Indray mitopy maso amin’ny vaovao
“Namoaka ny ampakarina”
Raha mitombo ny isan’ny fampakaram-bady any Etazonia (maherin’ny 16 isan-jato raha oharina amin’ny tao anatin’ny folo taona teo aloha) dia mitombo koa ny fandaniana aminy. Ny lany tamin’ny fampakaram-bady sy ny volan-tantely nanaraka izany dia nisondrotra aoka izany ka nihoatra ny 6 000 dôlara (500 000 ariary). Feno rendrarendra aoka izany ny fampakaram-bady sasany hany ka voamariky ny vidiny 50 000 dôlara na mihoatra. Tsy mahagaga àry raha toa tamin’ny taona lasa ka nahatratra 20 lavitrisa dôlara ny fandaniana tamin’ireo fampakaram-bady, izany hoe fitomboana 152 isan-jato raha oharina amin’ny tamin’ny 1975. Inona no nampiasana izany vola izany? Izao karazan-javatra rehetra izao, “manomboka amin’ny peratra mariazy sy ny voninkazo ka hatramin’ny mozika, ny “limousines” sy ny fandehanana amin’ny volan-tantely”, araka ny revio Fortune.
Tokony ho fisehoan-javatra hahafaly ny fampakaram-bady. Nahariharin’i Jesosy Kristy ny lafiny iray amin’ny fampakaram-bady izay hanamarika ny taranaka hiaina amin’ny ‘fanatrehany sy ny fifaranan’ny fandehan-javatra ratsy’. (Matio 24:3, 34.) Izao no nambarany: “Fa tahaka ny andron’i Noa, dia ho tahaka izany koa ny fihavian’ny Zanak’olona. Fa tahaka ny tamin’ny andro fony tsy mbola tonga ny Safo-drano, ka nihinana sy nisotro ny olona ary nampaka-bady sy namoaka ny ampakarina, mandra-pihavin’ny andro izay nidiran’i Noa tao amin’ny sambo-fiara, ary tsy fantany mandra-pihavin’ny Safo-drano izay nandringana ny olona rehetra, dia ho tahaka izany ny fihavian’ny Zanak’olona.” (Matio 24:37-39). Tsy te-hilaza akory i Jesosy tamin’izany hoe ny olona hiaina atỳ “am-parany” dia hanao ratsy raha manambady (II Timoty 3:1). Nasehony tamin’io fampitandremana io kosa fa be dia be no ho variana aoka izany amin’ny fampakaram-bady, izay milaza amin’izao andro izao fampakaram-bady isahiranana mafy sy andaniam-bola be dia be, hany ka hanadino ny fandodonan’ny fotoana izy ireny noho izany.
“Iza no nanafina ireo soratanana tao amin’ny ranomasina Maty?”
Teo ambanin’io lohateny io, nivoaka tao amin’ny revio Biblical Archaeologist, i Norman Golb, mpampianatra teny hebreo sy fianarana jiosy sy arabo, dia nanandrana nanazava hoe iza raha ny marina no nanafina ireo soratanana tao amin’ny ranomasina Maty. Tao anatin’izany fotoana izany ihany koa, dia niezaka izy mba hampiseho fa tsy marina ny tsangan-kevitra iray nisy hatramin’ny 30 taona mahery. Tamin’ny lohataonan’ny 1947, dia hita ny horonamboky tranainy mirakitra tapany amin’ny Soratra hebreo mbamin’ny soratra hafa tsy araka ny Baiboly tao amin’ireo zohy tany amin’ny morony avaratra andrefana amin’ny ranomasina Maty. Io fahitan-javatra io dia noraisina ho “ny fahitan-javatra lehibe indrindra teo amin’ny lafin’ny arkeolojia momba ny Baiboly”. Ireny horonamboky ireny, izay toa natao tamin’ny taonjato faharoa alohan’ny fanisan-taona iraisana, dia mirakitra ireo soratanana tranainy indrindra fantatra amin’ireo boky ao amin’ny Baiboly.
Hatramin’izao, ireo mpandinika Baiboly dia nilaza fa ny niandohan’ireny soratanana ireny dia ny Eseniana, antoko ara-pivavahana jiosy. Kanefa i Golb dia mino fa ny fahitana soratanana hebreo tranainy hafa tany Masada, Jeriko sy tany an-toeran-kafa tany amin’ny efitr’i Jodia dia manondro an’i Jerosalema ho toerana niavian’ireo horonamboky. Araka ny filazany, dia tsy ny Eseniana fa ny Jiosy tao am-pandosirana ny miaramila romana teo anelanelan’ny 66 sy 70 amin’ny fanisan-taona iraisana no toa hoe “nitondra avy any amin’ilay renivohitra, fonosana na kitapo nisy soratra mba hanafenana izany tao amin’ireo zohy tany an’efitra”.
Na inona na inona porofo araka ny arkeolojia mbola mety ho hita, ireo soratanana amin’ny Soratra masina hita tany amin’ireny zohy ireny dia manamarina ny fahadiovan’ny soratra ao amin’ny Baiboly sy ny fahefan’i Jehovah hiaro ny Teniny. Izao no vakintsika ao amin’ny I Petera 1:24, 25: “Ny nofo rehetra dia tahaka ny ahitra, ary izay mety ho voninahiny dia tahaka ny vonin’ny ahitra. Malazo ny ahitra, ka mihintsana ny voniny; fa ny tenin’ny Tompo [Jehovah, MN ] maharitra mandrakizay.”
Ny fahendren’Andriamanitra ho an’ireo mpitondra eo amin’izao tontolo izao?
Koa satria miha-tsy azo inoana hatrany ny fiadanana maneran-tany, ireo filoha eo amin’izao tontolo izao dia sahirana aoka izany noho ny fandrahonan’ny ady foana. Araka ny filazan’ny gazety Time, Mikhail Gorbachev, filohan’ny Soviet ambony indrindra, dia toa hoe nilaza toy izao: “Tsy isalasalana fa ilay Andriamanitra any ambony dia tsy nanda ny hanome antsika fahendrena ampy mba hahitana ireo fomba handrosoana (...) eo amin’ny fifandraisan’ireo firenena roa lehibe eto an-tany, dia firenena iankinan’ny ho fiafaran’ny sivilizasiona mihitsy.” Toy izany koa, teo am-pifaranan’ny kabary niadian-kevitra aoka izany nataony tany Durban tamin’ny 15 aogositra lasa teo, dia izao no nambaran’i P. Botha, prezidàn’i Afrika Atsimo ny amin’ny zavatra nitana ny sainy, dia ny fandriampahalemana ao amin’ny fireneny: “Hataonay izay rehetra mety ho azon’ny olombelona atao (...). Mivavaka aho mba hanomezan’ilay Andriamanitra Tsitoha antsika ny fahendrena sy ny hery tena ilaina mba hitadiavana hanatanteraka ny sitrapony.”
Homarihina amim-pahalianana fa misy filoham-pitondram-panjakana be mpahalala miresaka ny amin’ny ilàna ny fahendren’Andriamanitra mifandray amin’ireo fiezahana ilaina mba hanorenana ny fandriam-pahalemana. Araka ny filazan’ny Baiboly anefa, dia tsy ho tafaorina maneran-tany ny fiadanana sy ny filaminana raha tsy noho ny Fanjakan’Andriamanitra (Daniela 2:44; jereo Isaia 9:5, 6). Noho izany dia tsy misy afaka manantena ny hahita fiadanana maharitra afa-tsy ireo izay manaiky ny Fiandrianany any an-danitra.