Andro “tahaka ny andron’i Noa”
“Heni-doza [feno herisetra, MN] (ny tany) (...), efa simba izy; fa ny nofo rehetra samy efa nanimba ny làlany avy tambonin’ny tany.” — GENESISY 6:11, 12.
1, 2. a) Misetra karazana herisetra inona avy moa ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro izao? b) Amin’ny toe-javatra miseho inona moa ny Mpanompon’i Jehovah no manovo fampaherezana amin’ny fanantenana fananganana ny maty?
HERISETRA! Tahaka ny tamin’ny andron’i Noa, dia fandre io teny io amin’izao andro izao. Na dia ireo izay miara-mandeha amin’ilay Andriamanitra marina sahala amin’i Noa aza dia tsy voaro amin’ny herisetra. Voasintona mafy ho amin’izany fahamarinana mampalahelo izany ny sain’izao tontolo izao tamin’ny 21 jolay tamin’ny taona lasa. Tamin’io andro io, ny baomba iray dia nandrava tanteraka ny Efitrano Fanjakanan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Sydney, any Aostralia, nandritra ny lahateny ampahibemaso iray momba ny tsy fivadihana amin’Andriamanitra sy ny fianakaviana. Maty ny Vavolombelona iray ary olona 40 mahery no voatery nampidirina tany amin’ny hopitaly. Tsy maty akory izy rehetra, kanefa ny sasany mitondra holatra mahatsiravina avy amin’io fanaovana heloka bevava io. Nanao izao fanamarihana izao tokoa ny polisy iray: “Nisy olona 110 tao amin’ilay efitrano, ary fahagagana fotsiny no tsy nahitantsika faty 110.”
2 Any amin’ny faritra hafa amin’ny tany, any Irlande Avaratra, any Liban sy any Salvador, ohatra, ny Vavolombelon’i Jehovah dia manambara ny “vaovao tsara” ao anatin’ny rivo-piainana feno herisetra tsy mitsahatra. Nisy vitsivitsy maty, ny sasany tao anatin’ny fandraisany anjara tamin’ny fanompoana. Any amin’ny tany maro, ny “fisehoan-javatra tsy nampoizina”, toy ny voina sy ny horohorontany, dia niteraka famoizana aina sarobidy koa. Ao anatin’ny toe-javatra toy izany, ireo mpanompon’i Jehovah dia manovo fampaherezana amin’ny fanantenana fananganana amin’ny maty. — Mpitoriteny 9:11, MN; I Tesaloniana 4:13, 14.
3. a) Araka ny asehon’ny zava-nitranga vao haingana sy ny teny ao amin’ny Lioka 21:16, inona no mety hitranga amin’ireo mpanompon’i Jehovah? b) Inona no toky ananantsika ny amin’ny hiarovan’i Jehovah antsika mandritra ny “fahoriana lehibe”?
3 Vao haingana, tany Mexico, dia Vavolombelona na sakaizan’ny fahamarinana 23 no anisan’ireo niharan-doza 5 000 mahery tamin’ny horohorontany nahatsiravina nandrava an’io tanàna io. Tany Porto Rico, dia fito tamin’ireo namantsika no niara-namoy ny ainy tamin’ireo olon-kafa 500 tamin’ireo tondra-drano sy tany nikororosy. Tokony hotsoahina avy amin’izany ve fa tsy miaro mihitsy ireo mpanompony Jehovah? Tsy izany velively. Mampiseho fotsiny izany fa tsy voaro amin’ny voina sy ny loza aman’antambo araka ny natiora isika. Tsy voaro toy izany koa isika amin’ny fanenjehana, satria nanome izao fampiomanana izao ho an’ny mpianany i Jesosy: “Ny sasany aminareo dia hovonoiny.” Raha ny marina, dia an-jatony maro tamin’ireo rahalahintsika no novonoina teo ambany fitondrana feno halozan’i Hitler. Tsy hisy hohadinoin’i Jehovah anefa izy ireny amin’ny fananganana ny maty. Etsy andaniny koa, rehefa hifaoka ny tany ny “fahoriana lehibe” voambara, dia hasehon’i Jehovah fa hainy ny mamonjy ireo izay miantso ny anarany, tahaka ny nataony tamin’ny andron’i Noa koa. — Lioka 21:16-19; Matio 24:14, 21, 22, 37-39; Isaia 26:20, 21; Joela 3:5; Romana 10:13.
4. Inona moa no fifanitsian-javatra azo aorina eo amin’ny toe-piainana ankehitriny sy ny voalazalaza ao amin’ny Genesisy 6:11, 12?
4 Nanomboka tamin’ny 1914, dia tsy nitsahatra nitombo ny herisetra maneran-tany. Efa nahatonga fahafatesan’olona maherin’ny zato tapitrisa ireo ady sy fandripaham-poko nanomboka tamin’ny fiandohan’ny taonjato. Matetika ny olombelona no ampahorin’ny fanodinkodinana fiaramanidina sy sambo, ny fikasana hamono amin’ny baomba, ny famonoana olona sy ny adim-poko. Rahonan’ny fitomboan’ny fiadiana noklehera koa izy. Tsy azo lavina fa miaina amin’ny “andro mahory” voamariky ny “fahorian’ny firenena amin’ny fahaverezan-kevitra” isika. (II Timoty 3:1-5, 13; Lioka 21:25.) Ireo mpanompon’i Jehovah anefa dia tsy maintsy misetra loza lehibe kokoa noho ny herisetra, na dia karazan’izany ihany aza matetika. Io loza io dia nanomboka namely, 4 300 taona mahery lasa izay, tamin’ny andron’i Noa. Inona izany?
Noa: lehilahy nanam-pinoana teo amin’izao tontolo izao ratsy
5, 6. a) Ahoana no nataon’i Satana mba hanimbana ny olombelona? b) Ahoana no niavahan’i Noa sy ny fianakaviany tamin’izao tontolo izao nanodidina azy ireo?
5 Hatramin’ny fikomiana tany Edena, Satana Devoly dia nikely aina ‘nampaniasia ny tany onenana manontolo’. (Apokalypsy 12:9, MN.) Nandidy ny lehilahy sy ny vehivavy Jehovah mba hampiasa amin’ny fomba mendri-kaja, ao anatin’ny faritry ny fanambadiana, ny fahafahana hampiasa ny maha-lahy sy maha-vavy nomeny azy ireo, ary izany dia mba ‘hamenoana ny tany’ amin’ny taranany (Genesisy 1:28; Hebreo 13:4). Nataon’ny Devoly anefa izay hanimban’ny olombelona tena amin’ny fanao momba ny lahy sy ny vavy tsy araka ny natiora. Tamin’ny fomba ahoana? Nisy zanaka ara-panahin’Andriamanitra nanaraka an’i Satana tamin’ny fikomiany. Tamin’izany izy ireo dia niova ho “demonia”, ary tonga ‘filohan’izy ireo’ Satana. (Lioka 11:15.) Inona no nataon’izy ireo? Nidina teto an-tany izy, nitafy vatana tamin’ny fandraisana tenan’olombelona ara-nofo ary niara-nonina tamin’ny zanakavavin’ny olona izay tsara tarehy. Niteraka loza aman’antambo ny fitondrantenan’izy ireo.
6 Niteraka taranaka metisy izy ireny, goavana sady olona no demonia. Ireny manana aina ireny dia Nefilima, mpanao heloka bevava, “mpanjera” olombelona. Tsy mahagaga mihitsy raha manambara toy izao ny fitantarana araka ny Baiboly: “Ary simba ny tany teo anatrehan’Andriamanitra sady heni-doza; dia hitan’Andriamanitra ny tany, ka, indro, efa simba izy; fa ny nofo rehetra samy efa nanimba ny làlany avy tambonin’ny tany.” Ny herisetra sy ny fahalotoam-pitondrantena dia nanjary fahita, hany ka tsy azo nampiharina afa-tsy tamin’i Noa ireto teny manaraka ireto: “Noa dia lehilahy marina sady tsy nisy tsiny teo amin’ny olona niara-belona taminy; eny, niara-nandeha tamin’Andriamanitra Noa.” Tamin’ny olombelona rehetra, dia izy, ny vadiny, ireo zanany lahy sy ny vadin’ireo no hany naneho finoana sy tahotra mampiseho fitiavam-pivavahana. Miharihary fa ny fianakavian’i Noa dia tsy nanaiky ho voaloton’ny faharatsiam-pitondrantena izay nampiavaka ny androny. — Genesisy 6:4, 9-12, NW misy fanamarihana, filazana eo ambany amin’ny pejy.
7. Araka ny porofo nomena tamin’ny andron’i Noa, miorina amin’ny inona no itsaran’i Jehovah ny ratsy fanahy sy ny marina? (Jereo Matio 25:40, 45, 46.)
7 Nataon’i Jehovah nanjavona izany izao tontolo izao feno herisetra, simba sy araka ny demonia izany. Nateliny tamin’ny ranon’ny safodrano naneran-tany ny faharatsiana rehetra. Ireo Nefilima metisy sy ireo olombelona ratsy dia naringana, fa ireo zanak’Andriamanitra tonga demonia taloha kosa dia namonjy ny ainy tamin’ny fiverenana tany amin’ny faritra ara-panahy — amin’ny fiandrasana ny sazin’Andriamanitra. Nisy tafita velona anefa! Voatsimbina Noa sy ny fianakaviany akaiky. Nahoana? Satria izy ireo nampiseho ny finoany tamin’ny asa tamin’ny fanamboarana sambo fiara sy tamin’ny fitoriana ny fahamarinana tamin’izao tontolo izao voaheloka nanodidina azy ireo. — II Petera 2:4, 5.
Aoka isika hiambina hatrany!
8. Amin’ny lafiny inona avy ny andron’i Noa no tandindon’ny andro iainantsika?
8 Ny andron’i Noa dia tandindon’ny andro iainantsika. Ahoana no mety hahafantarana izany? Nambaran’i Jesosy ny andro sahala amin’ny an’i Noa, dia fotoana voamariky ny herisetra, ny tsy firaharahana lalàna sy ny tsy fisiam-pitiavana. Ireny zavatra ireny dia ho anisan’ny “famantarana” mampiseho fa isika dia ho eo an-katoky ny “fahoriana lehibe, izay tsy mbola nisy toa azy hatrizay niandohan’izao tontolo izao ka mandraka ankehitriny, sady tsy hisy intsony”. Izao koa no nambarany: “Fa ny amin’izany andro sy ora izany dia tsy misy mahalala (...) afa-tsy ny Ray.” Avy eo dia izao no teny nanampiny: “Fa tahaka ny andron’i Noa, dia ho tahaka izany koa ny fihavian’ny Zanak’olona. Fa tahaka ny tamin’ny andro fony tsy mbola tonga ny Safo-drano, ka nihinana sy nisotro ny olona ary nampaka-bady sy namoaka ny ampakarina, mandra-pihavin’ny andro izay nidiran’i Noa tao amin’ny sambo-fiara, ary tsy fantany mandrapihavin’ny Safo-drano izay nandringana ny olona rehetra, dia ho tahaka izany ny fihavian’ny Zanak’olona.” — Matio 24:3-21, 36-39.
9. Ahoana no azontsika analavirana ny hiharan’ny nanjo ireo ‘tsy nahalala na inona na inona’?
9 Eny, “tsy fantany”. Tsy voatery hanahaka azy ireny anefa ianao. Manana fahafahana ny hotsimbinina ianao amin’ny fisehoan’i Jesosy Kristy Tompo avy any an-danitra, rehefa hampahatonga ny famalian’Andriamanitra eo amin’ireo “izay tsy mahalala an’Andriamanitra sy izay tsy manaiky ny filazantsaran’i Jesosy Tompontsika” izy amin’ny fandringanana azy ireny mandrakizay (II Tesaloniana 1:7, 8). Tsy voatery ianao hitovy amin’ireo olona eo amin’izao tontolo izao izay mampifantoka ny fiainany amin’ny fikatsahana fahafinaretan’ny tenany, amin’ny fahombiazana ara-tsosialy na amin’ny harena ara-nofo. Tsy miahy velively ny amin’Andriamanitra ireny olona ireny. Tsy azo lavina fa “ny kibony no andriamaniny”. — Filipiana 3:19.
“Mankahalà ny ratsy”
10, 11. a) Mba hahazoana ny fankasitrahan’Andriamanitra, tokony hitandrin-tena amin’ny faharatsiana inona avy isika? b) Tokony hitafy fiadiana inona isika, ary nahoana?
10 Amin’izao andro farany izao, ny amin’ny lahy sy ny vavy dia mitana toerana tena lehibe eo amin’ny fiainan’ny olona maro, manambady na tsia. Etsy andaniny koa, amin’ny mpivady maro be dia manjary azo ekena ny fisaraham-panambadiana sy ny fisarahan-toerana. Eo anivon’ny fivavahana lazaina fa kristiana dia olona be dia be no tsy miraharaha ireo fampitandremana hentitra nataon’ny mpianatr’i Jesosy ary manaram-po amin’ny fandrian’ny lehilahy amin’ny lehilahy. Ny sasany amin’izy ireny dia ‘mandray ao amin’ny tenany sahady ny valiny izay tokony ho azy’ satria voan’ny SIDA sy aretina hafa mifindra amin’ny firaisan’ny lahy sy ny vavy. Atolotra anefa ny fanantenana famonjena na dia ho an’ireny olona ireny aza. Aoka tsy hohadinointsika fa niresaka zavatra tsara ny amin’ireo vehivavy janga izay nanadio ny fiainany ka nino azy i Jesosy, nifanohitra tamin’ireo filoha ara-pivavahana tamin’ny androny izay niavonavona sy tsy nampiseho fibebahana mihitsy. — Romana 1:26, 27; II Petera 2:9, 10; Joda 6, 7; Matio 21:31, 32.
11 Raha toa ny mpanompon’i Jehovah iray ka nandoto tena tamin’ny fanarahana fanao maloto, na voan’ny fakam-panahy hanao izany, dia tokony hanitsy tena sy hitafy ny fiadian’Andriamanitra rehetra izy (Efesiana 6:11-18). Tena “tahaka ny andron’i Noa” tokoa ny andro iainantsika. Ny Devoly, tahaka ny “liona mierona”, ary ireo demoniany ratsy dia miezaka tsy ankijanona hampitokana sy hamandrika ireo mpanompon’Andriamanitra. Tokony hisetra ireny fahavalo ireny àry isika amin’ny fiorenana mafy ao amin’ny finoana. — I Petera 5:8, 9.
12. Nahoana no zava-dehibe ny hanarahana ny torohevitra voasoratra ao amin’ny Salamo 97:10?
12 Na dia mety ho toa hahatafintohina tokoa aza izany, dia nisy aza olona nitana toerana niavaka tao anatin’ny fandaminan’i Jehovah lavo ka nanaraka fanao maloto, anisan’izany ny fandrian’ny lehilahy amin’ny lehilahy, ny fifanakalozam-bady sy ny fanaovana an-keriny zaza. Tsara koa ny manamarika fa tamin’ny taona lasa dia olona 36 638 no tsy maintsy noroahina tsy ho ao amin’ny kongregasiona kristiana, ka ny ankamaroany dia noho ny fanarahana fahalotoam-pitondrantena. Tokony hijanona ho madio ny fandaminan’i Jehovah (I Korintiana 5:9-13)! Amin’izao androntsika izao, ireo loholona, ireo mpikarakara momba ny asa, ary raha ny marina, ny rahalahy sy anabavintsika rehetra dia tokony hanalavitra ny tarehin-javatra iray mety hitarika ho amin’ny fahalotoam-pitondrantena. Hamaly soa an’ireo izay manaja amim-pahatokiana ny fepetra omeny Jehovah, araka ny hamafisin’ny Salamo 97:10 hoe: “Hianareo izay tia an’i Jehovah, mankahalà ny ratsy; miaro ny fanahin’ny olony masina Izy ary mamonjy azy amin’ny tànan’ny ratsy fanahy.”
13. Inona avy ireo torohevitra mampiseho fahendrena nomen’ny apostoly Paoly sy Petera antsika?
13 Izay rehetra “maharikoriko ao anatin’ny fahalotoany” dia ho foana, raha ela indrindra amin’ny “fahoriana lehibe”. Zava-dehibe àry ny hankahalantsika, eny, ny hiheverantsika ho maharikoriko ka handavantsika ny faharatsian’izao tontolo izao ankehitriny! Tokony ‘handositra ny fijangajangana’ isika. (Apokalypsy 21:8; I Korintiana 6:9, 10, 18.) Rehefa avy nilaza fampitandremana amin’ny mpivadi-pinoana izay mamafy fisalasalana ny apostoly Petera ka nampahatsiahy ny tena fisian’ny “andron’i Jehovah”, dia mananatra antsika mba hanatanteraka ‘fitondrantena masina sy toe-panahy araka an’Andriamanitra’. Avy eo dia izao no teny nanampiny: “Kanefa isika, araka ny teny fikasany, dia manantena lanitra vaovao sy tany vaovao, izay itoeran’ny fahamarinana. Koa amin’izany, ry malala, satria manantena izany zavatra izany hianareo, dia mazotoa mba ho hita tsy manan-tsiny amam-pondro eo anatrehan’ny Tompo amin’ny fihavanana.” Ho sambatra tokoa isika ho anisan’ny “tany vaovao” ‘hanaovan’Andriamanitra ny zavatra rehetra ho vaovao’ sy madio! — II Petera 3:3-7, 10-14; Apokalypsy 21:1, 4, 5.
‘Ohatra ho fampitandremana’ hafa koa
14. Nahoana moa no vonjimaika ihany ny fanadiovana natao noho ny safodrano?
14 Taorian’ny nanadiovan’ny safodrano naneran-tany ny tany tamin’ny fahalotoana rehetra avy amin’ny demonia sy ny olombelona, dia nankinin’i Jehovah tamin’i Noa sy tamin’ireo zanany lahy ny fahendrena nomeny an’i Adama tamin’ny voalohany. Izao no nolazainy tamin’izy ireo: “Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany.” (Genesisy 9:1). Izany no nataon’izy ireo, araka ny porofoin’ny toko faha-10 amin’ny Genesisy izay ananganana lisitry ny “fianakaviana” 70, ka mampiseho fahatanterahana io isa io. Kanefa ny olombelona dia niharan’ny vokatry ny fahotana nolovana tamin’i Adama foana ary ny herin’ny demonia dia niharihary fa nitarika ny olombelona ho tafalentika tao anatin’ny faharatsiana ny amin’ny lahy sy ny vavy.
15. Inona no fianarana raisintsika amin’ny fitsarana notononin’Andriamanitra tamin’i Sodoma?
15 Taty aoriana, Abrahama, ‘sakaizan’i Jehovah’, sy Lota zana-drahalahiny dia nankany amin’ny faritr’i Kanana. Nanapa-kevitra i Lota ny hanorim-ponenana tao amin’ny Distrikan’i Jordana izay “tahaka ny sahan’i Jehovah”. Nefa moa ve io toerana io nanana izany endrika izany teo amin’ny lafiny ara-pitondrantena? Tsy izany velively! Nihosina tamin’ny fandrian’ny lehilahy amin’ny lehilahy ireo tao amin’ny tanàna akaikin’i Gomora. Tsy nisy olo-marina folo akory aza tamin’izy ireo. Noho izany, Jehovah dia nampahatonga “sazy ara-pitsaran’ny afo maharitra mandrakizay” teo amin’ireny tanàna ratsy ireny, ka tsy haorina indray intsony mihitsy izy ireny. Nampahatsiarovin’i Jesosy ny fitsarana notononin’Andriamanitra tamin’i Sodoma sy tamin’ireo olona velona tamin’ny “andron’i Noa” mba hanasoritana fa zava-dehibe tokoa ny hitandremantsika. — Genesisy 13:10; 18:32; Joda 7, MN; Lioka 17:26-30.
16. Noho ny fanerena araka ny demonia inona moa no tokony hiadiantsika mafy ho an’ny finoana?
16 Aoka tsy ho diso hevitra isika! Mbola romotra foana Satana sy ireo demoniany. Na dia natsipy ho any amin’ny ‘lavaka maizina ara-panoharana’ aza izy ka tsy manana fahafahana hitafy tena ara-nofo intsony, ireny fanahy ratsy ireny dia manao izay rehetra azony atao mba hanimbana ny olombelona, indrindra fa ireo mpanompon’i Jehovah (II Petera 2:4-6). Tsy isalasalana fa izany no nanosika an’i Kanana hanao zavatra maloto tamin’ny tenan’ny raibeny, dia Noa (Genesisy 9:22-25). Azo antoka fa izany koa no fototry ny faharatsiana natao tany amin’ny tany Kanana, dia faharatsiana nahatonga an’io tany io hiafara tamin’ny fandoavana ireo mponina tao aminy. Toy izany koa, ireo demonia dia mamporisika ny fanao momba ny lahy sy ny vavy tsy araka ny natiora izay mampietry fitambaran’olona be dia be amin’izao androntsika izao. Tokony hiady mafy ho an’ny finoana àry isika, hanohitra ny famelezana rehetra ataon’ireny anjely nietry ireny izay manosika ny olombelona ‘hanaraka fijangajangana hatramin’ny tafahoatra sy hanaraka ny nofo mba hampiasa azy tsy araka ny natiora’. — Joda 3, 6, 7, MN.
Aoka isika hiasa mba hahatafita velona antsika
17. Sahala amin’i Noa sy ny ankohonany, ahoana no azontsika ampisehoana fa tsy naman’izao tontolo izao isika?
17 Rehefa heverina amin’ny faharatsian’ny tarehin-javatra ankehitriny, ahoana no azontsika iantohana ny fahatafitantsika velona? Fa inona moa no nahatonga an’i Noa sy ny fianakaviany ho tafita velona? “Finoana no (...) nanamelohany (Noa) izao tontolo izao.” (Hebreo 11:7). Toy izany koa amin’izao androntsika izao, isika izay Vavolombelon’i Jehovah, dia tsy “naman’izao tontolo izao” ratsy. Afa-tsy izany koa, dia naneho ny finoantsika isika tamin’ny fanolorana ny fiainantsika ho an’i Jehovah sy tamin’ny fanekena hatao batisa tao amin’ny rano mba hahatongavana ho mpianatr’i Jesosy Kristy. — Jaona 17:14, 16; Matio 28:19.
18. Mampiseho inona moa ny fanorenana ny sambo fiara?
18 Etsy andaniny koa, isika dia mandray anjara amin’ny asa tian’i Jehovah ho hita hatao amin’izao androntsika izao, dia asa fanorenana ara-panahy tarihin’ilay Noa Lehibe, dia Jesosy Kristy. Ny sambo fiara, io toeram-pialofana sy nahatafitana velona io, dia mampiseho ny paradisa ara-panahy atsangan’i Jehovah eo amin’ireo mpivavaka aminy nanomboka tamin’ny 1919. Izany dia ny fanorenana indray fifandraisana tsara eo aminy sy ireo mpanompony, ny fandaharana nataony mba hamelana ny fianakavian’ilay Noa Lehibe nasehon’ny tandindona, hamakivaky velona ny “fahoriana lehibe”. — Matio 24:21; I Korintiana 3:9, 11; II Korintiana 12:3, 4; Apokalypsy 7:13, 14.
19. Tandindon’ny inona moa Noa, ireo mpianakaviny, ary ny asa notanterahin’izy ireo?
19 “Fa Noa kosa nahita fitia teo imason’i Jehovah.” Izy io àry dia mampiseho tsara an’i Jesosy Kristy izay niara-nandeha tamin’Andriamanitra tamim-panetren-tena tamin’ny tsy fanaovana na inona na inona mihitsy araka izay noheverin’ny tenany ihany tamin’ny fivahiniany teto an-tany (Genesisy 6:8; Matio17:1, 5; Jaona 8:28). Noho izy ireo samy mpitory ny fahamarinana, Noa sy Jesosy dia namela ohatra tsara dia tsara ho an’ny vavolombelon’i Jehovah rehetra. Fa raha ny amin’ny vadin’i Noa, tandindon’ny sisa voahosotra mbola eto an-tany amin’izao andro izao, izy io dia azo antoka fa ohatra tamin’ny fanekena (II Petera 2:5; Lioka 4:14-19; Efesiana 5:21-24). Rehefa eritreretina ny asa goavana fanorenana ny sambo fiara hiarovana ny aina, dia azo atao ny maka sary an-tsaina fa Noa, efa be taona tamin’izay, dia tsy maintsy ho faly tokoa nandray soa tamin’ny fanampian’ireo zanany lahy telo navitrika sy ny vadin’ireo. Ireo vadiny ireo dia rariny raha mampiseho ny “olona betsaka” izay manao ny ankabetsahan’ny asa fanorenana ara-panahy ao anatin’ny fanisana miverina farany mialoha ny safodrano nasehon’ny tandindona. — Apokalypsy 7:9, 15.
20, 21. a) Ho avy mamirapiratra inona no miandry ireo mpivavaka amin’i Jehovah ao amin’ny tany voadio? b) Inona no fifaliana mety ho hitantsika dieny izao?
20 Rehefa ho nodiovina ny tany ka ho vonona ny hovana ho paradisa ara-bakiteny, ireo izay nasehon’ny zanakalahy sy vinantovavin’i Noa dia tsy isalasalana fa ho afaka hiteraka zanaka ao anatin’ny fahamarinana mandritra ny fotoana sasantsasany. Avy eo, ny planetantsika dia ho feno tanteraka noho ny fahagagana momba ny fananganana ny maty. Izay rehetra hanaiky ny tombontsoa ho tonga ‘ondry hafan’i’ Jesosy dia hatao tonga tanteraka. Rehefa handalo amim-pandresena ny fitsapana farany hitranga aorian’ny ho nanoloran’i Kristy ny Fanjakana tamin’ny Rainy izy ireo, dia hambara fa marina ary hahazo ny fiainana mandrakizay. — Jaona 5:28, 29; 10:16; I Korintiana 15:24-26; Salamo 37:29; Apokalypsy 20:7, 8.
21 Fahasambarana tsy manam-pahataperana no miandry ireo mpivavaka amin’i Jehovah mahatoky. Nefa dieny izao izy ireo dia afaka mahita fifaliana lalina amin’ny fandraisana anjara amin’ny fo rehetra amin’ny fanorenana ny sambo fiara amin’ny andro ankehitriny mety hahatafita velona. Mandroso tsara ve izany asa izany? Mamaly an’io fanontaniana io ny lahatsoratra manaraka.
AHOANA NO HAVALINAO?
◻ Mampitandrina antsika amin’ny inona moa ireo fisehoan-javatra talohan’ny safodrano?
◻ Inona no fianarana tokony hotsoahintsika avy amin’ny Matio 24:37-39?
◻ Nahoana moa no zava-dehibe tokoa ny ‘hankahalana izay ratsy’?
◻ Ahoana no azontsika andraisana anjara amin’ny fanorenana ny sambo fiara nasehon’ny tandindona?
[Efajoro, pejy 11]
TAHAKA ‘NY ANDRON’I NOA’:
“40 isan-jato monja amin’ny mpampianatra fanabeazana ara-pivavahana (...) no mieritreritra fa ratsy ho an’ny lehilahy sy vehivavy tsy mpivady ny manana firaisan’ny lahy sy ny vavy.” — Saturday Oklahoma & Times, 29 desambra 1984.
[Efajoro, pejy 12]
Zava-dehibe eo imason’izy ireo ve ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly?
Ny pastora episkopaliana iray dia nihaino lahateny tamin’ny fandevenana nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah iray. Taty aoriana, noho ny fanasany, ny mpitory kristiana roa izay miasa ao amin’ny foiben’ny Fikambanana Watch Tower dia nandray anjara tamin’ny fifanakalozan-kevitra nalamina niaraka tamin’ny mpitondra fivavahana maromaro, tany Brooklyn (New York).
Napetraka ny fanontaniana ny amin’ny fandrian’ny lehilahy amin’ny lehilahy. Nasehon’ireo Vavolombelona mazava fa melohin’ny Baiboly io fanao io ka roahin’ny Vavolombelona tsy ho ao amin’ny laharany ny olona manaram-po amin’izay rehetra mety ho karazam-pahalotoam-pitondrantena (Romana 1:24-27; I Korintiana 6:9, 10; Joda 7). Rehefa avy eo dia nanontaniany an’ireo mpitondra fiangonana ny toerana notanan’izy ireo ny amin’io raharaha io. Izao no valinteny azony:
Ny mpitory kongregasionalista iray: “Heveriko fa ny fanonganana dia fandaharana tokony hataon’ny Fiangonanay, kanefa raha lazaina marina, dia tsy tsaroako ho efa nampihatra izany mihitsy izahay.”
Ilay pastora episkopaliana: “Raha mampihatra an’io lalàna io izahay, dia tsy hanana mpiangona intsony mihitsy.”
Ilay pretra katolika: “Raha mampihatra an’io lalàna io izahay dia tsy hanana pretra intsony mihitsy.”
Na dia nanamainty ny tarehin-javatra aza angamba ireo mpitondra fivavahana ireo, ny Vavolombelon’i Jehovah kosa dia faly miahy amin’ny fomba hentitra ny amin’ny fahadiovan’ny kongregasiona. Tsy “naman’izao tontolo izao” izy ireo. — Jaona 15:19.
[Efajoro, pejy 13]
TAHAKA ‘NY ANDRON’I NOA’:
“Ny sekolim-bahoaka iray ho an’ny lehilahy mandry amin’ny lehilahy dia nosokafana tao amin’ny faritanin’i Manhattan, any New York.” Nanambara toy izao ilay mpampianatra ao amin’io trano io: “Tianay ny hamorona toerana manodidina tsy hahatonga an’ireo zazalahy mandry amin’ny zazalahy na zazavavy mandry amin’ny zazavavy hiharam-pahavoazana noho ny fifampikasohany amin’ny zatovo tsy matotra.” — The New York Times, 6 jona 1985.
[Efajoro, pejy 14]
TAHAKA ‘NY ANDRON’I NOA’
“Omaly, ireo mpikambana ao amin’ny Fiangonana Riverside dia nandany filazana ho an’ny vahoaka, manohana ny fandrian’ny lehilahy amin’ny lehilahy, nanambarana fa anisan’ny hevitra ny amin’ny fiainam-pianakaviana kristiana ny firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy.” — New York Post, 3 jona 1985.