Nohazavaina ny zava-miafin’ireo mpitaingin-tsoavaly
IZA no afaka hanazava ny zava-miafin’ny mpitaingin-tsoavalin’ny Apokalypsy? Ao amin’ny Baiboly, ao amin’ny Daniela 2:47, Jehovah Andriamanitra dia antsoina hoe: “Mpampiseho zava-miafina”. Koa satria ara-tsindrimandriny ny Baiboly, toy izany koa ny fahitana ny amin’ireo mpitaingin-tsoavaly, dia afaka hanome ny valiny antenaintsika izy. Noho izany, amin’ny fanovozan-kevitra ao amin’ny Teniny, dia ho afaka hamoaka ny hevitr’ireo soavaly miloko samy hafa sy ireo mpitaingina azy koa isika. — Amosa 3:7; II Timoty 3:16; II Petera 1:21.
Ireo andininy telo voalohany amin’ny Fanambarana na Apokalypsy, dia mahaforona marika manome fahafahana hanala ny tapany amin’ny voaly manarona io zava-miafina io. Asehony fa izany fitohitohizam-pahitana izany dia mahakasika zavatra hitranga any aoriana, izany hoe aorian’ny taona 96 amin’ny fanisan-taona iraisana, daty nahitan’i Jaona ireo zavatra rehetra ireo sy nanoratany azy. Ary izany zavatra izany dia mifandrindra amin’izay vakintsika ao amin’ny Apokalypsy 1:10 izay anambaran’i Jaona fa ny fitrangan-javatra izay nojereny tao amin’ireo fahitana ireo dia tokony hahita fahatanterahany aorian’ny fanombohan’ny “andron’ny Tompo”. — Jereo I Korintiana 1:8; 5:5.
Manaraka izany, dia andeha isika hihevitra ireo soavaly sy ireo mpitaingina azy izao. Ho fanombohana, dia zava-dehibe indrindra ny hahatakarana marina tsara izay asehon’ilay soavaly fotsy sy ny mpitaingina azy. Aorian’izany dia hifampitohy ara-dalàna ny hevitr’ireo mpitaingin-tsoavaly hafa.
Aoka hodinihintsika ireo filazana heviny
Tao amin’ny lahatsoratra teo aloha, dia nomarihintsika ny filazana hevi-teny nanambarana fa ny soavaly fotsy sy ny mpitaingina azy dia tandindon’ny ‘fandresen’ny Filazantsara, na ny an’ny imperialisma’. Hovaliantsika izany fa izao tontolo izao dia tsy nanaiky ny Evanjily (vaovao tsara) momba an’i Kristy, na ny fikasan’Andriamanitra mifamatotra amin’izany. Etsy andaniny, ny rehetra dia hanaiky fa tsy mahita velively ny fara-heriny ny imperialisma. Mifanohitra amin’izany kosa aza, fa nandritra izao taonjato izao indrindra izy io no mihamirodana sy norotidrotehina.
Misy milaza fa ilay soavaly fotsy dia mampiseho ny fandresen’ny Filazantsara sy ny fahadiovan’ny finoana nandritra ny taonjato voalohany. Ahoana no hiheverana izany fanazavana izany? Izany dia manadino fa ny fahitana dia mitantara fitrangan-javatra mbola vao ho avy. Noho ny fahafantarana fa voagadra tany amin’ny nosy Patmo Jaona raha nanoratra izay hitany tamin’ny 96 amin’ny fanisan-taona iraisana, dia tsy hety tsotra izao ny hiheverana fa ny fahitany dia mahakasika fitrangan-javatra iray tamin’ny taonjato voalohany.
Araka ny fanazavana iray hafa, ny mpitaingina ny soavaly fotsy dia ny raharaha ny aminy fa tsy ny maha-izy an’i Kristy. Ary mbola avy amin’izany fanazavana izany ihany, ny Fanjakany ‘dia eo afovoantsika’, izany hoe ao am-pontsika. Kanefa dia tsy tamin’ny fotoana atỳ aorian’ny fanoratana ny Apokalypsy akory no nanomboka niarovana ny raharaha ny amin’i Jesosy sy ny kristianisma. Mifanohitra amin’izany kosa, fa izany raharaha izany aza dia efa tena niharihary teo anivon’ny kristiana tamin’ny taonjato voalohany, talohan’ny nanoratan’i Jaona io boky ao amin’ny Baiboly io.
Ambonin’izany, rehefa nanonona izao teny izao i Jesosy: “Ny Fanjakan’Andriamanitra dia eo afovoanareo”, izy dia niresaka tamin’ny Fariseo, ireo filoha ara-pivavahana nihatsaravelatsihy, ho valin’ny fanontaniana iray napetrak’izy ireo. Tsy tamin’ny mpianany mahatoky akory no niresahan’i Jesosy izany. Izy àry dia tsy ho afaka nilaza tamin’izy ireo fa ilay Fanjakana dia zavatra teo ‘afovoan’izy ireo’ toy ny hoe “ao am-pon’izy ireo”. Teo am-panazavana tamin’ireo Fariseo tsy nino indrindra izy fa izy, Jesosy, amin’ny maha-solontenan’ilay Fanjakan’Andriamanitra ho avy, dia teo amin’izy ireo tamin’izay fotoana izay. — Lioka 17:21; jereo koa ny Bible de Jérusalem sy Bible en français courant.
Ahoana indray koa ny amin’ny fandrosoan-kevitra ilazana fa ny mpitaingina ny soavaly fotsy dia sary mampiseho ny antikristy? Na aiza na aiza, ny Baiboly dia tsy mamaritra amin’ny fomba hentitra fa ny antikristy dia hanao fanafihana toy izany hahatonga azy hambara ho toy ny mpitaingina soavaly fotsy ‘nivoaka naharesy sady mbola haharesy’. (Apokalypsy 6:2.) Na iza izy na iza, dia mazava fa izay mitaingina ny soavaly fotsy dia hivoaka ho amin’ny fandresena tanteraka. Tsy mampisalasala kely akory ny fandreseny. Ho levona avokoa ny fahavalony rehetra.
Fampahafantarana azo atao noho ireo zavatra lazain’ny Baiboly
Lavidavitra kokoa noho io fitohitohizam-pahitana io ihany, ilay “Mpanambara zava-miafina” dia manome antsika ny fahafahana hamaritra tsy mety hisy fahadisoan-kevitra ny hoe iza ilay mitaingina soavaly fotsy. Ao amin’ny Apokalypsy 19:11-16, dia ahitana soavaly fotsy indray, kanefa eo kosa dia voafaritra mazava tsara izay mitaingina azy.
Ny mampiverina indroa ny fisehoan’ny soavaly fotsy ao amin’ireo fahitana dia midika fa soavaly iray ihany no tiana horesahina, ary koa, fa ny mpitaingina azy dia aseho amintsika amin’ny endriny samihafa amin’ny andraikiny sy ny asany. Eo amin’ny tapany farany, dia nomena anarana ilay mpitaingina. Eo izy dia nantsoina hoe: “Mahatoky sy Marina”, “Ny Tenin’Andriamanitra”, sy “Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo”.
Ireny fanondroana rehetra ireny dia tsy mamela ny hisian’ny fisalasalana kely akory raha ny amin’ny famantarana azy. Tsy iza akory io mpitaingin-tsoavaly io fa i Jesosy Kristy Tompo. Kanefa taiza ho aiza tamin’ny fiainany moa izany? Eny tokoa, fa izany dia tokony ho fotoana iray taorian’ny taonjato voalohany, fotoana izay nanomezana ny Fanambarana. Ankoatr’izany, ny fitantarana dia namaritra fa nomena satroboninahitra io mpitaingina io. Izany dia nidika fa amin’ny fotoana iray ho avy any aoriana dia hiantsoroka andraikitra manokana ho Mpanjaka na ho Filoha i Jesosy Kristy. Amin’izany asa izany, dia naseho koa ho toy ny miaramila mitondra tsipìka izy, izay mivoaka “naharesy ary mbola haharesy”.
Misy fanaporofoan-kevitra hafa iray koa manamafy fa izany dia hitranga amin’ny ho avy. Eny tokoa, fa tamin’ny fotoan’ilay fahitana fanambarana, dia maherin’ny enimpolo taona izao no lasa hatramin’ny nahavitan’i Jesosy ny fiainany teto an-tany, nananganana azy tamin’ny maty, sy niakarany any an-danitra. Tamin’ny fiverenany tany an-danitra, Jesosy dia nangatahina hiandry eo ankavanan’Andriamanitra aloha ambara-pahatongan’ny fotoana hanaovany ny fahavalony “ho fitoeran-tongony”. — Hebreo 10:12, 13.
Manomboka ny fihazakazahana
Araka izany àry, ny fihazakazahan’ilay soavaly fotsy dia tokony hanomboka amin’ny fotoana ho avy, aorian’ny fametrahana an’i Jesosy ho Mpanjaka any an-danitra ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Amin’izay fotoana izay, dia hanome azy izao baiko izao Andriamanitra: “Manapaha eo amin’ny fahavalonao Hianao”. (Salamo 110:2). Fa rahoviana no tokony hitranga izany?
Ny Salamo 45:3-7 dia manoritra ny fanomezam-boninahitra an’i Jesosy sy ny fidirany ho eo amin’ny fiandrianana any an-danitra. Avy eo, ao amin’ny Hebreo 1:8, 9, ny apostoly Jaona dia manonona io salamo io ary mampihatra ny andininy faha-6 sy faha-7 amin’i Jesosy Kristy, Zanak’Andriamanitra. Ny vavolombelon’i Jehovah dia namoaka fanazavana amin’ny antsipiriany sy porofo ara-baiboly maro manamarina fa ny fanomezam-piandrianana an’i Jesosy tany an-danitra dia nitranga tamin’ny faran’ny andron’ny Jentilisa, “andro voafetra ho an’ireo firenena”, tamin’ny taona 1914. — Lioka 21:24a.
Koa noho izany, ny fanazavana rehetra mametraka ny fihazakazahan’ireo mpitaingin-tsoavaly alohan’ny 1914 dia tsy mety ho marina. Ambonin’izany, ilay mpitaingina mitondra soavaly fotsy no voalohany, ary dia manaraka avy eo ireo mpitaingin-tsoavaly hafa. Ireo àry izany dia hilaza fitrangan-javatra tokony hiseho miaraka amin’ny fihazakazahan’ilay mpitaingin-tsoavaly voalohany, na aoriana kely. Hatreo, ny fihazakazahan’ireo mpitaingin-tsoavaly efatra dia hanomboka ary hitohy miainga avy eo amin’ny fiandohan’ny “andro farany” tamin’ny 1914. Ary eny tokoa fa, hatramin’io fotoana io dia voavaka mazava fa nanomboka ny “andro farany”. — Daniela 12:4; II Timoty 3:1-5, 13.
Ny soavaly hafa sy ireo mpitaingina azy
Ny soavaly faharoa dia “mena”, na “mena midorehitra”. (Apokalypsy 6:3, 4, An American Translation.) Ny mpitaingina azy dia “navela hanaisotra ny fihavanana amin’ny tany mba hifamonoan’ny olona”. Nomena “sabatra lehibe” izy. Tanteraka ny faminaniana ara-tsindrimandry rehefa nahita ny fiandohan’ny ady nahatsiravina indrindra nanamarika ny tantaran’olombelona ny taona 1914, ny fikorontanan’izao tontolo izao voalohany. Tamin’izany fotoana izany, dia nomena anarana hoe Ady Lehibe izy io. Rehefa tokony ho iraika amby roapolo taona taty aoriana, dia nipoaka ny Ady Lehibe Faharoa ary mbola nahafaty kokoa noho ny voalohany. Hatramin’izay, dia tsy nitsahatra intsony ny ady. Amin’ny fitambarany, dia sahabo ho zato tapitrisa no namoy ny ainy tao amin’ireo fikorontanana natao hatreo amin’ny 1914.
Mainty kosa ny soavaly fahatelo ary ny mpitaingina azy mitondra mizana eny an-tanany (Apokalypsy 6:5, 6). Nisy feo niantso fa mba hahazoana na dia vary tritika iray litatra monja aza na vary hordea telo litatra, vary ambany vidy kokoa, dia tokony handoa ny mitovy amin’ny karama indray andro. Izany dia mampisongadina mazava ny tsy fahampian-tsakafo amin’ny ambaratonga mbola tsy fahita mihitsy. Izany anefa no voamarika nanomboka teo amin’ny taona 1914. Raha vao teo am-piandohan’ny Ady Lehibe Voalohany, dia nidangana be ny vidin’ny zava-pihinana. An-tapitrisany maro ny olona maty mosary. Nanomboka tamin’izany fotoana izany dia namely tsy an-kijanona ny tsy fisian-kanina. Amin’izao fotoana izao dia tombanana ho 450 tapitrisa ireo noana ambavahoanan’ny fahafatesana ary hatramin’ny 1 lavitrisa no tsy mahatsiaro voky. Indraindray ny aloky ny mosary dia misongadina kokoa rehefa mandavo maro be amin’ny vahoaka ny tsy fahampian-kanina, toy izay tantaraina momba an’i Etiopia nandritra ireo taona faramparany.
Fa raha ny amin’ny soavaly fahefatra kosa, izy io dia “hatsatra”, manana toetra farary. Ny anaran’ny mpitaingina azy dia “Fahafatesana”. (Apokalypsy 6:7, 8.) Izany dia mampiseho tsara ny fahafatesana maro be voaisa nanomboka tamin’ny 1914, tsy amin’ny fahafatesana araka ny natiora akory, fa vokatry ny tsy fahampian-tsakafo na ny mosary, ny ady sy ny herisetra, ny ratra sy ny aretina. Ny gripa espaniola izay nandrava ny tany manontolo raha vao tafavoaka ny Ady Lehibe Voalohany dia nitarika fahafatesan’olona maherin’ny roapolo tapitrisa. Amin’izao fotoana izao, ny famelezan’ny aretim-po, ny homamiadana sy aretina maro hafa dia mandripaka olona an-tapitrisany maro amin’ny fahafatesana alohan’ny fotoana.
Ny fitrangan-javatra asehon’ireo soavaly ireo sy ny mpitaingina azy dia naseho koa ao amin’ny faminaniana mitovy amin’izany nataon’i Jesosy mahakasika ny androntsika. Naminany izy fa “amin’ny fifaranan’ny fandehan-javatra”, izay diavintsika ankehitriny, dia hisy ady iraisam-pirenena, satria hisy ‘firenena hitsangana hamely firenena ary fanjakana hamely fanjakana’. Nilaza izy fa hitombo “ny tsy fankatoavan-dalàna” ary koa fa ‘hisy areti-mandringana sy mosary amin’ny tany samy hafa’. — Matio 24:3-12; Lioka 21:10, 11.
Nisy soavaly fahadimy ve?
Izao no vakintsika ao amin’ny Apokalypsy 6:8: “Ary hitako fa, indro, nisy soavaly hatsatra, ary ny anaran’izay mitaingina azy atao hoe Fahafatesana, ary ny Fiainan-tsi-hita nanaraka azy.” Natoky be io andalana io ny sasany ka nihazona izao fanjohian-kevitra izao: Koa satria ireo olona efatra voalohany voatonona mitaingin-tsoavaly, nahoana moa no tsy hitaingin-tsoavaly koa ny fahadimy?
Tsy milaza izany anefa ny Baiboly. Ao amin’ny soratra grika kristiana, ny teny adika hoe “soavaly” dia tsy hita ao amin’ny Apokalypsy 6:8 mifandray amin’ny Hadesy. Noho izany, ny ankamaroan’ireo fandikan-tenin’ny Baiboly dia tsy ahitana ny teny hoe “soavaly” eo amin’izay anononana an’io olona fahadimy io. Ampy àry ny filazana fa ny Hadesy, teny grika anondroana ny fasana iraisan’ny maty rehetra, dia manaraka ireo mpitaingin-tsoavaly telo eo anoloany ary mitelina izay rehetra matin’izy ireo.
Amin’ny ahoana no mahakasika antsika io fahitana io?
Tena manana tombontsoa manokana isika miaina amin’ny fe-potoana ahatanterahan’ny fahitana ny amin’ny fihazakazahan’ireo mpitaingin-tsoavaly efatra amin’ny fomba mampangitakitaka. Kanefa ankoatr’izany, sarotra kokoa ny fotoana izao, ary tokony handini-tena manokana isika. Nahoana? Satria ny mponina rehetra amin’ny tany dia voakasik’izany fihazakazahana ara-panoharana izany. Eny, ianao sy ireo olo-malalanao dia voakasik’io fahitana io koa. Amin’ny heviny ahoana?
Io fanontaniana io dia mampisongadina endriny lehibe iray amin’ny foto-kevitra hovelabelarina ao amin’ny laharana manaraka amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana, eo ambanin’ny lohateny hoe “Mahakasika anao ny fihazakazahan’izy ireo”. Aoka ianao tsy ho diso ny hamaky ny valiny mambabo.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo ny boky Azonao atao ny hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany, pejy faha-134 hatramin’ny 141, navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc.
[Sary, pejy 5]
1914: Mivoaka mitaingina ny soavaliny fotsy ilay “Mpanjakan’ny mpanjaka”.
[Sary, pejy 7]
Nanomboka tamin’ny 1914, ny Hadesy dia nanangona vokatra mahatsiravina tamin’ny toerana nolalovan’ny mpitaingin-tsoavaly Ady, Mosary sy Areti-mandringana.