araka ny fandehan’ny fotoana, dia izao no nambaran’i Jesosy: “Izaho no Mpiandry Tsara; ary fantatro ny Ahy, sady fantany Aho (...). Manana ondry hafa izay tsy amin’ity vala ity Aho; ary ireny koa dia tsy maintsy ho entiko ka hihaino ny feoko; ary ho tonga andiany iray izy, sady iray ihany ny Mpiandry.” — Jaona 10:14, 16.

10. Ahoana no azontsika anatsoahana fianarana avy amin’ny fihetsika samihafa nasehon’ny Jiosy taorian’ny nanasan’i Jesosy azy ireo hanaraka azy?

10 Ahoana no famalin’ny Jiosy rehefa nanasa azy ireny ho tonga mpianany, ‘ondriny’, i Jesosy? Tamin’ny fomba samihafa. Amin’ny fijerena ny sasantsasany amin’ny fandraisan’izy ireo izany, dia eritrereto ny fitondrantena arahinao hatramin’ny nifampikasohanao tamin’ny hafatra momba ny Fanjakan’Andriamanitra.

Ahoana no amalianao ny fanasana hoe: “Andeha hanaraka Ahy.”

11. Ahoana no namalian’i Simona, Andrea, Jakoba, Jaona sy Matio ny fanasan’i Jesosy handeha hanaraka azy?

11 Raha mbola nandeha nanaraka ny ranomasin’i Galilia i Jesosy, dia nahatazana an’i Simona sy Andrea rahalahiny izay nanarato. Hoy izy tamin’ireo: “Andeha hanaraka Ahy, fa hataoko mpanarato olona hianareo. Dia nandao ny harato niaraka tamin’izay izy ka nanaraka Azy. Ary rehefa nandroso kelikely Izy, dia nahita an’i Jakoba, zanak’i Zebedio, sy Jaona rahalahiny (...) Dia niantso azy (...) Izy; ary izy mirahalahy nandao an’i Zebedio rainy teo an-tsambokely mbamin’ny olona nokaramainy, ka dia nanaraka an’i Jesosy.” (Marka 1:16-20). Levy, nantsoina koa hoe Matio, izay mpamory hetra, dia namaly tsy nisy fisalasalana tanteraka. “Hoy [Jesosy] taminy: Manaraha Ahy. Ary nahafoy ny zavatra rehetra izy ka nitsangana, dia nanaraka Azy.” — Lioka 5:27, 28.

12. Inona no zava-nanahirana ilay lehilahy izay nanambara tamin’i Jesosy hoe: “Hanaraka Anao aho na aiza na aiza halehanao.”

12 Tsy namaly tsara ny fanasan’i Jesosy ‘handeha hanaraka azy’ daholo anefa akory ny rehetra. Aoka horaisintsika ny ohatra ny amin’ity lehilahy resahina ao amin’ny Lioka toko faha-9 izay tafahaona tamin’i Jesosy fony izy nitety vohitra. Hoy izy tamin’i Jesosy: “Hanaraka Anao aho na aiza na aiza halehanao.” Mampahafantatra antsika ny Filazantsaran’i Matio fa mpanora-dalàna izy io. Nohajain’ny vahoaka tsara anefa ny mpanora-dalàna ary nomena ny anaram-boninahitra hoe “Raby”. Mariho izay navalin’i Jesosy azy: “Ny amboahaolo manan-davaka, ary ny voromanidina manana fialofana; fa ny Zanak’olona tsy mba manana izay hipetrahan’ny lohany.” (Lioka 9:57, 58). Nampiomana an’io lehilahy io i Jesosy fa raha tiany ny ho tonga mpianany dia tsy ho mora akory ny fiainany. Toa mampiseho izany fa nieboebo loatra io mpanora-dalàna io ka tsy afaka nanaiky fomba fiaina toy izany. Ny tsy fahazoana antoka hahazo azy noho ny tsy hahalalany mialoha izay toerana handaniany ny alina dia ho zavatra havesatra loatra aminy.

13. Nahoana moa i Jesosy no namaly araka ny nataony ny lehilahy hafa iray nety ho afaka nanaraka azy?

13 Ny olona hafa iray dia nilazan’i Jesosy hoe: “Manaraha Ahy.” Kanefa nangataka taminy toy izao io: “Aoka aho aloha handeha handevina ny raiko.” Mariho ny valin-teny nomen’i Jesosy azy tamin’izay: “Aoka ny maty handevina ny maty ao aminy; fa hianao kosa, mandehana, ka mitoria ny fanjakan’Andriamanitra.” (Lioka 9:59, 60). Ny teny fialan-tsinin’io lehilahy io dia tsy nilaza akory fa efa maty ny rainy. Raha izany no izy dia azo inoana fa tsy ho eny amin’ny arabe izy mba hihaino an’i Jesosy. Tsia, toa nangataka kosa io lehilahy io mba hamelana fotoana ho azy mandra-pahafatin-drainy. Tsy vonona ny hametraka avy hatrany ny Fanjakan’Andriamanitra ho eo amin’ny toerana voalohany amin’ny fiainany izy. — Matio 6:33.

14, 15. a) Mampiseho inona ny fangatahana nataon’ilay lehilahy fahatelo tamin’i Jesosy? b) Inona no fianarana azontsika tsoahina amin’izao andro izao amin’ny valin-tenin’i Jesosy tamin’io lehilahy io?

14 Ny fitantarana dia miresaka amintsika ny amin’ny lehilahy fahatelo izay nanipy hevitra avy hatrany hoe: “Tompoko, hanaraka Anao ihany aho; fa aoka aho aloha handeha hanao veloma ny ao an-tranoko.” Niharihary fa nanome fepetra io lehilahy io talohan’ny hanekena hanaraka an’i Jesosy. Raha ny marina dia nilaza taminy toy izao izy: ‘Eny, ho mpianatrao aho, kanefa raha...’ Inona no navalin’i Jesosy azy? Izao: “Tsy misy olona mitana fangady tarihina ary miherika ka miendrika ho ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra.” (Lioka 9:61, 62). Mba hahafahan’ny mpamboly iray manoritra vavasa mahitsy tsara ao amin’ny saha iray, dia tokony hijery mahitsy eo anoloany foana izy. Raha miherika izy mba hijery izay mitranga any aoriana, dia azo inoana fa hiolakolaka ilay vavasa. Mety ho solafaka aza izany mpamboly izany. Toy izany koa ny amin’ireo mpianatr’i Jesosy. Raha miherika mijery ny fandaharan-javatra ankehitriny izy, na dia vetivety monja aza, dia ho tojo zava-manahirana; hihantsy fahatafintohinana izy ary hihataka amin’ny ‘lalana ety izay mitarika ho amin’ny fiainana’. — Matio 7:14; Jereo Lioka 17:31-35.

15 Renao ve ny fanasan’i Jesosy ‘hanaraka azy’? Ahoana no namalianao izany? Moa ve ianao nanaraka ny fihetsika tsy nisalasala nasehon’i Simona, Andrea, Jakoba, Jaona sy Matio? Sahala amin’ireo lehilahy ireo, moa ve ianao vonona ny hanao ny sorona ilaina rehetra mba hanarahana ny dian’ny Tompo? Raha izany no izy, dia manana tombontsoa tsy hay tombanana koa ianao mandray anjara amin’ny fanambarana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra.

16. Ahoana no nanomanan’i Jesosy an’ireo mpianany handray anjara niaraka taminy tamin’ny fitoriana ny vaovao tsara?

16 Talohan’ny hanirahana ireo mpianany hanambara ilay Fanjakana, Jesosy, tamim-pahaizana aoka izany, dia nampiseho tamin’izy ireo tamin’ny ohatra nomen’ny tenany ny fomba tokony hatao. Avy eo izy ireo dia nomeny toromarika amin’ny antsipiriany ny amin’ny fomba fitadiavana ireo olona sahala amin’ny ondry tao amin’ny faritany rehetra. Mbola manan-kery foana ireo toromariny amin’izao taonjato faha-20 izao. Aoka hodinihintsika ny sasantsasany aminy ao amin’ny toko faha-10 amin’ny Filazantsaran’i Matio.

Toromarika ho amin’ny fanambarana ilay Fanjakana

17. Ampitahao ny hafatra ambara amin’izao androntsika izao sy ny fotopototry ny hafatra momba ilay Fanjakana notorina tamin’ny taonjato voalohany.

17 Ny foto-kevitry ny hafatra nampitain’ireo mpianatra dia tokony hifanitsy amin’izay nambaran’i Jesosy. Izao no vakintsika: “Ary raha mandeha hianareo, dia mitoria hoe: Efa mby akaiky ny fanjakan’ny lanitra.” (Matio 10:7). Amin’izao andro izao anefa io Fanjakana io dia efa tafaorina any an-danitra. Ilay Mpanjaka Mpiandry voatendrin’i Jehovah, Kristy Jesosy, dia nandray ny fanapahana. Misy heviny mitatra kokoa àry amin’izao androntsika izao ny fanambaran’i Davida manaraka manao hoe: “Aoka ho faly ny lanitra ary ho ravo ny tany; ary aoka holazaina any amin’ny firenena hoe: Jehovah no Mpanjaka.” (I Tantara 16:31). Amin’izao androntsika izao, dia tsy vitan’ny hoe manana tombontsoa isika manohana an’io fisehoana manokan’ny fiandrianan’i Jehovah eo amin’izao rehetra izao io, fa manana fifaliana koa isika miaina amin’ny fotoana hanapahana mandrakizay ny fiandrianan’i Jehovah eo amin’izao rehetra izao.

18. Ho amin’inona no nanintonan’i Jesosy ny sain’ireo mpianany ao amin’ny Matio 10:8-10, ary iza indrindra no mahatsapa izany amin’izao androntsika izao?

18 Ny Matio 10:8-10 dia milazalaza ny fihetsik’ireo izay mandray anjara amin’ny asa fitoriana. Tokony hametraka ny Fanjakan’Andriamanitra ho eo amin’ny toerana voalohany eo amin’ny fiainany izy ireny ka hamela ny zavatra ilaina ara-nofo ho eo amin’ny toerana faharoa. Nahoana? Satria, araka ny filazan’i Jesosy, “ny mpiasa dia miendrika hahazo ny haniny”. Hikarakara foana an’ireo izay mitoky aminy ny Raintsika any an-danitra. Vavolombelon’i Jehovah ana hetsiny maro miasa manontolo andro ankehitriny no afaka manaporofo izany toe-javatra izany. — Nomery 18:30, 31; Deoteronomia 25:4.

19. Ahoana no anaovana amin’izao androntsika ny asa ho fitadiavana ireo izay “mendrika”, ary eo ambany fitarihan’iza?

19 Avy eo dia nanome izao toromarika izao i Jesosy: “Ary izay tanàna na vohitra hiakaranareo, dia fantaro tsara izay miendrika ao; ka mitoera ao aminy mandra-pialanareo.” (Matio 10:11). Mendrika ny inona? Mendrika ny tombontsoa handray an’io mpanompon’i Jehovah io sy hihaino ny hafatra momba ny Fanjakan’Andriamanitra. Azo inoana tokoa fa tamin’izany fotoana izany ireo mpianatra dia nonina tao amin’ireo mpampiantrano azy ary avy tao an-tranony dia nitady tamin’ny fomba voalamina, olon-kafa “mendrika”. Amin’izao androntsika izao ny Vavolombelon’i Jehovah dia manao toy izany. Mandany ora an-tapitrisany maro izy ary manao fiezahana lehibe mba hitady ireo izay mendrika ny handre ny hafatra any amin’ny karazam-paritany rehetra. Avy eo, rehefa mahita azy ireny ny Vavolombelona dia faly aoka izany mitsidika azy ireny indray mba hanazava aminy ny Tenin’Andriamanitra. Araka izany, amin’izao androntsika izao, Jesosy dia manangona amim-pahakingana “ondry” hafa eo an-kavanany, dia ny toeram-pankasitrahana. — Matio 25:31-33.

20. Ahoana no mety handraisan’ny olona mendrika iray ny fiadanana irin’ny mpitory ilay Fanjakana ho azy?

20 “Ary raha vao miditra ao amin’ny trano hianareo, dia miarahabà ny ao. Koa raha miendrika ny ao an-trano, dia aoka ho ao aminy ny fiadanana tononinareo.” (Matio 10:12, 13). “Fiadanana ho amin’ity trano ity”! Fanao tamin’ny andron’i Jesosy izany fiarahabana izany (Lioka 10:5). Tamin’ny nahaterahany, dia nihira toy izao ireo anjely: “Voninahitra any amin’ny avo indrindra ho an’Andriamanitra! Ary fiadanana ho etỳ ambonin’ny tany amin’ny olona ankasitrahany.” (Lioka 2:14). Ny olona mendrika iray dia nahazo ny fiadanana nirina ho azy tamin’ny fanekena ny hafatra momba ilay Fanjakana nambaran’ireo mpianatra. Amin’izao androntsika izao, dia miteraka vokany toy izany ny vaovao tsaran’ny Fanjakana. Mampiditra ny olona ho ao anatin’ny fifandraisana milamina amin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy izany, ary manorina ny fihavanana eo amin’ny samy mpino. — II Korintiana 5:20, 21; Filipiana 4:7; Efesiana 4:3.

21. Nahoana no mety indrindra ny teny ho amin’ny taona 1986?

21 Amin’ny 1986, ao amin’ny Efitrano Fanjakanan’ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra, dia ho azo atao ny hamaky izao soratra ho an’ny taona izao, nalaina avy ao amin’ny Lioka 9:60: “Mandehana, (...) mitoria ny fanjakan’Andriamanitra.” Ho an’ny minisitr’Andriamanitra marina rehetra, izany dia ho fampahatsiarovana tsara dia tsara sy fampaherezana mahery manosika azy ireny handray anjara tsy tapaka amin’ny fitoriana ny Fanjakan’Andriamanitra. Tafaorina io Fanjakana io tamin’ny 1914. Io dia fiasan’Andriamanitra hampiasain’ilay Mpanjaka mesianika mba hanorotoroana ny fanjakana rehetra eo amin’izao tontolo izaon’i Satana. Amin’izany, dia tsy mahagaga raha mitana ny toerana voalohany eo amin’ny fiainan’ny Vavolombelon’i Jehovah tsirairay avy ny Fanjakan’Andriamanitra. Fantatsika fa hitondra famonjena ho antsika izany. — I Timoty 4:16.

Ahoana no havalinao?

◻ Hatramin’ny oviana ary haharitra toy inona moa Jehovah no Mpanjaka?

◻ Raharaha inona eo amin’izao rehetra izao no madiva ho voalamina?

◻ Tokony ho vonona ho amin’ny inona moa ny mpianatr’i Jesosy rehetra?

◻ Nahoana moa ny fitenenana hoe “Tonga mpanjaka ny tenan’i Jehovah mihitsy” no feno heviny kokoa amin’izao andro izao?

◻ Hahasoa amin’ny inona ny teny ho amin’ny taona 1986?

[Sary, pejy 12]

Namela ny zavatra rehetra i Matio mba hanarahana an’i Jesosy.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara